Jeux

Jeux - News - Jeux corporatis 3FB: nandravarava ny MDN sy ny JIRAMA
Jeux corporatis 3FB: nandravarava ny MDN sy ny JIRAMA

Nifampizaran’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena (MDN) sy ny Jirama, ny amboara, tamin’ny « Jeux Corporatifs », nokarakarain’ny 3FB, sampana baolina kitra. Fihaonana, notanterahina ny asabotsy 8 sy ny alahady 9 desambra lasa teo, tao amin’ny kianja Hjra Ampefiloha.Anisan’ny nandrombahan’ny MDN, amboara ny teo amin’ny baolina kitra, nandreseny ny Jirama, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0. Toy izany koa ny teo amin’ny volley-ball, nandavoany ny senat, tamin’ny seta 2 no ho 0. Lasan-dry zareo ihany koa ny teo amin’ny tenisy, tamin’ny alalan-dRazafimanantsoa Nirina.Nanjakan’ny Jirama kosa ny basikety, izay nanilika ny Men, tamin’ny isa, 33 no ho 24, teo amin’ny famaranana. Adin’ny samy jiro sy rano ihany koa ny teo amin’ny tsipy kanetibe ka nahazo ny voalohany, ry Andry sy i Brice ary i Patrick, izay nanilika an’i Niaina sy i Tovo ary i Yves. Mbola ny ekipan’ny Jirama ihany koa nahazo ny teo amin’ny “belote” dia i Andry sy i Nirina, nanilika an’i Lova sy i Mira (Min.San).Fahombiazana tanteraka, araka izany, ity andiany voalohany tamin’ny “jeux corporatifis”, nokarakarain’ny 3FB ity, nambaran’ny Gbr Joasitera Rolando, tomponandraikitra voalohany nisahana ny ara-teknika sy nampandeha iny hetsika iny, fa tsy maintsy hisy ny andiany faharoa.Naneho ny fahafaham-po sy ny hafaliany ihany koa, i Jhone Love, filoha mpitantana ny 3FB, taranja baolina kitra. Torcelin L’article Jeux corporatis 3FB: nandravarava ny MDN sy ny JIRAMA a été récupéré chez Newsmada.

Tohizo ny famakiana >>

Jeux - News - Sport - News Mada

« Orange E-Sport Experience»: mpilalao 3, hisolo tena an’i Madagasikara any Dakar

Hotanterahina manomboka rahampitso 5 desambra, ny famaranana amin’ilay fifaninanana kontinantaly “E-Sport”, any Dakar. Fifaninanana izay handraisan’ny malagasy anjara. Nanainga ny alahady teo ireo solontenan’i Madagasikara hiatrika ity lalao ity. Mpilalao miisa 50 avy amin’ny firenena 11 manerana an’i Afrika no andrasana ho tonga handray anjara amin’ny ity lalao famaranana ity. Anisan’izany ny mpilalao avy eto Madagasikara. Fifaninanana afrikana, fanao isan-taona, hanondrotana avo ny “jeu vidéo” ity lalao ity. Tovolahy 3 no hitondra avo ny anaran’i Madagasikara any Dakar, mandritra izao fifaninanana “Jeu vidéo” izao. Ratsimiliavahoaka Ranto Manoro (Big Tom 2138), sokajy “Street Fighter”, Rakotoarison Mamitiana Michel (Gogo), sokajy “Asphalt” ary Ralainaivo Mamitiana Herilanto (Rayan), sokajy “PES 2019”. Ireo no voasafidy hiatrika ny “Orange E-Sport Experience” rehefa nahazo fandresena tamina lalao maro teto an-toerana, teo amin’ity taranja ity ary efa manana haavo teknika amin’ny fanaovana “jeu vidéo”. Izy ireo izay tohanan’ny Orange, mpiara miombona antoka amin’ny fikambanana “E-Sport” eto Madagasikara. Mirary ny Orange mba ho fifaninanana fakan-tahaka ity lalao afrikana amin’ny “jeu vidéo” ity ary mba hahafahana mitily ireo mpilalao afrikana vao misandratra ihany koa. “Dakar Digitak Show” Hifanindry an-dalana amin’ny lalao famaranana ny hetsika “Digital show” izay hampisehoana amin’ny fomba miavaka ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny lafiny nomerika, toy ny “éditeurs de contenus” sy ny “développeurs” ary ny mpikirakira ara-teknika amin’ity sehatra ity. Izao hetsika izao dia haseho amin’ny alalan’ny hetsika ara-barotra, hampirantiana ny mahakasika ny tonton’ny nomerika sy ny “jeu vidéo”. Tanjona ny hampandrosoana sy hananganana sehatra miavaka amin’ny B2B ary hanomezana vahana ireo mpilalao manana ny maha izy azy. Eo ihany koa ny fampivondronana ny mpiantsehatra amin’ny lafiny “digital” manerana ny kontinanta afrikana sy manerana izao tontolo izao.   Mi.RazL’article « Orange E-Sport Experience»: mpilalao 3, hisolo tena an’i Madagasikara any Dakar a été récupéré chez Newsmada.

