Ady amin’ny covid-19: hentitra ny amin’ny hanarahana fepetra ny praiminisitra

News - Ady amin’ny covid-19: hentitra ny amin’ny hanarahana fepetra ny praiminisitra

News - Ady amin’ny covid-19: hentitra ny amin’ny hanarahana fepetra ny praiminisitra

Fakana bahana. Nidina
ifotony tany amin’ny faritra Diana ny Praiminisitra Ntsay
Christian, afakomaly sy omaly. Tafiditra amin’ny hisokafan’ny
sidina  amin’ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina izao
fitsidihana izao.

Anisan’ny nojereny ny
seranam-piaramanidina “Arrachart”, hisokatra ny 29 oktobra izao.
Anisan’izany ny fiomanana sy fepetra napetraka handraisana ny
sidina avy any ivelany. Nitsidika ny toby fiantsonan’ny taksiborosy
 ao Scama ny delegasiona. Hiverina hisokatra, anio, rahateo ny
zotra nasionaly any amin’iny faritra iny sy ny aty Antananarivo.
Hita fa efa mipetrapetraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra,
na tao amin’ny seranam-piaramanidina izany, na tao amin’ny toby
fiantsonana, araka ny nambarany. Mbola hatsaraina miandalana
 anefa izany, toy ny fananganana ny “centre d’isolement” ao
amin’ny seranana. Namory ireo mpisehatra amin’ny fitaterana koa ny
minisitra misahana izany ary nanome toromarika. “Mbola manana
fotoana isika handaminana ny hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny
aretina, indrindra amin’ny fisokafana amin’ireo faritra hafa sy
ireo Nosy manodidina. Ahafahana mijery ny mbola fanarenana tokony
hatao,  ny efa vita, ary ny ho fanatevenana izao fidinana
ifotony izao”, hoy ny praiminiistra.

Fitaovana sy tohana sosialy
ho an’ny any Diana

Namory ireo eo anivon’ny CRCO any
Diana ny lehiben’ny governemanta avy eo ka nambarany fa mbola
miakatra ny tahan’ireo mitondra ny aretina covid-19 any an-toerana.
“Hamafisina ny fepetra hahafahana manatevina ny ady atao ary
manantena isika fa samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny
tsirairay”, hoy izy. Nanentana ny vahoaka koa ny tenany mba
hitandrina sy hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fiarovan-tena
sy fiarovana ny hafa, toy ny fanaovana arovava sy orona.

Nanolotra “ambulances” 4×4 miisa
roa ho an’ny faritra ny praiminisitra ary nilaza fa hampitomboina
ny toerana fandraisana an-tanana ireo marary sy ny fanaovana
fitiliana. Hahazo fandriana miisa 50 miaraka amin’ny kojakoja samy
hafa ny efitrano vaovao ao amin’ny Hopitaly miaramila.

Eo amin’ny sosialim-bahoaka kosa,
nampanantena ny praiminisitra  fa hisitraka ireo tohana
sosialy toy ny vahoaka  rehetra ny vahoakan’ Antsiranana.

Fanorenana fotodrafitrasa
eny ifotony

Nitsidika ny fandrosoan’ny
fanorenana fotodrafitrasa samy hafa sy ireo mbola hatsangana koa ny
delegasiona. Anisan’izany ny tetikasa « forage » tao Namakia,
hahazoana loharano vaovao hamatsiana rano ny tanàna. Notsidihina
koa ireo fotodrafitrasa efa an-dalam-pahavitàna. Eo ny kianja
manara-penitra,  ny “Maison de la culture”, ny “Lycée”
manara-penitra,  ary ny fanavaozana ny toby
fanangonan-dranon’ny orinasa Jirama ao amin’ny “PK7”. Nojerena
ifotony ireo toerana hanorenana tanàna vaovao, sy ny seranan-tsambo
“Jasmine”, hanaovana tetikasa vaovao ihany koa.

Synèse R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Ady amin’ny covid-19: hentitra ny amin’ny hanarahana fepetra ny praiminisitra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Andriano ireo marary leretsy

Miarahaba antsika mpamaky tompoko. Ny fahitana ny madilana hotetenina tao amin’ny sampana vonjy aina amin’ny hopitalim-panjakana iray lehibe eto an-drenivohitra no anton’izao anoratana eto amin’ity gazetintsika ity izao. Ekena fa manao ny ezaka rehetra manampy sy mandray ireo marary ara-dalàna ary manambitamby ireo tsy salama ireo dokotera sy mpiara-miasa aminy maro. Isaorana manokana ireo mpitsabo na mpitsabo mpanampy (mpianatra asa, tompon-toerana) amin’izay fanetren-tena ataon’izy ireo izay. Irariana tompoko dia hitohy sy hihatsara hatrany ary tsy hitaky tambiny velively amin’ireo manana havana marary ny fanasoavana vahoaka ataonareo araka ny fianianana nataonareo izay. Misy ihany anefa ireo mpiasa sasany amin’ny hopitaly no maningana, tahaka ireo mpivarotra ao amin’ny farmasia na fivarotam-panafody, izay somary kizintina manoloana ireo manan-kavana marary sasany; ao koa ny fahatafidiran’ireo mpangalatra any anaty faritry ny hopitaly. Ao koa ireo mpanadio sasany izay miseho azy ho mpitsabo alohan’ny dokotera, ka sahy mikitakita an’ireo mpiambina na mpanaraka marary. Ankoatra izay, ny tena lehibe sy ilàna vahaolana haingana dia ny tsy fahampian’ny fandriana sy seza handraisana ireo marary mila famonjena haingana tao amin’ilay hopitaly lehibe. Misy ireo marary mila vonjy maika tonga amin’ny sasak’alina no voatery mitsangana sy mipetraka amin’ny seza fotsiny anefa tokony hampakana aina sy hampialana sasatra matory eny ambony fandriana. Ireo fandriana amin’izany efa feno tsy salama. Ireo mpanaraka marary mihoroho noho ny aretin’ny havany dia voatery mitangorona sy mitakoko eny an-tokotany sy amin’ny toerana takotantakona mba mafampana miandry ny iraka hividy fanafody hanary tavimandry amin’iny alina iny. Nahoana, ohatra, io trano lehibe konka sy mipetraka fotsiny ao Befelatanana io no tsy arenina mba hatao fandraisana ireo marary mila fitsaboana maika sy ireo mpiambina marary. Teny atsipy ho anareo tompon’andraikitra manampanahy ihany tompoko ireo, fa ny marary anie tsy sitrana raha tsy andrianina e! Rakotomisetra Jean Louis L’article Andriano ireo marary leretsy est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fanolanana sy herisetra :: Zandary arahin’ny Fitsarana maso any Anjozorobe

