1/RM1 – Analakely: nahazo fitaovana manokana

News - 1/RM1 – Analakely: nahazo fitaovana manokana

News - 1/RM1 – Analakely: nahazo fitaovana manokana

Ho fanatsarana ny ezaka atao amin’ny tsy fandriampahalemana, nanolotra fanamiana “gilet” mazava alina fanaovana rehefa manao fisafoana ireo miaramila isaky ny vondrona misy ao amin’ny kaomandin’ny faritany Miaramila Voalohany (1/RM1), ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Akanjo mazava alina miisa 100 no nozaraina tamin’ireo Rezimanta 10 eo anivon’ny Faritany Miaramila Voalohany Analamanga tao amin’ny 1/RM1 Analakely, omaly. Nahazo akanjo miisa 10 avy isaky ny vondrona misy hoentin’izy ireo manao fisafoana ireo faritra mena eto an-drenivohitra. Ny fahatsapana ny lesoka hita sy mba hahazoana vokatra tsara no nahatonga ny kaomandin’ny 1/RM1 nandray an-tanana manokana izao fanampiana izao. Nilaza kosa ny lehiben’ny Etamazaoro Jeneraly ny Tafika Malagasy (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa misikim-ponitra ny fanjakana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ny nahazatra hatramin’izay ny hoe tsy mandray anjara amin’ny asa fitandroana fahalemana an-drenivohitra ny miaramila. Ankehitriny kosa, manampy ireo mpitandro filaminana rahalahiny ny Tafika ary tsy misalovana ny andraikitry ny hafa. Nisy koa ny fanolorana ny “logiciel centre opérationnel” sy radio handrindrana manokana ny asan’ireo mpanao fisafoana sy hijerena ny fandriampahalemana manerana an’Antananarivo amin’ny alalan’ny “caméra de surveillance”.

Jean Claude

Article tiré de Newsmada

L’article 1/RM1 – Analakely: nahazo fitaovana manokana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rugby: nandrombaka medaly volamena ny Makis

Mbola noporofoin’ny Makis de Madagascar fa mpanjakan’ny baolina lavalava, aty amin’ny ranomasimbe Indianina, izy ireo.Tsy nisy afa-bela nanoloana ny Makis de Madagascar ireo mpifanandrina taminy, nandritra ny fiadiana ny medaly volamena, teo amin’ny rugby lalaovina olona fito. Resin’ny Malagasy, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 12 no ho 7, ny ekipa Reonioney. Fihaonana, notanterahina omaly alakamisy, tao amin’ny kianja Mapou.Efa nampoizina ny vokatra satria ekipa nifandona tamin’ny Makis, tany amin’ny fifanintsanana, ry zareo Reonioney. Tsy mbola afa-bela nanoloana an-dry Radadatoa sy ry Rija ary i Poon, fa resy tamin’ny isa 21 no ho 15 ry zareo, tamin’izany. Azo lazaina ho nanjakan’ny Makis de Madagascar tanteraka ity andiany voalohany nandraisan’ny rugby      anjara tamin’izao fifaninanana “Lalaon’ny Nosy” izao. Porofon’izany, tsy resy mihitsy izy ireo tamin’ny lalao dimy nataony. Isan’ny tena nahazo lesona tamin’ity ekipan-dry Jonah ity ry zareo Mahorais sy ny Reonioney, izay samy resiny indroa. Mazava ary voaporofo ny fanamby nataon’ny mpilalao sy ny filohan’ny Malagasy rugby, Rakotomalala Marcel, izay tsy maintsy mandrombaka medaly volamena mandritra ny “Lalaon’ny Nosy”. Nohamafisin’ity filoha ity ny fa lalana andalovana fotsiny ihany ity fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity fa ny hahazo ny tapakila hiatrehana ny “circuit mondiaux” no tanjona, amin’ny alalan’ny fandrombahana tapakila hiakarana any amin’ny “Lalao Olympika” sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Mi.RazL’article Rugby: nandrombaka medaly volamena ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina

Miezaka hitazona ny fisondrotry ny toekarena ho 5,2 % amin’ity taona ity ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Maro ny tetikasa nofaritana hahatongavana amin’izany miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina. Sehatra anatin’ny laharam-pahamehana, ohatra,  ny angovo, fotodrafitrasa, fizahantany. Tratra aoriana loatra ny eto Madagasikara amin’ireo rehetra ireo ka ilàna fanarenana haingana, araka ny politika momba ny fampandrosoana.Mialoha izany, mila marin-toerana ny vola ariary, miainga avy amin’ny fanohanan’ny FMI amin’ny alalan’ny Fec (Facilité élargie de crédit). Tsy maintsy tandrovana koa anefa ny fiakaran’ny vidim-piainana, tombanana 7,6 % amin’ity  taona ity, nefa miankina amin’ny vidin-tsolika sy ny vary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.Mbola miankina betsaka amin’ny fanjakana tan-dalàna ny tsy hisian’ny krizy sosialy sy toekarena. Koa vonona ny UE hanampy an’i Madagasikara hisian’izay fanarahan-dalàna izay, fitsarana azo antoka afaka miady amin’ny kolikoly amin’ny endriny samihafa, sy ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Matoa karazana fepetra takin’ny mpamatsy vola izany, tokony ho fantatry ny mpitondra ny adidiny. Mety ho tapaka ny famatsiam-bola raha tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana momba izany.Mitaky fahaiza-mitantanaZava-dehibe naroso koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Nifaneken’ny roa tonta, ny marimarina kokoa takin’ny UE ny hitandrovana ny ala sy ireo hazo sarobidy, ary ny harena ambany ranomasina. Misy ny fepetra vaovao momba ny jono an-dranomasina hanatanterahana ny toekarena manga. Nasian-teny ihany koa ny fanamboarana ny lalana RN6, mankany Antsiranana ; RN13, Ihosy-Taolagnaro. 236 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny UE ho an’ireo tetikasa roa lehibe ireo. Mitaky fahaiza-mitantana daholo izany, aty amin’ny Malagasy izany ny baolina ! R.MathieuL’article Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiainam-pinoana: anatin’ny “Ramadan” ny silamo