Jeux - News - Sport - News Mada

« Rallye virtuel »: tompondaka 2018 Ratsimbazafy Riry  

Taorian’ny fanambarana ny isa ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny « Rallye virtuel », taona 2018, voahosotra ho tompondaka i Riry teo amin’ny filaharana ankapobeny sy ny sokajy « 2RM ». Nahazo fandresena in-droa nisesy izy, tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny FSAM sy ny lalao farany « Final Round », ny volana novambra lasa teo. Marihina fa dingana miisa 7 no nifaninanana tamin’ity taom-pilalaovana ity ary niampy ny lalao fanokafana sy ny lalao famaranana. Ny isa azon’ny mpanamory nandritra izany no natambatra ka nahazoana ny vokatra farany. Manana isa 182 Ratsimbazafy Riry ary mitàna ny lohany. Ity farany izay teo amin’ny familiana ny fiara marika Citroen DS3 R3-MAX. Manaraka azy ao amin’ny laharana faharoa kosa Ralahy Hobimalala Andriantsaina, manana ny isa 156. Rakotobe Serge, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Sergerktb no mamarana ny telo voalohany amin’ny filaharana ankapobeny izay manana isa 76. L’article « Rallye virtuel »: tompondaka 2018 Ratsimbazafy Riry   a été récupéré chez Newsmada.

Jeux - Jouet - News - News Mada

Fetin’ny Krismasy: mivoaka ny karazana kilalao

Na takon’ny fampielezan-kevitra sy ny raharaha politika aza ny fiainan’ny Malagasy, miezaka ny ho volon’andro fety ihany ny eny an-tsena sy ny an’ny tokantrano sasantsasany. Mirantiranty eny an-tsena ny ravaky ny Krismasy mamirapiratra. Mivoaka ihany koa ny kilalao ho an’ny kilonga. Efa manomboka mividy izany ny mpiantsena, saingy tsy mbola betsaka, raha ny filazan’ny mpivarotra. Mbola malaza ny dinety sy ny saribakoly ho an’ny ankizivavikely. Samy manana ny karazany sy ny habeny izy ireny. Manomboka amin’ny 5000 Ar ny tsotra indrindra ary tafakatra amanetsiny ireo tsara kalitao. Ny “overboard” kosa no malaza ho an’ny ankizilahy. Tsy misy latsaky ny 400.000 Ar anefa izy ireny. Ny sasany aza efa ny drone no andrandrainy ho azo, aterin’ingahibe Noely amin’ny alin’ny Krismasy. Lafo izy ireny kanefa misy ihany ireo ray aman-dreny vitsivitsy mahasahy mividy azy eny amin’ny magazay. Mionona amin’ny fiara kely sy kilalao madinidinika kosa ny ankamaroan’ny olona miatsena. Maro karazana rahateo izy ireny amin’ny tsenan’ny Sinoa ary mora sy takatry ny maro ny vidiny. Fantaro anefa fa misy koa ireo ankizy tsy misitraka kilalao izany mihitsy rehefa Krismasy fa miaina amin’ny zava-misy. Tatiana A L’article Fetin’ny Krismasy: mivoaka ny karazana kilalao a été récupéré chez Newsmada.

