News

News - Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana
Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana

Notolorana fiara 4×4 – V8 miisa 20 ny sampandraharaha misahana ny antontanisa (Instat), omaly teny Anosy, hoentina hanatanterahana ny asa, hizahana akaiky ny tahan’ny fahantrana sy ny fari-piainan’ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny Statcap* izany, mahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, 30 tapitrisa dolara (90 miliara ariary eo ho eo) hatramin’ny 31 marsa 2022.HHHHhHerintaona ny hanaovana ny fanangonana antontanisa manerana ny Nosy, hanomboka amin’ny septambra 2019 hatramin’ny desambra 2020. Jerena avokoa ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny trano fonenana, ny fitaterana, ny asa atao, ny fandaniana, sns. Hanaovana fanadihadiana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano; faritana ny endriky ny fahantrana sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny toekarena sy ny sosialy, mba ho mazava amin’ny mpitondra. Midika izany fa mila fandinihana mialoha ny fanapahan-kevitra rehetra.Avy amin’io Statcap io ny tokony hahitana antontanisa tsara rafitra sy hanatsarana ihany koa ny fampahafantarana azy, hanitsiana ny tsy mety teo aloha. Atomboka amin’ny fanangonana tarehimarika, ny fanadihadiana sy ny fanaparihana ny tsara ho fantatra momba ny mponina, ny fahantrana sy ny fari-piainan’ny mponina; ny vidim-piainana, sns… Heverina hatao isaky ny roa na telo taona izany ; ny vita farany izao, tamin’ny taona 2012, nahitana tahan’ny fahantrana 71,5 %, tarehimarika ampiasana hatramin’izao, nefa tokony ho efa havaozina. R.MathieuL’article Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana a été récupéré chez Newsmada.

Tohizo ny famakiana >>

News - News Mada

« Tagnamaro »: nanadio ny teny amin’ny LTP ny MAHTP

 Niavaka ny tamin’ity indray mandeha ity. Nanatanteraka ny hetsika “Tagnamaro” – Andron’ny olom-pirenana teny amin’ny lycée Technique professionnel Alarobia ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy (MAHTP) ny asabotsy teo. Antony nisafidianana ity toerana ity ny fahamaroan’ireo injeniera sy ny teknisianina miasa ao amin’ny MAHTP amin’izao fotoana izao nandranto fahaizana sy fahalalana tao amin’io lycée io. Ho mariky ny valim-babena noho izany soa azo tamin’ity toerana ity izany ary fampisehoana amin’ireo mpianatra ankehitriny fa ilaina ny fikojakojana ny toeram-pianarana izao hetsika natao izao. Nohamafisin’ny fianakaviamben’ny MAHTP tamin’ny alalan’izao hetsika “Tagnamaro” izao fa ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana no ahatongavana amin’ny vokatra tsara. Nanadio sy nandoko ary nikojakoja ireo toerana rehetra eo anivon’ny LTP Alarobia izy ireo tamin’izany.Synèse R. L’article « Tagnamaro »: nanadio ny teny amin’ny LTP ny MAHTP a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Afrikanina: hidona amin’ny Pamplemousse SC ny Fosa Jr; tafita amin’ny ampaha-16-n-dalana ny Cnaps

Vita ny antsapaka, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba, taranja baolina kitra. Hidona amin’ny ekipa tompondakan’i Maorisy ny Fosa Jr. Tsy miatrika ny savaranonando kosa ny Cnaps Sport.Hifanehatra amin’ny Fosa Jr Boeny, eo amin’ny fihodinana voalohany, ny ekipan’ny Pamplemousses SC avy atsy Maorisy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Hampiantrano ny lalao mandroso ny Fosa Jr, ny 9 na ny 10 na ny 11 aogositra, ary hanafika atsy Maorisy kosa eo amin’ny fihaonana miverina, ny 23 na 24 na 25 aogositra ho avy izao.Ekipa fantatra anarana fotsiny, saingy tsy mbola misy mahalala ny fomba filalaony. Araka ny vaovao, hita tao amin’ny tambajotran-tserasera, milalao ao amin’ity Pamplemousses SC ity Rabemananjara Praxis. Na izany aza, heverina fa mety tsy hampanano sarotra ny Fosa Jr ny handingana an-dry zareo Maorisianina, izay ambany lavitra raha mitaha amin’ny zava-bitan’ny Fosa Jr. Ny hany tombony ho an’ny Pamplemousses SC, izy ireo handray ny lalao miverina.Raha tafita eo ny Fosa Jr, hidona avy hatrany amin’ny Tout Puissant Mazembe avy any amin’ny RD Kongo, eo amin’ny lalao ampaha-16-n-dalana. Hotanterahina ny 13, ny 14, ny 15 septambra ny lalao mandroso ka eto Madagasikara ny hanatanterahana izany. Ny 27, ny 28, ny 29 septambra kosa ny fihaonana miverina.Tafita amin’ny fihodinana faharoaMiaina kely kosa ny Cnaps Sport Itasy, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona satria tsy miatrika ny lalao savaranonando izy ireo fa miandry avy hatrany eo amin’ny fihodinana faharoa, na ny ampaha-16-n-dalana.Hikatroka amin’izay tafavoaka eo amin’ny TS Galaxy avy atsy Afrika Atsimo sy ny ST Louis Seychelles, ekipa nilalaovan-dRadafison Jimmy (Kundé), kosa ny Cnaps Sport, eo amin’izany dingana izany. Hivahiny an-tanin’olona ny Cnaps Sport, eo amin’ny lalao mandroso, hatao ny 13 – 15 septambra, ary eto Madagasikara ny fihaonana miverina, ny 27 – 29 septambra. Heverin’ny rehetra fa mety ho ry zareo Afrikanina Tatsimo no hikatroka amin’ny Cnaps Sport, amin’izany. TompondakaL’article Kitra – Afrikanina: hidona amin’ny Pamplemousse SC ny Fosa Jr; tafita amin’ny ampaha-16-n-dalana ny Cnaps a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea

