Foot

Famintinana ny lalao nataon’ny Barea sy Kongo

Nandresy ny ekipan'ny Kongo ny Barea de Madagascar omaly rehefa vita ny fandakana ny Tir au but. 2 noho 2 no nisarahan'ny roa tonta tao aorian'ny 120 minitra. Niditra tamin'ny fandakana ny tir au but ary ny Barea sy ny Kongo, ka teo no nivoaka mpandresy ny Malagasy tamin'ny isa 4 - 2. Tafiakatra izany ny Barea de Madagascar ho an'ny dingana ampahefa-dalana. Miandry ny mpifanandrina aminy izy izao, iray amin'ny Ghana sy Tonizia izany. Misaotra Barea - Alefa Barea - Miara Mirona

Tohizo ny famakiana >>

Foot - News - Sport

Ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ny Barea sy ny Gineana

Ireo baolina maty nandritra ny fihaonan'ny Barea sy ny Gineana tamin'ny 22 Jona 2019. 2 - 2 no isa nisarahana tamin'io lalao io. Ny Gineana no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Sory Kaba tamin'ny minitra faha 34 tamin'ny fizaram-potoana voalohany. Nosalahan'ny Malagasy ny isa tamin'ny minitra faha 49. I Anicet Abel no nampiditra ny baolina taorian'ny corner nodakan'i Carolus Andrea (Charles Andriamanitsinoro). Enina minitra taorian'io dia nampian'i Carolus Andrea ny isa ka lasa 2 - 1. Tamin'ny minitra faha 66 no nanasahala ny isa i François Kamano tamin'ny alalan'ny Penalty. Misaotra Barea. Miara Mirona. Alefa Barea

Foot - News - Sport

Hafaliana ho an’ny vahoaka Malagasy taorian’ny fandresen’i Barea an’i Nigeria

Sary mampiseho ny hafalian'i Malagasy taorian'ny fandresen'i Barea an'i Nigeria. Sary nindramina avy amin'i Harry Tiana Teddy, Ets Steeve-net sy Orange Misaotra Barea, Alefa Barea, Miara mirona

Foot - News - Sport

Nandresy an’i Nigeria 2 – 0 ny Barea – CAN 2019

Tafiakatra amin'ny dingan'ny ampahavalon-dalana ny Barea an'i Madagasikara rehefa avy nandresy an'i Nigeria tamin'ny isa 2 - 0. I Lalaina Nomenjanahary (Bolida) no nampiditra ny baolina voalohany tamin'ny faha 13 minitra nilalaovana. Nampian'i Charles Andriamanitsinoro (Carolus Andrea) ny isa tamin'ny minitra faha 53. Mitana ny laharana voalohany izany ny Barea an'i Madagasikara amin'ny isa 7 taorian'iny fandresena iny ao amin'ny vondrona B misy azy. Isaorana be dia be ny ekipantsika. Alefa Barea. Miara Mirona.

Foot - News - Sport

Mikotrana ny Barea ankehitriny eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus

Amin'izao ora hanoratana an'ity lahatsoratra ity diay manao fanazaran-tena eny amin'ny kianjan'ny Elgeco Plus eny amin'ny Bypass ny Barea de Madagascar. Ito manaraka ito ny lien raha hijery izany ianareo : https://www.facebook.com/zone.kitra/videos/2263031310623639/. Hisaorana be dia be ny 24.kitra mizara an'izany video izany.

