11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE

News - 11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE

News - 11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE

Mitentina 518 tapitrisa euros ny
vola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), iadiana amin’ny
fahantrana sy hanarenana ny toekarena eto Madagasikara. Avy amin’ny
Tahirimbola eorpeanina ho an’ny fampandrosoana andiany 11 è Fed ity
fanampiana ity, ao anatin’ny fandaharanasa Programme indicatif
national (PIN), ho an’ny fe-potoana 2014-2020. Miandraikitra ny
fandrindrana sady manara-maso ny fanatanterahana ny asa ny Birao
manohana ny fiaraha-miasa any ivelany (BACE).

Nilaza ny talen’ny BACE,
Rakotomahefa Bruno Maurille, fa mifandray amin’ireo minisitera
mahazo ny famatsiam-bola izy ireo, mijery ny tetikasa ho
tanterahina. Miantoka ny fanaraha-maso ny fanatanterahana sy ny
firindran’ny tetikasa izahay, raha vao nivoaka ny
famatsiam-bola.

Sehatra telo lehibe no voakasiky ny
11 è Fed ao anatin’ny PIN. Ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny
asa ho an’ny vahoaka (145 tapitrisa euros), ny lafiny
fotodrafitrasa ara-toekarena (230 apitrisa euros) ary ny
fampandrosoana ny eny ambanivohitra (130 tapitrisa euros). Manampy
ireo ny fanohanana ny fierahamonim-pirenena (8 tapitrisa euros) sy
ny fanamorana ny fiarahamiasa teknika (2 tapitrisa euros). Efa
nivoaka ny 96%-n’ny vola. Hanampiana ny tetibolam-panjakana ny 21
tapitrisa euros ambiny.

Njaka A.

Article tiré de Newsmada

L’article 11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 25/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

«Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville

Hotanterahina amin’ity alakamisy 24 septambra ity, ao amin’ny kianja Puskas Arena, Budapest, ao Hongrie, ny fiadiana ny «Super coupe de l’UEFA», taranja baolina kitra. Hifandona amin’izany ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa, sy ny FC Seville, tompon’ny amboara. Heverin’ny rehetra fa hangotraka ny fihaonana na betsaka aza ireo mihevitra fa mety tsy hahatohitra an-dry Rainiboto ry zareo Espaniola.Raha tsiahivina, indroa ihany ireo ekipa roa ireo no nihaona: ny teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, ny taona 2018. Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny lalao mandroso tany Munich ary lavon’ny Bayern, tamin’ny isa 2 no ho 1, kosa ny Seville, teo amin’ny fihaonana miverina ka nahatafita ny Bayern de Munich.Hanala vela izany amin’ity ny Espaniola, izay heverina fa afaka hanohitra tsara ireto Rainiboto ireto, izay ao anatin’ny tanjany tanteraka ary tsy mbola resy mihitsy tamin’ireo lalao rehetra nataony, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. TompondakaL’article «Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Trano fiantohana MAMA: « Tsy ara-dalàna ny fifidianana ny filankevi-pitondrana »

Nanambara ny mpitatitra mpikambana ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (MAMA) fa tsy nanara-dalàna ny fifidianana ny mpikambana enina ao amin’ny filankevi-pitondrana, notanterahina ny volana desambra 2018.Tsy nanaja ny satam-pikambanana ihany koa ny fifidianana satria tokony ho olona manana fiara iray mpanao fitaterana olona na entana sy mahalo ny latsakemboka 500 000 Ar isan-taona no afaka milatsaka hofidina ho mpikambana. Notanterahina tany Nosy Be ny fifidianana izay tena lavitra raha mitaha amin’ny toerana misy ankamaroan’ny ny biraon’ny mpitatitra sy ny kaoperativa. Tsy nampahafantarina io fifidianana io rahateo ny mpitatitra mpikambana sy nanorina ny trano fiantohana MAMA, hoy ny solontenan’ny mpitatitra, Raharinirina Clémence, omaly teny Antaninarenina. Amin’ny mpikambana enina voafidy handrafitra ny filankevi-pitondrana, olona iray ihany no manafeno ny fepetra fa ny dimy ambiny tsy tokony ho tafiditra mihitsy. Noho izany, miantso ny minisiteran’ny Fitantanam-bola izay miahy ny trano fiantohana hanafoana ny fifidianana izay natao farany teo ny mpitatitra. Mangataka ny fametraham-pialan’ny mpikambana voafidy koa satria tsy nanaja lalàna sy ny satam-pikambanana. Tokony hosoloina ny mpikambana rehefa tsy mahafeno ny fepetra.Te hanatsara ny orinasa fiantohana MAMA ny mpitatitra nefa tsy mety raha misy ny tsy fanaraha-danàna tahaka izao. Ilaina ny fanatsarana ny tolotra izay mampimenomenona ny mpitatitra mpikambana rehefa sendra lozam-pifamoivoizana izy ireo. Indraindray, maharitra an-taona maro vao mivaly ny fangatahana onitra sy fanonerana ho an’ny naratra.Tokony handray andraikitra haingana ny minisitera miandraikitra fa fanararaotana ny mpitatitra no nitranga, hoy ny mpitatitra iray, Rakotoarimanana Fidimalala.Vonjy A.    L’article Trano fiantohana MAMA: « Tsy ara-dalàna ny fifidianana ny filankevi-pitondrana » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9