 Nanomboka, ny alatsinainy 6 mey teo, ny ramadany ho an’ity taona 2019 ity ho an’ireo mpino silamo maneran-tany. “Fotoana iray io hanomezan-danja ny  fanahintsika”, hoy ny nambaran’izy ireo. Mifady hanina, tsy misakafo ireo mpino silamo rehetra fa mivavaka mifandray amin’Andriamanitra hanomezana hery ny fanahy, mandritra ny iray volana eo ho eo. Na izany aza, afaka mihinana kely kosa ireo vehivavy bevohoka sy ny mampinono. Na koa ireo tsy afa-manoatra. Na izany aza anefa, tsy maintsy honerana izany amin’ny fotoana mahamety azy. Tafiditra ao anatin’izany koa ny tsy fahazoana manao firaisana ara-nofo ny lehilahy. Tsiahivina fa efa natokan’ny fanjakana ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama ny 4 jona fiafaran’ny fifadian-kanina ho an’ny silamo eto amintsika, araka ny fanapahan-kevitra noraisina teo amin’ny filankevitry ny minisitra, ny fiandohan’ny taona teo.Synèse R. L’article Fiainam-pinoana: anatin’ny “Ramadan” ny silamo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antsahamanitra: nofaranan’ny teatra ny « Eternités… de la Grèce »

« Les Perses » sy « Les sept contre Thèbes ». Ireto teatra roa ireo no nanakatonana ilay hetsika « Eternités… de la Grèce », notontosaina teto Antananarivo nanomboka ny 10 avrily teo. Teatra anisan’ireo tranainy indrindra satria efa tany amin’ny taona 472 talohan’i Jesoa Kristy ny nanoratana ny « Les Perses » raha tany amin’ny taona 467 talohan’i Kristy kosa ny nanehoana ny « Les sept contre Thèbes ». Nampifanarahana amin’izany ihany koa ny endriky ny sehatra tetsy Antsahamanitra. Na izany aza, nampiasa fitaovana fitaovana maoderina toy ny ordinatera ihany i Mireille Herbstmeyer sy i Philippe Girard ary i Frédéric Giroutou Le Sacripan rehefa milalao ity tantara ity.Amin’ny ankapobeny, saika naneho ny tranga fahiny no novoizina tao anatin’ny « L’Eternités… de la Grèce ».Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Antsahamanitra: nofaranan’ny teatra ny « Eternités… de la Grèce » a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Musique urbaine : Agrad raconte son « départ à zéro »

Le rappeur n’a pas dit son dernier mot, il est toujours dans le « Game ». On entend souvent les sceptiques dire que le rap est en difficulté parce que les consommateurs de musique préfèrent les chansons plus dansantes comme le ragga et l’Afrobeat. De ce fait, les rappeurs prêchent dans le désert. Un constat à nuancer au vu du succès d’ Agrad. Ce poulain de Don Smokkilla a sorti un single il y a deux jours, « départ à zéro ». Dans ce nouveau titre, le jeune homme s’identifie fortement à ces « boto » débrouillards, prêts à tout pour survivre. En effet, l’histoire d’Agrad, dans ses morceaux, est celle d’un jeune qui a toujours vécu dans le manque. Celui qui est toujours à la recherche de l’argent sans l’aide de personne. Celui qui a toujours été conscient de la dureté et de la cherté de la vie. « On ne m’a pas offert le succès sur un plateau d’argent ; j’ai beaucoup travaillé pour arriver à mon stade actuel », répète-t-il souvent dans ses morceaux. « Le ghetto n’est pas une fatalité », ajoute-il en chantonnant dans son couplet. En écoutant ses œuvres, ses inconditionnels s’y retrouvent. « Je ressens de la détermination dans ses chansons », a remarqué Tolotra, un fan de l’ancien membre de Gasy Ploit. Porte-voix des « mecs » des quartiers défavorisés. Comme on peut s’y attendre, Agrad dans ses paroles, continue sa bataille à savoir, être la voix du ghetto. Un thème omniprésent dans ses morceaux. Au niveau de l’interprétation du rappeur, sa voix est toujours grognante. Nul besoin de longs discours pour comprendre la manière dont l’éducation dans les bas quartiers a façonné ses textes. De plus, cette expression s’allie parfaitement à la sonorité trap, un rythme très apprécié par les jeunes. Agrad prêche le positif malgré les aléas de la vie. Les auditeurs constatent également une prise de position sociologique. La force vocale et l’habileté en écriture ne seraient rien sans un bon beat. Les rimes pleuvent de toutes parts. Les argots et les proverbes malgaches s’entremêlent dans sa langue. Entre poète de la rue et un sage du village, Agrad a mélangé le soutenu et le familier, ce style atypique qui lui permet de devancer les rappeurs de son âge. Ardeur au travail. Toujours œuvrer, un de ses adages préférés. Depuis le confinement, Agrad ne se repose pas sur ses lauriers. Au contraire, il se montre à la fois productif. L’artiste ne compte pas s’arrêter là. Parmi les 10 rappeurs les plus célèbres à Madagascar, Agrad n’a pas l’intention de faire du rétropédalage. Iss Heridiny L’article Musique urbaine : Agrad raconte son « départ à zéro » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique urbaine : Agrad raconte son « départ à zéro » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

