Ady amin’ny kere: mirotsaka any atsimo ny minisitra Michelle Bavy

News - Ady amin’ny kere: mirotsaka any atsimo ny minisitra Michelle Bavy

News - Ady amin’ny kere: mirotsaka any atsimo ny minisitra Michelle Bavy

 

Mandray anjara feno amin’ny ady
amin’ny kere any atsimon’ny Nosy ny minisitra Michelle Bavy
Angelica. Nizara sakafo sy vatsy ho an’ireo marefo ny tenany
niaraka tamin’ireo ekipa mpiara-dia aminy. Nisitraka izany ny tao
amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, ahitana kaominina telo toy ny
kaominina Ebelo, fokontany Analamalinika. Teo koa ny kaominina
Ifotaka, fokontany Ankilimahavotse ary ny kaominina Behara,
fokontany Behara no nisitraka izany. Nahitana paty, ovy
voakarakara, sardines…Tao anatin’ireo sakafo nozaraina
isan-tokatrano. Mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’ny fanarenana
ny faharefoan’ny olona vokatry ny kere mivaivay any atsimo ny
minisitry ny Mponina ka tsy mikely soroka amin’ireo asa firotsahana
ifotony. Mamita ny iraka ampanaovin’ny filoham-pirenena azy ny
tenany, amin’izao ady amin’ny mosary izao ary tsy hitsahatra ny ady
raha tsy fongana tanteraka ny hanohanana mianjady amin’ireo mpiray
tanindrazana any an-toerana.

Tatiana A 

Article tiré de Newsmada

L’article Ady amin’ny kere: mirotsaka any atsimo ny minisitra Michelle Bavy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Famonoana mpisolovava tetsy Antanimena: nidoboka eny Antanimora ireo zanaka jeneraly roalahy

Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny fampanoavana azy ireo, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, omaly,  ireo miaramila roalahy, zanaka jeneraly, voarohirohy tamin’ny famonoana ilay mpisolovava tetsy Antanimena.   Tara ny fampiakarana ny raharaha teny amin’ny fitsarana omaly, raha tokony ho tamin’ny 10 ora izany, ireo miaramila roa lahy Arnaud sy Erlie. Efa ny tamin’ny 12 ora vao teny amin’ny fampanoavana ny raharaha. “Nisy ny olana teo amin’ny fikarakarana ny taratasy sy ny dingana tokony narahana ka izay ny antony nahataraiky azy”, hoy ny fanazavana. Teo ihany koa ny tsy fisian’ny mpisolovava niaro azy roa lahy ireo. Afakomaly mantsy dia nisy ny hetsika nataon’ny Holafitry ny mpisolovava ho fanehoam-piraisankina noho ny nanjo an’ity namany voadaroka ity. Mbola tonga maro teny amin’ny fitsarana ny mpisolovava omaly. Niandry ny fanendren’ny fitsarana izay mpisolovava hiaro azy ireo, araka izany, ireto miaramila ireto, vao afaka natolotra ny fampanoavana. Rehefa nilamina ny fombafomba tsy maintsy natao, niroso tamin’ny fakana am-bavany azy roalahy ireto ny mpitsara mpanao famotorana. Taorian’izay no nampidirana azy ireo am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Namoaka “avis de recherche” ho an’ny olona fanintelony naman’izy roa lahy ireo. Ity farany izay efa nahazo fampiantsoana, saingy tsy nipoitra no sady tsy tratra antso intsony. Andaniny, nametraka fitoriana ilay mpisolovava ihany koa izy roa lahy ireo. Fitoriana ilay mpisolovava ho nikasa hamono azy ireo. Araka ny fanazavana, efa nisy ny fihainoana vavolombelona maro tamin’ity raharaha ity. Anisan’izany ny mpanao gazety iray izay nahita ny zava-nitranga sy anisan’ny niharan’ny herisetra ihany koa. Efa nohenoina ihany koa ny mpiambina roa lahy tao amin’ilay trano filanonana teny Antanimena. Miandry ny fitsarana azy ny raharaha. Andrasan’ny olona… Samy miandry ny fitsarana ny raharaha izany ny rehetra. Anisan’ny maro ny olona manaraka ity raharaha ity ary nahabe resaka. Maro ny mihevitra ny hisian’ny mizana tsindrian’ila, ny fisian’ny lava tanana sns. Raha ny omaly aloha, ireo naiditra am-ponja vonjimaika ireo iretsy miaramila roa lahy zanaka jeneraly. Anisan’ny notakian’ny rehetra ny hanamparana ny lalàna ho an’izay manao herisetra. Heverina fa ho toy izay koa amin’ny fotoana izay hitsarana ny raharaha. Manahy hatrany ny olona fa ho afa-maina rehefa mahitahita eto amin’ny tanàna. Mendrika ny hampiharana ny sazy faran’ny henjana ny manao herisetra am-pahibemaso, na ko ny nahatonga izany rehetra izany. Yves S. L’article Famonoana mpisolovava tetsy Antanimena: nidoboka eny Antanimora ireo zanaka jeneraly roalahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa

Miditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny taona ity ny hetsika karakarain’ny Seho Event, nomeny ny anarana hoe Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux). Hetsika natokana indrindra ho an’ny taranja “arts martiaux”. Ny 9 hatramin’ny 11 aogositra no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely, hampisehoan’ireo mpikatroka ao anatin’ireo taranja 12 mandray anjara, ny mampiavaka ny taranjany tsirairay. Araka ny efa nahafantarana azy, hisarika ny tanora hankafy sy hampiroborobo ny fanatanjahantena, fa tsy ho variana amin’ny zava-mahadomelina sy ny revy, no tena tanjona amin’ity hetsika ity. Hiavaka ny amin’ity andiany faharoa ity satria misy ireo taranja vaovao sambany ho tazana amin’ity hetsika ity, toy ny taranja Kempo, ny taibo, ny Akama ary ny Kickboxing.Araka ny nambaran’ny mpikarakara, amin’ny toerana be olona no hanaovana azy ary hitombo bebekokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny fampisehoana isaky ny taranja. Hisy mihitsy, ny tatami lehibe hanaovana izany fampisehoana izany, hisy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana. Ankoatra izay, toy ny mahazatra, tsy ho very anjara ireo izay maniry ny hividy na hanjifa fitaovana ara-panatanjahantena, hisy ny fampirantiana izany, toy ny fanamiana ara-panatanjahantena sy ireo fitaovana ilaina amin’ny taranja “arts martiaux” ary ny “sports extrêmes”. Mbola hisy ihany koa ilay tombola hahazoana loka goavana sy loka maro be mifandraika indrindra amin’ny resaka fanatanjahantena. Tapakila fidirana 2000 ar dia efa mety hahazoana izany loka izany.Araka ny fanazavana nentin’ireo dojo sy ny taranja efa nandray anjara tamin’ny herintaona, nahafa-po ary tena nitondra vokatra tsara tamin’ny fampandrosoana ny taranja tsirairay avy, ny andiany voalohany. Antony mbola mahatonga azy ireo hanatevin-daharana izany amin’ity andiany faharoa ity. Ho an-dRakotonirina Parfait, avy amin’ny taranja Kempo sy MMA (Mixed Martial Arts), sambany ny fandraisana anjara amin’ity, isan’ny nanosika azy ny fahafahany mampisongadina ny taranja Kempo sy MMA eto Madagasikara, amin’ny alalan’ity hetsika karakarakin’ny Seho Event ity, hampisehoany ihany koa fa manana zavatra betsaka omena ny mpikatroka malagasy amin’io taranja io.Mampanantena, araka izany, ny Seho Event, fa ho seho sy hetsika miavaka no ho hita mandritra ny 3 andro, ny 9, 10 ary 11 aogositra eny amin’ny Parvis Analakely. Mi.RazL’article SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mahavita tena ara-tsakafo

Anisan’ny voasoratra ao anaty boky mena nosoratan’ny filoha Ratsiraka ny hoe : « ny firenena matanjaka amin’ny taona 2000 dia izay firenena mahavita tena ara-tsakafo ary manondrana ny ambim-bavany any ivelany ». Mazava tsy misy ampina na analana io teny io, fa anjarantsika ny mijery raha tanteraka tokoa na tsia, na zary mijanona ho kabary tsara lahatra, toy ny mahazatra. Hatramin’izao, manafatra vary any ivelany i Madagasikara, sady lafo ny vidiny ho an’ny sarambabembahoaka, satria miaina anaty fahantrana ny 85%-n’ny Malagasy. Na izany aza, somary nihena kely ny vidiny amin’izao fotoana ao anatin’ny fararano izao. Tsara rahateo ny vokatra satria tsy nisy loatra ny tondradrano nanapotika ny tanimbary tamin’ny fotoam-pahavaratra teo.Fototry ny fahazoana voka-bary tsara ny fanajariana ny lemaka, ny fitantanana ny rano, ny fampiasana masomboly tsara sy zezika ampy. Eo koa ny fampiasana fitaovam -pambolena nohatsaraina sy mekanika. Mila vola hoenti-manana ho ampy anefa izany rehetra izany. Mahantra ny Malagasy ka tsy manana ny hoenti-manana sahaza amin’izany. Tsy misy ny antontanisa tena mazava, mamaritra ny masonkarena amin’ny tanimbary 1 ha eto amintsika. Tsy natao ho an’ny rehetra ny fampindramam-bola, satria tsy manana antoka koa ny ankamaroan’ny tantsaha, fa ny matanjaka ihany no afaka manao izany. Any amin’ny tany mandroso, manampy ara-bola mivantana ny tantsaha ny fanjakana, raha tsy hiteny afa-tsy ny any Frantsa ohatra. Miady irery ny antsika, fa tsy afaka manao izany ny fanjakana.Ataon’ny fanjakana ankehitriny tanjona indray ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary nanao toy izany koa ny teo aloha nifandimby teo. Maro ny paikady nofaritana, tsy vitsy ny hetsika natao, fa ny vokatra azo tsapain-tanana no tena andrasana. Noraisina iry paikadin’ny filoha teo aloha iry, ary natao tanjona ny hanondranana vary any ivelany.Njaka AndriantefiarinesyL’article Mahavita tena ara-tsakafo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zon’olombelona – Fiarahamonim-pirenena: mangata-panazavana momba ny ”RaharahaFarafangana”