Foot - News - Sport - News Mada

“M’Foot Fokontany”: miaraka ny baolina kitra sy ny fanabeazana

Vita, ny 21 avrily teo, ny dingana voalohany “M’Foot Fokontany”, nifanaovan’ny ankizy 13-15 taona, natomboka ny 30 marsa ka nandraisan’ny ekipa anjara niisa 75 tany am-boalohany avy amina boriborintany enina eto Antananarivo.Hanomboka ny 27 avrily izao ny dingana faharoa fifanintsanana eo amin’ireo ekipa enina voalohany isaky ny boriborintany sy ireo enina voafantina ahitana ireo ankizy mpilalao mahay, nofantenana avy amin’izay nihintsana ny dingana voalohany.Vita, omaly, ny fisarihana ireo ekipa telo isam-bondrona amin’izao dingana manaraka izao, natao tao amin’ny Skate Park Antanimena, nahitana ireo mpanohana isan-tsokajiny (Airtel, Total, Sanifer, Jumbo Score, Supermaki, Big, Aro, BOA) miaraka amin’ny Alefa Barea, mpikarakara ny fifaninanana. Kendrena koa ny fanabeazana sy ny fijerena ny lafiny sosialy ho an’ireo ankizy ireo hiomana ny hoavy ka singa iray lehibe ny fanohanana azy ireo amin’ny fanatanjahantena. Antony iray lehibe koa nisafidianan’ny mpanomana ny kianja manara-penitra (synthétique) any Andralanitra, misy ny toby Akamasoa, nifampiresahana tamin’ny mpitantana, ny mompera Pedro.“Mahafaly anay ny mandray anjara ho fanabeazana ireo ankizy ireo amin’ny baolina kitra, taranja fanatanjahantena mampiombona. Vonona hatrany izahay manohana, hanomana sy hampivoatra ireo tanorantsika ireo miainga avy any amin’ny fokontany misy azy avy”, hoy ny filohan’ny mpanohana Alefa Barea, Ramisamanana Lova.Raha mpilalao fito isaky ny ekipa no nifanandrina tany amin’ny dingana voalohany, sivy kosa ny handray anjara amin’izao manaraka izao. Ny 12 mey ny lalao famaranana eny amin’ny toby Akamasoa ihany. R. Mathieu   Ireo enina voalohany isaky ny boriborintany :Boriborintany 1 : CF TFC Anatihazo Isotry;  Boriborintany 4 : Ouest MananjaraBoriborintany  2: JSM Morarano               ;   Boriborintany 5 : FC ZandrikelyBoriborintany 3 : FC Betongolo                ;    Boriborintany 6 : Sport 6 City Ireo no hifanintsana amin’ny ekipa voafantina. L’article “M’Foot Fokontany”: miaraka ny baolina kitra sy ny fanabeazana a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

«Ligue des champions»: resin’ny Ajax ny Juventus

Nitranga, ny tsy nampoizina teo amin’ny lalao ampahefa-dalana miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Nihintsana mantsy ny Juventus de Turin. Nosakanan’ny Ajax d’Amsterdam, tao amin’ny kianjany tao Turin, ny lalan-dry Ronaldo sy ny namany.Resin’ny Holandey, tamin’ny isa, 2 no ho 1 izy ireo, ny talata lasa teo. Vokatra, tsy nisy nampoizin’ny rehetra, satria noheverina fa tsy haharesy ny Italianina, ao amin’ny kianja filalaovany ry zareo Ajax. Na izany aza, ny tompon-tanana, no nanokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’i Ronaldo, teo amin’ny minitra faha-28, tamin’ny alalan’ny lohany. Nihevitra ny rehetra teo fa hisesy ny baolina ho tafiditry ny Italianina.Nanohitra kosa nefa ny Ajax, nampiseho endri-dalao, tsara sy haavo teknika ambony, na teo amin’ny fiarovan-tena na teo amin’ny fanafihana. Tsara rindra avokoa, izay rehetra nataon’izy ireo. Nahitam-bokany izany, tany amin’ny minitra faha-34, izay nanasahalan’izy ireo, ny isa. Baolina tafiditr’i Van Den Beek. Io isa io, no nentin’ny roa tonta, niala sasatra. Nanao izay ho afany, ny Juve, teo amin’ny tapa-potoana faharoa, saingy ry zareo Ajax indray no nahafaty ny baolina faharoa, tamin’ny alalan’i De Ligt.Teo amin’ny fihaonana ilany, nomontsanin’ny FC Barcelone, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0 ny Manchester United, Ny baolina roa, tamin’io dia matin’i Messi, avokoa. TompondakaL’article «Ligue des champions»: resin’ny Ajax ny Juventus a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra atsy Afrika Atsimo: nahafaty ny baolina voalohany ho azy, i Dax