Jeux - News - Ao Raha

LALAO “PIZZAVORE” AN’NY RTA :: Nafotaka ny fihinanana “pizza” teny Andohalo

Notanterahina tamin’ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny zaridainan’ny trano fisakafoanana Il Giargino Di Lorenzo, Andohalo, ny dingana voalohany tamin’ilay lalao ho an’ireo olona mankafy mihinana “pizza” na ny ” Pizzavore”, karakarain’ny RTA. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fifantenana. Mpifaninana maherin’ny enimpolo mianadahy no nifampikatroka tamin’izany. Fantatra nandritra io andro voalohany io ihany fa tafakatra amin’ny dingana manaraka ny antsasa-manilan’ireo mpifaninana. Toy izao ny fizotran’ny fifaninana nifehy ny lalao. Izay nahalany “pizza” maro indrindra ao anatin’ny fotoana voafetra, ary mihinana betsaka indrindra noho ny mpifaninana sasany no nivoaka mpandresy. Mbola hiatrika dingana telo vao tonga amin’ny famaranana, irao telopolo tafakatra. “Sambany teto amintsika nisy fifaninanana mihinana “pizza” tahaka izao. Na tsy tafakatra ho amin’ny dingana mana­raka aza aho dia afa-po tamin’izao ezaka nataon’ny fahitalavitra Rta izao. Tsy vitan’izany fa nampiala voly anay tonga tety an-toerana ihany koa ny fanentanana sy karazan-dalao natolotry ny mpikarakara”, hoy ny mpifaninana iray milaza ny hafaliana. Amin’ity faran’ny herinandro ity indray ny fotoana manaraka ho an’ireo tafakatra sy ny mpankafy “pizza”. L’article LALAO “PIZZAVORE” AN’NY RTA :: Nafotaka ny fihinanana “pizza” teny Andohalo est apparu en premier sur AoRaha.

Jeux - News - News Mada

Telma sy Star: fisarihana fahefatra ny “Kapisilnakà”

Nanomboka ny fiandohan’ny volana oktobra teo ny lalao “Kapisilnakà”, karakarain’ny Telma sy ny Star. Lalao mikiky ny kapisily saron’ny tavoahangy zava-pisotro Fresh, ary hita ao ny loka ho azon’ny mpanjifa. Isaky ny tapa-bolana ny fisarihana ny loka ka natao ny faran’ny volana novambra teo ny fisarihana fahefatra. Nahazo lokabe ny olona dimy ka lasan’i Fanambina Prosper sy Rtoa Solonirina Lucky ny televiziona ecran plat 32’’. Lasan-dRamarosandratana Albert ny ordinatera entin-tanana, azon-dRandrianarison Robison ny finday smartphone Telma Titan miampy famantaranandro  Telma watch. Nahazo clé wingle 4G kosa i Mahatana Jean Rasolin, ahazoany maimaimpoana mampiasa internet mandritra ny enim-bolana. Mbola mitohy mandritra ny tapa-bolana ity lalao “Kapisilnakà” ity, ary miandry ny mpilalao sy ny mpanjifa ny lokabe, fiara Renault Kwid, ny moto Peugeot Kesbee, ny televiziona ecran plats roa, ny finday Telma Titan, ny clé wingle 4G, sns. Njaka A.L’article Telma sy Star: fisarihana fahefatra ny “Kapisilnakà” a été récupéré chez Newsmada.

Jeux - News - Ao Raha

LALAO “PIZZAVORE” AN’NY RTA :: Hiatrika ny fifantenana voalohany ireo mpifaninana

Lasa izao! Hotontosaina rahampitso sabotsy, etsy zaridainan’ny trano fisakafoanana Il Giargino Di Lorenzo Andohalo, ny dingana voalohany amin’ilay lalao ho an’ireo olona mankafy mihinana “pizza” na ny ” Pizzavore”, karakarain’ny RTA. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fifantenana. Mpifaninana maherin’ny enimpolo mianadahy no hifampikatroka amin’izany. Marihina fa manana ny salan-taona eo anelanelan’ny valo amby folo ka hatramin’ny dimy amby enimpolo taona avokoa ireo mpandray anjara ireo. Ho mafimafy ny fandevonan-kanina ao anatin’ity sedra voalohany ity satria ny antsasa-manilan’ireo mpifaninana ihany no hiakatra amin’ny dingana manaraka. Toy izao ny hevi-dehibe mifehy ny lalao. Izay mahalany “pizza” maro indrindra anatin’ny fotoana voafetra, ary mihinana betsaka indrindra noho ny mpifaninana sasany no mivoaka mandresy. Mbola hiatrika dingana telo vao tonga amin’ny famaranana, izay voafantina amin’ny rahampitso. Hiova isaky ny dingana kosa ny fitsipika mifehy ny lalao, araka ny nambaran’i Naya Razafi, avy amin’ny RTA mpikarakara. “Tsy hitazam-potsiny akory ny olona ho avy hanatrika io fotoana. Hisy ny fizaràna ranom-boankazo samihafa avy amin’ny mpanohana ny fandarahana ho azy ireo. Maro ihany koa ny hetsika sy kilalao ankalamanjana izay mety hahazoana loka isan-karazany sahaza ny sokajin-taona rehetra eny an-toerana”, hoy hatrany i Naya Razafy. Maimaim-poana kosa ny fanatrehana ny lalao ho an’izay liana. L’article LALAO “PIZZAVORE” AN’NY RTA :: Hiatrika ny fifantenana voalohany ireo mpifaninana est apparu en premier sur AoRaha.