Fantatra tamin’ny alalan’ny atsapaka, omaly, taorian’ny ady sahala 1 no ho 1 nifanaovan’ny Malagasy sy i Maorisy, tao amin’ny kianjan’ny Georges V Curepipe, teto Maorisy, fa tsy isan’ireo hiakatra amin’ny amanasa-dalana ny Barea.Tapitra hatreo ny dia ho an’ny Barea, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy, taranja baolina kitra. Nahatonga izany ny atsapaka. Ity lalana ity izay voasoratra ao anatin’ny lalan’ny fifaninanana fa atao aorian’ity lalao ity. Azo lazaina ho vintana ho antsika izany, saingy tsy voasarika ka voatery tsy maintsy nijanona hatreo ny lalan’ny Barea.Taorian’ny isa mitovy azon’ny ekipa roa (i Madagasikara sy i Seychelles), samy nanana isa 2 sy nahatafiditra baolina iray avy ny nahafantarana izany. Araka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana, tsy maintsy amin’ny alalan’ny atsapaka ny hisafidianana ny ekipa hanohy ny dia ka tsy nitsiky ho antsika ny vintana teo. Raha hiverenana ny lalao omaly, nahazo karatra mena i Dadafara na i Avotriniaina, 5 minitra monja nanombohana ka efa nilalao10 teo.Tany amin’ny minitra faha-43, nahatafiditra baolina ny Barea, tamin’ny alalan i Rinho, saingy nosahalain-dry zareo Club M maorisianina izany taty amin’ny ampahefa-potoana farany ka io ady sahala 1 no ho 1 io ny nisarahana. Niaiky ny mpanazatra Roro fa ratsy ny vokatra ho antsika, satria ady sahala roa ny azo tamin’ny lalao roa natao. Ankilany, nilaza i Ando, mpiandry tsatokazo, fa ny karatra mena azon’ny mpilalaontsika aloha be no nahatonga ny vokatra. “Nijaly izahay”, hoy izy, satria nilalao folo hatrany am-boalohany. Na izany aza, niady ireto mpilalao ireto, saingy ny tsy nambinina fotsiny ihany. Mi.Raz L’article Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahamaizan’i Bazarikely: tsy nitovy ny tatitry ny tomponandraikitra ao Toamasina

Tonga nitsidika ny tsena Bazarikely may, ny alin’ny asabotsy teo, sy nanao fanadihadiana momba ny antony nahatonga ny fikomian’ny fonjan’Ambalatavoahangy, ny asabotsy maraina teo ihany koa, ny Praiminisitra, i Ntsay Christian, omaly. Nitarika ny fihaonana tamin’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokanjiny toy ny prefet-n’i Toamasina eto an- toerana tao amin’ny faritra Atsinanana ny tenany. Nanangona vaovao momba ny fahamaizan’ny tsena Bazarikely izy. Nivoaka ny tatitra samihafa nataon’ny tompon’andraikitra izay tsy mitovy fa samy manana ny azy ny tarehimarika momba ny isan’ny naratra sy ny tranoheva may tao amin’ny toerana nisehoan’ny firehetana. Nilaza ny talen’ny tsena fa 1 900 ny may; ny prefet, nanambara fa 1 200, ary olona iray naratra. Ny lefitra faharoan’ny delegasiona manokan’ny kaominina ambonivohitra Toamasina, nahita fa 1 500. Ny tatitra efa tonga nialoha tany amin’ny praiminisitra nilaza fa 600 ny tranoheva may ary olona telo naratra. 600 ny tena mpivarotra misoratra ara-dalàna ka mandoa haban-tsena tsy tapaka ao amin’ny kaominina. Ny sisa ambiny, tranoheva aferan’ireo mpanao kolikoly ao amin’ny kaominina.Nisy nanipy « Cocktail molotov » ? Voaresaka ny antony nahatonga ny firehetana izay tsy nitovian-kevitra ihany koa. Nisy nilaza fa niainga avy tamin’ny fifampikasohan’ny taribin’ny Jirama. Tao kosa ireo nanambara fa nisy olona nanipy tavoahangy « Cocktail molotov ». Farany, nijery ifotony ny toerana nisy ny tranoheva voalaza fa nisy ny kaontera nahatonga ny fifampikasohan’ny herinaratra ny praiminisitra. Niangavy ny polisy misahana ny famotorana hamoaka ny marina izy. Nilaza ny loharanom-baovao niainga tao an-tsena fa misy ambadika avy amin’ny tale teo aloha ny tsena ny raharaha hanafenana ireo tranoheva tsy ara-dalàna anarivony. Nohamafisin’ny praiminisitra fa tsy maintsy hanokafana ny lalana ifamezivezen’ny fiara ahafahana manao famonjena voina ny tsena raha toa ka misy izany. Hanolotra fanampiana fanitso 2 500 amin’ny 2 metatra ary hazo fisaka 400, avy tamin’ny filoha, ny tenany ary nasiany fampitandremana ho an’izay hamilivily ny fitaovana hozaraina amin’ny vahoaka.Sajo L’article Fahamaizan’i Bazarikely: tsy nitovy ny tatitry ny tomponandraikitra ao Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava

Niatrika lalao fitsapana, nikatrohana tamin’ny ekipa voafantin’i Bongolava, tany amin’ny kianja Tsiroanomandidy, ny alahady lasa teo, ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”. Tamin’izany no nanoloran’ny ligin’i Tsiroanomandidy lelavola 300 000 Ar ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, hanampiana azy ireo hiatrehana ity fifaninanana ity.Raha hiverenana kosa ny lalaon’ny roa tonta, resin’ny Barea, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, i Bongolava.Mila fanamboarana ny famonoam-baolina ho an’ny Barea, izay mbola lesoka ho an’ireo lohalaharana. Ankoatra izay, tokony hamafisina ihany koa ny fiarovantena, izay somary goragora. Tsiahivina fa hiatrika an’i Mozambika ny Barea, ny asabotsy 27 jolay ho avy izao, etsy Mahamasina, eo amin’ny lalao mandroso, amin’ny fifanintsanana ho an’ity “Chan 2020” ity. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seranan-tsambon’i Mahajanga: kaomorianina tratra nitondra rongony tanaty “bouteille à gaz”

 Noraisim-potsiny ! Tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny zoma tamin’ny 5 ora hariva, ny teratany kaomorianina iray niaraka tamin’ny rongony milanja 16 kg mahery natao tao anaty « bouteille à gaz » saika haondrana any Kaomoro. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy ary nanaovana famotorana tao amin’ny commissariat central ao Mahajanga. Nilaza izy, nandritra ny famotorana nataon’ny polisy, fa mbola misy namany iray mianatra ao Mahajanga izay teratany kaomorianina ihany miray tsikombakomba amin’ny fanaovana trafikana rongony mihazo ny Nosy Kaomoro. Natolotra ny fitsarana, omaly, ity Kaomorianina nikasa hitondra rongony ho any Kaomoro ity.Fa voasambotry ny zandary avy ao amin’ny kaompania Mahajanga tao amin’ny fokontany Anatanambao Sotema sy tao Ambalamanga ireo efa-dahy niaraka tamin’ny rongony milanja 13 kg, ny alarobia lasa teo. Loharanom-baovao no nahafahan’ny zandary nisambotra ireto jiolahy ireto. Niaiky ny heloka vitany izy efa-dahy ireto nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Jean ClaudeL’article Seranan-tsambon’i Mahajanga: kaomorianina tratra nitondra rongony tanaty “bouteille à gaz” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly

Niditra an-tsehatra, nanomboka omaly, tao amin’ny kianjan’ny Germain Commarmond Bambou, eto Maorisy, ny taranja atletisma, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”. Azo lazaina ho tsara ihany ny vokatra ho an’ny Malagasy satria nahazo medaly volamena miisa roa sy volafotsy miisa efatra ny efa eo am-pelatanan’ireo atleta nifaninana.Norombahan’i Molenjanahary Njarasoa Claudine (12.02) ny fandresena teo amin’ny famaranana, 100 metatra vehivavy. Mbola isika Malagasy ihany koa no nitana ny laharana faharoa, teo amin’ity sokajy ity, tamin’ny alalan’i Embony Elodie Vanessa (12.22). Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa nahazo ny medaly volamena , i Mampitroatsy (30.37.88), teo amin’ny 10 000 metatra ary Andriamparany Fenosoa ny teo amin’ny faharoa (31.08.28). Ankoatra izay, medaly volafotsy avokoa ny norombahin’ny atleta malagasy, teo amin’ny famaranana, 1 500 metatra sy 110 metatra misy fefy, sokajy lehilahy hatrany. Niaro ny voninahi-pirenena nandritra ireo fifaninanana roa ireo Randrianantenaina Soazara Lahivokatse (3.56.63) sy i Mananjara Be Ibrhim (14.78). Mi.Raz    Vokatra omaly Famaranana 100 m vehivavy: 1-Molenjanahary Njarasoa Claudine: 12.022-Embony Elodie Vanessa: 12.22Famaranana 10 000 m lehilahy: 1-Mampitroatsy: 30.37.882-Andriamparany Fenosoa: 31.08.28Famaranana 1 500 m lehilahy: 1-Dookun Mohammed (Mau): 3.56.632-Randrianantenaina Soazara Lahivokatse: 3.56.89Famaranana 110 m “haies” lehilahy: 1-Lararaudeuse Jeremie (Mau): 14.632-Mananjara Be Ibrahim: 14.78 L’article Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tompondaka amin’ny matematika: notoloran’ny minisitra fitaovana Ravelonirina S

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa, i Rejo Fienena Felicitée, omaly teny amin’ny birao fiasany eny Fiadanana, ny profesora Ravelonirina Hanitriniaina Sammy Grégoire, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’Antananarivo. Izy no Malagasy tompondaka eran-tany tamin’ny fifaninanana matematika “algèbre de Lie”, tamin’ity taona ity. Nahatratra 98 ireo firenena nandray anjara tamin’izany fa mendrika indrindra tamin’izy ireo ny tenany. Voninahitra lehibe ho an’ny Malagasy iray manontolo izao fandreseny izao. “Voaporofony fa manam-pahaizana sy tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany isika Malagasy”, hoy ny minisitra. Nanolotra « ordinateur portable » ho azy ankoatra ny “certificat” sy medaly ary ireo loka hafa miandry azy ny minisitra.Vonjy L’article Tompondaka amin’ny matematika: notoloran’ny minisitra fitaovana Ravelonirina S a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa

Ny kanto, mitoetra ary ny mpanakanto, tsy mba maty! Voaporofo hatrany izany, isaky ny misy ny hetsika famerenana ireo sy “kalon’ny fahiny”. 40 taona eo ho eo mantsy ny nahalasanan’i Naly Rakotofiringa kanefa mbola mitoetra ary misy mamelona hatrany ireo sanganasany. Taorian’ireo andiam-pampisehoana “Ny omaly”, “Ny hiranay fahiny”, sns, hisy indray ny seho hanasongadinana ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, ny alahady 28 jolay izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Ireo nanao ny seho teo aloha ihany no hamelona izany. Anisan’ireny ry Zôzô sy ry Salomon izay zokiny indrindra mitarika ireo mpanakanto tanora. Eo koa ry Gothlieb, i Luk, ary i Lilie, izay efa mahafolaka tsara ny sanganasan’ity mpamorona ny “hiran’ny omaly” anisan’ny nalaza indrindra ity. Fantatra ihany koa fa hanampy azy ireo i Mirana. Ito farany izay nisongadina tamin’ny famerenana ireo kalon’ny fahiny, nialoha ny nananganany ny tarika R’Ikala Vazo. “Nisongadina tamin’ny teatra ary nanan-talenta manokana tamin’ny fitendrena piano i Naly Rakotofiringa. Nifameno izy sy i Jeanne Naly ka nampisongadina ny troupe Naly izay lasa Naly sy ny tariny taty aoriana”, hoy ny nambaran’i Salomon, anisan’ny nisongadina tamin’ny feo tao anatin’ny Naly sy ny tariny rahateo. Anisan’ny nampiavaka an’i Naly Rakotofiringa tokoa ny nitondrany fanovana eo amin’ny firafitry ny teatra sy ny hira teatraly. Taty aoriana, mbola izy ihany no nitondra voalohany ny “gala de chants”, nampisongadinana kokoa ny hira tamin’ny teatra. Tafita vetivety, avy eo nitety vanim-potoana maro izany, na voasokajy ho “kalon’ny fahiny” aza. Raha hira, manana maro i Naly Rakotofiringa ary tsy vita mandritra ny fampisehoana iray mihitsy izany. Ampahany ihany ny halahatr’ireto mpanakanto ireto kanefa azo antoka fa mbola hisy ny tohiny hiarahana amin’ny Gasy Events, mpikarakara. Zo ny Aina L’article “Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andavamamba: jiolahy iray tratran’ny Sag