Ampangaina noho ny fidirana an-keriny tao an-tranon’ olona sy fandrahonana ary fanolanana ankizivavy ny zandary kilasy ambony iray, miasa any Amboasary AvaratraAnjozorobe. Miandry ny fotoam-pitsarana ny raharaha, saingy arahin’ny Fitsarana maso, nanomboka omaly, rehefa avy niakatra teo anivon’ ny Fampanoavana io mpitandro filaminana io, taorian’ ny fitoriana napetraky ny ray aman-drenin’ilay ankizivavy niharam-boina. “Niditra an-keriny, voalaza fa hanamarina ny fisian’ny fampiantranoana dahalo, tao an-tranon’ny ankizivavy iray, 16 taona, io, zandary io sy olona roa hafa, tamin’ny 17 jona lasa teo. Nentin’ilay zandary tany amin’ny biraon’ny Zandarimaria ilay ankizivavy, nony avy eo. Mbola tongany hatrany an-tranony ihany koa ary notazoniny tany hatramin’ny 4 ora maraina. Voarakitra tamin’ny fitanana antsoratra nataon’ny mpitory, nandritra ny famotorana, ny herisetra ara-pananahana nampiharin’itsy mpitandro filaminana itsy tamin’ity ankizy, 16 taona, ity”, araka ny fanampim-baovao azo tamin’ ireo akaikin’ny famotorana. Vehivavy vavolombelona Nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ilay ankizivavy rehefa nahafantatra ny zavanitranga. Nandray an-tanana ny famotorana ny tale misahana ny fikarohana ny fandikan-keloka eny amin’ny fibaikoana ny Zandarimaria eny amin’ny Toby Ratsimandrava. Nandà ny fiampangana azy ilay mpitandro filaminana tamin’ny fakàna am-bavany azy. Na izany aza, nanome ny taratasy fahazoan-dalana manenjika an’io voampanga io ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny jeneraly Ravalomanana Richard ary izao niafara tamin’ny fahatongavan’ny raharaha eny amin’ny Fitsarana izao, omaly. Nijoro ho vavolombelona tamin’ity raharaha ity ny vehivavy iray hafa, izay nanamarina ny fiarahan’izy sy ilay ankizivavy tamin’io zandary voampanga io, ny alin’ny 17 jona lasa teo. L’article Fanolanana sy herisetra :: Zandary arahin’ny Fitsarana maso any Anjozorobe est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana

Tsy atao faralahy intsony ny fanatanjahantena. Araka izany, ampitomboina ny teti-bola iasana, hahafahan’ireo federasiona miatrika am-pahatoniana ireo lalao iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, tamin’ny lahateniny, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly.Ankoatra izay, hatsangana tsy ho ela akademiam-pirenena ho an’ny atleta avo lenta na ny “Academie Nationale pour les athletes de haut niveau”. Toerana hiofanan’ireo atleta manan-talenta, hiatrika fifaninanana. Sady hianatra izy ireo no hanomana ny tenany ao anatin’ny fanatanjahantena. Omena vatsim-pianarana, araka izany, ny atleta hiofana ao. Hapetraka any Toliara ihany koa ny dobo filomanosana olympika ary any Toamasina ny lapan’ny fanatanjahantena. Hananganana “dojo”, manara-penitra ihany koa ny isaky ny Renivohi-paritany, rehetra manerana ny Nosy. Efa any amin’ny komity olympika ny “tatami”, ho amin’izany, toerana natokana ho an’ny taranja haiady izany.Farany, araka ny fangatahan’ireo filohan’ny Komity olympika malagasy, homena pasipaoro maitso ireo filohan’ny federasiona rehetra, hahafahany mivezivezy, manatrika ireo fifaninanana sy fivoriana iraisam-pirenena. TompondakaL’article Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiatrehana ny Covid-19: narindra ny fandraisana ireo marary