Jeux - News - Triatra

« Milalaoo » : Kilalao mahafinaritra sady mampatahotra

Tsy natao ho an’ny misy tosi-dra. Mivoatra manaraka ny toetr’andro ny fialamboly eto Madagasikara. Raha mbola mahavariana ny ankamaroan’ny ankizy amin’ny faritra maro ny « Cheval de bois », dia efa miha-tonga tsikelikely eto amintsika ny karazana kilalao avy any ivelany ary ao anatin’izany ny sokajin’io kilalao mahafinaritra nefa mampatahotra. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy manomboka ny 7 desambra ho avy izao ny toeram-pilalaovana « Milalaoo » eny amin’ny Akoor Digue. « Karazana kilalao tsy mbola fahita n’aiza n’aiza eto Madagasikara no atolotray ary saika zava-baovao eo amin’ny malagasy ny ankamaroany », araka ny fanazavan-dRasoamanana Valérie, tompon’andrikitr’ireo toerana ao amin’ny Akoor Digue. Karazan-dalao maoderina 25 no hita ao amin’ny toerana ka misy ireo ety ivelan’ny trano ahitana ireo kazarana « manèges » izay sady mahafinaritra no mampatahotra… 14 karazana kosa ireo kilalao ao an-trano ary ahitana karazany maro araka izay ankafizin’ny tsirairay, ny fitondrana fiarakoa, ny fanaovana boxe, ny moto… « Misy ireo karazana lalao no tsy maintsy hampitandremana ireo karazan’olona mety ho sarotiny, fa ny ankamaroan’ny dia azon’ny rehetra lalaovina na ny ankizy na ny lehibe », hoy ihany ny fanazavany. Anisan’ny zava-baovao entin’ny « Milalaoo » ho an’ny mpanjifa ihany koa ny fomba fidirana milalao. Amin’ny alalan’ny karatra izay misoratra amin’ny olona tsirairay no hilalaovana ireo kilalao ireo, ary fahanana isaky ny lany izany. Manomboka amin’ny 2000 Ar ka hatramin’ny 20.000 Ar ny saran’ny filalaovana amin’ireto kilalao ireto. Nandritra ny heritaona mahery no nanomanana sy ny nametrahana ireo fotodrafitr’asa ho an’ity toeram-pilalaovana ity. Nisy ny famindrana tsatoka ho an’ny fifandraisana an-tarobia. Tonga teto amintsika ny mpanam-pahaizana manokana nandrafitra ireo fitaovana ireo ary nampiofana ihany koa ireo Malagasy hitantana sy hikojakoja ireo fitaovana. « Telo mirahalahy ireo afaka mikirakira sy manamboatra ireo fitaovana ireo fa misy ireo mpiasa hafa miandraikitra ireo karazan-dalao samihafa izay fantatra amin’ny fitafiany », hoy ihany ny fanazavan-dRasoamanana Valérie. Miarantsoa L’article « Milalaoo » : Kilalao mahafinaritra sady mampatahotra est apparu en premier sur .L’article « Milalaoo » : Kilalao mahafinaritra sady mampatahotra a été récupéré chez Triatra.

Jeux - News - News Mada

« Milalaoo »: niampy iray ny toeram-pialamboly

Efa tafiditra ao anatin’ny filàna ho an’ny tsirairay ny fialamboly. Miezaka ny mamaly izany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Anisan’ireny ny etsy amin’ny Akoor’Digue ka nanorina ny toeram-pialamboly “Milalaoo”. Sambany no nisy eto Madagasikara ! Nampahafantarina ny mpanao gazety, omaly, ny fisian’ny « Milalaoo » toeram-pialamboly iray vaovao eny amin’ny Akoor’ Digue.  Manana fivelarana amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ity raha ny fotodrafitrasa hita teny an-toerana. « Anisan’ny kendrena manokana hilalao sy hiala voly eny an-toerana ny Malagasy », hoy Andriamiarintsoa Josceline Yvonne, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Akoor’ Digue. Mahatratra 25 ireo karazam-pialamboly afaka atao ao amin’ny « Milalaoo ». Azo sokajiana roa izy ireo. Ao ireo lalao ivelan’ny trano sy ireo kilalao ao anaty trano. Anisan’ireny ny swing (chaise volante), ny jumping frog, ny pendulum, bumblebee car (voiture Ferrari), ny châteaux gonflables, ny escalades, ny robot rotation sy ny outrun racing, ny motor game, ny crazy crocodile, ny small bowling, ny basket ball game et mini basket ball game, ny boxing game, ny the king of the hammer, ny hunting zone, ny big soccer, ny bicycle ride, ny hockey game, ny pandora’s box fighting game, ny crazy toys game, ny kiddie ride, ny shooting machine game. Anisan’ny mampiavaka ny toeram-pialamboly « Milalaoo » ny fampiasana ny « carte ». « Rehefa manana karatra amin’ny anaranao ianao, mampiditra fahana rehefa hilalao », hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny serasera ity. Nohamafisiny hatrany fa « natao sahaza ny rehetra ny lalao sy ny fialamboly eto. Noho izany, raha fianakaviana manontolo (zaza, ankizy, tanora, lehibe) no mankaty, afaka mandray anjara avokoa ». Ny 7 desambra izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ity toeram-pialamboly vaovao ity. HaRy RazafindrakotoL’article « Milalaoo »: niampy iray ny toeram-pialamboly a été récupéré chez Newsmada.