Saron’ny polisin’ny Sag sy ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry, afakomaly, ny jiolahy iray. Jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ary efa nokarohin’ny polisy hatry ny ela ity jiolahy ity, araka ny fanazavan’ny polisy. Polisy nanao fisafoana amin’ny alina no nifanena tamin’ity jiolahy ity ka nirifatra nitsoaka izy raha vao nahatazana ireo polisy. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra teny Andavamamba izy taorian’ny fifanenjehana. Nahitana antsy tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa jiolahy efa nifampitadiavana hatry ny ela izy ary maro ireo olona efa nitondra faisana taminy, indrindra ireo eny amin’ny faritra Anosivavaka sy Andavamamba.J.CL’article Andavamamba: jiolahy iray tratran’ny Sag a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vary: nisondrotra 300 Ar/kg ny makalioka, nihena 120 Ar/kg ny vary gasy

Miakatra tsikelikely ny vidim-bary avy eto an-toerana, ankoatra ny vary gasy. Nidina kosa anefa ny any Sambava anisan’ny lafo indrindra hatramin’izay, nahatratra 2 800 Ar/kg tany aloha.Tsy nihetsika firy ny vidim-bary amin’ny ankapobeny eto amin’ny Nosy tamin’ny herinandro farany ny volana jona sy ny fiandohan’ity volana jolay ity. Na izany aza, nisy elanelany be ny fiovaovan’ny vidin’ny vary avy eto an-toerana? araka ny tatitra navoakan’ny Masoivohon’ny vary (ODR) farany teo. Manodidina ny 1 610 Ar/kg ny salambidin’ny vary gasy manerana ny Nosy, nahitana fihenana 119 Ar isaky ny kilao. Mahatratra 1 810 Ar/kg kosa ny makalioka, nahitana fisondrotana 313 Ar/kg. Nisondrotra 41 Ar/kg koa ny tsipala ka lasa 1 632 A//kg.Etsy ankilany, tsy nihetsika fa manodidina ny 1 600 Ar/kg ny vary hafarana avy any ivelany.Nihena -300 Ar ny any SambavaRaha raisina isaky ny tanàn-dehibe, anisan’ny tsy nihetsika ny salambidin’ny vary any Toamasina I, any Mahajanga I, any Tsiroanomandidy. Nahitana fihenany 300 Ar koa ny any Sambava, ny fiandohan’ny jolay teo, anisan’ny lafo indrindra hatramin’izay, lasa 2 500 Ar/kg raha 2 800 Ar ny faran’ny herinandron’ny volana jona.Raha raisina amin’ny taha indray tamin’ny fiandohan’ity volana jolay ity, nisondrotra 11% ny any Betioky Atsimo, + 4% ny salambidiny eto Antananarivo, +2% ny any Antsirabe, +1% ny any Antsohihy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Vary: nisondrotra 300 Ar/kg ny makalioka, nihena 120 Ar/kg ny vary gasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

Sambany hiaka-tsehatra eto an-tanindrazana ny Malagasy guitar masters, hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Ny alakamisy 25 jolay izao ny fotoana, etsy amin’ny Piment café etsy Behoririka, ao anatin’ny « cabaret », araka ny hetsika ahafantarana ity toerana ity. Azo lazaina ho miavaka amin’izay fampisehoana sy seho mozika, ny amin’io faran’ny herinandro io, ity.Tsy fahita matetika eto an-tanindrazana ny tarika, izay efa manana ny lazany any ivelany any sy mitety faritra maro. Araka ny fantatra, miisa 12 eo ho eo ny toerana notsidihin’izy ireo sy nanaovany fampisehoana, nandritra iny volana mey sy volana jona iny. Tsy nataon’izy ireo diso anjara ny mpankafy eto an-toerana, mandritra ny fandalovan’izy ireo eto.Raha tsiahivina, tarika ahitana mpikambana telo, samy havanana sy manana ny maha izy azy eo amin’ny fitendrena gitara, ny Malagasy guitar masters. Tsy iza izany fa i Teta, i Chrysanto Zama ary i Rija Randrianivosoa, izay nisolo an’i Joël Rabesolo. Ankoatra ny fitetezana firenena, efa namoaka rakikira, mitondra ny lohateny hoe « Volo hazo », ny tarika.Ny mampiavaka azy ireo, ny fahaizan’ny tsirairay mamoaka ny talentany sy mametraka ny « soniany », izay sady mifameno. Eo koa ny fahaizan’izy ireo mampifanaraka ny mozika malagasy amin’ny fironana ankehitriny. Fotoana iray ankafizana izany rehetra izany io amin’ny alakamisy io, izay inoana fa hahaliana ny maro. Landy R. L’article Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters a été récupéré chez Newsmada.

Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra”

Hatramin’izao, tsy mazava be ihany ny amin’ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra. “Tsy miankina amin’ny minisitera fa mahaleo tena ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina.“Momba ny fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra misy milaza hoe mila ny minisitera na ny andrimpanjakana. Andrimpanjakana ny mpanohitra. Ao anatin’ny lalàmpanorenana izay ary anatin’ny lalàna ihany koa.”Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina, momba ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, izay mbola mahabe resaka sy adihevitra politika amin’izao.Rehefa mifidy ny filohany, ohatra, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tsy mila minisitera na andrimpanjakana. Izy ihany dia efa mahaleo tena amin’izay fifidianana ny filohany izay. Tahaka izany koa ny Antenimierampirenena, tsy misy minisitera na governemanta rehefa mifidy ny filoha. Izy ihany no mahaleo tena mifidy izay filohany izay.“Toy izay ihany koa ny mpanohitra rehefa hifidy ny lehibeny: tsy mila minisitera, tsy mila governemanta, tsy mila HCC”, hoy ity mpandinika politika ity. Mahavita tena ny mpanohitra satria fantatra ny antoko mpanohitra misoratra anarana eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Mahaza ka tena izy raha ny marina.Ny olana: betsaka ny mandroritra ny lalàna fa samy manana ny fomba famakiany azy. Ny vokany, tsy nisy ny lehiben’ny mpanohitra hatramin’ny fitondrana Rajaonarimampianina hatramin’izao…Hahay hifanaraka àry ve ny samy mpanohitra amin’izao? Na mbola hifanohitra an-toerana ihany ny samy mpanohitra…R.Nd.L’article Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fiahiana sosialy any Antsohihy

