Ady amin’ny Coronavirus: nanolotra fiara enina ny Fondation BOA

News - Ady amin’ny Coronavirus: nanolotra fiara enina ny Fondation BOA

News - Ady amin’ny Coronavirus: nanolotra fiara enina ny Fondation BOA

Nahazo fiara fitondrana marary tsy
matahodalana enina avy amin’ny Fondation BOA sy ny Madagascar
International Container Terminal Services ny ministeran’ny
Fahasalamam-bahoaka tamin’ity herinandro ity ampiasaina iadiana
amin’ny valanaretina Coronavirus . Nisolo tena ny
fitondram-panjakana nandray ireo fiara ireo teny amin’ny CCI Ivato
minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, sady filoha lefitriny CCO,
Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Nambaran’ny minisitra fa
vonona hatrany ny ministera handray sy handamina ireo fanomezana
ireo ka tena hisy fiantraikany any amin’ny vahoaka ny fananana
azy.

Aparitaka any amin’ireo toerana
saro-dalana Ireo fiara ireo. Hanampy betsaka amin’ny fandraisa
an-tanana ireo marary ny fitaovana vao azo ary hanome fahasalamana
manaja ny maha olona ho an’ny vahoaka. Naneho ny fisaorana ny
mpiara-miombon’antoka ny tenany. Mbola mitohy ny ady amin’ny
Coronavirus na efa mihena aza ny tranga vaovao voatily. Nanentana
ny rehetra hanaja ny fepetra ara-pahasalama hisakana ny fihanaky ny
tsimokaretina izy.

Vonjy A.

Article tiré de Newsmada

L’article Ady amin’ny Coronavirus: nanolotra fiara enina ny Fondation BOA a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Mamie Kelin’i Jesosy: manomana hetsika lehibe…

Mandalo an-tanindrazana i Mamie Kelin’i Jesosy. Efa an-taony maro monina any ivelany ity mpanakanto mpivoy ny hira fiderana ity ka izay ny antony tsy nahahenoana firy azy. Nanararaotra ny fotoana andalovany, nihaonany tamin’ny mpanao gazety, sy nilazalazany ny fandaharam-potoany, Razafisoarimalala Maminirina Leonnette na i Mamie Kelin’i Jesosy. Anisan’ny goavana indrindra ny fanomanana hetsika lehibe amin’ny taona ho avy. Ho fanomanana izany sahady ny rakitsary vaovao, hivoaka tsy ho ela, araka ny fanazavany. 30 taona ilomanosana eo amin’ny tontolon’ny hira fiderana izy. Na any ampita aza, tsy mitsahatra amin’izany i Mamie Kelin’i Jesosy. Niara-dalana amin’izay lalany izay ny sehatry ny fanabeazana. Nanangana fikambanana iray, miahy ny tanora niharan’ny herisetra ara-nofo, mantsy izy, any ivelany. Anisan’ireo tetikasany manaraka ny hanitarana izany eto Madagasikara ka any Ambositra ny ivony. Manome fotoana tsy ho ela ny mpiray tanindrazana izy, araka izany. Zo ny Aina L’article Mamie Kelin’i Jesosy: manomana hetsika lehibe… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifandonana tamin’ny dahalo – Isandra Fianarantsoa: ampolony maty, giazan’ny dahalo ny razana sasany

Misy ireo mbola velona, saingy miafina. Voalaza fa mahatratra ampolony kosa ireo namoy ny ainy, saingy vao razana telo no hitan’ny fokonolona sy ny zandary hatramin’ny omaly. Giazan’ny dahalo mantsy ireo razana hafa. Izany ny vokatry ny fifandonanana nahery vaika teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona, tao Isandra, Fianarantsoa, omaly maraina. Mpikambana mpiompy ao amin’ny fikambanana antsoina hoe Soa miray dia na SMD ireto niharan’ny herisetran’ny dahalo ireto. Araka ny fampitam-baovao voaray, hamonjy tsenan’omby ao Ambalavao ireto mpikambana ao amin’ny SMD ireo ka nifanehatra tamin’ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny fokontany Mahazoarivo, kaominina ambanivohitra Andoharanomaitso, distrikan’Isandra, omaly. Raikitra ny fifandonana ka ampolony mahery ireo mpikambana lavon’ny balan’ny malaso. Dahalo maromaro ihany koa indray maty nandritra ny fifandonana. Voatery niverin-dalana, araka izany, ny sasany amin’ireo mpikambana nampandre haingana ny zandary. Nisy ny fikarohana ny fatin’ireo mpikambana namoy ny ainy, ny alakamisy teo. Nidina tany an-toerana ny zandary naka ny razana ka razana telo hatramin’ny omaly, raha ny fampitam-baovao farany, no fantatra fa tonga ao Ambalavao. Mbola misy razana maromaro koa tavela tao amin’ilay toerana nisian’ny fifandonana. Naterina omaly maraina ihany any amin’ny kaominina Besoa sy Tomboarivo, toerana niaviany, ireo niharam-boina. Nandry an-tanana ny fikarakarana ireo niharam-boina ny fikambanana, ny zandarimaria miampy ireo tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana. Nisy, araka izany, ny fivoriana maika niarahan’ireto tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireto amin’ny hakana ireo razana ambiny ao amin’ny fokontany Mahazoarivo, distrikan’Isandra. Fantatra izao, araka ny fampitam-baovao farany fa giazan’ireo dahalo ny fatin’ireo mpikambana sasany ao amin’ny SMD. Nanao antso avo koa ny fokonolona any an-toerana amin’ny tokony handraisana fepetra hentitra manoloana izao tsy fandriampahalemana izao. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha namoizana ain’olona marobe ity. J.CL’article Fifandonana tamin’ny dahalo – Isandra Fianarantsoa: ampolony maty, giazan’ny dahalo ny razana sasany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dina “Toky nomena”: efa misy ny kandidà depiote nanao sonia