“Manaitra ny manampahefana sy ny mana-mahefa isan-tokony hanome fanazavana misimisy kokoa sy handray fepetra tamin’ny tandrevaka sy ny fanamparana diso tafahoatra hery izahay.” Io ny fanambaran’ny firaisamonina sivily any Farafangana, manoloana ny fandosiran’ny voafonja narahina fitifirana ka nisian’ny maty sy ny naratra. Manao sonia izany ny ONG Fiantso, ny Aumônerie catholique de prison, ny vovonan’ny firaisamonina sivily ao amin’ny distrikan’i Farafangana.Manameloka ny fandatsahana aina izy ireo, mahatsapa fa tsy nifandanja tamin’ny zava-nisy ny fitifirana tsy ankiato niseho tamin’ny fanenjehana ireo voafonja nandositra. Melohin’izy ireo koa ny fanambarana miendrika fanapepoana ataon’ny manampahefana mpitandro filaminana vitsy miantefa amin’izay mitaky ny fanajana ny zon’olombelona ka anatin’izany ny voafonja.Andrasan’izy ireo ny hetsiky ny CINDH sy ny HCD, ny Kaomisaria ambony momba ny zon’olombelona (HCDH),  kitro ifaharan’ny zon’olombelona.R.Nd.   L’article Zon’olombelona – Fiarahamonim-pirenena: mangata-panazavana momba ny ”RaharahaFarafangana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Izay iombonana sy mampiombona… 

19 ny mijanona amin’ny toerany, roa miverina, iray nosoloina… Tsy inona fa ny governemanta amin’izao fotoana izao, lazaina ihany hoe vaovao satria vao avy nametra-pialana. Mitoy ny asa fa tsy misy izay fiovana sy fanovana. Any amin’ny asa no ifampitsarana. Hanao ahoana?Tsaroana eto ny fangatahana na ny fitakiana nataon’ny avy amin’ny faritany iray, vao tsy ela akory izay. Mba tokony hisy avy any amin-dry zareo, hono, ny mpikamban’ny  governemanta. Ho raharaha be raha samy hanao izay avokoa ny faritany, ny faritra, ny distrika… ? Na hoe ady fiady aza…Nahoana tokoa moa? Satria mbola misy ny mahatsiaro na mitsara tena ho zanak’Ikalahafa? Na mihevitra fa natao na mety hampandroso manokana ny faritra niaviany avy ny tomponandraiki-panjakana ka mba mila izay avy amin’ny faritra niavian’ny tena ny tsirairay.  Azo iadian-kevitra koa izay?Tsy tena mbola mahafa-bela tanteraka tsinona ny hoe fifandanjana isam-paritra, na mety manome tombondahiny manokana ny faritra niaviany tokoa ny tomponandraiki-panjakana ambony? Na olom-boafidy io, na olom-boatendry. Rahoviana vao tena hiainana fa iray ny Malagasy sy i Madagasikara?Mbola eo hatrany ny tarazo ratsy navelan’ny mpanjanatany amin’ny hoe zarazarao hanjakana?Na iza na iza, na aiza na aiza, na rahoviana na rahoviana… tsy efa tokony hotsaroana amin’izay ve ny hampandrosoana an’i Madagasikara sy ny vahoaka rehetra ao aminy rehefa tomponandraika-panjakana?Mbola ny faritra niaviana no anisan’ny tsy mampiombona? Tsy lavina, misy tokoa ny hoe tratra aoriana amin’ny fandrosoan sy ny fampandrosoana. Toy izany koa ny tsy fitsinjarana mitovy na araka ny tokony ho izy ny harena, ny tsy fisitrahan’ny mponina ifotony ny harena avy amin’ny faritra niaviany…Inona ny vahaolana amin’izany amin’ny fampandrosoana isam-paritra? Fa tsy fahazoan-toerana isam-paritra hampisy hatrany elanelana amin’izay mahazo tombondahiny amin’izany.Mba vahaolana iombonana sy mampiombona amin’ny firenena iaraha-manana amin’izay no tadiavina sy atao amin’izao?Rafaly Nd.L’article Izay iombonana sy mampiombona…  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana

Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety vehivavy: resin’i Madagasikara i Maorisy