“Lalaon’ny Nosy”: nahemotra ny daty hanaovana ny fivorian’ny CIJ

Mametraka olana ho an’ny fivorian’ny filankevitra iraisam-pirenena ny “Lalaon’ny Nosy” (CIJ) ny fidiran’i Maorisy indray ao anaty fihiboana. Vokany, voatery nahemotra herinandro izany fihaonana izay, izay hatao eto Madagasikara.Raha ny voalahatra, tokony hatao eto Antananarivo, ny 6 sy ny 7 febroary ho avy izao, ny fivorian’ny filankevitra iraisam-pirenena ny “Lalaon’ny Nosy” (CIJ), hanomanana ny “Lalaon’ny Nosy” andiany faha-11, hatao eto Madagasikara ny taona 2023, saingy nahemotra ho amin’ny 13 sy ny 14 febroary 2021 indray izany.Na izany aza, mametraka olana ny fidiran’ny Nosy Maorisy indray ao anatin’ny fihibohana noho ny fiverenan’ny valanaretina Covid-19, amin’izao fotoana izao, izay haharitra hatramin’ny 15 febroary ho avy izao. Etsy ankilany, tsy manana sakana amin’izany kosa anefa i Seychelles sy i La Réunion ary i Madagasikara.Raha toa ka hahemotra aorian’ny fotoana hahataperan’ny fihibohana ao Maorisy io anefa ny fivorian’ny CIJ io, mbola mipetraka ny ahiahy satria tsy mbola azo antoka tanteraka ny mety hiafaran’izany any an-toerana. Fantatra mantsy ankehitriny fa vao mainka aza mampatahotra noho ny tamin’ny taona 2020 ny fisian’ny andiany faharoa amin’ity Covid-19 ity.Marihina fa ity fivorian’ny filankevittra iraisam-pirenena ny “Lalaon’ny Nosy” (CIJ) ity no voalohany taorian’ny fahavitan’ny lalao andiany faha-10, notanterahina tany Maorisy ny taona 2019 lasa teo.Tsiahivina fa taorian’ny fihidian’ny sisin-tany rehetra, tsy afaka nihaona mivantana ireo mpikambana rehetra. Na izany aza, nisy fivoriana roa natao tamin’ny alalan’ny “visioconference”, ny volana oktobra sy ny fiandohan’ny desambra lasa teo. Ity safidy ity izay azo tanterahina tsara raha toa ka tsy ho afaka hamonjy an’Antananarivo ry zareo Maorisianina.Marihina fa solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena maorisianina iray sy mpikambana roa avy amin’ny komity olympika, no andrasana amin’io fivoriana io. Tompondaka L’article “Lalaon’ny Nosy”: nahemotra ny daty hanaovana ny fivorian’ny CIJ a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiaraha-miasan’ny MATP sy ny CUA: miomana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ny eto Antananarivo

Efa maka bahana sy miomana. Nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely ho amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra na ny fiakaran’ny rano ireo tompon’andraikitra samihafa. Tanjon’izany, ny  “Tanàna madio lavitry ny aretina lavitry ny tondra-drano”. Laharam-pahamena ho an’ny fanjakana sy ny CUA ny famahana ny olan’ny fitantanana rano an-tanàn- dehibe, tafiditra indrindra ao anatin’ny PIAA. Misy ny famatsiam-bola avy amin’ny masoivoho frantsay sy ny Vondroana eoropeana (UE), atokana ho an’ny fanadiovana na PIAA. Eo koa ny fandaharanasa amin’ny lakan-drano amin’ny ranonorana, ny fanadiovana ny rano maloto sy ny fako. Nampahafantarina tamin’izany ny lafiny teknika “Schéma directeur d’assainissement” mamaritra ny fomba hitantanana ny fanadiovana amin’ny resaka orana sy ny rano maloto ka anisan’ny mpisehatra amin’izany ny BRL, nyArtelia, ny DGATE, ny Apipa, ny Samva, ny CUA, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany (MATP) sy ny minisiteran’ny Rano (MEAH). Fiaraha-mientanaNambaran’ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina fa laharam-pahamehana ny fanadiovana, anisan’izany ny Himo hisorohana ny fiakaran’ny rano. Eo koa ny eny amin’ny tanàna ambony, matetika tsy voajery nefa manana olana lehibe eo amin’ny lakan-drano fivoahan’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany. “Mila miara-mientana isika  amin’ny fanadiovana mba hipaka eny ifotony ny ezaka atao. Zava-dehibe ny fandraisan’ny rehetra an-tanana ny fiarovana sy ny fanajana ny soa iombonana ka hitondra vokatsoa aingana ary azo tsapain-tanana izao asa izao”, hoy izy.  Efa tokony hotantanin’ny CUA koa ny Samva ary handray fepetra vonjimaika amin’ny fanampiana azy ireo ny kaominina.Efa mandeha ny asa fanadiovana, tafiditra ao anatin’ny PIAA. Anisan’izany ny etsy Besarety sy ny eny Mahavoky ary Andravoahangy.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny MATP sy ny CUA: miomana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ny eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Famindram-pahefana

Nisy fiovana ny fitantanana eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tontosa, omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale misahana ny maha olona teo aloha sy ny mpisolo toerana vonjimaika, izay ny sekretera jeneraly ihany. Nanamarika ireto farany fa tsy misy fiantraikany mivantana na ankolaka amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasin’ireo mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana andiany fahadimy ity fifamindram-pahefana ity. Mizotra an-tsakany sy an-davany, araka izany, ny fikarakarana ny famoahana ny fifanarahana asa ho azy ireo. Tsiahivina fa mahatratra fito sy roa arivo no hivoaka amin’ity volana desambra ity. L’article Famindram-pahefana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

“Revirevinay taloha” : hanasa ireo namany an-tsehatra i Erick Manana

Seho indroa miantoana, araka ny fangatahan’ny mpankafy. Ho feno ihany koa satria nasain’i Erick Manana hifampizara sehatra aminy ry Dama, Bebey, Benny, Kaolibera ary Nini…Akaiky ilay fotoana! Efa amam-bolana maro no nampiomana ireo mpankafy azy i Erick Manana, fa hisy ny seho izay hotontosainy eto Madagasikara, ny volana aogositra. Nambarany tamin’izay fa fanohizana ilay “Feo roa, gitara roa” niarahany tamin’i Dama io. Rehefa nandroso anefa ny fotoana, fantatra fa hanasany ihany koa an’i Bebey ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, sy ry Kaolibera, Nini ary Benny ao amin’ny tarika Feo Gasy, izany. “Maro ireo nangataka tamiko ny hanaovana sehon’ny Feo Gasy amin’ny fandalovako an-tanindrazana, ka izay no nahatapaka ny hevitra”, hoy ny nambaran’i Erick Manana. Hotontosaina ny asabotsy 10 aogositra sy ny alahady 11 aogositra izao ity fiarahana an-tsehatra ity. Fantatra fa hizara efatra mazava tsara izany: Erick Manana sy Dama, Erick Manana sy Benny ary Bebey (Lôlô sy ny tariny) ary ny fizarana farany dia iarahan’ny rehetra. “Hisy ampahany tsy hampitovy ireo seho roa ireo ihany, fa amin’ny ankapobeny ny fanomanana dia iray ihany”, hoy hatrany ny fanazavana nomen’i Erick Manana. Efa andro maromaro no nigadona an-tanindrazana sy nanomana ny seho ity mpanakanto ity. Anisan’ny fotoana niainan’izy ireo sahady ny “Revirevinay taloha”, izay natao anaran’ny fiarahana, ny famerenana. Mikasika ny Feo Gasy manokana, hihazo an’i Toamasina izy ireo, ny 16 sy 17 aogositra. Fantatra koa fa eo am-panomanana ny rakikira fahatelo, izay misy ny sanganasan’i Kaolibera sy Erick Manana, ankoatra izay indramin’izy ireo. Aorian’izay dia hisy ny fivoahan’ny Feo Gasy any Eoropa. Ho famaliana ny fanontaniana maro, tsy mbola afaka miaka-tsehatra noho ny toe-pahasalamany i Fafah. Zo ny Aina L’article “Revirevinay taloha” : hanasa ireo namany an-tsehatra i Erick Manana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hosodoko – Tetikasa BéAZO: vehivavy no hofanina ho mpanentana