Miisa 27 amin’ny 35 ireo kandidà solombavambahoaka nanatrika ny fanazavan’ny avy amin’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM), notarihin’ny filohany, i Maka Alphonse, ny “Toky nomena”, tao amin’ny faritra Itasy, afakomaly. 15 amin’izy ireo no nanao sonia izany tao amin’ny biraon’ny kaominin’i Miarinarivo.Ho fampanarahan-dalàna ireo kandidà sy fisorohana ny disadisa aloha sy mandritra ny fampielezan-kevitra, indrindra aorian’ny fifidianana amin’izay voafidy ho solombavambahoaka eo, no nametrahana ny “Toky nomena” izay dina ifampifehezana eo amin’ny samy kandidà sy amin’ny mpifidy.Mila sorohina mialoha ny mety ho disadisa“Hisoroka ny disadisa aloha no ataon’ny komity iombonana voalohany. Izay no nanaovana ny “Toky nomena” ho misy lanja ara-moraly apetraka amin’ny kandidà: matoa manao sonia, voalaza mazava tsara ao amin’ny “Toky nomena” hoe hifehy ny olona manohana sy mpomba azy izy.” Io no nambaran’ny ny filoha lefitry ny CFM, faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard, ny amin’ny fanaovan-tsonia ny “Toky nomena”.“Hiroso ao anatin’ny filaminana isika amin’ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka, fa tsy ao anatin’ny savorovoro”, hoy ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse. Mba ho ao anatin’ny firahalahiana sy ny fifankatiavana ary ny fihavanana izany, fa tsy hifandrafy na hifanaratsy. Zava-kendrena amin’ny “Toky nomena” koa mba ho solombavambahoaka vanona sy vonona,  mendrika sy sahy, ary hanaja ny teny nomeny.Misy ny fanaovan-tsonia isam-paritra, nisantarana izany ny tany amin’ny faritra Itasy, izay natrehin’ny filohan’ny CFM.R.Nd.    L’article Dina “Toky nomena”: efa misy ny kandidà depiote nanao sonia a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

OtivTana: azo aloa tsikelikely ny vidin’ny entana Greengywatt

Mitsinjo ny mpanjifa rehetra ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny sampandraharaha amin’ny vola madinika, ny OtivTana, sy ny tranombarotra Tanatech, mpaninjara vokatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, marika Greengywatt. Azo atao, ankehitriny, ny mandoa tsikelikely ny vidin’entana maromaro (kits), ahazoana ny entana sy kojakoja marika Greengywatt ao amin’ny tranombarotra Tanatech, Greengywatt Behoririka.Maro ny tombondahiny azon’ny mpanjifa. Tsy misy ny zanabola fa mitovy amin’ny vidiny ao amin’ny tranombarotra ihany. Tsy hakana sarany ny fikarakarana ny antontan-taratasy ary azo atao ny manatitra ny entana any amin’ny faritra tsirairay.Enim-bolana hatramin’ny roa taona ny fe-potoana hanonerana tsikelikely ny vidin-javatra. Maromaro ny entana sy kojakoja ao anaty kit iray, mandeha amin’ny herin’ny masoandro, toy ny ampola roa sy famahana finday, televiziona, fanapihinan-jiro (interupteur), vata fampangatsiahana, sns.Etsy ankilany, afaka misitraka ny tolotra rehetra omen’ny OtivTana ny mpanjifa, na ireo efa mpikambana, na ireo vao hirotsaka. Ao anatin’izany ny fitahirizana na findramam-bola, ny fanabeazana ara-bola, ny toloatra fahasalamana Harena, iantohan’ny OtivTana ny 70 hatramin’ny 80%-n’ny saram-pitsaboana, sns.Njaka A.L’article OtivTana: azo aloa tsikelikely ny vidin’ny entana Greengywatt a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Besakoa: dahalo iray maty voatifitra teo am-pamohana valan’omby