Samy manana ny andraikiny ireo ivontoerana napetraka ho fandraisana an-tanana ny mararin’ny covid-19. Mbola am-perinasa avokoa ireo toerana rehetra napetraka miara-miasa amin’ny tobim-pahasalamana misokatra andro aman’alina, araka ny tatitra nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.Ho an’ireo olona marary tsotra tsy misy fahasarotana, azo tsaboina eny amin’ny CSBII ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Eo koa ny CMC-19 Andohatapenaka izay mandray azy ireny. An­koatra izany, ireo marary mitsabo tena any an-trano, saingy arahi-maso akaiky ny fivoaran’ny fahasalamany. Afaka mandray an-tanana vonjy maika ireo olona efa sempotra ihany koa ny eny amin’ny CMC-19 Andohata­penaka, saingy alefa any amin’ny CTC-19 na eny amin’ny hopitaly izy ireny rehefa vita ny vonjy aina voalohany. Ho an’ireo marary ma­nom­­boka sempotra kosa dia miditra avy hatrany amin’ireo CTC eny amin’ny CCO Ivato na eny amin’ny LTP Alarobia na eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ireny. Ankoatra ireo, mandray ihany koa ny CHRD Anosia­va­ratra, CHRD Itaosy, CHRD Ambohimangakely, CHRD Bongatsara, CHRD Andrama­sina ary ny CHRD Mahitsy. Raha toa ka efa tonga amin’ny fahasarotana kosa ny tran­gan’aretina ka efa tena sempotra be ilay marary dia ampidirina sy tsaboina haingana eny amin’ny hopitaly le­hibe eny amin’ny CHU Ano­siala, CHUJRA Ampefi­loha, CHUJRB Befelatanana, CHU Ando­hatapenaka, CHU Fe­noarivo ary ny HOMI Soa­vi­nandriana. Mankeny amin’ny CHU GOB Befelatanana kosa ny reny bevohoka misy soritr’aretina mampiahiahy. Ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona dia eny amin’ny CHUMEA Ambohimiandra no mikarakara azy raha misy soritr’areina covid-19. Afaka manatona ny CMC-19 Andohatapenaka sy ny CHUJRB Befelatanana ary ny CHUJRA Ampefiloha kosa ireo misy soritr’aretina ka hanao fitiliana PCR. Marihina fa tsy mamoaka valim-pitiliana ny CMC-19 Andohatapenaka fa toerana hangalana singa entina hotiliana fotsiny ihany ka tsy tokony hiandrandra voka-pitiliana eny mihitsy ireo izay nankeny natao fitiliana. Ho an’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aorian’ny fitiliana dia mahazo soratra maro sosona miampy toromarika avy amin’ny “plateforme”. Tsy misy intsony ny famoahana “attestation” mikasika ny vo­katry ny fitiliana PCR fa ma­hasolo izany ny soratra maro sosona alefan’ny “plateforme”. Natao izany mba hialana amin’ny filaharana sy ny fivezivezena izay mety hanaparitaka ny aretina indray.Tatiana AL’article Fiatrehana ny Covid-19: narindra ny fandraisana ireo marary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara

Mampikolay ny rehetra ny fitohanan’ny fiara saika amin’ireo toerana rehetra eto Antananarivo, indrindra amin’ireo lalana hivoaka any amin’ny manodidina ny tanàna. Mimenomenona ny rehetra amin’ny fahataran’ny fotoana. Mikatso tanteraka ny fifamoivoizana.Anisan’ny voakasik’izany ny eny Ambohibao hatreny Ambodimita rehetra iny. Efa  mahazatra ary vao mainka mihamafy ny makeny Itaosy, hatreny 67Ha… Torak’izany ny eny Anosibe sy  Anosizato mihazo an’Ampitatafika.Antony mampamaivay ny fitohanan’ny fiara ny fanamboaran-dalana izay hanapahana ireo lalana sy ampahan-dalana maromaro. Maharitra amam-bolana maro ny fanamboarana, indrindra ny fametrahana ny sisin-dalana vaovao amin’ireo lalam-pirenena.Manakorontana fiainan’olona maro ny fitohanan’ny fiara lavareny sy maharitra. Ho an’ireo mpianatra sy mpiasa, voatery miala ora roa na telo mialohan’ny fidirana vao tonga ara-potoana any am-pianarana sy any am-piasana.Ao ireo mpianatra na mpiasa nisafidy manokana ny nitondra bisikileta hialana amin’ny fitohanana. Sady fanatanjahantena vita no tsy miaritra ny fitohanana ary afaka amin’ny fandoavana saran-dalana izy ireo amin’izany. Ny an’ny sasany mampiasa moto.Ao koa ireo misafidy ny mandeha an-tongotra, indrindra ho an’ireo mponina mipetraka akaikin’ilay lalana tapaka.Tatiana AL’article Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Mandravarava ny Covid-19: nahatratra 484 ireo tranga vaovao 10 ny maty tao anatin’ny 24 ora

Tsy mbola nisy hoatra izao. Miisa 10 be izao ireo matin’ny covid-19 tao anatin’ny iray andro. Niakatra be, tahaka izany koa, ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina, ankoatra ireo marary mafy mihoatra ny 60.Tarehimarika tao anatin’ny 24 ora. Avy eto Analamanga ny valo amin’ireo lavon’ny coronavirus raha iray avy kosa ny avy any Atsinanana sy avy any Antsiranana (Diana). Nale­vina, omaly hariva avy ha­trany ny iray amin’ireo avy eto Antananarivo raha ny maraina no namoy ny ainy. Tafakatra 53 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity, hatramin’izao. Tsy vitan’izany fa ambony be koa ny tranga vaovao raha mitaha amin’ireo antontanisa teo aloha. Miisa 484 izany ka avy eto Analamanga avokoa ny 433, tao anatin’ny iray andro. Efa eo anilantsika tsy lavitra any amin’ny misy antsika any izany ny covid-19, raha mi­ainga amin’io antontanisa io.56 ireo ahina mafy eto AnalamangaManaraka an’Analama­nga amin’ny hamaroan’ireo nifindran’ny valanaretina ny any Anosy. Ahitana olona 10 raha valo ny any Analan­ji­rofo. Miisa fito ny any Ma­tsiatra Ambony ary dimy ny any Atsinanana. Miisa efatra kosa ny any Maevatanana (Betsiboka) raha telo etsy Arivonimamo (Itasy). Iray ny tranga vaovao any Toliary ary iray tsy voafaritra ny toerana misy azy. Etsy an-daniny, miisa 61 ireo ahina mafy ny toe-pahasalamany ka mbola avy eto Analamanga ny 56 amin’izany. Etsy Befelatanana ny 30 ary eny Anosiala ny 14. Miisa sivy kosa ireo marary mafy eny Andohatapenaka raha telo eny Fenoarivo. Iray avy ny any Antsirabe sy Bongolava ary Fianarantsoa ary miisa roa ireo ahina mafy any Toliary. Voalohany amin’ny isan’ny maty sy tranga vaovao ary « forme grave »…Hatreto, lohalaharana amin’ny isan’ny maty sy ny tranga vaovao ary ny «forme grave» ny eto Analamanga. «Maro ireo matahotra taorian’io tarehimarika io. Aoka anefa ho tony isika, tsy hanahy be loatra. Manatona toeram-pitsaboana raha vao misy soritr’aretina», hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta.Synèse R.Miisa 6 089 ireo nifindran’ny valanaretina, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Mbola tsaboina sy arahi-maso ny 3 085 raha 2 951 ireo efa sitrana. Miisa 61 ireo marary mafy ary 53 ireo maty. 31 296 ireo fitiliana vita. Niteraka resabe anaty tambajotran-tserasera izany rehetra izany. «Loza inona re ity e ry lanitra o !… Mbola tsy «Pic» hono izao an. Ahoana izany ireo isa ireo rehefa tena «Pic» ?…  Tsy fotoan’ny fifanomezan-tsiny intsony izao fa fotoan’ny firaisankina iadiana amin’ity areti-mandoza ity. Ajanony any ny latsa sy ny fifanenjehana!… Raiso ny andraikitra fa efa izao ny mahazo ny firenena, tsy mbola mahay mifamela ihany fa hifampiandry kendry tohina foana… Mino aho fa raha samy manaja fepetra sy mandray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra tsy ho tahaka izao isika. Rehefa vita ny ady amin’ny aretina mifanazava ianareo fa aleo aloha ny handresena ny aretina no ataontsika…  Miangavy re tompoko ! Mba henjano ny lalàna fa ho ripaka eto isika mianankavy. Efa tsy hita intsony ny ho lazaina. Miatrika ny zava-misy sisa no azo atao ry Malagasy !» , hoy ny sasany amin’izy ireo.L’article Mandravarava ny Covid-19: nahatratra 484 ireo tranga vaovao 10 ny maty tao anatin’ny 24 ora a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Boanamary –Mahajanga II: « Tetikasa Maitso » hisarihana ny mpizahatany