Miala amin’ny nahazatra hatramin’izay ! Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « BéAZO » hotanterain’ny Sekolin’ny Sary, ny ady amin’ny fidonana-poana eo amin’ny ankizy sy ny tanora. Ho fampandrosoana sy fampivoarana ny tovovavy sy ny reny tanora 20 ka hatramin’ny 25 taona, monina any amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo, « hofanina ho mpanentana fampianarana sary ho an’ny ankizy 9 taona ka hatramin’ny 13 taona izy ireo », hoy i Tiana Raparivo, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Sekolin’ny sary. Nohazavainy fa mikarama ireo mpanentana amin’ny fampianarana sary ireo rehefa misy hetsika eto an-dRenivohitra. An-tsitrapo kosa ny faran’ny herinandro any amin’ny kaominina misy azy.Marihina fa hanatanteraka fampianarana sary sy hosodoko mandritra ny telo volana ity mpanabe ity ato ho ato. Aorian’izay, hiverina hanaso hosodoko hoentina hampirantiana amin’ity faran’ity taona 2019 ity.HaRy RazafindrakotoL’article Hosodoko – Tetikasa BéAZO: vehivavy no hofanina ho mpanentana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A louer Location Chapiteaux , parasols (elo gasy) et tapis rouge
24/01/2021

Location chapiteau tente pliable ,  parasols et tapis rouge pour tous types d'évènements -Mariage - enterrrement - fiancaille - anniversaire - etc...Transport , installation et desintallation possible sur AntananarivoContact : 034 80 660 14 - 034 50 787 01Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location Chapiteaux , parasols (elo gasy) et tapis rouge".

Emploi et services ASA EN LIGNE EN TEMPS PARTIELS
21/01/2021

https://t.me/Free_Ethereum_Mining_v2_bot?start=r01634066660ceci est un travaille en ligne qui collecte du cryptomoney ETHERUM .La valeur du cryptomoney ETHERUM augmente ce temps ci .Il suffit juste de rejoindre ce canal Et de collecter tous les jours des bonus 0,003 ETH soit 3,2669Euro BONUS D'INSCRIPTION sera aussi 0,003ETH et le parrainage sera aussi 0,003ETHT'a le droit de retiré ton argent si t'a atteint 0,5 ETH soit 1251USD dollar americainBAH c'est un travaille que je vous recommende a vos petit jeune pour leur argent de poche d'apres mes calcule il suffira 3 mois pour atteindre ce 0,5 ETH si tu collecte seulement le bonus sans parrainage ; mais si avec parrainage tu atteindra ce 0,5 ETH en 10 jours si t'es travailleurs.Merci A vous rejoignez moi svphttps://t.me/Free_Ethereum_Mining_v2_bot?start=r01634066660Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASA EN LIGNE EN TEMPS PARTIELS".

Emploi et services Travail en ligne
21/01/2021

À tout ce qui veut travailler en ligne d'une façon simple et rapide, mais pouvoir gagné beaucoup d'argent, ceci le lien:  https://odavideon.club/310021943878383/ Bonne chance à tousCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne".

Emploi et services UN(E) OPERATEUR POLYVALENT MULTITACHE (R2101_DE-POLYVALENT)
20/01/2021

Pour renforcer ses équipes, QDATA recherche actuellement, un Opérateur Polyvalent Multitâche (H/F) Missions principales seront :Profil requis :Possibilité d’évolution du poste :Veuillez transmettre votre CV, Prétention salariale ainsi que votre lettre de motivation, avant le 30/01/2021, à l’adresse recrutement@qdata-mg.com sous la référence R2101_DE-POLYVALENT.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN(E) OPERATEUR POLYVALENT MULTITACHE (R2101_DE-POLYVALENT)".

A vendre QuiAri , Solution à Vos Problèmes de Santé et Bien – Être.
26/01/2021

Bonjour ,Avez - vous un problème de perte de poids , d'augmentation des niveaux d'énergie , de système immunitaire , de niveau de glycémie , vieillissement , santé oculaire et de système cardiovasculaire ?Si oui , " QuiAri " offre également jusqu'à 5× plus de puissance anti-oxydant que n'importe quel autre superfruit précédemment connu.Voici donc le lien ci - dessous pour découvrir et bénéficier les produits quiari de compléments alimentaires anti-oxydants :https : // 97738241.quiari.com/ .Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre QuiAri , Solution à Vos Problèmes de Santé et Bien - Être.".

Emploi et services Travail à domicile sérieux et très rentable.
23/01/2021

Bonjour à toutes et à tousVous avez perdu votrez emploi ?Vous êtes mis au chômage à cause du COVID-19 ?Vous avez cherché du travail en ligne sans succès ?Alors, cette annonce est faite pour vous. Travail en ligne très facile mais rapporte de l’argent à gogo. Vous avez besoin seulement d’un ordinateur et d’une bonne connexion vous permettant de travailler à votre rythme.2 à 3 heures de travail suffisent pour gagner 100$ en une journée. Si vous travaillez davantage, vous gagnerez plus encore. En un mois vous ferez un revenu minimum de 3000$, si vous êtes régulier.Voici le lien qui va vous débarrasser de tout problème d’argent :https://ykemoney.xyz/414397768676281/La balle est maintenant dans votre camp. Profitez-en pour gagner beaucoup d’argent en très peu de temps.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail à domicile sérieux et très rentable.".