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao an-tanànan’i Besakoa, fokontany Analasoa, kaominin’i Tasaraitso, distrikan’i Betroka (atsinanana kely miala ny tampon—tanànan’i Betroka), ny alakamisy lasa teo. Efa tsara omana mialoha anefa ireo fokonolona taorian’ny fandrahonana misesy nataon’ireo dahalo tonga nanafika tao an-toerana. Tonga tokoa ireo andian-dahalo, kanjo tratran’ny tifitra tampoka nataon’ny tompon’omby ny dahalo iray namoha ny valan’omby ka maty tsy tra-drano. Dahalo iray hafa koa voatifitra ary niantsoantso hoe “maty aho Neny” sady lasa nandositra niaraka tamin’ireo namany efa-dahy afa-nitsoaka, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Nanamafy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa tombony manokana ho an’ireo mponina ao Betroka, indrindra ny any ambanivohitra ny fampianarana azy ireo momba ny fiarovantenam-pokonolona izay nampianarin’ireo zandary tarihin’ny Chef d’escadron, Rafanomezana Roby ka izao afaka niaro tena sy niaro ny fananany izao. Nilaza rahateo koa ireo fokonolona ao Besakoa fa tsy hihemotra ary tsy hilefitra fa hiezaka hanambatra ny hery ho fanoherana ny fanafihan-dahalo izay nampitondra faisana azy ireo an-taona maro ka izao nahafahan’izy ireo nahatosika ireo malaso izao.Jean ClaudeL’article Besakoa: dahalo iray maty voatifitra teo am-pamohana valan’omby a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Foibe midororo…

Mitoroka ny tsy fahaiza-miasa eny amin’ireo sampan-draharaham-panjakana ity raimpianakaviana iray, mety efa mananiky ny 60 taona any ho any, raha nitari-dresaka tamin’ireo sokajin’olona maromaro teo akaikiny teo, teo am-pilaharana amin’ny fandoavam-bola sy fanolorana ny antontan-taratasin’ny fiara nanaovana fandraisana ara-teknika tetsy Ambohimanambola, omaly. Adiny roa sasany (efa mba miady varotra tsy hanalana baràka ny Foibe fitsarana fiarakodia na ny DGSR aza izany) tamin’ny ankapobeny no nolanian’ireo andian’olona nanan-draharaha teny an-toerana, ho an’ireo izay tonga teo anelanelan’ny tamin’ny 9 ora sy sasany hatramin’ny 11 ora antoandro. Samy namizana ny filaharana teo ampandoavam-bola, no nahavalaka koa ny fiandrasana ny taratasy fanamarinana, nony avy eo. « Nahoana moa no tsy tonga dia hametrahana foibe fandraisana ara-teknika eny an-tseranana ho an’ireo fiara efa niasa izay tonga avy any ivelany ? », hoy ny fanontaniana sady vahaolana napetrak’ilay raim-pianakaviana. Fa maninona tokoa no tsy izay no natao, satria vao miala ny sambo sy ny seranana ireny fiara ireny dia efa tokony hananana antoka ny fahatomombanany sady tsy fiahiahiana azy hitera-doza eny an-dalambe eny! Tsy misy koa ny fampahatsiahivana atao amin’ireo tompon’ny fiara manana laharana vahiny izay tsy mbola namita ny fandraisana ara-teknikan’ny fiarany. Rehefa velona ny adihevitra, dia miverina matetika ny hoe tsy fahaiza-miasa sy ny « bizina » teo amin’ireo sokajin’olona nifanakalo teo. Tsy dia vokatry ny fiandrasana lavareny sy ny hain’andro ary ny vovoka niainana tetsy Ambohimanambola akory no antony andetehana ny fomba fiasa tsy mahomby tahaka an’izao ataon’ny DGSR izao, fa atao hamehezana ny fomba fiasa ankapobeny eny amin’ny ankamaroan’ireo biraom-panjakana. Toa mahazatra ny mampilahatra olona fa tsy hay mihitsy ny mitady ny fomba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpila raharaha, kanefa finiavana hanaradalàna sy fandraisana anjara amin’ny fandrotsaham-bola ao amin’ny kitapom-panjakana no ataony… L’article Foibe midororo… est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Haiady karate – Mawado :: Mpikatroka telopolo nahazo traikefa tamin’ny Sensei Ramilijaona Franco