Cinéma - Déssins animés - Jeux - Jouet

Ny kilalao : Robot Trains

Ny Robot Train dia sarimiaina miendrika série vita avy any Korea Atsimo. I "4th Creative Party (AZworks) sy CJ E&M no namokatra azy. Ny Robot Train dia mipetraka any amin'ny "Le Monde des Trains". Ny mponina amin'io toerana io dia lamasinina avokoa. Ary ny sasany amin'ireo lamasinina ireo dia afaka miova ho robot. Ireo lamasinina ireo dia antsoina hoe "Robot Train". Ao amin'io sarimiaina io dia manaraka ny tantaran'ny lamasinina 5 izay manana hery manokana. I Kay, Alf, Duck, Selly ary Victor no anaran'ireo lamasinina ireo. I Kay dia manana hery hanokafana ny tonelina antsoina hoe "tunnel spatio-temporels" izay mampifandray ny kaontinantan'ny "Monde des Trains". I Kay dia lamasinina mangamanga ka manana endrika fiaramanidina. Afaka manao zavatra maro izy. Ny tanjon'i Kay dia ny hampifandray ny kaontinanta tsirairay izay misy ka fantatra. I Alf dia Robot Train menamena. Izy io dia miandraikitra ny ara-teknika rehetra ary no namana akaiky an'i Kay. I Alf ihany koa dia miandraikitra ny fiarovana ny kaontinantan'ny "Montagne des avalanches". Ny fitaovana voalohany hananany dia ny "lance grappins". I Duck dia Robot Train afaka mandeha amin'ny rano izay miloko mavomavo. Ny endrik'i Duck dia toy ny vavan'ny ganagana. Ny fitaovany ananany dia basy rano. Na dia ohatran'ny mikaviavia ary ity farany sy ny fatahorany dia indraindray izy dia tena ilaina raha sendra misy olana saro-bahana. I Selly dia Robot Train dia afaka manamboatra zavatra maro. Miloko mavokely izy ity. Izy no manamboatra an'ireo lamasinina raha sendra ka manana olana ireto farany na ihany koa maty. Izy ity dia miaraka amin'ny robot kely iray antsoina hoe Becky. Ankoatran'ny fahaizan'i Selly manamboatra dia afaka manamboatra baomba andriamby izay tena ilaina rehefa miady. I Victor dia Robot Train mavo sy mainty. Ny orony dia toy ny réacteur fiaramanidina izay miodina rehefa miresaka izy ary afaka mitsoka rivotra mahery. Lamasinina tena matanjaka i Victor ary efa ampy traikefa tsara. Izy no mpanofana lamasinina maro ary tena hajain'ireo mponina ao amin'ny "Le monde des trains". I Karl kosa dia Robot train mainty izay manana endrika lamasinina tena mandeha faran'izay haingana. Tena matanjaka izy ity ary manana fitaovana maro, ny sasany dia afaka ampiasaina rehefa miady fa ny tena fitaovany dia ny skate-bord izay antsoina hoe Delta Planche. Inona no nanosika an'i Karl hiady amin'i Kay, fialonana ve sa misy zavatra hafa ? Ny kilalao Robot Train Ankoatrany sarimiaina dia misy kilalao maro Robot Train toy ny : Parking Robot Train. Izy ity dia parking iray manana rihana maro. Ankoatr'izay dia misy lamasinina maro ao toy ny Duck, Selly ary i Alf ao anatiny ka afaka lalaovina eo amin'ilay parking ; Misy figurine an'i Kay, Alf, Duck, Selly, Viktor izay afaka ovaina ho lamasinina robot.