A louer IVATO AEROPORT CHAMBRES TOUT CONFORTS A LOUER
20/01/2021

Ivato Aéroport, nous avons plusieurs chambres et studios à LouerChambres tout confort au premier étage avec salle de bains (eau chaude) et toilette au rez de chausséele prix est de 10€ ou 45000 ariaryMini studio 2 pièces avec kitchenette et douche; (eau chaude) toilette extérieure. Prix 10€ ou 45000 ariaryLes prix sont dégressif selon la durée du déjour     si vous habitez en europe, vous pouvez appeler au 0033756980383Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer IVATO AEROPORT CHAMBRES TOUT CONFORTS A LOUER".

Emploi et services Le meilleur site de travail en ligne avec paiement rapide
20/01/2021

Bonjour, pour toute personne qui souhaite se faire un revenu supplémentaire en travaillant en ligne, voici l'un des meilleurs sites pour le faire. Vous aurez à effectuer des tâches très simple comme :  - regarder des annonces ( environ 5 secondes par annonce) - résoudre des lien courts Et mon préféré le robinet gratuit que vous pouvez réclamer chaque heure et gagner entre 10 et 500000 satoshis. NB: la devise de paiement du site est le bitcoins mais vous pouvez faire votre retrait en bitcoins, litecoins, dogecoin, en dollars sur PAYEER ou en roubles.  Le solde minimum peut être atteint en moin d'une semaine si vous êtes régulier sur site. Si vous êtes intéressé voici le lien pour vous inscrirehttps://btcbux.io/r/0vJZM0Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Le meilleur site de travail en ligne avec paiement rapide".

A louer Toyota RAV4 3ème génération
24/01/2021

A louer Toyata RAV4 3ème gen D4D diesel pour tous types d' evenements (Mariage, enterrement, courses en ville ) à Antananarivo ou périphérie.Tarif à 80 000Ar/jour avec chauffeur , carburant en sus. Tarif tete de cortege 190 000Ar avec décoration , carburant et chauffuer comprisPour plus de détails et réservation: Contact : 034 50 787 01(Esteban)Mail: esteban.carmada@gmail.comFB: Esteban Lokation   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Toyota RAV4 3ème génération".

A louer HYUNDAI GALOPER PHASE 2
24/01/2021

A louer HYUNDAI GALOPER 2 diesel pour tous types d' evenements (Mariage, enterrement, courses en ville ou vaccances) à Antananarivo ou périphérie ou provinces .Tarif ville à 70 000Ar/jour avec chauffeur , carburant en sus. Tarif périphérie 90 000Ar/jour carburant en susTarif province à partir de 120 000Ar carburant en sus Pour plus de détails et réservation: Contact : 034 50 787 01 Esteban Mail: esteban.carmada@gmail.comFB: Esteban LokationCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer HYUNDAI GALOPER PHASE 2".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
26/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F)
20/01/2021

Nous recrutons pour un de nos clientsUN ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F) Missions :-Réception de la demande client par téléphone-Prospection clientèle par téléphone ou mail-Traitement et envoie du devis relatif à la demande client-Validation de vente et suivi de la livraison  Profil :-titulaire d’un bac +2 en communication, marketing, commerce-Expérience réussie en centre d’appel-Bonne connaissance des produits et pièces automobiles- Très bonne maitrise du français et du pack office- Rigoureux (se) – réactive et bon sens de la négociation Envoyez votre candidature à recrutement@human-talent-consulting.com avec en objet, la référence «  adminvente/0120 » Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F)".

Notsongaina

Judo – « Open Mat » : Klioba maro mifampizara traikefa
23/01/2021

Ny Judoka Esca Esca, ny CCV Judoclub, ny Judo Club Hakudokan ary ny MJI. Ireo, hatreto, no mandray anjara amin’ilay « Judo Open Mat », karakarain’ny klioban’ny AS St-Michel Judo. Efa roa herinandro izao ny nizoran’izany, etsy amin’ny dojo ny kolejy St Michel Amparibe. Marihina fa fiarahana manao fanazarantena izy ity, natao hifanakalozana sy hifampizarana traikefa, ka tena tanjona mandritra izany ny hampakatra ny haavo sy ny lentan’ireo judokas. Hatreto, mbola tsy voafetra ny faharetany fa isaky ny alatsinainy amin’ny 5 ora hatraminy 6 ora sy sasany hariva ao amin’ny St Michel. Misokatra amin’ny sokajy “cadet” ka ha­traminy “veteran” izany, ha­nentanana sy hiantsoana ha­trany ireo judokas na eto Analamanga na ihany koa ireo mpikatroka avy any amin’ny ligim-paritra hafa, mandalo eto an-dRenivohitra, mba handray anjara amin’izany. Azo lazaina fa mendrika alain-tahaka izao hetsika karakarain’ny Judo club St Michel izao, ankoatra ny fizarana traikefa, fomba iray natao hampivoarana ity taranja ity ihany koa izao.Mi.RazL’article Judo – « Open Mat » : Klioba maro mifampizara traikefa a été récupéré chez Newsmada.