Nitondra ny anjara biriky ho an’ny fampivoarana ny fahaizan’ireo mpikatroka malagasy ao anatin’ny haiady karate Wado-Ryu ny Sensei Ramilijaona Franco Dani, teny amin’ny ANS Ampefiloha, tamin’ny sabotsy lasa teo. Mpikatroka fahiny tao amin’ny klioba Akka izy mialoha ny nialany teto an-toe­rana nankany Frantsa. Mandalo eto Madagasikara indray izy. Toy ny efa fanaony isan-taona, dia nizara ny traikefany sy nanome fiofanana ho an’ireo mpikatroka miisa tepolopolo ity mpanam-pahaizana manokana ity, araka ny fanasana nataon’ny Madagascar Wado-Ryu (Mawado). “Nizara traikefa sy izay norantoviko hatramin’izao na tany amin’ny “kata” na “combat” no tanjona. Nantsoina manokana ireo efa manana tepana mainty sy volontany”, hoy Sensei Ramilijaona Franco. Sendra R. L’article Haiady karate – Mawado :: Mpikatroka telopolo nahazo traikefa tamin’ny Sensei Ramilijaona Franco est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Cofestin: efa mirona amin’ny “Donia 2020”

“Manomboka izao, ho Malagasy avokoa ny mpikambana ao amin’ny Cofestin, ankoatra ahy  namorona ny “Festival Donia”. Fanambarana nataon’i Vicenzo Sanna, nandritra ny lanonana tsotra, nanaovana jery todika sy tombana ny “Festival Donia” andiany faha-26, izay vao avy notontosaina teo, io. Fantatra tamin’io fotoana io ihany koa fa handray ny fitantanana ny “Comité d’organisation du festival de Nosy Be”, fantatra amin’ny hoe Cofestin, i Amida Sanna, amin’ity taom-piasana hanomanana ny “Donia” andiany faha-27 ity. “Vao tafapetaka ireo mpikambana vaovao, avy dia nitodika amin’ny fanomanana ny andiany manaraka izahay. Etsy andaniny, efa mitodika amin’ny fikarakarana hetsika hafa ao Nosy Be koa”, hoy ny filazan’ny filohan’ny Cofestin, i Amida Sanna. Fantatra fa mikarakara fifaninanana baolina kitra ho an’ny vehivavy izy ireo, hotontosaina ny 13 jolay ho avy izao. Niampy mpikambana dimy vaovao niditra ao amin’ny Cofestin, izay samy zanatany avokoa. Samy manana ny andraikitra hosahaniny izy ireo, izay mahalala akaiky kokoa ny filan’ny mponin’i Nosy Be amin’izay andrasany amin’ny andiany manaraka amin’ny “Donia”. Misy rahateo ireo lesoka izay ilaina fanarenana, miandry ny Cofestin amin’ity. Zo ny Aina L’article Cofestin: efa mirona amin’ny “Donia 2020” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, taranja fibatana fonjamby, tanterahina etsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano. Mialoha ny hanomezana Mari-pankasitrahana ireo mpiofana, hiatrika fanadinana izy ireo anio sy rahampitso. Adina an-tsoratra sy fampiharana moa no hataon’izy ireo amin’izany. Tsiahivina, 10 andro ny faharetan’ity fiofanana ity ary efa nanomboka ny herinandro lasa teo izany. Mpampiofana manana ny maha izy ny mizara traikefa, manam-pahaizana iraisam-pirenena malagasy, hahitana an’ i Harimalala Solomampionona Rakotoarisena. Miisa 20 mianadahy ny miofana ary avy amin’ny ligy 6, Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Boeny ary Vakinankaratra. Nambaran’ny mpampiofana fa nisy fitohizana satria ireo niatrika ny “niveau 1” ihany ireto manaraka ny fampianarana ho an’ny “niveau 2” ireto. Izany hoe, efa manomboka miditra lalindalina kokoa amin’ny “planification”, “périodisation”, “anatomie”ary ny “blessure”. Antenaina, araka izany fa hitondra fivoarana eo amin’ireto mpiofana ireto, raha ny nambaran’ny mpampiofana hatrany. Azo lazaina ho fohy rahateo ny fotoana kanefa mbola maro ny tiana hampitaina ka inoana fa any amin’ny fampiharana no hanatevina ny fahalalany ny mpiofana. Mi.RazL’article Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Nidina ifotony ny minisitra A. Hajo: mandroso ny fanamboaran-dalana Marovoay-Amboasary sy i Manaingazipo
28/09/2020