Fandresena telo tamin’ny lalao telo nataony, no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ny taranja basikety, ho an’ny sokajy vehivavy. Omaly, mbola nahazo fahombiazana indray ny tovovavy malagasy, rehefa nanilika an’i Maorisy, mpampiantrano, tamin’ny isa mazava, 74 no ho 49. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa nanaovan’ny mpilalao malagasy, notarihin-dry Ange sy ny namany fanehoan-kery sy fampisehoam-pahaizana, fotsiny izy ireo, nandritra ireo tapa-potoana efatra nilalaovana.Nitarika an’isa hatrany ny Malagasy tamin’ireo 10 mn inefatra niditra. Tsy naharaka ny hazakazaka sy ny hafetsifetsena nataon’ireo Malagasy mihitsy ny Maorisianina, na teo aza ny fanohanan’ireo mpomba azy.Tafita amin’ny manasa-dalana, izany ny Malagasy, taorian’ity fandresena azony ity. Tafakatra torak’izany koa ny Maorisianina, noho ny naha “disqualifiée” an-dry zareo, Kaomorianina. Andrasana kosa izay hifanehatra amin’i Madagasikara, eo amin’izany dingana manasa-dalana izany. TompondakaL’article Basikety vehivavy: resin’i Madagasikara i Maorisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha, i Rejo-Fienena Felicitée,  sy ny vaovao hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard. Tahaka izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.“50%-n’ireo tanora afaka bakalorea anefa, tsy tafita eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy hojerena ny hoavin’izy ireo hitovian’ny tanora malagasy sy ny zana-bahoaka. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy ny fizohiana amin’ny asa rehetra atao… Omena hasina ireo mendrika eo amin’ny andraikitra”, hoy ny minisitra vaovao, i Blanche Nirina Richard, omaly tetsy Fiadanana tamin’ny lahateniny, raha vao nandray ny fitantanana. Nanteriny fa hapetraka ny toko telo: fiaraha-miasan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Ilaina ny kalitaon’ny fampianarana ary hotanterahina ao anatin’ny fitoniana ny asa rehetra. “Hanampy sy hanohana eo amin’ny fampitaovana ny fanjakana hanatrarana ny fanamby”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha kosa ny dingana vita. Anisan’izany ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny hosoka eo amin’ny diplaoma. Ny fametrahana ny oniversite manakaiky vahoaka, ny nametrahana ny sehatra ifanakaozan-kevitra, ny famahana ny olan’ny vatsim-pianaranana…Hamaky ady amin’ny kolikolyVita koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vonjimaika, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny ministra teo aloha ny Fanabeazam-pirenena, naverina amin’ny toerany, i Volahaingo Marie Thèrese. Nanteriny fa hanohy sy hanatsarana ary hanatratra ny tanjon’ny minisitera miainga amin’ny veliranon’ny filoha ny tenany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatontosana ny fanadinana, tsy misy hadisoana. Ny fanorenana trano sekoly EPP sy CEG ary lycée… “Ho lavitry ny kolikoly izany fanamboarana izany…”, hoy izy. Hapetraka ny vaomiera hifantina ireo fampidiranam-piasam-panjakana, tsy misy kolikoly… Hohafainganina ka haloa mialoha ny fotoam-pialan-tsasatra ny volan’ny mpampianatra Fram. “Miantso ny tsy miankina sy ny teknisianina ary ny mpamatsy vola hifandinika handrindrana ny PSE ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana”, hoy izy.Synèse R.   L’article Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy

Notokanana, omaly, ny toby fitsinjaran-tsolika vaovao an’ny Shell eny Mahitsy. Fivarotan-tsolika faha-72 eto amintsika, an’ny orinasa Vivo Energy, manaparitaka sy mivarotra ny vokatra Shell (solika sy ny vokatra samihafa mifandraika aminy) eto Madagasikara.Manamora ny fividianan’ny mpanjifa ny vokatra ilainy, hita ao amin’ity toby vaovao ity, ny fampiasana ny karatra “prépayée Shell Petro+”. Ho an’ny ben’ny Tanànan’i Mahitsy, Rakotovao Andriambololona, “tsy mijaly famatsiana solika intsony ny any Mahitsy satria mitombo ny toby mpaninjara, raha iray ihany no nisy tany amin’ny 10 taona lasa”.Nilaza ny tale jeneralin’ny Vivo Energy, i Mondher Bouhouche, fa endriky ny fandraisan’anjaran’ny orinasa tantaniny amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara ary mitondra fampandrosoana ny firenena izao fotodrafitrasa izao. Marihina fa efa nisokatra ho an’ny mpanjifa teo amin’ny iray volana eo ity toby vaovao ity.Njaka A.L’article Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Vono olona tany Ankazobe :: Mpandraharaha iray naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika, eny Antanimora, afak’omaly alina, ny mpandraharaha iray mpividy vary any Ankazobe sy ireo namany roa lahy. Voarohirohy ho namono mpandraharaha iray hafa tany Anabohazo-Kiangara ireo olona telo ireo. Voalaza fa nokaramaina iray tapitrisa ariary ireo olona roa tompon’antoka mivantana tamin’ity vono olona ity. « Tany am-pividianana vokatra io mpandraharaha lasibatra io no nisy nitifitra. Namoy ny ainy teo no ho eo izy. Nidina avy hatrany tany amin’ilay toerana izahay rehefa naheno ny zava-nitranga. Voasambotra tamin’io fotoana io ihany ireo olona roa nitifitra niaraka tamin’ny basimborona nitifirana an’ilay mpandraharaha. Nilaza ireo namono fa io mpandraharaha io no naniraka sy nanakarama azy ireo”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny Zandarimaria, any Ankazobe. Nanamora ny fisamborana an’ireo olona voampanga ireo ny hetsika manokana ho fampandriana fahalemana ataon’ireo zandary ao anatin’ny Vondron-tobim-paritra Analamanga, efa andro vitsy lasa izay. L’article Vono olona tany Ankazobe :: Mpandraharaha iray naiditra am-ponja est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra
26/10/2020