Tapitra amin’ity volana jolay ity ny fe-potoana, telo volana, nomen’ny fanjakana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) eo ambany fiahian’ny minsiteran’ny Asa (METFPLS). Natsangana ny vaomiera manokana « Task force » iarahan’ny roa tonta hanatanteraka ny fitetezana manerana ny faritra eto amintsika. Anisan’ny tanjona ao anatin’izany ny fanentanana ny mpampiasa hanara-dalàna, toy ny fanomezana ny zon’ny mpiasa amin’ny fiahiana sosialy, hisian’ny asa mendrika.Nitety orinasa maro any amin’ny faritra Sofia, toy ny any Antsohihy, ny any Port Bergé,… ity vaomiera ity, ny 16 hatramin’ny 19 jolay teo. Nisy koa atrikasa telo sosona nokarakaraina tany Antsohihy, nifantoka tamin’ny fiahiana sosialy, ho an’ny sehatra tsy miankina (fampianarana, fihariana, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mampiasa ECD), mikasika ny Fahasalamana sy ny aroloza (SST) ary ho an’ny mpampiasa sy ny sendikalista ary ny mpianatra, ao anatin’ny fandaharanasa fampiroboroboana ny fiarovana sosialy (PPPS).Manodidina ny 10 isan’andro ny orinasa tsy miankina notsidihina nandritra ireo telo andro ireo. Nomena torohevitra ny mpampiasa amin’ny fomba fandoavana latsakemboka, ny filazan-karama, ny famahana ny olan’ny orinasa sy ny sakana amin’ny fidirana Cnaps, sns. Nentanina koa ny mpiasa hiaro ny zony. Napetraka ny tranoheva manakaiky vahoaka ho an’ny besinimaro, nampahafantatra ny asan’ny Cnaps sady nanoro hevitra sy nanampy ny rehetra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy any Antsohihy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard

Voatendry ho ambasadaoro vaovao ho an’i Frantsa hiasa sy honina eto amintsika, ny volana mey lasa teo, i Christophe Bouchard. Handimby toerana ny teo aloha, i Véronique Vouland-Aneini, nalefa niasa any Jordanie, ny tenany. Nivoaka tao amin’ny ivontoerana IEP ao Paris sy ny ENA ity ambasadaoro vaovao ity. Efa niasa teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay niasa tany Afrika Avaratra sy ny faritra Moyen Orient iny ny tenany ny taona 1989. Efa mpanolotsain’ny minisitra Laurent Fabius misahana ny lafiny diplaomasia koa izy ny taona 1997. Ankoatra izany, andraikitra nosahaniny ny maha mpanolotsaina voalohany azy teo anivon’ny ambasady frantsay tany Alzeria ny taona 2005. Masoivoho niasa tany Niger taty amin’ny taona 2011. Mialoha izao fanendrena  zao, talen’ny fitantanan-draharaha ho  an’ny  konsily sy ny Frantsay any ivelany (DFAE) tao Paris, hatramin’ny taona 2015.Synèse R. L’article Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

Nanamaivana ny fahasahiranana ray aman-dreny maro indray ny antoko Malagasy miara-miaina Malagasy miara-miainga, ny herinandro lasa teo. Zazalahy miisa 92 indray no vita didim-poitra maimaimpoana ao amin’ny kaominina Manandriana sy ny any Vilihazo, ary koa ny  etsy Ankadikely sy ny eny amin’ny kaominina Ambohimalaza. Nahazo ny anjara kilalaony avokoa ireo zazalahy ireo taorian’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ity antoko  ity. Asa sosialy efa fanaon’ny Malagasy miara-miainga isan-taona ny tahaka izao, ankoatra  ny hetsika fivarotana fitaovana sy kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary mitety tsena efa fanaony. Eo koa ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha ary ny fanorenana na  ny fanampiana amin’ny  fotodrafitrasa, toy ny efitranon-tsekoly na ny fanamboaran-dalana sy ny tetezana. Manampy izany ny fanomezana boky ho an’ny trano famakiam-boky sy ny hetsika samihafa.Hitohy amin’ny kaominina hafa ny hetsika na ny asa sosialy ataon’ny antoko Malagasy miara-miainga.Synèse  R.   L’article Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

RFF Amparibe Famonjena: anio ny vavaka ho an’ny mpanala fanadinana…

 Andiany faha-18 ny vavaka ho an’ny mpanala fanadinana sy fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana fanaon’ny Rindra fanatanjahantena sy fialamboly na ny RFF Amparibe Famonjena. Vavaka sy rindrankira hotontosaina, anio manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Hohiraina ao anatin’izany ny sanganasan’i  Clim, i Bessa, i Haingo, i Henri Ratsimbazafy, i Noël Rakotoarivony. Hisy ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Henri Ratsimbazafy amin’io fotoana anio io. Elanelanin’ny antsa tonokalon’i Dimbin’ny Ala sy ny Ny Rahona Vololona izany. Mpitarika sy hitondra ny vavaka sy ny hafatra ary ny tsodrano kosa ny mpitandrina Raharijaona Solofonirina.Hiaraka amin’ny jiro sy ny hazavana ary ny fanamafisam-peo anisan’ny raitra ny vavaka sy ny fangataham-pitahiana andiany faha-18, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Toraka izany koa ny mpitendry zavamaneno satria ireo andrarezina amin’izany no hiantsoroka azy. Anisan’ireny i Son (vatamaroafitsoka), i Théo (gitara beso), i Hoby (amponga maroanaka), i Hery (vatamaroafitsoka faharoa), i Manou (saksofona). I Manitra kosa no handrindra azy ireo miaraka amin’ny mpihira. « Nokendrena mba hitohy hatrany ny hafanana… Noho izany, mialoha ny ora handefasana ny afomanga no hifarana ny fandaharam-potoana », hoy hatrany ny mpikarakara.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article RFF Amparibe Famonjena: anio ny vavaka ho an’ny mpanala fanadinana… a été récupéré chez Newsmada.

Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy

Nanambara ireo mpilalao voile (kitesurf /windsurf) malagasy fa tratry ny kiantranoantrano, amin’ny fandefasana ireo solontena malagasy miatrika ny « Lalaon’ny Nosy », atsy Nosy Maorisy, izy ireo. Nambaran-dRazafindrasata Tsiry, filohan’ny fikambanana MKA (Madagascar Kiteboarding Association), fa araka ny vaovao voarain’izy ireo, zanak’olona ao anatin’ny federasiona malagasin’ny voile ny nalefa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’izany fihaonambe iraisan’ny Nosy, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izany.Nomarihiny fa tsy nisy fifaninanana fifantenana nataon’ny federasiona nahalalana izay mendrika handeha amin’io « Lalaon’ny Nosy » io fa notendrena fotsiny avy hatrany ireo atleta lahy iray sy vavy iray nankany Maorisy, miampy mpanazatra iray.Misy anefa ireo Malagasy tena mpiangaly sy mahafehy tsara io taranja voile io izay mampanao fiofanana any Antsiranana, amin’izao fotoana izao, raha ny fanambaran’i Tsiry. Izy ireo izay tsy nisy nantsoin’ny federasiona na nampahafantarina mikasika ny « Lalaon’ny Nosy ».« Araka izany, naneho ny alahelony ireo mpiangaly taranja voile (kitesurf/windsurf), izay mahatsapa tena fa afaka misolo tena an’i Madagasikara tsara ary tsy matahotra ny hihaona amin’ireo Reonioney sy Maorisianina ny amin’ny handrombahana medaly, saingy izao tratry ny resaka akamakama izao », hoy ny fitarainan’izy ireo. TorcelinL’article Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Governemanta haingam-pandeha ?