Mandeha avokoa. Nidina ifotony nijery ny fandroson’ny asa fanarenana sy ny fotodrafitrasa amin’ny làlam-pirenena RN44 sy ny RN3A ny ministry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Efa nanomboka avokoa sy mandroso ireo asa fanamboarana ny ampahan-dàlana Marovoay – Amboasary sy ny fotodrafitrasa eo amin’ny renirano Lohafasika (Kafe) sy ny eo Manaingazipo. « Tsy maintsy atao ny fanaraha-maso ara-potoana hijerena ny fanarahana ny fenitra », hoy ny minisitra.Nojerena koa ny hametrahana ny orinasa faharoa hanao ny ampahan-dàlana miala eo Amboasary mipaka hatrany Vohidiala sy ny ny fomba ahafahana manamboatra ny tohin’ny lalana miala eo Vohidiala hatreo Ambatondrazaka.Fanamboarana ireo simban’ny rivodoza sy ny andro ratsyEtsy andaniny, betsaka ireo fotodrafitrasa simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza sy ny andro ratsy tamin’ny taona 2019 teo ka mila fanarenana. Anisan’ny nojerena tamin’izao fitsidihina izao ny fomba hanamboarana azy ireny sy ireo fotodrafitrasa hafa tokony hampiana mba tsy hisy fahatapahana intsony ny RN44.Tahaka ny efa fanaony, nanentana ny rehetra ny minisitra hiaro ny tontolo iainana hitandroana ny fotodrafitrasa iombonana. « Misy fiantraikany lehibe amin’ny fari-piainana amin’ny ankapobeny koa ny fahasimban’ny làlana », hoy ihany izy.Synèse R. L’article Nidina ifotony ny minisitra A. Hajo: mandroso ny fanamboaran-dalana Marovoay-Amboasary sy i Manaingazipo a été récupéré chez Newsmada.

Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon
28/09/2020

Les Ivoiriens défieront les Belges et les Japonais. Les Éléphants prennent au sérieux la préparation pour la double confrontation face au Barea de Madagascar au mois de novembre. Costauds. C’est ce qu’on peut qualifier des adversaires de la Côte d’Ivoire pour les matchs de préparation dans le cadre des journées FIFA au mois d’octobre. Les Eléphants de la Côte d’Ivoire vont défier les Diables Rouges le 8 octobre au Stade Roi Baudouin, Bruxelles. «C’est une équipe avec des talents individuels de très haut niveau qui se distinguent en ce moment par leurs belles performances, comme Wilfried Zaha (Crystal Palace) et Nicolas Pépé (Arsenal). Il s’agit d’un excellent partenaire d’entraînement pour notre première période de matchs internationaux au cours de laquelle nous disputons trois matchs. Nous espérons avoir l’opportunité de jouer en présence de quelques supporters, c’est quelque chose que nous attendons avec impatience», a annoncé Roberto Martínez, le sélectionneur des Diables Rouges sur le site de sa fédération. Les Belges caracolent toujours en tête du classement de la FIFA depuis septembre 2018. Les Ivoiriens auront un adversaire de taille dans le cadre de leur préparation de la double confrontation face aux Barea au mois de novembre. La crise sanitaire a chamboulé tous les calendriers des matchs amicaux de nombreuses sélections africaines. Le match prévu contre les Super-Eagles du Nigéria du 9 octobre en Autriche n’a pas eu lieu. Pourtant, un deuxième match amical figure dans le programme des Éléphants. Ils affronteront les Japonais, le 13 octobre à Utrecht aux Pays-Bas. Madagascar jouera contre l’équipe du Swift Hesperange du Luxembourg. Un choix qui ne fait pas l’unanimité auprès de l’opinion et surtout de la communauté footballistique. « L’idéal aurait été à mon avis de se frotter contre une équipe nationale. Ça aurait mis de la valeur au match qui se déroulera durant la journée FIFA, et donc comptabilisable pour le prochain classement FIFA. Par exemple notre adversaire la Côte d’Ivoire jouera contre la Belgique et le Japon en octobre. Après, l’organisation a eu des contraintes que l’opinion essaie de comprendre. Dans tous les cas, avec l’implication positive de l’Etat, je pense que les parties prenantes pourront trouver la solution la plus bénéfique à nos chers Barea. La double confrontation face aux Eléphants au mois de novembre se jouera à Madagascar et en Côte d’Ivoire, c’est-à-dire en Afrique. Quoi qu’il en soit, il faut jouer en Afrique. Si le lieu pose un problème, Portugal ou Maroc, pourquoi ne pas jouer le match contre le Burkina-Faso au Luxembourg ? », a expliqué Mirado Rakotoharimalala, SG du CFEM et spécialiste du football. T.H L’article Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa
26/09/2020