Hotanterahina any Toamasina ny 30 sy 31 oktobra izao ny « Salon de l’étudiant » ho an’ireo mpianatra nahavita ny fanadinana bakalorea sy hiakatra amin’ny tontolon’ny oniversite amin’izay. Hivondrona amin’ny toerana iray ireo sekoly ambony ao Toamasina sy ny manodidina hampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana ao aminy.Miresaka mivantana amin’ireo tompon’andraikitry ny sekoly, araka izany, ireo mpianatra. Misokatra ny fanontaniana rehetra hatramin’ny mety ho lalan’asa ho hita aorian’ny fiofanana na fampianarana hatao.Betsaka ireo tanora afa-panadinana bakalorea no sady te hiasa no hianatra ka misy ihany koa ireo sekoly ambony mandefa manao fizarana asa avy hatrany hahafahan’ny tanora mivelatra sahady sy manana lalan-tsaina amin’ny tontolon’ny asa.Takina indrindra amin’izao fotoana ny fananana traikefa ka izany no anton’ny fizarana asa avy hatrany na dia vao manomboka amin’ny taona voalohany aza ho an’ireo sekoly ambony efa manome fahalalahana ny mpianany amin’izany sehatry ny asa izany.Misy amin’ireo tanora ihany koa no tazomin’ny orinasa nanaovany fizarana asa avy hatrany rehefa tsapan’ny mpampiasa fa matotra sy afaka mamokatra ho an’ny orinasany ka avy hatrany dia omeny ny toerany ao amin’izany orinasa izany.Tatiana AL’article Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Caf: ho kandidà fanindroany i Ahmad
30/10/2020

   Nanapa-kevitra i Ahmad, filohan’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf), fa mbola ho kandidà indray izy amin’ny fifidianana hotanterahina any Rabat, Maraoka, ny 12 marsa 2021. A raka ny fantatra, ny 28 oktobra lasa teo, no noraisin’ny Caf tamin’ny fomba ofisialy ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’i Ahmad.Raha tsiahivina, izy ny kandidà voalohany nitonona ho mpifaninana amin’ity ho filohan’ny Caf ity. Hatreto, tsy mbola nisy nilaza hifanandrina aminy ireo filohana federasiona ao Afrika. Mety mbola miandry hatramin’ny 12 novambra, fe-potoana farany, vao ho fantatra avokoa ireo kandidà rehetra.Mandra-piandry izany, efa maro ireo filohana fikambanana sy federasiona nilaza ny fanohanany an’i Ahmad, amin’ity. Ankoatra ireo, anisan’ireo olona efa naneho fankasitrahana amin’izao filatsahan-kofidiny izao indray i Nicolas Dupuis. Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2017 no nitondran’i Ahmad ny Caf ary anisan’ny nampiavaka azy ny nampakarany ho 32 ny isan’ireo firenena mifaninana amin’ny “Can”.TompondakaL’article Kitra – Caf: ho kandidà fanindroany i Ahmad a été récupéré chez Newsmada.

Ivandrika – Farafangana: henjana ny fifandonana, dahalo dimy indray lavon’ny zandary
28/10/2020

   Ambetin-dresaky ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard hatrany ny hoe « anjaran’ny dahalo indray izao ankehitriny no mihorohoro ». Tanteraka tokoa izany raha ny vokatra azo nandritra ny fifandonan’ireo zandary avy ao amin’ny tobin-jana-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Iabohazo sy ireo dahalo dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika . Nangalatra omby miisa 21 tao Mahazoarivo kaominina ambanivohitr’Ivandrika distrikan’i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo ireo dahalo. Vokatry ny fifandonana, tafaverina avokoa ireo omby miisa 21 raha maty rotiky ny balan’ny zandary ireo dahalo dimy lahy. Tsy nisy naninona kosa ireo zandary. Nanamafy hatrany ny zandary rehefa ara-potoana ny fampandrenesana dia haingana ny vonjy taitra ataon’ny zandarimaria. Nanamafy hatrany ny Seg fa tsy maintsy mihorohoro amin’ny zandary amin’izay ny dahalo manomboka izao.Jean ClaudeL’article Ivandrika – Farafangana: henjana ny fifandonana, dahalo dimy indray lavon’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

Nosasana fa saika hamidy: kila tsy nisy noraisina ilay fiara 4×4, BMW
28/10/2020

 Nanaitra ny mpandalo sy nampitangorona olona maro tetsy 67ha avaratra manakaiky ny biraon’ny Seimad ny firehetan’ny fiara 4X4 marika BMW X5, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy 18 minitra. Kila tsy nisy noraisina intsony ny fiara vokatry ny afo niredareda. Mbola nipoaka ihany koa izany ka nanaitra ny manodidina.Fiara saika hamidy ity tra-doza ity. Teo am-panasana azy no nanomboka nirehitra ny fiara. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, « cours-circuit » ny nahatonga ny firehetana nitarika ny fahasimbana tao anatin’ny minitra vitsy. « Avy nosasana ilay fiara, napetraka naka toerana ary nosoloina ny batterie », hoy ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana. Nanohy ny asa fanadiovana kosa ny mpanadio. Fotoana fohy taorian’ny nanombohana ny fanadiovany ny anatin’ny fiara. Nahatsikaritra firehetana tao amin’ny « capot » an’ilay fiara ilay mpanadio. Nitady ny fomba nanokafana izany anefa izy, saingy tsy nety nisokatra ilay capot. Nihanahazo aina, araka izany, ny afo ka voatery niantso ny tompona fiara ralehilahy. Minitry vitsy monja taorian’izay, efa afo nijoalajoala ny teo amin’ilay fiara 4×4. Vokany, naira-nisalahy ny rehetra nanondraka fasika sy ranon-tsavony namonoana ny afo, saingy tsy nahafaty azy izany. Teo koa ireo niantso ny sampana mpamonjy voina. Ny sasany moa dia nitangorona nijery izany. Vokany, tsy voafehy ny afo ary kila tsy nisy noraisina intsony ilay fiara  BMW X5 tao  mandra-pahatongan’ireo mpamono afo.Henintsoa HaniL’article Nosasana fa saika hamidy: kila tsy nisy noraisina ilay fiara 4×4, BMW a été récupéré chez Newsmada.

Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany
26/10/2020

Maina ny andro eto afovoan-tany amin’ny ankapobeny ary hiakatra ny maripana ambony (28°C) indrindra fa ny alarobia no ahitana fidinany (26°C) izany, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Nanjaka ny orana ho an’ny tapany atsimo, ny faran’ny herinandro, nahazo izany avokoa ny atitany sy ny morontsiraka ary nirefy 30 mm ny rotsak’orana tany an-toerana. Nitohy, omaly, ny orana ho an’ny atitany any atsimo entin’ny atmosfera tsy marim-toerana. Eto Antananarivo kosa, alina no hotombanana hirotsaka ny orana. Manao volon’andro manjombona tanik’orana matetika fa tsy mahalatsaka satria tsy feno ny fepetra. Raha tazanina lavitra, rakotra setroka manjavona ny Renivohitra izay tsy misava mihitsy mandritra ny tontolo andro. Tsioka atsimo-atsinanana kosa ny hanjaka amin’ny ilany Atsinanana sy ny tapany avaratry ny Nosy.Vonjy L’article Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Fitsindromana “héroïne” : Telo lahy 5 taona an-tranomaizina
24/10/2020

Niakatra tao amin’ny la­pan’ny Fitsarana ambony misahana ny heloka bevava Toa­masina, ny alatsinainy lasa teo, ny raharahan’ireo andian-jatovo voasambotry ny poli­sin’ny Fip noho ny fitsindromana zava-mahadomelina ma­hery vaika “héroïne”, ny 16 mey 2019. Tao amin’ny alan’ny lycée Jean Rabemananjara Salamazay Toamasina no tratra ireto andian-jatovo ireto tamin’io fotoana io. Araka ny laharan’ny antontan-taratasin’ady 61-Toa/20 nahavoarohirohy an’i Hajanirina Garnier Erick, 52 taona, mpamily taksiborosy (tonga niatrika ny fotoam-pitsarana), i Ali Ama­di Amada sy Rasolofoniaina Antonio Thierry ary i Do­mennico, ireto telo lahy ireto izay tsy nanatrika ny fotoam-pitsarana satria efa nahazo fahafahana vonjimaika, tsy niandry ela tao am-ponja to­kony hiandry fotoam-pitsarana amin’ny maha raharaha goavana ny zava-mahadomelina toy itony. Niaiky, nandritra ny fotoam-pitsarana, i Ha­janirina Erick ary noporofoiny fa anisan’ny mpanjifa “héroïne” izy, saingy efa najanony izany noho ny fidirany hopitaly. Nohamafisiny teo anolo­an’ny fitsarana fa tsy anisan’ ireo voasambotry ny polisy teo am-pitsindronana izy fa ireo andian-jatovo telo lahy tratra teo am-pitsindronana teo akaikin’ny lycée no nitoroka azy ho nizara amin’izy ireo.Fivarotana sy fanapariahana ary fanjifana fitsindronana “héroïne” ny vesatra anenjehana ireto efa-dahy voampanga ireto. Nilatsaka ny sazy taorian’ny fifandresen-dahatra ka izao voaheloka sazy asa an-terivozona an-tranomaizina 5 taona miampy didy fampisamborana ireo voampanga.SajoL’article Fitsindromana “héroïne” : Telo lahy 5 taona an-tranomaizina a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana ny fifidianana loholona: tsy hokitihina intsony ny lisitry ny mpifidy…
29/10/2020

   Efa mipetrapetraka avokoa. Nambaran’ny mpampaka-teny eo anivon’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, omaly fa hofaranana ny 11 novambra izao ny lisitry ny mpifidy vaventy, hifidy ireo loholona.Noferana ho iray volana mialoha ny 11 desambra, hanatanterahana ny fifidianana izany. « Tsy azo kitihina intsony ny lisitry ny mpifidy, aorian’io daty io », hoy izy, teny Alarobia, omaly. Mialoha izany, hotanterahina ny zoma izao ny an-tsapaka amin’ny laharan’ny kandidà amin’ny bileta tokana sy ny eny amin’ny peta-drindrina. Eo koa ny ho filaharan’izy ireo amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny haino aman-jerim-anjakana (TVM/RNM).Miandry tsikera ny CeniNanteriny fa mandala hatrany ny fisokafana sy ny mangarahara ny eo anivon’ny Ceni ka hisy ny sehatra ifampidinihana amin’ny alarobia 4 novambra ho avy izao. « Iarahana amin’ireo mpisehatra rehetra, ahitana ny kandidà izany, ifampizarana ny vaovao sy ny fanomanana rehetra amin’izany fifidianana izany. Andrasana koa ny tsikera samihafa  », hoy ihany izy. Hitohy any amin’ny distrika izany fifampizarana izany.Kandidà tokana, tsy misy mpifanandrinaTsiahivina fa miisa 14 ireo lisitra kandidà hifaninana amin’ity fifidianana ity. Miisa telo avy ny kandidà eto Antananarivo sy Antsiranana ary Toamasina. Roa avy kosa ireo kandida nirotsaka any Fianarantsoa sy Toliara ary iray, tsy manana mpifaninana ny kandidà any Mahajanga.Synèse R.L’article Fiatrehana ny fifidianana loholona: tsy hokitihina intsony ny lisitry ny mpifidy… a été récupéré chez Newsmada.

Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana
28/10/2020

 Mbola eo ihany ny valanaretina covid-19! Nisy nikarakara fampisehoana nakàna mpanakanto malaza, tao Manakambahiny-Andrefana, Disitrikan’Ambatondrazaka. Nokasaina hotanterahina ny alahady 25 oktobra teo izany. Anisan’ny tarika nokasaina hiseho tamin’izany ny tarika Jean Aimé. Raha ny fantatra, efa voafandrika  mialoha ireo mpisehatra. Ny 20 oktobra, nandefa taratasy fanakanana ny hanatanterahana izany fapisehoana izany ny ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana.Ny 22 oktobra io rafitry ny minisiteran’ny fahasalamana io no nanao tatitra tao amin’ny Radio iray ao Ambatondrazaka fa ny disitrikan’Anosibe an’Ala sy ny Andilamena no tsy ahitàna olona voamarina fa mitondra Covid-19. Nanantena ireo nikarakara fampisehoana fa mba hisy fihatsaràna ny toe-javatra, kanjo tao Manakambahiny-Andrefana mihitsy no nisy tratran’ny covid-19 miisa telo sy tranga mampiahiahy 16! Nofoanana ilay fampisehoana… Samy mbola tokony hanao arovava sy orona avokoa ny aty Ambatondrazaka.RarivoL’article Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana a été récupéré chez Newsmada.

Fitsirihana tampoka: fiara miisa 47 nogiazana
27/10/2020

 Ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, manohy ny fanaraha-maso ireo fiarakodia amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny ny foibe fitsarana fiarakodia. Hatramin’ny 19 hatramin’ny 25 oktobra teo, nahatratra 430 ireo fiara nosavaina teny an-dalambe ka taratasina fiara 148 tamin’izany ny nosintonina noho ny tsy fahalavorariana hita amin’ilay fiara ka lasa «inaptes».  Fiarakodia miisa 47 hafa kosa nampidirina ambalampamonjana satria tsy nanao fitsirihana ara-teknika ary ilàna fanamboarana manokana.Fiara miisa fito ny voamarina fa tsy nahavita fandraisana ara-teknika. Fiara 18 nomena fampitandremana sy toromarika hikojakojany ny fiara ampiasainy. 76 hafa kosa nahitana tsy fahatomombanana ara-teknika.Mitohy ny fanentanana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia ary manentana hatrany ireo tompona fiara na ny mpamily hikojakoja sy hanamboatra ireo fiarany taorian’izay fihibohana maharitra izay. Tokony hanatona ireo ivontoerana fitsarana fiarakodia amin’ny fotoana tokony hanaovany fitsirihana teknika ahafahana misoroka ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe ateraky ny tsy fahatomombanana teknika.Marihina fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fitsirihana tampoka an-dalambe ary hivelatra manerana ny Nosy.Tatiana AL’article Fitsirihana tampoka: fiara miisa 47 nogiazana a été récupéré chez Newsmada.

Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana
28/10/2020

  Iray amin’ireo Tahiry lehibe mampiasa vola aty Afrika ny DPI (DevelopmentPartners International), mitantana ny ADPIII (AfricanDevelopmentPartners III). Miara-miombon’antoka amin’izany ADPIII izany izao ny vondrona Axian eto Madagasikara.Indostria 23 amina firenena 29 aty Afrika no misy fandraisana anjaran’ny DPI. Miainga avy amin’izany ny traikefany sy amina fampiasam-bola ahitana fahombiazana. Maherin’ny 1,6 miliara dolara ny tantanana amin’izany amina indostria maro, afaka mahita tombony haingana. Manaraka ny tsara vitan’ny teo aloha ny ADPIII misy ny Axian, mifantoka amin’ireo orinasa tsy miankina mandroso amin’ny fitantanana.Ny fiaraha-miasa amin’ny Axian,  manambara ny finiavana fanatanterahana ny fanovana ny toekarena aty Afrika. Manoro fomba sy lalan-tokana aty amin’ny kaontinanta ny DPI. Fampiasam-bola iombonana manome lanja ny fiarahana amin’izay hatao rehetra, amina sehatra maro. Fiaraha-miombon’antoka, hahitana fiaraha-mitantana ny tahiry iombonana, hahafahana manavao sy mitaky fampivondronana fahaizana.Ny vola miasa aty Afrika avy amin’ny ADP III, tonga any amin’ny Axian hahazoana manao tetikasa amina sehatra sy toerana maro aty Afrika. Sady mpitantana tahirim-barotra ny DPI, no tompon’andraikitra amina fampiasam-bola araka ny namaritan’ny Firenena mikambana azy. Tanjona ny fampandrosoana maharitra, misy akony ara-toekarena amin’izay mpampiasa vola.150 taona eto MadagasikaraNy vondrona Axian, mpikambana ao amin’ny UN Global Compact ( Firenena mikambana), miasa mampifandray ny sehatra maro. “Ny renivola avy aty aminay, fomba iray entina mitrandraka ny sasany amin’ireo sehatra ireo. Mihevitra izahay fa ny fahombiazana sy maharitra hita amin’ny orinasa iray, tsy afa-misaraka amin’ny maha tompon’antoka azy amin’ny fitantanana”, hoy i Hassane Muhieddine, ao amin’ny Axian.Manaporofo izany, 150 taona eto Madagasikara izao ny vondrona Axian, hita amina sehatra dimy : fanaovan-trano, fifandraisan-davitra, raharaha ara-bola, angovo, sy fanavaozana. 5000 ny mpiara-miasa aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika. Miara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny toekarena.R.MathieuL’article Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Fakafaka: taitaitra satria very fototra?
27/10/2020