Tropy 14 no hifampitana. Toerana 8 kosa no hotetezin’ny “Hiragasy makotrokotroka” amin’ity. Hakotrokotroka noho ny andiany teo aloha, raha ny fiaraha-misalahy amin’ny fanomanana no tarafina…Hiditra amin’ny andiany fahasivy ny “Hiragasy makotrokotroka”. Fifaninanana adin-kiragasy, hifanandrinan’ireo tropy kalaza eto Iarivo izy ity, izay fanao isaky ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra, fandalovan’ny mpizahatany ihany koa. Hotontosaina ny 4 aogositra hatramin’ny 6 oktobra izao ny “Hira gasy makotrokotroka”, raha ny fandaharam-potoana. Raha toa ka tamina toerana iray hatrany ireo andiany teo aloha, hitety tanàna sy vohitra kosa izany amin’ity andiany fahasivy ity. “Ho fanomezan-kasina ny kolontsaina eto Analamanga, ho fanomezan-danja ihany koa ireo vakoka sy toerana manan-tantara no antony hanaovana azy mitety vohitra”, hoy  ny fanazavana nomen-dRakotondrabe Niry, tale jeneralin’ny ofisim-pirenena misahana ny kolontsaina sy ny zavakanto (Ofnac), nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Hatao, ny alahady 4 aogositra tolakandro izao ny adin-kira gasy voalohany, eny amin’ny Rovan’Antananarivo. “Efa tamin’ny andro faha mpanjaka no nisy hira gasy farany teny amin’ny Rova, ka nosafidiana manokana ny toerana amin’ity”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Ofnac. Hitohy amin’ireo vohitra sy tanàna toa anAmbatomanga, Sambaina, Talata Volonondry, Fidasiana Ambohimanga, Anosy, Ambohijatovo ary eo antokotanin’ny lapan’ny Tanàna eo Analakely izany. “Tsy avela ho fandalovan’ny mpizahatany fotsiny eto Antananarivo, fa mba hisarihana azy ireo hijanona hamantatra ny kolontsaina sy ireo vakoka ary toerana azo tsidihina ihany koa ny hetsika. Anisan’ny tanjona napetraka tany am-boalohany izay, miara-dalana amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina”, hoy kosa ny avy ao amin’ny Ofisim-paritra misahana ny fizahantany eto Antananarivo. “Nandritra izay andiany valo izay, niezaka izahay ny hampiakatra avo ny kolontsaina amin’ny ankapobeny, sy ny hira gasy manokana. Sambany amin’ity no nanohana sy niditra an-tsehatra anatin’ny fanatontosana mihitsy ny minisitera mpiahy, ka mahavelombolo ny mpisehatra rehetra izany”, hoy kosa ny nambaran’ny filohan’ny Haigasy, Randrianarivelo Faly. Zo ny AinaL’article “Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika   ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%,  Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be  Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny  taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra

Ny volana jona teo no nitrangan’ny raharaha. Niharan’ny fanararaotam-pahefana sy fihazonana tsy ara-dalàna, nataona polisy efa-dahy, miasa ao amin’ny biraon’ny polisy, Ambohimandamina, Mahajanga ny olona vitsivitsy.Tsy nipetra-potsiny ireto niharan’izany fa nanao fitarainana tao amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) tany an-toerana. Voalaza fa hoe nitaky vola 2 000 000 Ar tamin’izy ireo ireto polisy ireto, ho sandan’ny famotsorana azy ireo.Nandray ny andraikiny momba izany àry ireo mpanao fanadihadiana sy famotorana ao amin’ny Bianco. Hita sy voamarina tamin’izany fa mitombina tokoa ny fitarainan’ireto olona niharan’ny fanararaotana nataon’ireto polisy ireto. Natolotra ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany, tao Mahajanga ireto polisy izay voarohirohy ho nanao kolikoly sy fakam-bola an-keriny (extorsion).Fantatra, taorian’izay fa naiditra am-ponja avy hatrany ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra ilay inspektera polisy. Ireo brigadiers telo lahy kosa noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana, na dia efa nohamafisin’ny fampanoavana aza fa anisan’ny tafiditra ao anatin’ity raharaha maloto ity izy ireo. Hita taratra amin’izao ihany ny tsy fetezan-javatra eo amin’ny fitsarana izay efa hanaovan’ny mpanara-baovao maro fanamarihana sy fanakianana hatrany. Soa ihany fa, araka ny fantatra, efa an-dalam-pananganana amin’izao fotoana izao ny Pôle Anti-corruption any Mahajanga.M.R.L’article Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Toekarena manga »: mila fiarovana ny fari-dranomasina eto Madagasikara