Notanterahina omaly teny amin’ny fitandremana toby Fanantenana FLM 67 ha ny fanamasinana ny fitsofandranon’ny fanambadian’Andriandrantoson Riamaholy Haridina, mpanao gazety mikirakira ny vaovao ara-toekarena ao amin’ny gazety “Les Nouvelles” sy Rakotondraibe Hanitiriniaina Henintsoa, mpanao gazety mikirakira ny trangam-piarahamonina gazety Taratra, ao anatin’ny vondrona Ultima Media. Ny Pastora Rasolonjanahary Hobinirina Riri Harivelo sy Randrianarison Henri René ary Rakotondramanitra Mino Harivola no nifarimbona tamin’ny fitsofan-drano ny fanambadian’izy roa kely ireto. Nosafidin’izy ireo manokana ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 8 : 7a “Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana ary ny renirano tsy mahapaoka azy”. Taorian’ny fanamafisana ny fanambadian’izy ireo dia niara-nikorana tamin’ny fianakaviana sy ireo namana aman-tsakaiza teny amin’ny Espace Sahamadio Ilafy izy roa kely. Mirary tokantrano sambatra ho an’i Haridina sy i Henintsoa, harahin-jazalahy sy zazavavy ny fianakaviamben’ny vondrona Ultima Media.Ny fanoratanaL’article Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 26.09.2020
28/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 26.09.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.55 guérisons et 36 nouveaux cas de Covid-19 sont rapportés par le Pr Vololontiana ce 26 Septembre 2020. 18 de ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 9 cas dans la region de Sava, 3 cas dans la région Analamanga, 3 cas dans la région d’Alaotra mangoro et 1 cas dans la région Haute Matsiatra. Quant aux personnes guéries, elles sont éparpillés comme suit: 3 dans la région d’Analamanga, 4 dans la région de Haute Matsiatra, 15 dans la région de Vatovavy Fitovinany, 1 dans la région Atsimo Andrefana, 6 dans la région de Boeny, 2 dans la région de Sava et 24 dans la région de Diana. Selon le rapport du Professeur, 14 922 personnes sont totalement guéries du Covid-19 tandis que 1104 patients sont en cours de traitement dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs un nouveau décès lié au coronavirus a été egalement rapporté ce jour, portant à 229 le nombre de personnes ayant perdu la vie à cause de cette maladie. Depuis le début de l’épidémie, 16 257 contaminations ont été enregistrées dans la grande Île.L’article Covid-19: Situation du 26.09.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fanavaozana taratasim-pokontany :: Ho tonga tsikelikely eny amin’ny boriborintany ireo karine vaovao
29/09/2020

Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fandefasana an’ ireo karinem-pokontany vaovao sy maoderina, eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ho tonga miandalana eny amin’ireo boriborintany enina ireo taratasy ireo, araka ny loharanom-baovao. Nambaran’ny ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina, afak’omaly alina, nandritra ny tafatafa nataony tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Studio an’ny RTA tetsy Ankorondrano fa “hanomboka amin’ny firaiketana amin’ ny alalan’ny solosaina ny mombamomba an’ireo olom-pirenena hisitraka ny karine vaovao ny dingana voalohany”. Handalo dingana maro vao ho tonga ny fitsinjarana azy isan-tokantrano. “Manaraka an’ireo toromarika fotsiny ihany izahay fa ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana no tena hisahana ny asa hafa rehetra”, hoy ihany ny ben’ny tanàna. Efa voatonta amin’ilay endriny nasehon’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina tamin’ny fahitalavitra ireto karinem-pokontany ireto, izay ahitana famantarana manokana hahafahana mandahatra ara-tarehimarika ny laharana omena isaky ny loham-pianakaviana. Tsy ho vita hosoka mihitsy ihany koa. Karapanondrom- pianakaviana “Tsara dia tsara ny endriny fa ho hitanareo amin’ny fotoana manaraka ny mombamomba azy sy ny fomba hahafahana mitsinjara ny karine”, hoy kosa ny hany valin-teny azo avy tamin’ ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa, tamin’ny antso an-tariby, omaly. “Miandry toromarika avy amin’ireo manampahefana izahay”, hoy kosa ny ankamaroan’ireo lehiben’ny distrika eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Efa nambaran’ny Filohampirenena, tamin’ny volana jolay 2020 lasa teo, fa « tanjona amin’ izao fanavaozana ny karinempokontany izao ny fisorohana ny fanaovana hosoka mety hitarika kolikoly sy ny famantarana ny maha-ara-dalàna ny fanamarinam-ponenan’ireo olompirenena tsirairay eto amintsika ». Ho lasa karazana karapanondrom-pianakaviana kely mihitsy izany, araka ny fanamarihany. L’article Fanavaozana taratasim-pokontany :: Ho tonga tsikelikely eny amin’ny boriborintany ireo karine vaovao est apparu en premier sur AoRaha.