Mivelona amin‘ny jono ny mponina any amin’ny kaominina Boanamary, distrikan’i Mahajanga II. Ny taonjato faha–XIX no nahatongavan’i Bouana Oumar, foko Antalaotra, nampiantsona ny botriny any an-toerana. Taona maro nifanesy lasa Boanamary ny anaran’ny tanàna.  Ankehitriny mijery ny lafiny tontolo iainana sy ny fizahantany ny any an-toerana.   Taona maromaro izao, miezaka mampandroso ny fizahantany ny ao amin’ny kaominina ka hita fa efa mitombo miandalana ny isan’ny mpizahatany tonga any an-toerana, 15 % amin’izao fotoana izao. Ao ireo mizaha tany sady manao asa fikarohana momba ny tantaran’i Boanamary, sy ireo manao fikarohana mahakasika ny zava-boahary sy ny tontolo iainana ankapobeny.Mifandray amin’izay fizahantany izay ny “Tetikasa Maitso” ho fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny hamerenana ny ala honko sy hazo sarobidy any amin’ny manodidina. Tany amin’ny 60 taona lasa, betsaka ireo karazan-kazo sarobidy sady fanafody, saingy sarotra hita na tsy hita intsony amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’ireo karazan-kazo ireo : Katrafay, Hazomalany, Manary, Amananinaomby, Honkolahy … Mampalaza iny kaominina iny koa ny voanakazo, toy ny manga, voanio, matsitso. Manome seha-piharina avokoa ireo, afaka mamelona olona maro, indrindra raha misy ny fanodinana izany any an-toerana.Ratsy ny lalana avy eo amin’ny RN4Ao anatin’izany “Tetikasa Maitso” izany ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Alemaina GIZ, manampy amin’ny fanomezana masomboly sy fitaovana. Eo koa ny dina “Boeny Miray” ifanaovan’ny Vondron’olona ifotony (Voi). Toy ny kaominina maro manerana ny Nosy ihany anefa, olana lehibe ny faharatsian-dalana, 18 km miala amin’ny RN4. 11,5 miliara ariary vao mahavita io lalana io, ka tokony ho 5 miliara ariary ny anjaran’ny kaominina. Tsy mahazaka io tetibola io anefa ny kaominina, ka miangavy ny minisiteran’ny Asa vaventy handray an-tanana izany asa izany manontolo. Na aiza na aiza tsy misy fampandrosoana azo antenaina eto raha tsy vita ny lalana. Ny kaomina ambanivohitra tsy manana tetibola ho an’ny fotodrafitrasa lehibe. R.MathieuL’article Boanamary –Mahajanga II: « Tetikasa Maitso » hisarihana ny mpizahatany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Vakinankaratra: vita ny fandrefesam-pahaizana ireo mpianatra

Notanterahina nanomboka ny alarobia teo ny fandrefesam-pahaizana tamin’ireo zava-bita ary koa ireo lesona azon’ny mpianatra, nandritra ny taom-pianarana 2019 -2020 ho an’ny Faritra Vakinankaratra.Eo no hahafahana manombana ny karazana lazaadina mety ho zakan’ny fahaizan’ny ankizy, miankina indrindra amin’ireo fandaharam-pianarana. Marihina fa roa andro ny faharetan’izany fandrefesam-pahalalan’ny mpianatra tany an-toerana izany.Nanatanterahana izany ny sekoly Katolika Ambohimiarisoa sy ny EPP Ambohimirary kaominina Manandona izay ao anatin’ny Cisco Antsirabe II.Nanatrika izany tany an-toerana ny tompon’andraikitra avy any amin’ny minisitera foibe, nahitana an-dRamatoa Rkotonjanahary Misa Harilala, teo ihany koa ny talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Vakinankaratra, Rakotoarimanana Heriniaina.Tsiahivina fa betsaka ireo sekoly tsy nahavita hatramin’ny farany ny fandaharam-pianarana noho ny anton’ny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Voafetra ihany, araka izany, ny norantovin’ny mpianatra ary heverina aza ny hanadinoan’izy ireo izany noho ny fihibohana lavareny ka izao nanaovana ny fandrefesana izao hahafahana mahafantatra ny lentan’ny fari-pahaizan’ny mpianatra.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: vita ny fandrefesam-pahaizana ireo mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsika fanoherana voka-pifidianana: manahy korontana ny eo anivon’ny governemanta