Ny fiandohan’ny herinandro teo, natao tany Naïrobi, ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny « toekarena manga », ny fitrandrahana ny fari-dranomasina. Nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Toekarena sy teti-pivoarana, i  Napetoke Arsonaivo Marcel sy ny minisitry ny Jono, Andriamananoro Augustin. 6.000 ireo nandray anjara tamin’ny fivoriana avy amina firenena samihafa, nandinika sy namakafaka ny hahazoana tombontsoa ara-toekarena amin’ny fari-dranomasina, indrindra ny ho fiarovana izany. Lohahevitra nandritra izany fivoriana izany ny « Toekarena manga sy ny fandaharanasa hatramin’ny taona 2030 hisian’ny fampandrosoana maharitra ». Voadidina ranomasina 5.000 km i Madagasikara, nefa matetika ny fidiran’ny hafa an-tsokosoko. « Misy famatsiam-bola ho amin’izany toekarena manga izany ka nambara ho laharam-pahamehana ny fitrandrahana ny harena anaty ranomasina hatao amin’ny ara-dalàna », hoy ny minisitra, i Napetoke Arsonaivo Marcel. “Hanomezana asa ho an’ny tanora izany na hamoronan’izy ireo asa vaovao”, hoy ihany ny minisitra. Mitaky fampiasana teknolojia vaovao Mitaky fampiasana teknolojia vaovao anefa izany. Hatramin’izao, tsy hita ny fifehezana izany raha ny fahitana ireo sambo miditra an-tsokosoko manjono amin’ny fari-dranomasina eto an-toerana sy manondrana ny harem-pirenena, toy ny andramena. Samy nanaiky daholo ireo solontenam-panjakana tonga nivory ho fiarovana ny ranomasina. Niarahan’ny rehetra nanapaka, tamin’io fivoriana io, ny fanafainganana fandaharanasa sy ny tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD) nataon’ny Firenena mikambana. Raha fintinina, hahazoana mamorona asa sy miady amin’ny fahantrana ny ranomasina, ny ony ary ny farihy. Ireo no fototry ny fivoriana. Niantoka ny delegasiona malagasy ny Pnud, ary nanararaotra izy ireo nihaona tamin’ny minisitry ny Jono sy fiarovana ny morontsiraka any Kanada, i Jonathan Wilkinson, nifanakalo hevitra momba izay tokony hatao. Ho hita eo ny fampiharana izany amin’ny fitondrana manaraka.   R.MathieuL’article « Toekarena manga »: mila fiarovana ny fari-dranomasina eto Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy

Nosokafana, omaly, teto amin’ny kianja Anjalay, Nosy Maorisy, ny andiany faha-10 amin’ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny ranomasimbe Indiana. Niavaka ny fampisehoana nataon’ny Malagasy nandritra ny filatroana teo amin’ny kianja.Nitondra ny sainam-pirenena malagasy tamin’izany filaharana izany Andriantsitohaina Eric, taranja fibatana fonjamby.  Nisalotra ny fitafy malagasy tanteraka ireo atleta malagasy sy ireo delegasiona solontena an’i Madagasikara aty Maorisy, nandritra ny lanonam-panokafana. Anisan’ny nampiavaka antsika tamin’izany satria raha ny hita tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Nosy rahavavy rehetra, samy nanao ilay akanjo iraisana avokoa izy ireo. Tsy nisalotra ny fitafy mampiavaka ny fireneny tsirairay. Nampisongadina ny fampisehoana ho an’ny Malagasy ihany koa ny fidiran’ireo ankizy manan-talenta, Zaza kanto, an-tsehatra, tamin’ity lanonam-panokafana ity.Ankoatra izany, manodidina ny 190 eo ny isan’ireto delegasiona malagasy nilatro ireto, ankoatra ireo vao hanainga anio, ka mitotaly 275 raha atambatra.Fahatongavan’ny filoha Rajoelina Heni-boninahitra ihany koa i Madagasikara satria natrehan’ny filoham-pirenena Rajoelina ity lanonana, omaly ity. Nigadona tao amin’ny kianjan’ny Anjalay izy sy ny vadiny, Rajoelina Mialy, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga nanatrika ity fanokafana ity ihany koa, ny filoham-pirenen’ny  Nosy Comores sy ny Maorisianina mpampiantrano. Manampy  izany  ny eo anivon’ny delegasion’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihin’ny minisitra Tinoka Roberto.  Miezaka  manao ny farahery amin’ny fikarakarana ny Malagasy aty an-toerana ny tenany miaraka amin’ny Komity olympika malagasy (Com), tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny. Raha atambatara, 2000 mahery ireo mpiangaly ny taranja miisa 15 mandray anjara amin’ity lalaon’ny Nosy 2019 ity, hahitana firenena miisa 9. Eo ny Nosy Maorisy mpampiantrano, i Madagasikara, ny Nosy La Reunion, i Maldives, i Kaomoro,  i  Seychelles ary i Mayotte.Nikorontana ny fandraisan’ny Nosy Maorisy Marihina fa  nahitana fikorontanana ny teo amin’ny lafiny fandraisan’ny Nosy maorisiana ny delegasiona vahiny tonga teto an-toerana, nanomboka ny alakamisy, lasa teo . Nisy ny fahasahiranana teo amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana hiditra ny kianja, ny lafiny ara-pitaterana sy ny sakafo. Somary nanakorontana kely ihany koa ny lanonanam-panokafana, omaly, ny haratsian’ny andro, minitra vitsy tsy hanombohan’ny filatroan’ireo atleta no nijohy ny orana tao amin’ny kianja. Tsy nanakana ireo mpijery teny amin’ny toerana misy azy ireo anefa izany fa niaritra ny orambe ary nijanona teo hatramin’ny farany izy ireo. Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ihany koa, ny filatroana sy fandraisam-pitenena isan-tsokajiny. Nangonin’i Miarintsoa Raz (Iraka manokana aty Maurice)L’article JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