Réseau de la Jirama : Infrastructures très sensibles aux intempéries
20/01/2021

Le mauvais temps cause des coupures d’électricité, selon Haja Raoeliarovony, directeur de l’Exploitation des Réseaux Interconnectés (DERI) de la Jirama. Le mauvais temps qui touche le long réseau d’acheminement d’électricité favorise les coupures d’électricité, selon la Jirama. Les responsables auprès de la société ont avancé des solutions à long terme, en cours de mise en œuvre. Des coupures de l’électricité de la Jirama ont encore été constatées sur le Réseau interconnecté d’Antananarivo (RIA), le lundi 18 janvier dernier. C’était à cause des problèmes causés par le mauvais temps, selon Haja Raoeliarovony, directeur de l’Exploitation des Réseaux Interconnectés (DERI) au sein de la Jirama. D’après ses explications, les fortes pluies à l’est de la Capitale ont déclenché le système de sécurité contre les tonnerres, entre le long réseau depuis les centrales de Mandraka et Mantasoa, jusqu’à la ville d’Antananarivo. « C’est un réseau de 140Km. En cas de mauvais temps, il y a des risques qui se présentent, malgré les paratonnerres sur les infrastructures d’acheminement de l’électricité. Il y a un système de sécurité qui se déclenche en cas de besoin. Il faut noter que la centrale d’Andekaleka assure 40% de la production nécessaire pour alimenter le RIA, soit 90MW. Si jamais un transformateur de 32MW explose, il faut s’attendre à un gap de 32MW pendant plusieurs mois, car le remplacement des matériels de cette envergure prend du temps et coûte cher. Le système de sécurité qui se déclenche et qui a engendré les coupures de lundi dernier, vise à éviter une telle catastrophe », a soutenu le DERI de la Jirama. Alternatives. Parmi les projets menés dans le cadre du redressement de la Jirama et de l’amélioration de la qualité de ses services figurent des solutions à long terme, permettant d’éviter ce genre de coupure, dans les années à venir. Selon la Jirama, les projets de centrales hydroélectriques de Sahofika au sud et Volobe à l’est de la Capitale représentent des alternatives, lorsque les centrales actuellement opérationnelles sont coupés du réseau interconnecté, à cause des intempéries. « Ces nouvelles centrales ont chacune de meilleures capacités, par rapport à celle d’Andekaleka. Une fois opérationnelles, ces nouvelles centrales permettront d’éviter le black-out », a indiqué le directeur Haja Raoeliarovony. D’après ses dires, ces projets sont déjà en cours, mais leur mise en œuvre est retardée par la crise de Covid-19. « Nous attendons impatiemment que la réalisation de ces projets ne soient plus ralentie par la crise sanitaire, durant cette année 2021 », a-t-il affirmé, en citant d’autres projets d’amélioration de la capacité de production de la Jirama et du renforcement de son réseau de distribution, qui nécessitent d’importants investissements. Antsa R. L’article Réseau de la Jirama : Infrastructures très sensibles aux intempéries est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Réseau de la Jirama : Infrastructures très sensibles aux intempéries a été récupéré chez Midi Madagasikara.

NR Consult – Hetra – Instat – Arenamada: omena fiofanana ho matihanina ireo vehivavy tantsaha
23/01/2021

Nifanaraka nanao sonia, omaly, ny NR Consult, ny fikambanana Arenamada, ny sampandraharahan’ny hetra, ary ny Ivontoerana momba ny antonanisa (Instat). Tanjona ny hanampiana ireo vehivavy any ambanivohitra ho matihanina amin’ny asa fihariana ataon’izy ireo. Omena toerana eo amin’ny fandraharahana ny vehivavy any amba­nivohitra. Entanina izy ireo miala amin’ny tsy ara-dalàna miditra amin’ny ara-dalàna, ho matihanina amin’ny sehatra misy azy. Mano­hana vola ny fikambanana Arenamada, araka ny tetikasa arosony, ny FMFP*. Fanofa­na­na nomena ny fanamafisana ny faha­iza-manao eo amin’ny voly sy ny fanodinana legioma any amin’ny faritra Atsi­mo Andre­fana, i Matsiatra Ambony, ary i Vatovavy Fi­tovinany. Ve­hivavy 300 mpikambana sy tsy mpikambana ao amin’ny Arenamada no mahazo fa­nampiana amin’ny sehatra misy azy ireo. Ny NR Consult indray, mampianatra azy ireo ny lafiny fitantanana maha matihanina: ny renivola, ny fandaniana, ny tombombarotra, ny hetra tambatra, sns. “Tsara avokoa ho fantatry ny mpandraharaha ireo, mitantana orinasa madinika hampidirana azy anatin’ny ara-dalàna”, hoy Rakoto­zanany Nan­tsoina, tale jeneralin’ny NR Consult. “Entanina manokana izy ireo hanefa ny adidiny amin’ny fandoavan-ketra”. 5 000 ireo tantsaha nahazo fiofanana tamin’ny NR Consult hatramin’ny telo taona nisiany. Nampiditra hetra 5 miliara Ariary izy ireo ny taona 2020. Hetra miditra amin’ny fanjakanaNohamafisin’ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain, ny fampidirana ireo olona ireo anatin’ny sehatra ara-dalàna, hampitombo ny hetra miditra amin’ny fanjakana. “Hanana karatra matihanina izy ireo hahafahana mampivelatra ny fihariana, toy ny fahazoana mindram-bola. Vita izany tamin’ny mpamboly lavanila any Sava. Tombontsoa ho an’ny kaominina ny hetra tambatra”, hoy ny talen’ny hetra, i Germain, sady nanamafy ny toeran’ny vehivavy eo amin’ny fandraharahana. Nanome toky ny Instat ny amin’ny fizarana karatra maha matihanina ho azy ireo. Antapitrisany ny vehivavy any ambanivohitra entanina amin’ny sehatrasa samihafa, ohatra, amin’ny famokarana lohamenaka, ny fambolena, ny asa tanana, sns. Ezahina amin’izao fiaraha-miasa izao ny hampahaleo tena azy ireo amin’ny fitantanana vola sy ny adidy amin’ny fandoavan-ketra. Miara-miombona antoka amin’ny tetikasa ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana. Tsara tohizana any amin’ny faritra hafa izany, ahitana tantsaha maro manana ny talentany manokana.R.Mathieu FMFP*: Fond Malgache de Formation Profession­nelleL’article NR Consult – Hetra – Instat – Arenamada: omena fiofanana ho matihanina ireo vehivavy tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

« Caravane du Sud » – Kere: mifarimbona amin’ny fizarana sakafo ny Tafika
22/01/2021

Nandritra ny fitsidihana nataon’ny filoha Rajoelina tany Taolagnaro, ny 19 janoary lasa teo, no nampahafantarany amin’ny fomba ofisialy ny fisian’ireo fiara vaventy hitondra vatsy ho fanampiana ny vahoaka any atsimo. « Caravane du sud » ny hiantsoana ity fandaharanasa ity ary mandray anjara feno amin’izany ny eo anivon’ny Tafika amin’ny alalan’ny CCOK. Tamin’io fotoana io no nandefasana ny andiany voalohany amin’ireo fiara vaventy amin’ny « Caravane du sud » hitsinjara ireo fanampiana akafo ho an’ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahey vaika ao amin’ny faritra Anosy sy Androy. Hifarimbona amin’ny fandrindrana ny fizarana ireo fanampiana ireo any an-toerana ny ONN sy ny CCOK miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka. Nisitraka izany ny fokontany Anjamalaza, Andavabaza, Afomangnary sy ny kaominina Behara izay misy ny fokontanin’i Bekiria ary Ifotaka. Nisy koa fizarana sakafo mafana notarihin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena niaraka amin’ny minisitry ny Rano, ny govenoran’ny faritra Anosy ary ny lehiben’ny BMM3. Nanatanteraka fitsaboana maimaimpoana tao amin’ny kaominina Behara koa ireo miaramila dokotera. Ankoatra izany, andraikitry ny miaramila koa ny miantoka ny filaminana mandritra ny fizarana sy ny fiambenana ireo famatsiana any an-toerana.Jean ClaudeL’article « Caravane du Sud » – Kere: mifarimbona amin’ny fizarana sakafo ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