67ha: jiolahy mpamerin-keloka tratra nanendaka indray
29/09/2020

Vehivavy iray nilalao telefaonina finday tao anaty taxi-be no niharan’ny fanendahana nataon’ireo jiolahy miisa telo, teny 67 ha, ny faran’ny herinandro teo. Niantso vonjy ilay niharan’ny fanendahana ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra anefa dia tratra ny iray amin’ireo olon-dratsy raha tafatsoaka kosa ireo namany roa lahy niaraka amin’ilay telefaonina. Natolotra ny Polisim-pirenena ao amin’ny CSP7 eny 67 ha ity jiolahy raindahiny ity. Nandritra ny fanadihadiana ilay jiolahy tratra ny nanondroany ireo namany miisa roa ka noraisim-potsiny ihany koa izy roa lahy. Nomarihin’ny polisy fa efa mpamerin-keloka ny iray amin’izy telo lahy satria efa nisazy ny taona 2017 noho ny resaka halatra telefaonina ihany. Anatra ho an’ireo mampideradera sy manao “facebook” any anaty taxi-be ny toy izao satria mampirongatra ny asan-jiolahy. Tokony hojerena akaiky koa ireny jiolahy mpanao sinto-mahery amin’ny fitohanan’ny fiara ireny.J.C L’article 67ha: jiolahy mpamerin-keloka tratra nanendaka indray a été récupéré chez Newsmada.

Fananan-jo…  maharaikitra adidy       
26/09/2020

 Hatramin’izay, saika mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny antoko misy azy akory hatrany ifotony.Eo koa ny fandraisana anjara isaky ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra. Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…Atao sy vitan’izy ireo ve izany, raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana. Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.Faly mamerina izay mahazatra hoe mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony: iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.Izany rehetra izany no anisan’ny mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny, anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany isaky ny mihetsika?Rafaly Nd.  L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC
24/09/2020

Ho fiomanana amin’ny BAL (Basket afro league) sy ny “Afrobasket 2021”, nanapaka ny federasiona fa hatambatra ny fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena sy ny klioban’ny GNBC. Io ny isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona ny talata lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mbola hojerena ny fomba hanatanterahana izany satria efa niverina nanao fanazarantena ny ekipan’ny GNBC, hampifandrindrana miaraka amin’izany koa ny an’ny ekipam-pirenena. Raha ny fantatra, saika ny akamaroan’ireo mpilalaon’ny Zandarimaria no mandrafitra ny ekipam-pirenena ka moramora ny fampivondronana azy ireo, raha ny vaovao teo anivon’ny federasiona. Mahakasika ny fifaninanana eto an-toerana indray, miandry tanteraka ny fanampahan-kevitry ny fitondrana ny hanapahana ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB. Isan’izany ny fifaninanam-pirenena N1A, mbola tsy voafaritra, hatreto. Mety hiavaka ihany ny amin’ity andiany 2020 ity satria raha ho raikitra ihany izany, tsy maintsy lalao mandroso tokana ihany ary mazava ho azy fa eto Antananarivo ny hanaovana azy. Tombantombana avokoa anefa izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fandaharam-potoana rehetra.Marihina fa nanolotra baolina ho an’ny ekipan’i GNBC ny federasiona, nandritra ity fivoriana ity.Mi.Raz L’article Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC a été récupéré chez Newsmada.

Taorian’ny fanaovana joro: natsingevan’ny ranomasina ilay tovolahy maty an-drano
25/09/2020

Natsingevan’ny ranomasina ny fatin’ilay tovolahy rendrika tsy hita tao amin’ny village touristique, afakomaly. Nisy, araka izany, ny joro ho fanajana ny fomban-tany nataon’ny fianakaviana ka taorian’izay dia nivoaka ny razana, araka ny fanazavan’ireo olona akaiky azy. Voalaza fa nilomano teo amin’ny ranomasina izy ka tsy hita popoka nony avy eo. Taorian’ny fanajana ny fombafomba rehetra, araka izany, vao natsingevan’ny ranomasina ny fatin’ilay niharam-boina. Anisan’ireo faritra mahasarika mpizahatany ny ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ary toerana ifamotoanan’ireo mpizahatany ny eo amin’ny village touristique, saingy mila fitandremana anefa ny filomanosana eo amin’ny ranomasina.J.CL’article Taorian’ny fanaovana joro: natsingevan’ny ranomasina ilay tovolahy maty an-drano a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Tenisy – Roland Garros: resin’ilay Sinoa, i Wang Xinyu i Tessah
25/09/2020