Jeux - Jouet

Kilalao flat ball : Manipy kapila … mitaty baolina

Ny Flat Ball dia kilalao iray manana endrika kapila rehefa atsipy ary mivadika baolina rehefa tatazana. Tsotra le izy, mahafinaritra ary tonga dia afaka lalaovina. Tsy mitovy amin'ny baolina rehetra izay efa fahita izy io. Ny fiovaovan'ny fotoana hivadiany baolina dia tsy hampoizina ka manampy an'ilay fahafinaretana rehefa milalao azy. Maro ireo kilalao azo atao miaraka amin'ny flat ball na irery na miaraka amin'ny namana 2 na maromaro. Ny flat ball : "Phun Tag" Ny "Phun Tag" dia kilalao azo lalaovin'ny olona 3 na mihoatra miaraka amin'ny flat ball. Io kilalao io dia manome lanja ny flat ball vokatr'ilay fotoana miovaova hivadiany baolina. Ny tanjona amin'ito kilaoa ito dia ny hijanona farany ao anatin'ilay kilalao. Amin'ny teny hafa izany dia izay farany tafajanona no mandresy. Ny fomba filalaovana azy dia : Omena laharana ny mpilalao tsirairay ary mivondrona eo akaikin'ilay flat ball ; Ny fomba hanombohana ny lalao dia : misy mpilalao iray manindry an'ilay flat ball amin'ny tany ary miantso laharana iray; Ny mpilalao rehetra avy eo mitsoaka ankoatran'ilay mpilalao voaantso ; Miandry an'ilay flat ball hibontsina ilay mpilalao tsy nitsoaka dia maka an'ilay flat ball izy avy eo ary miantso laharana iray ; Avy eo izy manantona an'ilay mpilalao voaantso ka manao dingana lehibe 3 na dingana kely 10 ; Avy torahana ilay mpilalao ka raha voa dia miala ny lalao ; Avy eo miverina miantso laharana iray izy raha tsy voa fa raha voa kosa dia ilay olona nitorka no miverina miantso laharana iray ; Mitohy foana ny lalao raha tsy iray sisa no mijanona eo. Ny flat ball "Funky Monkey" Raha hilalao ny Funky Monkey amin'ny flat ball dia mila maka olona tsiroaroa na mihoatra. Ny tanjona amin'ilay Funky Monkey dia tsy avela azon'ilay "Monkey" ny flat ball. Ny fomba filalao an'ny Funky Monkey dia : Ny mpilalao tsirairay dia maka olona 2 hitaty an'ilay baolina ary misy olona eo anelanelan'ilay olona 2 mpitaty an'ilay baolina ; Ny iray amin'ny ilay mpilalao 2 dia manipy an'ilay flat ball amin'ny endrika kapila ho any amin'ilay mpitaty iray ka tsy avela ho tratran'ireo olona izay manelanelana ; Ireo olona eo afovoany dia mihezaka ny misambotra an'ilay flat ball na amin'ny endrika kapila izy na amin'ny endrika baolina ; Raha tratran'ilay olona eo afovoany ilay baolina dia mifamadika ny mpilalao ka ny mpanimpy indray no lasa eo afovoany ary ny teo afovoany lasa mpanimpy. Ny "Flat Potato" Ny Flat Potato dia mety tsara amin'ny toerana teritery. Ny tanjon'ilay lalao dia ny mijanona farany amin'ny lalao. Ny fomba filalaovana azy dia : Misy mpilalao iray manindry an'ilay flat ball mba hivadika kapila ; Omena an'ilay mpilalao eo akaiky ilay flat ball (manaraka ny fiodin'ny famataran'andro) ; Ny mpilalao izay mahazo an'ilay flat ball voalohany rehefa iny izy mivadika baolina iny no miala ny lalao ; Dia averina tsindrina indray ilay flat ball mba hivatika kapila ; Dia mitohy ny lalao avy eo ; Izay tafajanona farany no mandresy avy eo.  