Vita ny fitsapana ! Ho fantatra hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny ho praiminisitra sy ny mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta. Voafidy ny solombavambahoaka, ny mpikambana isan-tsokajiny ao anatin’ny antenimierampirenena. Araka ny Lalampanorenana, mandroso anarana ny depiote avy amin’ny maro an’isa, mazava ho azy fa ny IRD ary manendry izay safidiny ny filoham-pirenena. Governemanta faharoa ity hitsangana ity.Nilaza rahateo ny filoha Rajoelina, tamin’ny andiany voalohany, fa hotombanana ny zava-bitan’ny minisitra tsirairay nandritra izay enim-bolana niasany izay. Manampy izany anefa, misy amin’ireo minisitra vitsivitsy, voafidy ho solombavambahoaka. Na izany aza, tombanana amin’ny ankapobeny ny vokatra sy ny zava- bitan’ny minisitera tsirairay, ary azo antoka fa tsy misy ny indrafo na ny kinamanamana satria aim-pirenena no resahina.Azo adika izany, fa vita hatreo ny andrana sy ny fitsapana, satria araka ny fanambin’ny filoha, “olon’ny asa” izy, fa mihazakazaka toy ny fiaran-dalamby haingam-pandeha (TGV), araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay. Voamarina izany amin’ireo asa vitany tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay, ary tokony haharaka izay hafainganam-pandehany izay koa ny mpiara-miasa aminy, indrindra ny governemanta mpanatanteraka.Laharaham-pahamehana ho an’ny Malagasy 25 tapitrisa ny fijerena ny andavanandrony. Azo tarafina izany amin’ny fiforonan’ny asa, fototry ny fivelomana, ny vidin-javatra takatry ny maro an’isa, ny fandriampahalemana. Zava-dehibe koa ny fitoniana politika hahazoan’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny vahiny, vao hosarihina, antoka ahafahan’izy ireo mampiasa vola maharitra, ka ho azo tsapain-tanana ny fampandrosoana.Maro ny governemanta nitsangana hatramin’izay, miaraka amin’ny fanamby tsara lahatra, toy ny hoe “governemantan’ny asa”, “governemanta hiady”, …. , saingy “ny voa no hitsarana ny hazo”, hoy ny voalazan’ny Soratra Masina.Njaka Andriantefiarinesy  L’article Governemanta haingam-pandeha ? a été récupéré chez Newsmada.

Ny fahoriana mahazaka… manaraka 

Ny fahoriana, hono, mahazaka maniraka. Saingy tsy izay loatra ny resaka eto, fa ny fahoriana mahazaka manaraka. Nahoana? Manaraka na aiza na aiza, na rahoviana na rahoviana ny fahoriana, raha mbola tsy mahafa-bela: tsy misy na tsy itadiavana fanafany, ohatra, tsy hay na tsy hita sy tsy vita ihoarana…Manaraka hatrany amin’ny fomba fijery sy fisaina ny fahoriana? “Raha ny tokony ho izy, tokony hieritreritra ihany ny olona rehefa mifidy”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izay ny amin’ireo depiote voafidy nefa mbola any am-pigadrana. Andrasana ny fitsarana…Indraindray, ny mpifidy ny managadra tena amin’izay fidiny? Tsy ny amin’ireo olom-boafidy migadra ny resaka eto. Tsy mbola meloka fa miandry fitsarana izy ireo. Ny amin’ireo efa hita izao ny afitsony eo amin’ny tany ama-monina hatramin’izay, ohatra, nefa voafidy hatrany. Tsy mahita olon-kafa ny mpifidy?Mety eo ihany izay hoe tsy mahita olon-kafa ny mpifidy izay, fa izay mahita azy ihany no hitany. Tsy inona fa izay mahavatra manipitsipy kely azy fanomezana sy fanampiana, mahajery azy mivantana any ifotony; eny, na manao fampanantenana lava tsy (ho) tanteraka izao aza: voafidy hatrany…Nahoana àry no toa voafitaka na mety hofitahina lava toy izany ny vahoaka? Tsy mety ho tafapaka any ifotony tsinona ny hoe fampandrosoana. Izay mahita sy mahajery azy no hitany, jereny ihany koa. Na tsy mahavita taona aza ny karazana fanomezana sy fanampiana kely, fitaka sy fandrebirebena aza.Rahoviana àry vao tena hisy ny fomba fijery lavitra eo amin’ny olom-pirenena any ifotony? Miainga amin’ny alalan’ny fifanarahana sosialy amin’ny alalan’ny fifidianana izany, fa haloan’ny vahoaka tokoa izay tsy mahatanteraka ny fanamby sy ny fampanantenany. Mba tsy hanaraka lava eny ny fahoriana.Tsy izay ve ilay hoe fanovana ny fomba fanaovana politika? Miainga amin’ny faharesen-dahatra noho ny foto-kevitra, vinam-piarahamonina, paikady, olona iaraha-miasa… Tokony hieritreritra ihany ny rehetra ny amin’izany?Rafaly Nd. L’article Ny fahoriana mahazaka… manaraka  a été récupéré chez Newsmada.