 Na diso na marina ny fanambaran’ny Papa Fransoa. Na niteny na tsy niteny an’iny izy. Na nankatoa na tsy nankatoa ny fanambadian’ny mitovy fananahana izy. Inona ny tokony hampitsangam-bolo ny Malagasy amin’izany? Sanatria, tsy fanamaivanana ny tranga tahaka ireny akory fa matoa misy ny taitra, gaga, tezitra, mivarahontsana, malahelo, ketraka, mitebiteby, sns, olona tsy manana fototra ijoroana izy izay. Raha tena iainan’ny Malagasy ny kolontsainy, tsy misy tokony hahina sy hatahorana ny fielezan’iny vaovao iny. Tsy kolontsaina malagasy mihitsy ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Iny safotofotom-baovao iny no nanaporofo indray fa tsy miaina amin’ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony ny Malagasy sasany. Na, tsy mahafantatra akory ny momba azy ka sahiran-tsaina avy hatrany raha vao lalovana lamokam-baovao.Kolontsaina malagasy anisan’ny faratampony ny fanajana ny lalana voajanahary. Raha miaina izany hatramin’izay ka hatramin’izao ny Malagasy, tsy misy tokony hatahorana. Saingy, tsy izay ny zava-misy! Efa tazana etsy sy eroa ireo ampahana Malagasy very fototra sy atsingevan’ny « fandrosoana ». Eo koa ny Malagasy endrika ivelany fa poakaty. Na, feno ihany fa hipoky ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon’ny hafa. Fanambadian’ny mitovy fananahana, tsy tokony ho tafiditra eto raha nanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy! Misy adidy tsy efa ao. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny ray aman-dreny. Tsy notaizanareo amin’ny kolontsaina malagasy ve ny taranakareo no sahy manao tsinontsinona an-Janahary sy ny lamina napetrany?… Na izany na tsy izany, misy manozongozona mafy ny kolontsaina malagasy. Tsy vao izao io fa efa ela. Iray amin’ireny ny fampifangaroana ny finoana (araka ny nitondran’ny vahiny azy) sy ny fahalalana (niainan’ny Malagasy)… Sa ve manam-pahalalana lavitra no ho i Zanahary ny sasany ka sahy manao tsinontsinona ny lamina napetrany? Raha izay indray, azy ny azy fa tsy an’ny Malagasy rehetra!HaRy RazafindrakotoL’article Fakafaka: taitaitra satria very fototra? a été récupéré chez Newsmada.

FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona
29/10/2020

Nofy tanteraka. Nahazo famatsiam-bola mitentina 7.900.000 Ariary Rasoarimanga Vololona hanatanterahana ny tetikasany. Nanatrika ny lanonana fanolorana izany, ny alarobia 28 oktobra 2020, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny DGA sy ny Secrétaire Général Orange Madagascar Benja Arson, ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar Josie Randriambeloma ary ny filohan’ny Soroptimist International Club Mandrosoa Bodo Ramangason. Nanomboka ny taona 2016, manome tohana ho an’ireo vehivavy mandray anjara amin’ny fandaharan’asa “ maison digitale” ny  « coup de cœur ô feminin” an’ny Fondation Orange. Mahazo tohana ara-bola sy ara-teknika hanatanterahana ny nofiny izay mendrika indrindra ka Rasoarimanga Vololona avy amin’ny “Maison Digitale pour les femmes” Ambohidehilahy ao amin’ny Soroptimist Club Mandrosoa no nandrombaka izany ho an’ny taona 2019. “Zanaka tantsaha, renim-pianakaviana manan-janaka efatra Rasoarimanga Vololona ary nanaraka fiofanana karazany maro tao amin’ny Maison Digitale pour les Femmes. Niofana momba informatika, ny fampiasana ny Excel, ny fitantanana tetikasa izy. Eo am-pandrafetana ny tetikasany ahazoana ny taratasy fanamarinana fahavitana fiofanana izy amin’izao fotoana izao. Nofiny ny hanitatra ny asa fiompiana akoho gasy ka ao anatin’ny tetikasany ny famokarana, ny fanakotrehana, ny fiompiana akoho ho atao sakafo ary amidy eto amin’ny tsena anatiny fa indrindra haondrana any amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Mila fanampiana izy noho izany amin’ny fananganana tranon’akoho mahazaka zanak’akoho an-jatony, reny akoho 10, akoholahy roa ary vorontsiloza telo”. Marihina fa nanomboka tamin’ny taona 2015, “maison digitale” 30 no natsangana  teto amintsika mba hanamorana ny fampidirana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa, ny fanampiana azy ireo hahay hifehy ny fitaovana nomerika sy ireo rindram-baiko fototra. Eo ihany koa fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fitantanana ny varotra, ny bureautique sy ny maro hafa. Nirina R. Cet article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona a été récupéré chez Délire Madagascar.