Nitarika fivoriana momba ny filaminana taorian’ny fifidianana solombavahoaka ny Praiministra, lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian, omaly teny Mahazoarivo. Anisan’ny niatrika izany ireo ministra misahana ny sehatry ny filaminana sy ny fandriampahalemana. “Misy amin’izao fotoana izao kandidà sasantsasany manohitra ny mety ho voka-pifidianana ka mikasa hitarika hetsika hanakorontana ny filaminam-bahoaka, raha ny tsapa any amina tanàn-dehibe vitsivitsy. Hany manana fahefana handray fanapahan-kevitra farany amin’izany ny HCC irery ihany manoloana ny mety ho fanoherana ny voka-pifidianana”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nitaona ny kandidà rehetra sy ny mpomba azy ireo ary koa ny antoko politika rehetra ny governemanta, hanaja sy hanaraka ny dingana tokony hatao napetraky ny lalàna manan-kery hampisy lanjany ny fitarainana.Hanaja ny filaminana sy ny fitoniana Nohamafisiny fa efa nahafantatra mialoha ireo fepetra napetraky ny lalàna mifehy ny fifidianana, ary tsy maintsy manaraka izany, hatramin’ny fahatongavan’ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana, ireo rehetra nilatsaka kandidà tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ankoatra izany, nomelohin’ny Praiminisitra Ntsay  Christian ny endrika hetsika fanakorontanana rehetra ka nanaovany antso avo amin’ny mpandray anjara rehetra tamin’ny fifidianana sy ho an’ny olom-pirenena, hanaja hatrany ny filaminam-bahoaka sy ny fitoniana.Synèse  R.  L’article Hetsika fanoherana voka-pifidianana: manahy korontana ny eo anivon’ny governemanta a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture »
26/10/2020

Nahazo tohana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ireo tanora mpikambana ao amin’ny Centre des jeunes – Les Heritiers du Sud Ambovombe hanatsarana ny seha-pihariana ataon’izay ireo. Miasa manodina ny raketa mena, ny baobab sy ny kily ho « confiture » izy ireo. Manamboatra savony koa sady mandrary ho fampiroboroboana ny fizakantenan’ny tanora any amin’iny faritra iny. Tsy ampy fitaovana iasana izy ireo, tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Manam-piniavana hivoatra sy hivelatra bebe kokoa anefa ireto tanora ireto ka antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora tosika azy ireo. Mamaly tanteraka ny fandaharanasa “Pole-emploi jeune », mamolavola ireo taninketsan’ny tanora mpandraharaha rahateo izany.Tanora miisa 370 efa vononaTsiahivina fa nanolotra tetikasa ny ivontoerana mpanabe tanora “Fille de la charité” miompana amin’ny fanodinana vokatra taretra, tamin’ny fandalovan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisitra Tinoka Roberto tany Tsihombe farany teo. Mety amin’ny toe-tany ao Androy ny vokatra taretra ary maro ny asa tanana azo avy amin’izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny programanasa “Pole-emploi jeune” izany. Hanome tosika ireo tanora miisa 370, efa vonona ny hamboly taretra amin’ny velaran-tany 35 ha ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hapetraka ao an-toerana ihany koa ny “Unité de transformation” hanodinana izany vokatra taretra izany.Synèse R.L’article Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture » a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
28/10/2020

Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika ,  izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny.  Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety
28/10/2020

Olona iray no maty niharan-doza nohon’ny fahasimban’ny sarety noentiny ihany ny 26 oktobra teo tokony tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, tao amin’ny toerana antsoina hoe Andafiantsimo fokontany Andoharanofotsy, Ambohitompoina distrika Antanifotsy . Avy nanatitra entana tany Ambohitompoina ity lehilahy ity ka teny an-dalana hiverina ho any Analamanitra Ambohitompoina izay toerana fiaviany izy izao tra-doza izao. Nitsoaka tampoka ny kodiaran’ny sarety ilany ankavia ka nitarika ny fianjerany tampoka avy teny ambony ary mbola ilay kodiarana izay nitsoaka io ihany no nahavoatsindry ny lohany ankavanana ka nitarika ny fahafatesany. Tonga tany an-toerana ny zandary avy amin’ny Poste Avancé Ambohitompoina niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB II, nanao ny fiazahana ny razana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fiazahana nataon’ny mpitsabo ny tra-doza. Yv Sam L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Basikety-“Afrobasket 2021”: lalao 6 avy ny hatrehin’ny ekipa tsirairay amin’ny fifanintsanana
29/10/2020

 Antomotra ny fifanintsanana Afrobasket 2021 ho an’ny vondrona A, misy an’i Madagasikara. Iray volana latsaka sisa dia higadona io fotoana io. Raha ny fantatra, lalao miisa enina avy eo no hatrehin’ny ekipa tsirairay, mandritra ny “tournoi” miisa roa hangalana ny tapakila hiatrehana ny Afro basket amin’ny taona ho avy. Ny “tournoi” na “fenêtre” voalohany, izay hahitana lalao miisa telo ny miandry an’i Madagasikara, ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao any Kigali Rwanda. Mitaky fanomanan-tena goavana izany satria tsy an-jaza ny fihaonana amin’ireo ekipa mpiray vondrona, hahitana an’i Centrafrique, i RD Congo ary i Tonizia. Eo amin’izay lafiny fanomanan-tena izay, araka ny loharanom-baovao, somary nisy fahabangana kely ny ekipa malagasy teo alohaloha teo, satria tsy afaka niatrika fanazaran-tena i Elly, noho ny tsy fahatomombanan’ny fahasalamany. Araka ny vaovao farany voaray anefa, efa misy fivoarana izay fahasalamany izay ka efa manomboka miverina mikotrana miaraka amin’ny namany i Elly, amin’izao fotoana izao.Tsiahivina, izay firenena telo manana isa ambony indrindra ao anatin’ny vondrona ny hahazo ny tapakila hiatrehana ny Afrobasket 2021. Mbola manana vintana kosa izay laharana fahefatra manana isa ambony indrindra, amin’ny vondrona rehetra. Eo am-pelatanan’i Madagasikara, araka izany, ny vintana kanefa mitaky ezaka hatrany izany.Mi.RazL’article Basikety-“Afrobasket 2021”: lalao 6 avy ny hatrehin’ny ekipa tsirairay amin’ny fifanintsanana a été récupéré chez Newsmada.

KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina »
24/10/2020

Tombony lehibe. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 23 oktobra 2020 ny tsena vaovao, ny lalana Ambohimangidy Ankaditany mirefy  iray kilometatra sy 400 metatra. Noho ny tetikasa FIAM(Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny fikambanana MSIS Tatao ary vatsian’ny Vondrona Eraopeanina  ireo foto-drafitr’asa tanteraka ireo. « Vokatr’izay mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina izay no tena tombony ngeza be, ahafahanay miasa, manatsara ity tsena ity », hoy  i Rado Ramparaoelina,  Ben’ny tanàna ny kaominina Ampitatafika, nanazava ny tombony tamin’ny fanamboarana ny tsena vaovao.  Araka ny fanazavany fa mahazaka hatrany amin’ny 250 mpivarotra io tsena io. Nohamafisiny fa tao anatin’ny mangarahara ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa. « Nomena sehatra ny mpivarotra hiteny izay hetahetany, natao mangaraharaha ny fitantanana », hoy izy Nambaran’ny Tale mpantanteraky ny MSIS Tatao, Andriamoraniaina Harijaona fa ny mangarahara,  fomba fampisitrahana ny olom-pirenena tokony hisitraka ny foto-drafitr’asa na fomba fitantanana ny enti-manana amin’ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa no tena zavatra lehibe mampiavaka ny tetikasa FIAM. « Rehefa manana antontam-baovao ny olona eny ifotony dia mandray anjara na amin’ny fikojakojana aza », hoy izy. Asa ataon’ny fikambanana ihany koa ny fanomezana tantsoroka ny fomba fiasa, ny fanamafisana orina ny fahaiza-manaon’ ireo mpiantsehatra  rehetra na ny fiaraisamonim-pirenena na ny eo anivon’ny kaominina manatsara kokoa ny fampiasana ireo foto-drafitr’asa. Lynda A. Cet article KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina » est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina » a été récupéré chez Délire Madagascar.

Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire
24/10/2020

Taorian’ny fivoahan’ny lisitry ny Barea de Madagascar, miahiahy mafy amin’ny fifandonana amin’ireo mpilalao malagasy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Voatery nanafatra matihanina betsaka avy any Eoropa izy koa ireo.Toa manana tsindry ma­vesatra izany ny Ivo­arianina mialoha ny hifandonany amin’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toe­rana ho an’ny “Can 2022”. Tsy mitsahatra ny manara-maso sy maka vaovao mahakasika ireo mpilalaon’ny Barea mantsy ny mpanazatra an-dry zareo Elefanta, amin’ izao fotoana izao. Mihorohoro fatratra, araka izany, ny Ivoarianina, taorian’ny namoahan’i Ni­colas Dupuis ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea. Vokatr’izany, manatevina ny fiarovantenany ny Elefanta ka nanafatra ilay vodilaharana goavambe, i Willy Boly, milalao ao amin’ ny ekipan’ny Wolverhampton Wanderers Football Club ao Angletera. 29 taona, mirefy 1,95 m ary milanja 97 kg. Ankoatra izany, nantsoina hiverina hanatevina ny Ele­fanta ihany koa i Serge Aurier.Hatao ny 12 novambra ny lalao mandrosoSarotra ho an’ny Ivoa­rianina, hatreto, ny mamantatra ny tena fomba fila­laon’ny Malagasy. Ny hany ahalalan’izy ireo ny Barea ny hakingan’ireo mpilalao. “Tsy milalao amin’ny ekipa goavana sy malaza ry zalahy, afa-tsy i Morel ao amin’ ny FC Lorient, Frantsa, saingy tena tombony ho an’ny Barea ny firaisan-tsaina sy ny fa­haiza-miaraka”, hoy i Pa­trice Beaumelle, mpanazatra ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Fantatra fa hotanterahina ny 12 novambra ho avy izao ny lalao mandroso ao amin’ ny kianja Stade Olympique Alassane Ouattara, ao Abi­djan. Mitodi-doha miverina an-tanindrazana avy hatrany ny Barea, raha vantany vao vita io fihaonana mandroso io. Hatao ny 17 novambra ny lalao miverina, tanterahina any amin’ny kianja Stadium Barikadimy. Araka ny fepetra napetraky ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), tsy mihoatra ny 5 000 ny mpi­jery io lalao io.TompondakaL’article Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire a été récupéré chez Newsmada.

Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be
24/10/2020

Noho ny tahotra ny Covid-19, sidina avy amina firenena folo voararan’ny ACM (Avi­a­tion civile de Madagascar) tsy hiditra eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao. Voakasika amin’izany didy izany: i Fran­tsa, i Belzika, i Alemaina, i Es­paina, i Italia, i Holandy, i Po­lo­na, i Angletera, i Ukraine, ary i Rosia. Tena voakasik’izany ireo sidina mankany No­sy Be, izay vao nosokafana ny 1 ok­tobra teo ho fanarenana ny fizahantany. Tsiahivina ko­sa fa ny 1 novambra ny sidina farany fampodiana an-tanindrazana. Fotoana farany ny alakamisy hariva 22 oktobra teo, no­sakanana ny mpandeha 24 avy any Paris ho any Nosy Be, saika hiampita ao La Réunion. Tsy faly ireo mpandeha ireo sa­tria tsy fantatra mialoha ny fepetra noraisina. Tsy vitsy ihany koa ireo mpitantana ho­tely mpandray vahiny any No­sy Be naneho ny tsy fankatoavany izao fepetra izao, mampihemotra indray ny fizahantany. Manamarina ny fepetra noraisin’ny fanjakana ny mi­ni­sitry ny Fitaterana sy ny fizahantany, Randriamandran­to Richard, nanambara ny tsy fankatoavana ny mety mbola hiverenan’ny aretina Covid-19. Izany hoe, araka ny nambaran’ny minisitra, efa resy izany io aretina io eto an-toerana.R.MathieuL’article Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be a été récupéré chez Newsmada.

MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony
24/10/2020

Mamaly avy hatrany ny filàn’ny mponina. Ny tetikasa FIAM ( Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) izay iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy ny Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny tantsoroky ny fikambanana MSIS Tatao no voasafidy hahazo famatsiam-bola natokana ho an’ny vondrona itsinjaram-pahefana avy amin’ny Vondrona Eraopeanina. Mitentina 450.000 euros io famatsiambola io. Notanterahana ny 23 oktobra 2020 ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tanteraka nandritra ny tetikasa toy ny tsena sy lalana Ankaditany-Avarajozoro ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Raha ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo indray dia ny tahala ao amin’ny tsenan’ny Alakamisy Fenoarivo, ny fantsona  sy ny lakan-drano fanarian-drano fanarian’ny mpivarotra rano maloto, efitrano-tsekoly  efatra ao amin’ny CEG ary lalana mirefy 770 metatra.  “Manao antso avo aho fa ny dabilio no tena olana ety, be dia be ny simba, ny efin-trano fianarana mitombo”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, Andrianaivo Rakotobe Jean Christian Irené.  Mitentina 60 tapitrisa Ariary ny tetibidin’ireo efitranon-tsekoly ary 80 tapitrisa Ariary ny  lalana, araka ny fanazavany. Nambarany ihany koa fa 5 %  ny vola nampiasaina ny fandraisana anjaran’ny kaominina ary nohamafisiny fa ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony no mampandroso ny haingana ny tanàna. Raisin’ny olona am-po « Araka fanazavan’ny Ambasadaorin’ny Vondrona Eraopeanina teo fa tsy nomena ilay vola fa nisy fifaninanana natao, appel à proposition, nisy fifanatonana teo amin’ny Msis Tatao sy kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo  ka nanolotra tetikasa iray. Tetikasa amam-polony no nifaninana. Ny fiarahamiasa matotra no nahatonga voafidy », hoy i Andriamoraniaina Harijaona, tale mpanatanteraky ny Msis Tatao. Nambarany fa tanjon’ny tetikasa FIAM ny fanatsarana ny fiainan’ny olona eny ifotony amin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitr’asa hamaliana ny filàna ara-ekonomika, ohatra ny fanamboarana ny tsena sy ny manodidina ny tsena na ihany koa fanokafana lalana ahafahan’ny olona mivezivezy mamoaka ny vokatra ary ihany koa mampisitraka ny filàna ara-tsosialy indrindra ny fanatsarana ny fampianarana, ny fahasalamana, ny rano fisotro madio . « Ao anatin’izay tetikasa izay, napetraka ho vain-dohan-draharaha ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena sy ny fametrahana ny mangarahara hatrany amin’ny fomba fieritreretana sy fanatanterahana ny tetikasa ka hatrany amin’ny fanjohiana ny fanatanterahana ny tetikasa ary irariana ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fikojakojana ireo tetikasa tanteraka eny anivon’ny kaominina », hoy izy. Rehefa mampandray anjara ny olom-pirenena ny fitondrana indrindra eto ifotony, ety amin’ny kaominina dia mamaly hatrany ny filàny olona ety ifotony ny foto-drafitr’asa tanteraka ary tena raisin’ny olona am-po izany ary tonga dia mandray anjara amin’ny fikojakojana sy fiarovana ireo foto-drafitr’asa tanteraka izy ireo. Amin’ny  taona ho avy ny Msis Tatao dia hiezaka hanitatra ny fomba fiasa, hametraka ny mangarahara amina kaominina 40 eto Madagasikara, mampiakatra ny fahaiza-manaon’ny kaominina ary ahafahan’izy ireo misitraka tetikasa tahaka izao. Lynda A. Cet article MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony a été récupéré chez Délire Madagascar.

Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy
26/10/2020

Ankoatra ny fandrobana nahazo ilay tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, mbola niharan’ny fanolanana nataon’ireo jiolahy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Ilay raim-pianakaviana, namoy ny ainy noho ny habibiana nihatra taminy. Ra niparitaka eran’ny trano, raim-pianakaviana namoy ny ainy, zanaka voazimbazimba sy fananana very. Ireo ny navelan’ireo jiolahy tao amina tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ny jiolahy nirongo basy poleta sy « barre à pince », tsy nisaron-tava.« Ny alika nivovo no henoko ary nitsangana aho. Tampoka teo, hitako ny varavarana efa vaky ary ny lehilahy iray, efa nijoro teo akaikiko no nanaitra ahy », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Niantso vonjy izy, saingy voadarok’ireo jiolahy avy hatrany ary mbola nitakiany vola ihany koa. « Lehilahy iray atao hoe Bota ny karohina amin’izao ary ahina ao ambadiky ny fanafihana », hoy hatrany ny zandary. Vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy io jiolahy io. Isan’ireo voatonona matetika amin’ny fanafihana mitranga eny Atsimondrano ny anarany.Henintsoa Hani L’article Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy a été récupéré chez Newsmada.