«  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy

Ilaina ny manara-drafitra. Ilaina ny mivelatra eo amin’ny sehatra lehibe kokoa hatrany. Raha eo amin’ny fampianarana ankapobeny sy teknika, azo lazaina fa efa mipetraka ihany izay rafitra izay. Ho an’ny fampianarana kolontsaina sy zavakanto kosa mbola tena marisarisa sy tsy mbola misongadina loatra ny fananana mazava io rafitra io…Na mbola somary vitsy aza, manomboka miorina tsikelikely eto an-drenivohitra ireo sekoly fianarana zavakanto ambara fa nahazo fankatoavana tamin’ny fanjakana na ny fisiany na ny diplaoma omeny (Etablissement agréé par l’Etat – Diplômes reconnus par la Fonction Publique). Saika sekoly ambaratonga ambony ny ankamaroan’izy ireny. Endrika iray mana-porofo fa mihamivelatra lehibe kokoa hatrany ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto eto Madagasikara. Matoa azo ny fankatoavana tahaka io, manaraka ny fenitra takina ho amin’izany ilay toerana fampianarana (fotodrafitrasa, mpampianatra, fandaharam-pianarana, sns). Faharoa, manana rafitra mazava afaka mankato izany ihany koa ny fanjakana.Tsy tokony hatao bambaray anefa ny zava-misy sy iainan’ny kolontsaina rehetra fa misy tokony  hodinihina akaiky kokoa ny amin’izy ireny. Manana ny zavakanto sy ny kolontsaina mampiavaka azy ny Malagasy. Efa misy ny mampianatra azy ireny. Anisan’izany ny kabary,  ny valiha, ny fanorona, ny fahaiza-mihira (firafitry ny hira sy feo malagasy), ny katro, ny raokandro,  ny fanandroana, ny sikidy, ny fomba amam-panao, sns. Mila rafitra manokana izy ireny mba hahazo fankatoavana amin’ny fanjakana ny fisian’ilay toerana fampianarana sy ny diplaoma omeny. Tsy tokony hatsofotsofoka any anatina toeram-pampianarana mozika lazaina fa « agréé par l’Etat » fotsiny, ohatra, ny fianarana valiha na sodina ka lazaina fa manana diplaoma ankatoavin’ny fanjakana izay mpianatra avoakan’ireny sekoly ireny.Omeo lanja sy hasina ny MalagasyMila rafitra hafa mihitsy hoenti-mankato azy ireny. Tsy sarotra ny manao izany. Rafitra izay hampitodika, na ny Malagasy na ny vahiny any amin’ireny kolontsaina sy zavakanto ireny ka hampisongadina indray ny lanja aman-kasin’ny Malagasy sy i Madagasikara. Tsy olona zara fa mahay mitsoka vava tavoahangy akory no hanome diplaoma ankatoavin’ny fanjakana ho an’ny mpitsoka sodina. Tsy ny mpampianatra valiha tsy mahay akory ireo karazana « velombaliha » no hanome mari-pahaizana ankatoavin’ny fanjakana ny mpianatra nianatra tao aminy satria lazaina fa « agréé par l’Etat » ilay toeram-pampianarana iasany.Omeo lanja sy hasina ny Malagasy. Mila ankatoavin’ny fanjakana ny fahaizan’ny Malagasy ny zavakantony. An’ny Malagasy ny fanorona, ny katro, ny valiha, ny sokela, ny kabary, ny beko, sns, mila ankatoavin’ny fanjakana ireny ary hampahafantariny maneran-tany ny fisiany.… Tsy azo hadinoina fa ilay firoboroboana tafahoatra teo amin’itony antsoina hoe « Etablissemnent agréé par l’Etat » itony no anisan’ny nampihen-danja ny diplaoma sy ny fari-pahaizan’ny mpianatra raha eo amin’ny fianarana ankapobeny. Aleo misoroka toy izay mitsabo mba tsy hianaka any amin’ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina malagasy ny tranga tahaka io.Ilaina ny manara-drafitra. Apetrao io rafitra io. Tsy vitan’ny olon-tokana ny fametrahana izany. Ny tsy azo lavina anefa, an’ny Malagasy ireny zavakanto ireny, noho izany,  ny Malagasy no tokony hisikim-ponitra amin’ny fanasoavana ny azy !HaRy Razafindrakoto L’article «  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Voarakitry ny fifanarahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana any ambanivohitra ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny Tranoben’ny Tanora sy ny Sehatra ho an’ny Tanora. Tanterahina amin’ny alalan’ny Fandaharanasa fampiofanana arakasa sy ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena (Formaprod) ity fiaraha-miasa ity. Efa nanomboka ny taona 2018 ny fiaraha-miombon’antoky ny minisitera roa tonta. Naharitra herintaona sy tapany ny fiara-miasa andiany voalohany ary nahafa-po ny vokatra ary misy koa ny hohatsaraina. Miisa 29 ny mpampiofana sy mpandrindra tanora eny amin’ny Tranoben’ny Tanora nahazo fiofanana. Taorian’izay, miisa 850 ny tanora notohanan’izy ireo, notoroina lalana, ary nisy 374 ny tanora eny ambanivohitra  nomena fiofanana.Araka ireo, hotohizana hatramin’ny taona 2021 ity fiaraha-miasan’ny Maep sy ny MJS ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanoro lalana miisa 30 any amin’ny Tranoben’ny Tanora, miampy mpanolotsaina miisa 22 amin’ny fanofanana arakasa ao anatin’ny Formaprod. Hanofana tanora mpandraharaha ambanivohitra miisa 2.700 indray izy ireo avy eo, hamatsy fitaovam-pamokarana sy akora (zezika, fanafody, …), hanombohany ny fihariany sy ny tetikasany avy. Harahina koa ny fanombohan’izy ireo, sady tohanana ara-kevitra sy ara-teknika.Njaka A. Mitentina 97,5 tapitrisa Ar ny tetibola ampiasaina amin’ity fiaraha-miombon’antoka ity, maharitra 30 volana ary tanterahina any amin’ny faritra miisa 11: Atsinanana, Analanjirofo, Analamanga, Menabe, Melaky, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Sofia. L’article Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo

Sahirana ireo mpitondra fiara rehefa handalo ny tanànan’i Marozevo, tanàna eo am-pototry ny fiakaran’i Mandraka iny. Mandalo eo avokoa na ireo fiara mitondra entana tonga avy ao Toamasina na ireo mitatitra entana haondrana ao amin’io seranana io avy aty Antananarivo sy avy any Alaotra, ny kraoma, ohatra. Miampy izany ireo mpitatitra olona sy fiaran’olon-tsotra.Toerana fisakafoan’ny maro ny eo Marozevo. Isan’ireny ireo fiara goavana sy lavabe. Maro ireo fiara miantsona eo ka zary ampahan-dalana kely sisa azon’ny fiara aleha. Lavabe ny filaharan’izay mijanona eo ka tsy tazan’ny mpamily avy amin’ny ilany iray ny fidiran’ny fiara avy any amin’ny ilany faharoa. Tafiditra ao afovoany vao mifankahita. Tsy afaka mihemotra, satria fiara maro no efa manaraka aoriana.Mandany fotoana, tonga hatamin’ny fifamaliana.”Tsy antoandro, tsy alina, ary samy manao beloha!”, hoy ny mpitondra fiara. Misy tobin’ny zandary tsy lavitra eo ka heverina fa tokony hisy ny fandaminana. Rarivo       L’article Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.