An-kitsim-po: Kely ny fanantenana
26/01/2021

Tamin’ity taona ity no ambony indrindra ny maripana teto amintsika sy maneran-tany. Tsy ampy koa ny ranon’orana, miantraika mivantana any amin’ny fambolena, mitarika mankany amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Firenena mifototra amin’ny fambolena rahateo  i Madagasikara, sady mivelona aminy ny 75%-n’ny Malagasy.Kely ny fanantenan’ny tantsaha mpamboly amin’izao tsy fahampian’ny orana ho enti-mamokatra izao. Kely ny fanantenana satria tsy fantatra na ho afaka hamboly vary ihany ireo manao vakiambiaty aty afovoan-tany, indrindra any Alaotra, sompitr’i Madagasikara, tena mamatsy an’Antananarivo sy Toamasina.Efa endrika iray manamafy ity loza manambana ity ny firongatry ny kere any atsimo, mahatonga ireo mponina hitsoaka mamonjy tanàn-dehibe sy aty afovoan-tany. Soa fa nahazo rano tsara ny tapany avaratry ny Nosy, sady mamokatra rahateo iny faritra iny. Mirona mamboly voly fihinana ny mponina ankehitriny fa tsy nionona tamin’ny fambolena voly fanondrana  intsony.Njaka AndriantefiarinesyL’article An-kitsim-po: Kely ny fanantenana a été récupéré chez Newsmada.

Mitaraina ny fianakaviana: navotsotry ny fitsarana ireo jiolahy nandroba mpandraharaha
21/01/2021

Io indray! Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety i Fanondrana Maxime sy i Frédéric, fianakavian’i Benis Daniel, ilay mpandraharaha jirofo voaroba vola 200 tapitrisa Ar tao Ambohijafy Toamasina, ny 30 novambra 2020 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, nandritra ny fijanonan’ny taksiborosy iray nitondra azy. “Amin’alahelo no ilazanay etoana fa navotsotry ny fitsarana sahady Ramamy sy ny tariny, izay jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sy lehiben’ireo jiolahy ao Toamasina. Vao ny 5 janoary izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika ary mbola ny 11 marsa ho avy izao ny famotorana lalina nefa navotsotra sahady”, hoy ny fianakavian’ilay mpandraharaha.Raha hiverenana ity raharaha ity, anisan’ny nanaovan’ny polisy fanamby manokana ny tsy maintsy hahasamborana ireo jiolahy mpandroba ao Toamasina. Nahitam-bokany izany satria, ny 4 janoary lasa teo no voasambotra tao Antanandava Ramamy, tompon’ny motobe nampiasain’izy ireo. Nohamafisin’ny polisy fa tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izy telo lahy tratra ireto ary efa maro ny lasibatra.SajoL’article Mitaraina ny fianakaviana: navotsotry ny fitsarana ireo jiolahy nandroba mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

Takaitra navelan’i Eloise: iray maty ary miisa 2 804 ireo traboina
22/01/2021

Namoaka ny tatitra vonjimaika taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Eloise ny eo anivon’ny BNRC, omaly. Tsy mbola feno tanteraka anefa ny antontanisa eo an-tanan’izy ireo.Nisy iray maty ary tafakatra 2 804 ireo traboina. Miisa 466 kosa ireo nafindra toerana.Eo amin’ny fotodrafitrasa, miisa134 ireo trano dibo-drano raha 434 ireo simba ary rava tanteraka kosa ny trano miisa 99. Maherin’ny 91 koa ireo efitrano fianarana simba….“Efa miverina amin’ny toeram-ponenany ny ankamaroan’ireo olona nafindra monina. Efa miverina tsikelikely tahaka izany koa ny tambajotran’ny rano sy ny jiro”, hoy ny BNGRC. Tsy naharitra koa ny fahatapahan’ny lalana teo anelanelan’Antsohihy sy i Befandriana Avaratra, ny RN6, izany. Tahaka izany koa ny ao Mampikony. Anton’izany fahatapahana nandalo izany ny fiakaran’ny rano… Dibo-drano ny 90%-n’ny tanimbary ao Boeny raha 40-60% ny any amin’ny distrikan’Antalaha. Nisy olona miisa 126 koa tao Mahajanga I nafindra fonenana. “Tokony hotohizana hatrany ny fitandremana fa mbola mitohy ny orana. Arahi-maso akaiky i Boeny sy ny any Melaky. Efa miarina tsikelikely ny fiainan’ny mponina any Analanjirofo sy ny any Sava…”, hoy ihany ny BNGRC.Manoloana ireo, hisy sidina hatao anio hijerena ny faritra nandalovan’ny rivododa, ahitana maso ny voka-dratsin’ny ahafahana mitondra ny fanampiana sy ny hanaovana ny hetsika rehetra.Synèse R. L’article Takaitra navelan’i Eloise: iray maty ary miisa 2 804 ireo traboina a été récupéré chez Newsmada.

Mialoha ny “Lalao olympika”: hanao fifidianana ny seksiona sy ny ligy
27/01/2021

Araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tsy maintsy tanterahina amin’ity taona 2021 ity avokoa ny fifidianana ho fanavaozana ny mpitantana rehetra eo anivon’ireo rafitra mitantana ny taranja isanisany. Raha ny taom-piasana mantsy, efa tapitra ny taona 2020 ny asan’izy ireo, saingy noho ny fisian’ilay valanaretina Covid-19, niteraka fikorontanana teo amin’ny fandaharanasan’ny federasiona isanisany izany. Nambaran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, araka izany, fa hizara roa ny fanatontosana ny fifidianana, amin’ity, ka tsy maintsy vitaina alohan’ny “Lalao olympika” (JO 2021), hotanterahina any Japon, ny 23 jolay ka hatramin’ny 8 aogositra ho avy izao, ny an’ireo fikambanana sy ny klioba ary ny seksiona sy ny ligy. Aorian’ny fahavitan’ny lalao kosa ny an’ireo federasiona. Araka izany, samy mijery ny datin’andro mahamety azy izany ny rafitra tsirairay, ahazoana manatanteraka izany.Tsiahivina fa taom-piasana olympika no arahin’ny ankamaroan’ireo federasiona, amin’ity fifidianana ity. Tompondaka L’article Mialoha ny “Lalao olympika”: hanao fifidianana ny seksiona sy ny ligy a été récupéré chez Newsmada.