Tapitra hatreo ihany koa ny lalan’i Tessah, eo amin’ny fiadiana ny Roland Garros, taranja tenisy. Nihintsana izy rehefa lavon’ilay Sinoa, i Wang Xinyu, teo amin’ny fihodinana faharoa.Nifarana, omaly alakamisy, teo amin’ny fihodinana faharoa ny dian’Andrianjafitrimo Tessah, ilay mpilalao tenisy malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, teo amin’ny fiadiana ny Roland Garros, tafiditra ao anatin’ny “Grand chelem”. Fihaonana, tanterahina any Frantsa.Resin’ilay teratany sinoa, i Wang Xinyu, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/4 ; 5/7 ; 6/1), i Tessah. Niady ny seta roa voalohany teo amin’ny fihaonan’izy mirahavavy, saingy tany amin’ny seta fahatelo no tsy nahatohitra intsony i Tessah. Lasan’i Wang ny seta voalohany ary tena nifanakaiky ny lalao satria niafara tamin’ny 6 no ho 4. Mbola nangotraka ihany koa ny seta faharoa izay azon’i Tessah ary 7 no ho 5 ny niafaran’ny lalao . Nihevitra ny rehetra fa mety tsy haharesy an’i Tessah i Wang teo amin’ny seta fahatelo, saingy ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Nataon’i Wang, tsy nisotro rano mihitsy izy ary toy ny nanaovany fanazarantena fotsiny, satria tsy nahazo afa-tsy lalao iray monja i Tessah, tao anatin’izany seta fahatelo izany. Hidona amin’ilay teratany arzantina, i Nadia Porodoska, izay nandresy an’ilay Romana, i Jaqueline Cristian, i Wang Xinyu, eo amin’ny fihodinana fahatelo.Azo lazaina fa tsara ny dingana vitan’i Tessah, tamin’ity satria nahadingana ny fihodinana voalohany rehefa nandresy ilay Espaniola, i Parizzas Dias. Tsy misy teratany malagasy intsony izany miatrika ity Roland Garros ity.Raha tsiahivina, fihodinana voalohany dia efa nihintsana Ramialison Irina rehefa lavon’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, ny tenany tamin’izany.Marihina fa tamin’ny alalan’ny fanasana manokana “wild card” no nahafahan’izy mirahavavy ireo niatrika ity fifaninanana ity. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: resin’ilay Sinoa, i Wang Xinyu i Tessah a été récupéré chez Newsmada.

Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza
23/09/2020

Mangidy sady mafy raha mbola fahoriana no nandalovan’ity ankizilahy iray, roa taona lasa izay (ny alin’ny 26 aogositra hifoha 27 aogositra 2018), raha izy vao 8 taona monja. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nandripahan’ny tsy mataho-tody an’ireo nahitany masoandro sy ny zandriny vavy, efataona. Mickael Rakotorahalahy irery, izay mandia ny faha-10 taonany ankehitriny, no sisa velona tamin’ ity fianakaviana ity, taorian’ ny herisetra tsy manampaharoa nihatra tamin’ny fianakaviany, tany Mamoladahy, Imerintsiatosika. Nitondra vohoka dimy volana aza ilay reniny, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina. Zary fanoitra hoentin’ i Micka miatrika sy ho tafita amin’ny fiainana ny zava-niseho. Isan’ireo ankizy mendrika any am-pianarana sy any am-piangonana izy, ary vao nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Manohy ny fianarany any Sandrandahy, Fandriana, izay tanàna misy ny raibeny sy ny renibeny ny zazalahy. Nanolo-tena hitaiza azy ireo ray amandrenibe ireo. Ny ho tonga mpitsara na mpanamory fiaramanidina no nofinofy goavana manosika an’ i Micka amin’ny filofosany any an-tsekoly isan’andro. Avotry ny fialan-tsasatra Tahaka ny efa lahatra manokana ny an-dRakotorahalahy Mickael, satria niala sasatra tany Sandrandahy Fandriana no nahatonga azy tsy ho isan’ny lasibatr’ireo namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Ny raibeny sy ny renibeny, avy amin’ ny dadany, ireto mitaiza azy. Tsy mba manana taranaka intsony iretsy olon-dehibe, ka isan’ny antony nakan’ izy ireo an’i Micka ho toy ny solon-janany. Roa taona talohan’ny nahafatesan’ireo mpianakavy kely no efa nindaosin’ny fahafatesana ihany koa ny zandrin’i Nantenaina Rakotorahalahy, rain’i Micka. Izy mirahalahy irery no mpiray tampo. Mazoto amin’ny fianarana i Micka. Fony izy kilasy fahavalo no efa nitazona ny laharana voalohany hatrany tany an-tsekoly. Mianatra amina sekoly tsy miankina izy, ankehitriny, sady tezaina ihany koa amin’ny finoana kristianina, araka ny fitantaran’i Olga Razanabary, renim-pianakaviana nanangana an’i Malalatiana Juliana, renin’i Micka. « Zaza tena mahay izy ary mikendry ny ho lasa ambony eo amin’ny fiainana hatrany, na any an-tsekoly hatrany am-piangonana », hoy iry reniben’i Mickael avy amin’ny reniny. Nampahafantarin’ itsy farany fa « mpitarika tanora kristianina sady mpamoron-kira ho an’ny antoko mpihira ny raibeny sy ny renibeny. Nisy fotoana nandehanan’izy ireo teto Fianarantsoa niaraka tamin’io antoko mpihira io, ka nipetraka tato amiko i Mickael ». « Tsapako fa ny fahoriana nidona taminy no isan’ny nanosika azy vao mainka hihoitra eo amin’ny fiainana », hoy ihany izy. L’article Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza est apparu en premier sur AoRaha.