 “Airtel M’Lay” any Toamasina: manafaingana ny asan’ireo mpanangom-bokatra

Nampahalalana tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny “Airtel M’Lay” taorian’Antananarivo. Hetsika karazany maro nitety ny tanàna nentina nampahafantarana ireo tolotra samihafa momba ny “Airtel M’Lay”. Manafaingana sy manamora ny asan’ireo mpanangom-bokatra sy ny tantsaha any amin’iny faritra iny, indrindra fa misokatra ny taom-piotazana lavanila.Na aiza na aiza, mandritra ny roa andro ny ahazoana miantso maharitra 200 minitra amin’ny 2 000 Ar. Ao koa ireo karazana tolotra hafa amin’ny « Airtel M’Lay » ihany, maharitra herinandro na iray volana, araka izay safidin’ny mpanjifa. Manampy ny mponina ao Toamasina izao tolotra izao, manaja sy manome lanja ny mpanjifa amin’ny alalan’ny firaisankina, ahafahana mifandray sy mitafa maharitra amin’ny rehetra ho fanamafisana ny fihavanana. Hosokafana tsy ho ela ho an’ny mponina any Mahajanga sy any Toliara koa izao tolotra vaovao izao. R.MathieuL’article  “Airtel M’Lay” any Toamasina: manafaingana ny asan’ireo mpanangom-bokatra a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny kolikoly :: Hogiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna

Tsy hisy hatakandro fa hihatra avy hatrany ny didy hitsi­volana ahafahana manageja sy mitaky ireo vola na fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna, izay lany tamin’ny filan-kevitry ny minisitra, natao tamin’ny 28 jona lasa teo. Nanatrika io fivoriana io ireo tompon’andraikitra avy any amin’ireo sampana miady amin’ny kolikoly ahitana ny Kaomity misahana ny fahitsiana (Csi), Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), ny Fitsarana manokana momba ny kolikoly (Pac), ary ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin’ny Famotsiam-bola (Samifin). Nanazava izy ireo fa “zava-dehibe ny fisintomana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna satria raha toa ka mbola afaka misitraka ireo harena maloto ny mpanao kolikoly nogadraina dia tsy misy dikany ny asa natao. Hogiazana vonjimaika ireo fananana mandra-pahatongan’ny porofo manamarina ny nahazoana azy avy any amin’ny tompony. Raha toa ka tsy tonga ao anatin’ny fotoana voafetra izany fanamarinana izany, dia hotazomina tanteraka ireo harena ary ny fanja­kana no hitantana azy”. Mbola hisy fametrahana rafi-panjakana manokana hitantana ireo harena voatana tanteraka na orinasa tsy manana taratasy mazava, ka hampiasana ihany izy ireny mba ho tombontsoan’ireo olona miasa aminy saingy ny fanjakana no ho lasa tompony. Manentana ny olon-drehetra, araka izany, ireo sampana miady amin’ny kolikoly mba hanamarina ny taratasim-pananany. Nicoh RICHMAN L’article Ady amin’ny kolikoly :: Hogiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna est apparu en premier sur AoRaha.

Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine

Lany tsy nisy mpifaninana. Samy nanohana ny kandidà tokana, ny depiote Razanamahasoa Christine, avokoa ireo depiote eo anivon’ny vondrona parlemantera na koa ny antoko politika  niatrika ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimierampirenena, omaly hariva teny Tsimbazaza. Anisan’izany ny avy amin’ny IRD, ireo depiote eo anivon’ny tsy miankina (GRP) ary koa ny avy amin’ny Malagasy miara-miainga. Manampy izany ny avy amin’ny antoko hafa, toy ny RPSD Vaovao.Nametraka fepetra ny kandidàn’ny Tim Na izany aza, nametraka fepetra ny depiote avy amin’ny Tim na nanohana ny firotsahan-dRazanamahasoa Christine aza. “Ho antoko mpanohitra izahay. Fanoherana manaraka lalàna fa tsy bontolo ho amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ho maodely”, hoy ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa. Nanteriny fa kandidà tokana ihany ny nirotsaka nefa na izany aza, tokony haverina ny hasin’ny Antenimiera. Ka mazava ny fepetra. Hanohana anao izahay raha vonona ny hanaja ny demokrasia sy hihaino ny hevitry ny rehetra. Hanome lanja ny hevitry ny mpanohitra”, hoy ihany izy.“Alefa Barea” ho an’ny depiote  Tsy niandry ela fa namaly izany ny filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, Razanamahasoa Christine, ka nampahatsiahy ny tranga niseho teto amin’ny firenena. “Alefa  Barea” ho an’ny firaisankinantsika satria vita ny fifidianana filoham-pirenena sy ny depiote ka tafaray eto isika… Hiantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana izao fijoroan’ny Antenimiera izao ary hatanjaka. Nimatimatesantsika izany ary tsy hitsingevaheva ka havitrika amin’ny fampandrosoana ny firenena…”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa handala ny fifanakalozan-kevitra sy ny hevitra tsy mitovy ary hiantoka ny fanatanterahana ny programa  ao anaty fanajana lalàna…Fiketrehana tombontsoa ho an’ny depiote  Na mpanohitra na tsy miankina, tokony hisitraka izany fampandrosoana izany, araka ny  nambarany. Aza matahotra na mihemotra mampahatsiahy ny mpanatanteraka ny tsy mety… Ara-dalàna izany ary araka ny lalàmpanorenana. Efa natsidiky ny filohan’ny Antenimiera vaovao sahady fa hojerena akaiky koa ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka sy ny tokony ho tombontsoan’ireo solombavambahoaka. “Hiadiantsika amin’ny mpanatanteraka  ny fandaharanasantsika. Vonona hiaraka hiady amin’izany isika… Omeo anay ny fitaovana ahafahanay manatanteraka ny asanay. Tsy hisy diso anjara amin’izany isika… Tsy hijery loko foko sy fiaviana na politika fa depiote an’ny Malagasy rehetra”, hoy izy.Tsiahiviana fa filoha fahatelo nitantana ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, amin’izao Repoblika fahefatra izao.Synèse  R. L’article Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine a été récupéré chez Newsmada.