Jeux - Jouet

Kilalao Maxi Cube Multi-activité, ahafan’ny zaza mahita zava-baovao no miala voly

Goba (cube) lehibe iray ahafan'ny zaza iray manandrakandrana zavatra maro ny Maxi Cube Multi-Activités izay vokarin'i VTECH. Ny zaza dia afaka mampifanongoa ny goba (cube) maro eo ambonin'ny latabatra iray. Misy bokotra maro loko afa tsindritsindrina ihany koa eo amin'ilay Maxi Cube Multi-Activités, ka mamoaka feo sy hirahira izy ireo rehefa voatsindry. Io kilalao io dia mety ho an'ny zaza vao mahay mipetraka ary tia manandra kandrana. Ireo karazan-kilalao misy eo amin'ilay goba (cube) dia ahafahan'ny ankizy maro miara-milalao. Ny zaza efa lehibebe dia afaka ny milalao mahafantatra ny bikan'ny goba (cube) tsirairay, ary ny zaza mbola kely kosa dia afaka ny manindritsindry ny bokotra manana endrika biby na zavatra ka misy feo milaza ny anaran'ilay bokotra voatsindry. Ny zavatra hita eo amin'ilay Maxi Cube Multi-activités Ny Maxi Cube Multi-activité dia manana lafy 5 azo lalaovina : Misy tabilao famohazan-tsaina elektrônika mifandray zato isan-jato amin'ilay zaza. Misy tabilao tsy elektrônika. Misy kilaseran'endrika. Misy lafy iray misy lalana sy sakana maro ahafhaahana manisaka an'ireo goba (cube). Misy latabatra iray afaka hametrahana an'ireo goba (cube) maro. Kilalao iray izy ity izay manana zavatra maro izay mahaliana ny zaza maro, na kely izy na lehibe. Ny vokatsoa ho entin'io kilalao io ho an'ny zaza Ireto avy ny vokatsoa ho entin'io kilalao "Maxi Cube Multi-activité" ho an'ny zaza : Ilay zaza dia manomboka mamantatra ny  litera, ny isa, ny endrika ary ny loko. Ireo karan-kilalao maro izay misy eo aminy dia mampianatra an'ilay zaza mba hampifandrindra ny fiasan'ny maso sy ny tanana. Ny lafy dimin'ilay goba (cube) dia mamela an'ilay zaza hahita karazana kilalao maro ary mampahery azy hanohy ny fizahana izay hataony. Ny goba (cube) litera dia mampianatra an'ilay zaza ny literan'ny abidy ary mampianatra azy ny manavaka azy ireo. Milalao an'ireo kanety kely, manindritsindry ny bokotra maro na ny mampirina an'ireo goba (cube) dia mampivoatra ny fihetsika ataon'ilay zaza.  

Cinéma - Déssins animés - Jeux - Jouet

Ny tantara tena marina tao anatin’ny sarimiaina Moana, Blanche Neige…

Nosintonina avy amin’ireo tantara tena nisy ny ankamaroan’ireo sarimiaina. Namboarina izy ireo, mba hampanonofy sy hahafinaritra ny mijery azy, ho an’ny ankizy. Inona no tena zava-nisy marina tao amin’ireo sarimiaina ireo. Nosoratan’i Madame Gabrielle-Suzanne de Villeneuve ny tantaran’i “La belle et la bête » tany amin’ny taona 1740 tany. Mpifankatia tena nisy no nangalany ilay tantara, izay an’i Pedro sy Catherine Gonsalvus. Aretina nahatonga azy ho voloina be no nahazo an’i Pedro. Niteraka fito izy ireo taty aoriana na dia tsy nivadika printsy tsara tarehy aza i Pedro ao anatin’ilay tantara tena izy. Nalaina avy tao amin’ilay angano nosoratan’i Hans Christian ilay mpanjakavavy ao anatin’ny “La reine des neiges”. Nipetraka tao amina lapa vita amin’ny lagilasy izy ary naka an-keriny zazakely iray no sady nanisy ody ratsy azy. Gerda, izay naman’io zaza io no nanavotra azy, taona vitsy taty aoriana. Ao anatin’ilay angano miresaka mahakasika ny “frères Grimm” no mirakitra ny mariazin’i Blanche-Neige sy ny printsy. Rehefa tonga tao ilay rafozam-bavy ratsy toetra dia nasaina nanao kiraro nisy vy mahamay sy mankarary tongotra ka noterena handihy mandra-pahafatiny izy. Tsy tena nisy i Vaiana (Moana), raha ny tantara no jerena. Rehefa hamorona ity sarimiaina ity ireo mpamokatra dia nankany Polynésie mihitsy. Taorian’io dian’izy ireo dia nanaitra azy ireo kokoa ny fahitana ireo vehivavy sady tsara tarehy no matanjaka. Maro be ireo zavatra hitan’izy ireo ka namoronana an’i Vaiana. Raha araka ny tantara kosa, izay mifanohitra tanteraka amin’ilay sary miaina tena misy, dia lehilahy mahia kely i Maui ary manao fehiloha. Rinahsoa Lahatsoratra nalaina avy amin'i :