  Tetikasa Hay Tao-Usaid: fiarovana ny ala honko

 Hita eto Madagasikara ny 2%-n’ny ala honko maneran-tany. Ahitana zavamaniry sy biby na hazandrano tsy fahita raha tsy eto amintsika. Toeram-ponenan’ny tantely sy ny landy dia ny zavamaniry, ary torak’izany koa ny hazandrano sady hanatodizany, toy ny drakaka, ny makamba, ny trondro, sns.Tsy manana paikady mazava sy maharitra hitantanana ny ala honko anefa i Madagasikara. Izay no nahatonga ny atrikasa nasionaly atao any Toliara, ny 23 hatramin’ny, anio, 25 jolay.Mirongatra ny fandripahanaTanjona ny hitantanana maharitra ho lovain-jafy ny ala honko, ao anatin’ny Fandaharanasa iarahana amin’ny Amerikanina, Usaid Hay Tao, sy ny fanjakana malagasy. Nahatratra 200 ny mpandray anjara avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara.Maro ny vokatsoa azo amin’ny ala honko eo amin’ny lafiny tontolo iainana, ny sosialy, ny fizahantany ary indrindra ny toekarena ankapobeny. Eo koa ireo mpanararaotra, mitrandraka tsy ara-dalàna sy mihoapampana, ka manafaingana ny fahapotehan’ity harena voajanahary ity, sady mampirongatra ny fihenan’ny ala eto Madagasikara.Fambolen- kazo 10 haDinihina mandritra ity atrikasa any Toliara ity ny hamoahana tondrozotra mazava hitantanana ny ala honko ary tonga dia hampiharina. Aorian’izay, hisy avy hatrany ny fambolena hazo honko amin’ny velaran-tany 10 ha, hatao any Ambondrolava, rahampitso 26 jolay, mifanandrify amin’ny Andro iraisam-pirenena fiarovana ny ala honko. Lohahevitra noraisina ny hoe “Hay tondra sy hay tanana hampaharitra ny ala honkontsika”. Maherin’ny 1.000 ny hanatanteraka izany fambolen-kazo izany.Njaka AndriantefiarinesyL’article   Tetikasa Hay Tao-Usaid: fiarovana ny ala honko a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lozam-pifamoivoizana :: Tovolahy namoy ny ainy tamin’ny môtô

Niharan’ny lozam-pifamoivoizana, tetsy Ankorondrano, ny môtô «scooter» iray nitondra lehilahy roa, mpirahalahy, ny alin’ny alahady lasa teo. Voadonan’ny fiara izy mirahalahy ireo ka nindaosin’ny fahafatesana vokatr’izany ny tovolahy iray, 22 taona. Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana. Nikasa hamonjy fodiana eny Ankadikely Ilafy ireto mpirahalahy vao erotrerony nitaingina môtô. Tokony ho tamin’ny valo ora alina no niseho ny loza. «Ny zandriny no nitondra ny môtô. Voadonan’ny fiara iray mini-bus marika « Toyota » avy any amin’ny sisiny havanana izy ireo. Samy nipitika avy teny ambony môtô izymirahalahy. Torana tsy nahatsiaro tena ilay zokiny», araka ny fitantaran’ny fianakaviana. Niezaka nanakana fiara nitondrana ny rahalahiny hamonjy hopitaly ilay zandriny. Voalaza fa nijanona fotoana vitsy teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza saingy nanohy ny lalany kosa avy eo, ny fiara nandona. Nifanenjehana izy ka tratra tamin’io alina io ihany, araka ny nambaran’ny fianakaviana mana-manjo hatrany. Tokony ho telopolo minitra nahatongavany teny amin’ny hopitaly no tsy tana ny ain’ilay tovolahy, 22 taona. Ny lohany no tena voadona mafy ka nitarika tamin’ny fahafatesany. L’article Lozam-pifamoivoizana :: Tovolahy namoy ny ainy tamin’ny môtô est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

 Atletisma – 400 m misy fefy: medaly volamena roa indray noraofin-dRazanamalala Olga

Efa nampoizin’ny rehetra fa ny taranja atletisma, no anisan’ireo handrombahan’ny Malagasy medaly volamena betsaka indrindra. Mbola noporofoin’ireo atleta izany, omaly ka nanampiany roa indray ao anatin’ny kitapony.Nihofahofa indroa indray ny sainam-pirenena Malagasy, omaly tao amin’ny stade germain Commarmond tany Bambou Maorisy. Medaly 6 indray no norombahin’izy ireo, ny roa tamin’ireo dia medaly volamena avokoa, izay noraofin’i Olga Razanamalala, ho amin’ny halavirana 400m haies, azon-dRazafindrafara Marie Madeleine ny 10000 m vehivavy ary nobatain’i Cynthia Felicité, ny fandresena, teo amin’ny heptathlon, tamin’ny fe-potoana 15:81. Nisongadina ireto Malagasy ireto, izay nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Ankoatra izay, mbola nahazo medaly alimo telo ihany koa isika, tamin’ny alalan’i Blanc Pierre Mandaly, teo amin’ny 400m haies lehilahy sy i Tahintsoa François Yvonne(5km marche) ary  Rabemihoatra Solonirina Oliva(10.000m). Tsiahivina, teo amin’ny andro voalohany, efa nandrombaka medaly volamena 2 sy volafotsy 4 ny Malagasy, tamin’ny alalan-dry Njarasoa Claudine, Embony Elodie Vanessa, Mampitroatsy sy ny namany, izay antenaina fa hotohizan’ireo namany hafa, mbola hiaka-tsehatra.Mbola hitohy hatrany moa ny fifaninanana ho an-dry zareo eo anivon’ity taranja atletisma ity, izay isan’ny tena andrasana hampiakatra ny medaly azon’i Madagasikara. Mi.RazL’article  Atletisma – 400 m misy fefy: medaly volamena roa indray noraofin-dRazanamalala Olga a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fifidianana filohan’ny CAF: manohana an’i Ahmad ireo filohan’ny federasiona miisa 46
26/10/2020