Mahajanga sy Fenoarivo Atsinanana: tsy horavana akory ny “Maison de la culture”…
21/01/2021

Misy hatrany ireo mandroritra vaovao diso ! Nivoaka tamin’ny Filankevitry ny governemanta natao ny alarobia 13 janoary lasa teo ny didim-panjakana manafoana ny « Maison de la culture », na ny Tranoben’ny kolontsaina ao Mahajanga sy Fénoarivo Atsinanana. Ny rafitra mifehy azy ireo, amin’ny « établissement public » izay efa nofoanana tao anatin’ny rafitra an-tanan-tohatry ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no foana fa tsy harodana na horavana akory ny trano. Ho fanatanterahana ny toromariky ny filohan’ny Repoblika, mahakasika ny tokony hampihenana ny isan’ireo « établissements publics » izay mandany volam-panjakana ny antony.Araka izany, mitohy ny asa efa nataon’ireo Tranoben’ny kolontsaina ireo, saingy noraisin’ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina any an-toerana ny fitantanana izany. Tsy mikatona velively, araka ny roritin’ny mpanao politika sasany ao Mahajanga koa ny « Maison de la culture ». Mbola toerana fanaovana fampisehoana sy lanonana samihafa hatrany io. Na izany aza, efa mamaramparana ny asa fananganana ny « Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera » vaovao, izay eo akaiky eo ihany ho an’ny ao Mahajanga. Toerana fanampiny, hanomezan-danja hatrany ny kolontsaina io fa tsy hanafoana ny efa misy sy ny efa mipetraka ho vakoka akory.Zo ny AinaL’article Mahajanga sy Fenoarivo Atsinanana: tsy horavana akory ny “Maison de la culture”… a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 20 janvier 2021
20/01/2021

  Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 20 janvier 2021 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 20 janvier 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

La pluie enfin au rendez-vous : Précipitations à Analamanga pour les 15 prochains jours
26/01/2021

Bien que très attendue, l’averse d’hier a, une fois encore, inondé les rues et n’a pas manqué de causer bien des tracas aux Tananariviens. Après plusieurs semaines de temps sec et de chaleur accablante, Antananarivo a enfin vu arriver, hier après-midi, une averse orageuse qui a généreusement arrosé la capitale et ses environs pendant près d’une heure. De quoi revigorer les végétations et les cultures dans les zones agricoles. Cette forte pluie a ainsi fait pousser un « ouf » de soulagement aux paysans des plaines environnantes, désespérés de voir leurs rizières s’assécher ces dernières semaines, à l’image du lit de l’Ikopa. D’après les prévisions, la région Analamanga pourra s’attendre à de la pluie pour les 15 prochains jours. Néanmoins, la région connaîtra lors des deux prochains mois, février et mars, une baisse du volume des précipitations par rapport à la moyenne des dernières années. Pour l’instant, avec l’arrivée de la première grande averse depuis des semaines, et les prévisions de pluie pour les deux prochaines semaines, les Tananariviens espèrent voir la situation en matière d’alimentation en eau enfin s’améliorer. Faut-il rappeler que l’écart entre les besoins d’Antananarivo et les productions d’eau au niveau de la JIRAMA est de 100 000m3 par jour. Les coupures d’eau mises sur le compte d’un déficit pluviométrique, pourraient alors devenir moins fréquentes, si le volume de précipitations répond aux attentes. Hanitra R. L’article La pluie enfin au rendez-vous : Précipitations à Analamanga pour les 15 prochains jours est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article La pluie enfin au rendez-vous : Précipitations à Analamanga pour les 15 prochains jours a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Promotion du livre : Une bibliothèque de rue devant l’ambassade de l’Inde
22/01/2021

Ouverture officielle de la bibliothèque de rue de Tsaralalana, le jeudi 21 janvier 2021 à 10 heures. (crédit photo : Princy) C’est en plein centre-ville, dans le quartier de Tsaralalana, qu’une bibliothèque de rue a été inaugurée hier. C’est l’ambassadeur de l’Inde à Madagascar, Abhay Kumar, et la ministre de la Communication et de la Culture, Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy, qui ont officialisé l’ouverture de cette bibliothèque. Selon les mots de l’ambassadeur de l’Inde, cette bibliothèque est une invitation à partager les joies de la lecture avec les Malgaches, qui auraient un vif intérêt pour les livres. Le lecteur curieux y trouvera des ouvrages indiens; des biographies, des livres d’histoire, et des romans. Mais encore, la bibliothèque comprend également une section de livres français et malgaches. Pour y accéder, il suffit de s’inscrire auprès de l’ambassade et d’emprunter les livres, sans payer de frais. C’est aussi un moyen de connecter les deux cultures, toujours selon les explications de Abhay Kumar. A noter que la bibliothèque est ouverte au public du lundi au vendredi. Politique du livre. De son côté, la ministre de la Culture a rappelé que la mise en place de cette bibliothèque fait partie de la stratégie de son ministère pour la promotion de la lecture à Madagascar. Rappelons que depuis qu’elle occupe son poste actuel, Lalatiana Andriantogarivo a lancé divers événements visant à inciter les jeunes à lire. Elle a expliqué durant cet événement que des discussions ont déjà été entamées avec les acteurs du livre à Madagascar pour rendre disponibles au public les œuvres des auteurs locaux. Ceci dit, beaucoup d’efforts restent à entreprendre dans ce domaine. Par ailleurs, l’Ambassade de l’Inde a également profité de cette occasion pour faire un don de livres à la Bibliothèque Nationale de Madagascar. Ces ouvrages sont consultables auprès de l’espace consacrée à l’Inde au sein de la Bibliothèque Nationale. Il s’agit principalement de livres de littérature indienne. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Promotion du livre : Une bibliothèque de rue devant l’ambassade de l’Inde est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Promotion du livre : Une bibliothèque de rue devant l’ambassade de l’Inde a été récupéré chez Midi Madagasikara.