Jeux - Jouet

Kilalao biriky « Lego classic » sy ny manodidina azy

Ny "LEGO" dia karazana kilalao maro izay vokarin'i "The Lego Group" izay orinasa Danoà. Ny "Lego" dia biriky kely izay afaka ampifampidirina ka ny fitambarany dia manome endrika olona, fiara, trano, sambo, biby, na zavatra maro hafa. Afaka saratsarahana ireo biriky kely efa mitambatra ka hanamboarana endrika hafa indray. Ny orinasa "The Lego Group" dia nanomboka nanamboatra an'ireo biriky kely ireo tamin'ny taona 1932. Ankehitriny, ny LEGO ankoatran'ny kilalao biriky kely hatambatambatra dia efa misandrahaka mankany amin'ny "Jeux Video" sy ny sary mihetsika. Ny jeux video "LEGO" Ny "LEGO" ihany koa izao dia efa manana "jeux video" izay mifototra amin'ny "franchise" an'ireo kilalao "LEGO".  Ireto ambany ireto dia misy ny jeux vidéo nivoaka tamin'ity taona ity sy ny hivoaka amin'ny taoana 2019 : ny "Lego Les Indestructibles" dia "jeux d'aventure" izay nivoaka tamin'ny 27 Jona 2018 ka azo lalaovina amin'ny Xbox One, PlayStation4, PC, Nitendo Switch. Ny Warner Bros, Interactive Entertainment no nanamboatra an'io "jeux" io. ny "Lego DC Super-Vilains" dia "jeux d'aventure" izay nivoaka tamin'ny 16 Oktobra 2018 ho an'ny Amerika avaratra ary ny 19 Oktobra 2018 ho an'ny firenena hafa. Azo lalaovina am'ny Xbox One, PlayStation4, PC, Nitendo Switch. Ny Warner Bros, Interactive Entertainment no nanamboatra an'io "jeux" io. ny "Lego Toy Story" kosa dia hivoaka amin'ny taona 2019. Ny sary mihetsika "LEGO" Ny "The Lego Group" dia mamokatra na mivarotra "film d'animation" sy "série d'animation" eo ambanin'ny "licence" LEGO. Ny santionan'ny sarymihetsika "LEGO" hivoaka ato ho ato dia : "La grande aventure Lego 2". Izy io dia "film d'animation en image de synthèse" izay novokarin'i Mike Mitchell sy Trisha Gum izay heritreretina fa hivoaka amin'ny taona 2019. Io sarimihetsika io dia tohin'ilay sarimihetsika "La grande aventure Lego" izay nivoaka tamin'ny taona 2014. "LEGO Marvel Super Heroes: Black Panther - Trouble in Wakanda" dia hivoaka ny taona 2018. Ny LEGO Classic Andao isika hiverina amin'izay amin'ny kilalao biriky "LEGO Classic 10702" rehefa avy niresaka ny manodidina ny tontolon'ny LEGO. Ny "LEGO Classic" dia kilalao biriky hatambatambatra ahafahana mamorona izay ao an'eritriritra. Izy io dia misy biriky kely izay manana loko 41 karazana ary manana biriky amin'ny endrika manokana. Ny LEGO Classic dia manaitaitra ny famoronana ka izay zavatra noheritreretinao dia afaka amboarina amin'io kilalao io. Ny LEGO Classic dia : misy biriky 570 ; misy biriky mahazatra sy biriky manana endrika manokana tahaka ny varavarankely, varavarana, tafo, sns...; misy boky kely mampianatra ny fanamboarana modely 9 ; misy boaty fampirimana.

Jeux

Rainbow Six Siege dia manolotra week end maimaimpoana.

Nampandre i Ubisoft fa i Tom Clancy's Rainbow Six Siege, ilay FPS tactique multijoueur dia hanana week-end fanandramana maimaimpoana. Noho izany, ireo mpilalao, manomboka amin’ny 15 ka hatramin’ny 18 Novambra ho an’ny PC, ary 15 ka hatramin’ny 19 Novambra amin’ny consoles, dia afaka manararaotra milalao tsy mandoa vola. Ireo izay te hanandrana dia afaka mitondra an’ireo agents 20 amin’ny mode base sy ireo modes ary cartes rehetra ao amin’ilay kilalao. Tahaky ny mahazatra rehefa misy an’ireny week-ends maimaimpoana ireny, ireo mpilalao dia afaka mitazona ny fandrosoany ao amin’ilay kilalao, milalao tsy ankihato ary manararaotra ny fihenam-bidy izay tonga hatramin’ny 70% amin’ny éditions Standard, Advanced, Gold sy Complete manomboka amin’ny 15 ka hatramin’ny 30 Novambra, arakaraky ny Plateforme.