Miankina amin’i Ahmad sy ny fahavononany sisa ny rehetra na mbola tapa-kevitra ny hirotsaka hofidina ho filohan’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf) indray ny tenany na tsia. Fantatra mantsy fa filohana federasiona miisa 46 amin’ireo 54 mpikambana no efa nilaza fa hanohana azy indray amin’ity ary miantso ny filatsahany ho amin’izany toerana izany.Efa nosoniavin’ireo mpitantana avy amin’ny faritra enina aty Afrika ny taratasy fanohanana an’i Ahmad io. Marihina fa hatreto, tsy mbola nilaza na ho kandidà ny tenany na tsia. Izy rahateo, nanambara fa mbola haka hevitra amin’ireo fianakaviamben’ny baolina kitra afrikanina aloha.Tsiahivina fa hifarana amin’ny 12 novambra ho avy izao ny fe-potoana farany fahazoana mametraka ny taratasy filatsahan-kofidina. Hatreto, tsy mbola misy kandidà, na iray aza, nanao fanambarana ofisialy, ny amin’ny maha mpifaninana azy.Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Rabat, Maraoka, ny 12 marsa 2021, ity fifidianana ho filohan’ny Caf ity. TompondakaL’article Fifidianana filohan’ny CAF: manohana an’i Ahmad ireo filohan’ny federasiona miisa 46 a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay
27/10/2020

   Mitentina 1,5 tapitrisa euros na 6 miliara Ar ny fitambaran’ny vola avy amin’ny Frantsay, nanaovana sonia fifanarahana vola natrehin’ny masoivoho frantsay sy ny Agence française de développement sy ny vondrona ONG roa, soloin’ny Action Action contre la faim et humanité sy ny Inclusion, tena omaly.Entina hanampiana ny fanamafisana ny hetsika hamongorana ny valanaretina Covid-19 ny vola nomena.Tanjon’ity fanohanana ity ny hitondra firaisankina, fiaraha-miasa mivaingana ary eo no ho eo, ao anatin’ny fanomezan-toky sy ny fanohanan’i Frantsa ny vahoaka malagasy. Hanampy amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesana noho ny valanaretina ireo fikambanana hiantsehatra amin’ny asa. Eo koa ny fanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sosialy.Manampy ny vondrona ONG roa hamaly amin’ny fomba haingana sy mifanaraka amin’ny filàna ankehitriny ny zavatra hatao. Iandraiketan’ny vondrona Action contre la faim, ny Action socio-sanitaire organisation secours, ny Care, ny Médecins du Monde ny asa miaraka amin’ny tetikasa Setriny amin’ny krizy ara-pahasalamana….Ny tetikasa “Miaro tena aho, ho fiarovako ny hafa” (Mitehafa) ataon’ny vondrona Humanité sy Inclusion, ny Douleurs sans frontières ary ny SOS Village d’Enfants kosa, hanampy amin’ny fandrindrana ny fihetsika manoloana ny valanaretina.Ho voakasiky ny asa ao anatin’ity tohana ity ireo olona maherin’ny 80 0000. Anisan’izany ny mpiasan’ny fahasalamana 1 034, ny mpiasa ny fampianarana 10 921, ny mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra, 66 400.Eo koa ny olona misitraka hetsika fanentanana, fanohanana haipisaina sy hetsipon’ny fiarahamonina sy ny fanohanana hahalala momba ny aretina amin’ny fanabeazana. Tsy hadinoina ireo marary 387 natoka-monina miisa 830 sy ny mpisehatra momba ny firaisa-monina hanenika ny faritra 11 laharam-pahamehana eto Madagasikara. Miparitaka amin’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsinanana, i Boeny, i Bongolava, i Diana, Itasy ary i Vakinankaratra ny asa hatao.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny
24/10/2020

Maty noho ny fahamaizana tao an-tranon’ny raibeny, tany Ankonabe-Analavory, ity ankizy lahy, 4 taona, afak’ omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy tao antranony itsy raibeny itsy fa nandeha namangy fahoriana tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranonatoho, tokony ho efatra kilaometatra miala an’Ankonabe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro teo ho eo ny firehetan’ny trano, araka ny fitantaran’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Potika tanteraka ireo trano roa, izay vita amin’ny biriky ny iray. Samy mitafo bozaka avokoa izy ireo. Isan’ireo potika tamin’io firehetana io ny kahie fanisana omby an’ireo mponina ao anatin’ny fokontany. Lehiben’ny fokontany ao Ankonabe itsy lehilahy raiben’ny zaza namoy ny ainy itsy. L’article Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny est apparu en premier sur AoRaha.

FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona
29/10/2020

Nofy tanteraka. Nahazo famatsiam-bola mitentina 7.900.000 Ariary Rasoarimanga Vololona hanatanterahana ny tetikasany. Nanatrika ny lanonana fanolorana izany, ny alarobia 28 oktobra 2020, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny DGA sy ny Secrétaire Général Orange Madagascar Benja Arson, ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar Josie Randriambeloma ary ny filohan’ny Soroptimist International Club Mandrosoa Bodo Ramangason. Nanomboka ny taona 2016, manome tohana ho an’ireo vehivavy mandray anjara amin’ny fandaharan’asa “ maison digitale” ny  « coup de cœur ô feminin” an’ny Fondation Orange. Mahazo tohana ara-bola sy ara-teknika hanatanterahana ny nofiny izay mendrika indrindra ka Rasoarimanga Vololona avy amin’ny “Maison Digitale pour les femmes” Ambohidehilahy ao amin’ny Soroptimist Club Mandrosoa no nandrombaka izany ho an’ny taona 2019. “Zanaka tantsaha, renim-pianakaviana manan-janaka efatra Rasoarimanga Vololona ary nanaraka fiofanana karazany maro tao amin’ny Maison Digitale pour les Femmes. Niofana momba informatika, ny fampiasana ny Excel, ny fitantanana tetikasa izy. Eo am-pandrafetana ny tetikasany ahazoana ny taratasy fanamarinana fahavitana fiofanana izy amin’izao fotoana izao. Nofiny ny hanitatra ny asa fiompiana akoho gasy ka ao anatin’ny tetikasany ny famokarana, ny fanakotrehana, ny fiompiana akoho ho atao sakafo ary amidy eto amin’ny tsena anatiny fa indrindra haondrana any amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Mila fanampiana izy noho izany amin’ny fananganana tranon’akoho mahazaka zanak’akoho an-jatony, reny akoho 10, akoholahy roa ary vorontsiloza telo”. Marihina fa nanomboka tamin’ny taona 2015, “maison digitale” 30 no natsangana  teto amintsika mba hanamorana ny fampidirana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa, ny fanampiana azy ireo hahay hifehy ny fitaovana nomerika sy ireo rindram-baiko fototra. Eo ihany koa fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fitantanana ny varotra, ny bureautique sy ny maro hafa. Nirina R. Cet article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona a été récupéré chez Délire Madagascar.

Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain
28/10/2020

Rémy Vita chez les pros du Bayern de Munich. La belle aventure se poursuit pour l’ancien de l’ESTAC, Remy Vita, que le Bayern vient de recruter. Une bonne affaire pour les Munichois, car ils n’ont pas eu à casser leur tirelire pour les services du jeune Malgache. On connaît maintenant la raison qui a poussé les Bavarois à recruter Remy Vita, car Flick n’avait pas hésité à faire appel à lui pour suppléer au prodige canadien, Davies, durant son absence. Il reste à espérer que cette titularisation finira par faire céder Nicolas Dupuis pour l’intégrer chez les Barea. Clément RABARY L’article Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Te ho katolika alohan’ny Papa?
24/10/2020

« Mahafinaritra ity Papa ity… ». Fotoana fohy taorian’ny nanosorana ny Papa Fransoa ho Ray masina, maro ny fanehoan-kevitra heno maneran-tany toy izany. « Papa misokatra amin’ny firehan-kevitra maro », « Papa mijery akaiky sy manome lanja ny maha olombelona », sns. Tsy ny mpino katolika irery, fa na ireo hafa finoana aza, nahenoana fanehoan-kevitra mirona mankany amin’izay avokoa. Eny, olon’ny fisokafana tokoa ny Papa Fransoa. Anisan’ireo nanana tombony manokana i Madagasi­kara satria vao tamin’ny taon-dasa no nandalovany teto ka nahita sy nandre akaiky ity dimbin’ny Apostoly ity. Fa toa ny vara-datsaka ny nilatsahan’ny vaovao, ary toy ny fitsoriakan’ny tselatra koa ny fipariahan’ny vaovao…Resabe tamina tambajotran-tserasera ilay voalaza ho fanambarana nataon’ny Papa Ray masina momba ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Fanadihadiana tamin’ny teny espaniola, nandritra ny fetin’ny Sarimihetsika tao Roma, ny nataon’ilay mpanao gazety, i Evgeny Afinnevsky. Voalaza tao anatin’izany fa mano­hana ny fiarahana sivily eo amin’ny olona mitovy fananahana ny Papa… Eo ny fototry ny olana. Samy nandroritra izany araka izay zoro metimety aminy ny tsirairay. Samy nanana ny fandraisany azy koa. Ho an’ireo mpino katolika, sanganehana tanteraka, satria hoe tsy mifanaraka mihitsy amin’ny lalàn’ny Eglizy izany. Mazava loatra fa nandray izany ho fitaovana handotoana ny Fiketrahana masina sy ny Papa ireo hafa firehana… Misy ireo miezaka miaro fa nisy fahaizana “montage” tao anatin’ilay fanadihadiana, nanodinana izay tian’ny Papa hola­zaina. Na inona na inona anefa ny marina, ny zava-nisy dia nihaino ireo olombelona manana fironana amin’ny mitovy fana­nahana ny Papa. Nihaino sy nandray ny fanirian’izy ireo, amin’ ny maha samy zanak’Andriamanitra… Anisan’ireo nijoro vavo­lombelona tao anatin’ilay fanadihadiana i Andrea Rubera, nangataka raha mba afaka mivavaka any am-piangonana toy ny olon-drehetra. Mazava loatra fa nalahelo amin’ny fanilikilihana, ny tondro molotra, ny fanavakavahana tonga any amin’ny fikasihan-tanana aza, ny Ray masina. Ny zo maha olona no narovan’ny Ray masina. Tsy tao anatin’iny fanadihadiana iny ihany fa efa nialoha izao. Ny zo ho an’ireo mitovy fananana, tsy tokony hailiky ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Na marina na tsia ilay fanambarana, ny azo antoka kosa, tsy eken’ny lalàn’ny fiangonana katolika ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Tsy midika fa tokony hailika satria tsy zanak’Andriamanitra izy ireo… Ka ahoana aza, nety sa tsia ny nataon’ny Ray masina? Io indray aloha izany ny anton-dresaka mandritra ny andro maromaro…Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Te ho katolika alohan’ny Papa? a été récupéré chez Newsmada.

Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra
28/10/2020

 Tora-bato avy any an-danitra ny firaraky ny havandra teto Antananarivo sy ny manodidina omaly tolakandro. Narahin’orana nikija izany avy eo niaraka tamin’ny kotro-baratra sy tselatra namaky lanitra. Niraradraraka ny havandra naharitra 10 minitra teo teto an-dRenivohitra ary nitoraka hatrany atsimon’Antananarivo hatrany Bongatsara sy Ambatofotsy iny. Nanimba ny fambolena izany ary mampitomany ny tantsaha mihitsy. Orana maivamaiva kosa no nandrafitra ny toetr’andro ho an’ny faritra andrefan’Antananarivo iny, omaly. Nialohavana rifotra nifofo anefa izany ka nampitora-jofo ny vovoka sy nandrava ireo tafo sy takela-by teny amoron-dalana.Naharitra hatramin’ny alina ny oram-baratra ary nahafaly ny tantsaha tamin’iny faritra andrefan’Iarivo iny ny firaraky ny orana nanondraka indray ny voly. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpamboly voninkazo izay tena miandry fatratra ihany koa ny filatsaky ny orana hampahazo aina azy ireny.Tatiana AL’article Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra a été récupéré chez Newsmada.

Fanafihana miharo fandrobana: avotra ireo takalonaina efa-mianaka, tafaverina ny vola 11 tapitrisa Ar
23/10/2020

Taorian’ny fifandonana tamin’ireo zandary sy ireo jiolahy mpanao fanafihana, avotra teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy avokoa ireo efa-mianaka voatafika. Tranga niseho tao amin’ny fokontany Andranomaria, kaominina Tsiafajavona, ny 21 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina.Tafaverina koa ny vola mitentina 11 tapitrisa Ar voaroban’ireo olon-dratsy.Ankehitriny, jiolahy miisa roa voasambotra. Isan’izany ilay nanao fanamiana mpiandry fonja sy nitondra basy poleta vita gasy. Tratra, omaly maraina, kosa ny namany iray hafa raha mbola karohina ireo afa-nandositra.Tsiahivina fa niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ireo jiolahy efa-dahy. Nilaza ho nirahin’ny sefo fokontany ireo olon-dratsy ka nandroba ireo vola mitentina 11 tapitrisa Ar tamin’ireo tompon-trano. Mbola nentin’ireo jiolahy koa ny raim-pianakaviana sy ireo zanany telo hahazoana vola ankoatra izay efa lasany. Teny an-dalana anefa, tafaporitsaka ireo zanaky ny tompon-trano ka nampandre avy hatrany ny zandary. Vokany, nidina teny an-toerana ny zandary avy ao Ambatolampy. Nanao sakana ihany koa ireo zandarimarian’Ambohimandroso sy Ambatotsipihina. Vokany, raikitra ny fifandonana sy ny fifampitolomana. Voasambotra  ny jiolahy iray raha tafaporitsaka ny telo hafa. Taorian’ny fikarohana kosa, tratra omaly ny lehilahy iray hafa. Mbola karohina ireo namany roa. Henintsoa HaniL’article Fanafihana miharo fandrobana: avotra ireo takalonaina efa-mianaka, tafaverina ny vola 11 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.

Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina 
29/10/2020

 Hiitatra amin’ny faritra 22 ny rantsan’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (Hina), manomboka amin’ny volana novambra ka hametraka ny mpikambana ao amin’ny faritra Sofia sy Betsiboka ny mpitantana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonan’ny Hetsika iraisana natokana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina), Razafimandimby Andriamandranto, omaly, teny Ambolokandrina. Miatrika fivoriambe mandritra ny hateloana eto Antananarivo ny mpiandraikitra ny masoivohon’ny Hina amin’ny faritra 20 efa ahitana mpikambana. Hamaritra ny laminasa ho an’ny dimy taona ho avy ny mpivory 80 nisolotena ny faritra ary hanombana ny asa vita rehetra. Manana ny toerany ny Vovonana amin’ny vokatra azo teo amin’ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho 42%, araka ny fanadihadiana MICS raha niainga tamin’ny taha 47,3%, ny taona 2012 (EDS). Mandray anjara hatrany amin’ny fandrafetana ny politika samihafa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpikambana miainga eny ifotony ka mipaka amin’ny governemanta. Zava-dehibe koa ny sisin-kevitra hampiakarana ny vola hatokana ho an’ny fanjarian-tsakafo hampahomby ny asa, hoy ny filoha lefitry ny Hina, Faniry Hantarinivo.Ireo mpikambana rehetra isam-paritra no handrafitra ny asa ho an’ny dimy taona manaraka. Tsinjo sahady fa tsy maintsy hamafisina ny fanentanana sy ny fampianarana ny isan-tokantrano hanovaova ny sakafo amin’ny vokatra misy eo an-toerana. Nampisongadina ny Vovonana tao anatin’ny dimy taona vita ny fampianarana ny maha zava-dehibe ny 1000 andro eo amin’ny zaza, manomboka vao mitsaika ao am-bohoka ka hatramin’ny  faharoa taonany.Vonjy A.L’article Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina  a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany anatiny: dia an-tongotra 182 km
23/10/2020

 Afa-tsy ny any Nosy Be, tsy misy ny mpizahatany vahiny tonga aty Madagasikara, satria tsy misokatra ny sidina ana habakabaka avy any ivelany mankaty Madagasikara. Manoloana izany, nametraka paikady vaovao sady miavaka ny fanjakana, hampiroboroboana ny fizahantany ato anatiny. Iarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro (MTTM), sy ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana) manatontosa ny hetsika  “Ultra Trek des collines sacrées”. Fifaninanana dia an-tongotra lavitra ezaka (randonnée), hitetezana ny tendrombohitra masina manan-tantara eto Analamanga, hatao ny 20, ny 21 ary ny 22 novambra ho avy izao. Mitotaly 182 km ity fifaninanana ity, ahitana dingana efatra. Nampahafantatra izany, omaly, ny tale jeneraly (DG), ny MTTM, Ratokoniaina Yves, sy ny tale mpanatanteraka (DE) ny Ortana, Razafinavalona Harimisa.Manan-daza iraisam-pirenenaTanjona ny hanomezana tolotra vaovao ny mpanjifa, hampahantarana bebe kokoa an’i Madagasikara sy ny ao anatiny, toy izao hatao eto Analamanga izao. Taorian’ny fanadihadiana mantsy, tsikaritra fa misy ireo tendrombohitra masina sady manan-tantara sy malaza ka tokony homen-danja. Tsy eto an-toerana ihany fa na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza, toa ny Rovan’Ambohimanga, vakoka iraisam-pirenena Unesco.Tsiahivina fa efa nahavita namaritra sori-dalana azo tsidihina mahatratra 700 km ny Ortana, tato anatin’ny 10 taona farany. Sori-dalana mitety kaominina maro ato anatin’ny faritra Analamanga. Efa nametrahana marika manokana amantarana an’Analamanga amin’ireo sori-dalana ireo, manaraka ny fenitra eoropeanina sy ny federasiona frantsay ho an’ny dia an-tongotra lavitra ezaka, hanamora ny fanarahan’ny mpifaninana azy.Njaka A.L’article Fizahantany anatiny: dia an-tongotra 182 km a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-“Afrobasket 2021”: lalao 6 avy ny hatrehin’ny ekipa tsirairay amin’ny fifanintsanana
29/10/2020

 Antomotra ny fifanintsanana Afrobasket 2021 ho an’ny vondrona A, misy an’i Madagasikara. Iray volana latsaka sisa dia higadona io fotoana io. Raha ny fantatra, lalao miisa enina avy eo no hatrehin’ny ekipa tsirairay, mandritra ny “tournoi” miisa roa hangalana ny tapakila hiatrehana ny Afro basket amin’ny taona ho avy. Ny “tournoi” na “fenêtre” voalohany, izay hahitana lalao miisa telo ny miandry an’i Madagasikara, ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao any Kigali Rwanda. Mitaky fanomanan-tena goavana izany satria tsy an-jaza ny fihaonana amin’ireo ekipa mpiray vondrona, hahitana an’i Centrafrique, i RD Congo ary i Tonizia. Eo amin’izay lafiny fanomanan-tena izay, araka ny loharanom-baovao, somary nisy fahabangana kely ny ekipa malagasy teo alohaloha teo, satria tsy afaka niatrika fanazaran-tena i Elly, noho ny tsy fahatomombanan’ny fahasalamany. Araka ny vaovao farany voaray anefa, efa misy fivoarana izay fahasalamany izay ka efa manomboka miverina mikotrana miaraka amin’ny namany i Elly, amin’izao fotoana izao.Tsiahivina, izay firenena telo manana isa ambony indrindra ao anatin’ny vondrona ny hahazo ny tapakila hiatrehana ny Afrobasket 2021. Mbola manana vintana kosa izay laharana fahefatra manana isa ambony indrindra, amin’ny vondrona rehetra. Eo am-pelatanan’i Madagasikara, araka izany, ny vintana kanefa mitaky ezaka hatrany izany.Mi.RazL’article Basikety-“Afrobasket 2021”: lalao 6 avy ny hatrehin’ny ekipa tsirairay amin’ny fifanintsanana a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.