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Can 2022”: mpilalao telo vaovao voantso ho Barea  : Loic sy Mathyas ary Nina
23/10/2020

Fantatra avokoa ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”.Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona eny Isoraka, ny anaran’ireo mpilalao 25 mirahalahay, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hifandona amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2022”. Nisy fiovana ny Barea, tamin’ity, satria nisy mpilalao vaovao telo vao tonga ka roa avy any ivelany dia ny mpiandry tsatoby, Randriamamy Mathyas, milalao ao amin’ny PSG. Vao 17 taona monja ny tovolahy, saingy efa manana ny halavana sy ny vatana maha mpiandry tsatoby, ary efa feno traikefa. Ankoatra izany, najanona i Dabo Ibrahim ary nosoloina an’i Razakanirina Nina, hany mpilalao avy eto an-toerana, ao amin’ny Fosa Jr. Vaovao ihany koa i Loïc Lapoussin, mitana ny toeran’ny irakiraka. Nantsoina niverina ho Barea indray kosa i Dax avy atsy Afrika Atsimo sy i Njiva, milalao any Thaïlande.Nisaorana i Bakary Mario sy i Toavina Debakely izay samy niatrika ilay fiofanana natao tany Luxembourg sy ny lalao nikatrohana tamin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Manana olana ihany anefa ny Barea satria mety tsy ho afaka hamonjy ny lalao hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire io i Metanire sy i Hery Bastien ary i Carolus, noho ny tsy fisian’ny sidina ao aminy. Na izany aza, efa misy ny fifampiresahana amin’ny Caf sy ny Fifa, ahafahan’izy ireo mamonjy io lalao io, izay tsiahivina fa hatao any Abidjan ny lalao mandroso ny 9 novambra ary any Toamasina ny fihaonana miverina ny 17 novambra 2020. Tompondaka Ireo mpilalao 25 lahy mandrafitra ny BareaMpiandry tsatoby :1- Melvin Adrien (FC Martigues, Frantsa)2- Razakanirina Nina (Fosa Juniors, Madagasikara)3- Randriamamy Mathyas (PSG U19, Frantsa)Vodilaharana :4- Razakanantenaina Pascal (JS St-Pierre, La Réunion)5- Jérôme Mombris (Grenoble Foot 38, Frantsa)6- Sylvio Ouassiero (CS Fola Esch, Belzika)7- Romain Metanire (Minnesota United, USA)8- Thomas Fontaine (FC Lorient, Frantsa)9- Jérémy Morel (FC Lorient, Frantsa)Irakiraka :10-Andrianantenaina Anicet (PFC Ludogorets, Bulgarie)11-Randriambololona Zotsara (FC Fleury 91, Frantsa)12-Ilahimaharitra Marco (Royal Charleroi SC, Belzika)13-Raveloson Rayan (Estac Troyes, Frantsa)14- Ibrahim Amada (Al Khor Club, Qatar)15- Bastien Hery (Linfield FC, Irlande)16- Dimitri Caloin (FC Sète, Frantsa)17- Andriamirado Arohasina Dax (Black Leopards, Afrika Atsimo)18- Loïc Lapoussin (RU Saint-Gilloise, Belzika)Lohalaharana :19- Rakotoharimalala Njiva (Nongbua Pitchaya FC, Thaïlande)20- Andriamahitsinoro Carolus (Al Qadisiya FC, Arabia Saodita)21- Ramalingom Alexandre(CS Sedan A, Frantsa)22- Hakim Abdallah (FC Swift Hesper, Belzika)23-Voavy Paulin (Misr El Makkasa, Egypta)24-Nomenjanahary Lalaina (Paris FC, Frantsa)25- William Gros (FC Fleury 91, Frantsa) L’article Kitra – “Can 2022”: mpilalao telo vaovao voantso ho Barea  : Loic sy Mathyas ary Nina a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Analanjirofo: ezahina hamboarina ny lalana hamoahana letisia 
27/10/2020

 Ho tonga tsy ho ela ny fotoam-piotazana letisia. Any amin’ny faritra Analanjirofo, miezaka manamboatra lalana mampifandray ireo kaominina ao anatin’ny distrika, ho famoaham-bokatra.Vato misakana amin’ny famoaham-bokatra any amin’ny faritra ny faharatsian-dalana ka izao fotoana izao, na tratra aoriana aza ny asa, hararaotina ezahina ny fanamboaran-dalana ahafahan’ireo kaominina mifandray, ny mpanangom-bokatra mivezivezy malalaka ao anatin’ny fotoana fohy, mandritra ny fanangonana letisia. Vokatra ezahina ho tafavoaka tsy ho simba, ho loharanom-bolan’ny mpamboly. Misy mitady isan-taona io vokatra io hatrany amin’ny tsena ivelany.Milaza ny mpitantana ny faritra Analanjirofo fa manampy betsaka amin’ny fanamboaran-dalana ny fitondrana foibe, manome fitaovana sy milina ahafahan’ny mpitantana ny faritra manatsara ny lalana mankany any amin’ny renivohitry ny distrika sy ny faritra, i Fenoarivo Atsinanana. Fanamboarana avy eny ifotony, toy ny mampifandray an’i Fenoarivo Atsinanana sy i Foulpointe, RN5.Ny kalitao sy ny lalam-barotraHatramin’ny taona maro, manahirana amin’ny famoaham-bokatra ny faharatsian-dalana. Tsy araka ny fepetra takina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny kalitaon’ny vokatra maro, resin’ny vokatra hafa avy any amin’ny firenen-kafa. Koa hiatrehana ny fifaninanana eran-tany ny kalitaon’ny vokatra sy ny lalam-barotra, tsy ny letisia ihany fa eo koa ny jirofo sy ny lavanila, samy vokatra fanondrana.Ny taona 2017, ny 2018, ny 2019, nihena betsaka ny letisia any Analanjirofo, noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, ny tsy fahazotoan’ny tantsaha mamokatra atao varotra noho ny faharatsian-dalana. Tsy hita ny mpanangom-bokatra na tonga ihany fa mividy mora.  Manodidina ny 15 000 na 17 000 t isan-taona ny letisia naondrana tany Eoropa, tany Afrika Atsimo tamin’ireo ireo fotoana ireo. Tsy fantatra ny amin’ity taona ity, indrindra eo ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19.R.MathieuL’article Faritra Analanjirofo: ezahina hamboarina ny lalana hamoahana letisia  a été récupéré chez Newsmada.