Manomboka mametraka ny anarany, eo amin’ny fifaninanam-pirenena, Afrikanina tatsimo, i Andriamirado Aro hasina (Dax). Porofon’izany, nahatafiditra baolina ny tovolahy, ny asabotsy lasa teo.Ela ny ela ka nahatafiditra ny baolina voalohany, ho azy, i Dax, ilay Malagasy milalao ao amin’ny Kaizer Chiefs, Afrika Atsimo. Fihaonana, tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Praiminisitra Absa, notanterahina ny asabotsy 13 aprily lasa teo, tao amin’ny kianja Thohoyandou. Nisaraka, ady sahala, 1 sy 1 tamin’ny Black Léopards, ny ekipan’i Dax, tamin’izany. Ny Kaizer Chiefs, no nampiditra ny baolina voalohany, teo amin’ny minitra faha-11, tamin’ny alalan’ny daka mandrivorivo, nataon’i Dax, rehefa nahazo tolotra avy amin’i Kabelo Mahlasela. Nosahalain’ny Black Leopards, kosa izany teo amin’ny minitra faha-23. Baolina tafiditr’i Hlongwane. Tsy niova intsony io isa io, mandrapirava, na samy nanao izay ho afany aza, ny roa tonta. Marihina fa mbola saika nampiditra baolina faharoa, i Dax, teo amin’ny minitra faha-76 saingy nidona tamin’ny vodilaharana ny dakany, tamin’ny tongotra havia. Tsiahivina, fa avy hatrany, dia nataon’ny mpanazatra, tompon-toerana i Dax, ary ilalao nandritra ny 90 mn.   Nahafa-po, ny mpijery sy ny mpanazatran’ny Kaizer chiefs, ny endri-dalao nasehon’i Dax, tamin’ity fihaonana ity, izay efa manomboka matotra sy manana fahatokisan-tena, eny ambony kianja. Ao anatin’ny heriny sy ny tanjany tanteraka i Dax, amin’izao fotoana izao. Izy izay takin’ny mpijery baolina malagasy, mba ho anisan’ireo, ho antsoina hanatevina ny Barea de Madagascar, amin’ny fiatrehana ny “Can 2019”. Mbola miankina amin’ny fanapahan-kevitr’i Nicolas Dupuis, anefa izany, izay tsy nanafina fa mahay i Dax, ary manana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena, saingy miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny “comité de normalisation” sy ny Fosa Juniors, ny amin’ny hiantsoana azy, na tsia. TompondakaL’article Kitra atsy Afrika Atsimo: nahafaty ny baolina voalohany ho azy, i Dax a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina

Mbola ambentin-dresaky ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, ny sokajy misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019». «Azo atao tsara ny vondrona misy antsika», hoy ireo teknisianina.  -I Debon Jean-François (tale teknika nasionaly)Azo atao tsara, raha ireo mpifanandrina amin’ny Barea ireo fa miankina amin’ny fahavononana sy ny paik’ady apetraky ny mpanazatra fotsiny sisa. I Nizeria no heverina fa ho mafy, saingy azo resena ihany koa. Na izany aza, afaka miady ny toerana faharoa ny Barea ary tokony ho tafavoaka amin’ity vondrona B ity.Mino aho fa anisan’ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana ny Barea de Madagascar, amin’ity, raha lazaina ny lojikam-baolina. – Odon Michel (mpanazatra Jet Mada)Ny sarotra, ao amin’ity sokajy ity, i Nizeria izay manao baolina anglisy, izany hoe, matanjaka. Raha ny hevitro, hiadiana ny toerana faharoa. Miankina amin’ny voka-dalao eo amin’ireo lalao roa voalohany ihany koa anefa io. Mandeha io raha vao tsara fanombohana. Azo atao tsara izany ny miakatra amin’ny dingana faharoa.Feno fanantenana aloha ny tenako fa mbola hahita ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fihodinana faharoa, amin’ity “Can 2019 ity. Tsy tokony ho sakana mihitsy i Ginea sy i Borondi. -I Raux Auguste (mpanazatra Uscafoot)Raha ny vokatry ny fisarihana aloha, nahazo vondrona mora ny Barea. Miankina amin’ny fanomanana sy ny paikadin’ny mpanazatra ny herijika hiakarana amin’ny fihodinana faharoa. Na izany aza, mila mailo ihany satria mahay koa ireo mpifanandrina ireo matoa tafita hiatrika ny “Can 2019” ka tsy tokony hambaniana.Mitovy hevitra amin’ny rehetra aho fa mba anisan’ireo ekipa miakatra amin’ny fihodinana faharoa ny Barea de Madagascar, amin’ity. Mirary soa ho azy ireo hahavita dingana lavidavitra kokoa, amin’ity “Can 2019” ity. Nangonin’i Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

«Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina

Tsy niandry ela fa iray andro monja taorian’ny fahavitan’ny antsapaka nahalalana ireo ekipa iray vondrona, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hatao any Egypta, izany hoe : ny asabotsy lasa teo, nijery avy hatrany ny kianja hilalaovany ao Alexandrie ireo tomponandraikitra sy ny teknisianina, avy amin’ny ekipan’i Ginea Konakry sy ny Nizerianina, iray vondrona amin’ny Barea de Madagascar.Nidina nijery ifotony mihitsy izy ireo ny amin’ny toetoetry ny bozaka hilalaovana sy ny firafitry ny toerana ary ny pitsopitsony rehetra. Midika izany fa mailo tanteraka izy ireo ka mitandrina mafy, amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity.Raha tsiahivina, kianja anisan’ny zokiny indrindra ao Egypta ny Stade d’Alexandrie. Natsangana ny taona 1929 izany fotodrafitrasa izany, ary efa nandray ny lalao fifanintsanana, tamin’ny “Can”, notanterahina tany an-toerana, ny taona 2006.Ny taona 2009 vao nasiam-panamboarana izany kianja ao Alexandrie izany, mahazaka mpijery mihoatra ny 80.000. Bozaka natoraly no hilalaovana ao fa tsy “synthétique” akory. Kianja hilalaovan’ny Ittihad Alexandrie sy ny Al Olympi ary ny Smouha Sporting Club. TompondakaL’article «Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny

Nitohy, ny asabotsy sy omaly alahady, ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny Jet Mada Itasy sy ny Fosa Jr Boeny. Azo lazaina fa tratry ny tsy nampoizina ihany ny ekipan’Itasy izay efa nitarika tamin’ny isa, 2 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Baolina matin’i Tsiry sy i Tsito, tamin’ny alalan’ny “pénalty”.Nosahalain’ny Fosa Jr izany teo amin’ny fidirana faharoa, tamin’ny alalan’ny “pénalty”, tafiditr’i Baggio. Tsy nijanona teo fa mbola nanampy ny isa ho azy indray ny ekipan’i Boeny, tamin’ny alalan’ny “coup francs” matin’i Santatra, nahavery an’i Joma, mpiandry tsatobin’ny Jet Mada Itasy.Ankoatra izay, tany Toliara, resin’ny AS Adema Analamanga, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny 3FB Atsimo Andrefana. Tany Fianarantsoa, nisaraka ady sahala 1 sy 1, ny  FC Zanakala sy ny Ajesaia. Teny Vontovorona kosa, nahiliky ny Cnaps sport tamin’ny isa 5 noho 1 ny FC Ilakaka. Tompondaka L’article Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara

 Tontosa, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny andiany faharoa, amin’ny Kick-off – «Futsal tournament 2019». Voahosotra ho tompondaka ny UCM (Université catholique de Madagascar), rehefa nandresy ny Imgam, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 6 no ho 4. Niady ny lalaon’ny roa tonta satria nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisaraka tamin’ny isa mitovy, 3 no ho 3, ny roa tonta, teo am-pialan-tsasatra. Efa tany amin’ny 10 mn farany vao afaka ny UCM. Nitana ny laharana fahatelo ny IUM (Institut des universités de Madagascar).Voahosotra ho mpilalao nampiditra baolina be indrindra i Rado avy amin’ny IUM ary i Rejela, kapitenin’ny Imgam, kosa ny mpilalao mendrika. Nomena ny mpianatra avy amin’ny Esmia ny amboaran’ny “fair-play” ary ny mpanohana ny INTH no nandrombaka ny “meilleur supporteur”.“Afa-po izahay ary misaotra ireo mpanohana sy ny mpijery ary ireo mpandray anjara rehetra, ianareo mpanao gazety, tamin’ity andiany faharoa ity. Ezahina ny hanatsara ny andiany fahatelo”, hoy Rajaona Davida, filohan’ny IEP, mpikarakara. Torcelin L’article Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Delire Madagascar

KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena

Nitombo iray indray ny kianja filalaovana baolina kitra manara-penitra eto Madagasikara. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 aprily 2019 ny « terrain synthétique » an’ny klioba Elgeco Plus eny amin’ny By Pass Ambohijanaka. Nanatrika izany ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Rajoelina Andry, ny ministry ny tanora sy ny fanatahanjahantena, Tinoka Roberto niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nambaran’ny filoham-panorina ny klioba Elgeco Plus, Randriamanampisoa Alfred fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io kianja io ary afaka mandray lalao baolina kitra iraisam-pirenena. Ahitana trano fisakafoana ihany koa ity foto-drafitr’asa vaovao ity mba ahafahan’ireo mpilalao misakafo. Mbola tsy vita tanteraka ny foto-drafitr’asa fa vao ny kianja iny notokanana iny izay valo volana ny faharetany nanamboarana azy. Ao anatin’ny asa mbola ho atao manaraka ny fanamboarana hotely, ny tribune central ary ny gradin. Tamin’io fotoana io no nametrahana ny vato fototra ho an’ny tribune central ary ny gradin. Roa taona ny fitambaran’ny fotoana hamitàna  tanteraka foto-drafitr’asa raha ny vina tany am-boalohany, hoy hatrany Randriamanampisoa Alfred. Ankoatra izany dia mampiavaka ity kianja ity ny fisian’ny “pilone” sy ny “projecteur” mba hanazarana ny mpilalao amin’ny fifaninanana amin’ny alina. Mahazaka mpijery 2000 ny kianjan’ny Elegeco Plus eny By Pass Ambohijanaka. Raha ny fantatra dia ny klioba sy ny mpiara-miombona antoka aminy no niara-nisalahy tamin’ny fanamboarana. Mbola miantso ireo malala-tanana afaka manampy amin’ny famitàna tanteraka ny kianja iray manontolo anefa ny filohan’ny klioba. Lynda A. Cet article KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena est apparu en premier sur déliremadagascar.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – «UEFA CHAMPIONS LEAGUE» :: Nanara-dia ny PSG ho any amin’ ny ampahavalon-dalana ny Lyon

Ny klioba frantsay, Olympique Lyonnais (OL), no ekipa faha-16 tafita hiatrika ny dingan’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa ho an’ireo klioba na ny “Uefa Champions League”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 sy 1, izy ireo sy ny Shakhtar Donetsk, ny alarobia alina lasa teo tany Kiev. Tao anatin’ny rano- mandry no nanaovana ity lalao namaritra ny ekipa faha-16 hiatrika ny dingana manaraka ity. Tamin’ny lalao mandroso dia nisaraka ady sahala, 2 sy 2, ny roa tonta tany amin’ny kianjan’i Lyon. Satroka roa Nitarika tamin’ny alalan’ny isa 1 noho 0, teo amin’ny minitra faha-22 ny solontenan’i Ukraine, tamin’ity lalao miverina ity, tamin’ny alalan’i Junio Moraes. Efa tany amin’ny minitra faha-65 vao nahasahala ny isa i Nabil Fekir, kapitenin’ny Olympique Lyonnais, ka nahatonga azy ireo ho tafita amin’ny dingana manaraka. Hotanterahina any Nyon Soisa, amin’ny alatsinainy 17 desambra ho avy izao, ny antsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’ity dingan’ ny ampahavalon-dalana ity. Hozaraina ao anatin’ny satroka roa ireo ekipa enina ambin’ny folo ka napetraka ho lohan’andiany ireo laharana voalohany tao amin’ny vondrona. Isan’ireny ny Barcelone (ESP), Bayern Munich (GER), Borussia Dortmund (GER), Juventus (ITA), Manchester City (ENG), Paris (FRA), Porto (POR), Real Madrid (ESP). Ao amin’ny satroka faharoa kosa ireo laharana faharoa dia ny Ajax Amsterdam (NED), Atlético Madrid (ESP), Liverpool (ENG), Lyon (FRA), Manchester United (ENG), Roma (ITA), Schalke 04 (GER), Tottenham Hotspur (ENG). Klioba Anglisy efatra, Alemana telo, Espaniola telo, Italiana roa, Frantsay roa, Portigaly iray ary Pays Bas iray no tafita hiatrika an’ity dingana ity . Hotontosaina amin’ny 12/13, 19/20 febroary 2019 sy amin’ny 5/6, 12/13 marsa 2019 ho avy izao ireo lalao mandroso sy miverina hanamarika ny dingan’ny ampahavalon-dalana ho an’ity fifaninanana kaontinantaly ity. L’article KITRA – «UEFA CHAMPIONS LEAGUE» :: Nanara-dia ny PSG ho any amin’ ny ampahavalon-dalana ny Lyon est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus

Hotanterahina, amin’ny sabotsy 15 desambra ho avy izao, amin’ny 8 ora sy 15 minitra alina, any an-toerana (9 ora 15 minitra eto Madagasikara) ny lalao mandroso ho an’ny dingan’ny 1/16-n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, hifanandrinan’ny Kaizer Chiefs avy atsy Afrika Atsimo sy ny Elgeco Plus avy eto Madagasikara. Hanainga rahampitso alakamisy amin’ny 4 ora hariva, hihazo an’i Nairobi ny delegasiona malagasy misy mpilalao valo ambin’ny folo avy eo hamonjy an’i Durban, toerana hanaovana ny lalao amin’ny sabotsy ho avy izao. “Mpilalao iray ihany no mbola tsy afa-milalao amin’ireo delegasiona avy tany Guinée Equatoriale. Voadona nandritra ny lalao miverina i Ando, vodilaharana, ka tsy isan’ireo hiatrika ny lalao mandroso. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-pahasalamany amin’ny lalao miverina”, hoy i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra. Klioba vahiny iray avy any Afrika Atsimo, manana mpilalao malagasy iray, no hihaona amin’izy ireo any an-toerana. “Fanamby goavana ho anay ny hilalao amin’ny ekipan’ny Kaizer Chiefs, hilalaovan’i Arohasina na i Dax. Efa matetika nilalao taminay izy niaraka tamin’ ny Tana Formation na ihany koa tamin’ny Fosa Juniors Boeny. Mino aho fa any aminy ny tsindry rehefa hilalao etsy Mahamasina izy amin’ny lalao miverina”, hoy ihany i Bob. Raha tsiahivina dia fandresena tamin’ny isa 3 noho 1 no azon’ny ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara, tamin’ny lalao mandroso nihaonantsika tamin’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale, tetsy Mahamasina. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 2 noho 1, indray isika tany Malabo. Ny tambatr’isa 4 noho 3 no nampiakatra antsika ho eo amin’ny 1 /16-n-dalana. Tany amin’ny lalao mandroso, tany Afrika Atsimo, indray dia efa nomontsanin’ny Kaizer Chiefs, tamin’ny isa 4 noho 0, ny Zinamoto avy any Zanzibar. Fandresena aro voninahitra kosa no vitan’ity farany tamin’ny lalao miverina (2 – 1) ka nampihintsana azy ireo. L’article KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Nosakanan’i Maraoka ny lalan’ ny Barean’i Madagasikara

Nihintsana teo am-pototry ny dingan’ny manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja baolina lalaovina amina tora-pasika, nandritra ny lalao farany teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny CAN Beach Soccer fa tsy araka ny voasoratra teto amin’ny gazety, omaly. Ialana tsiny indrindra amintsika mpamaky noho io fifandisoana io. Resin’i Maraoka, tamin’ny alalan’ny isa 6 noho 4, ny Barean’i Madagasikara, tamin’ity lalao farany ity ka nahatonga azy ireo tsy tafiditra ho isan’ireo ekipa efatra hanohy ny fifaninanana. Faharesena roa (Ejypta sy Maraoka) sy fandresena tokana (Côte d’Ivoire) no nanjo ny ekipam-pirenentsika tamin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Voatery hiatrika ny lalao fanasokajiana ny Barean’i Madagasikara, manomboka anio. Hiady ny laharana fahadimy manoloana ny ekipan’i Tanzania, izay nitana ny laharana fahatelo teo amin’ny vondrona B, izy ireo. Ny ekipan’i Ejypta sy Maraoka no hisolo tena ny vondrona misy antsika eo amin’ny dingan’ny manasa-dalana, raha i Sénégal sy Nizeria kosa no hiaro ny voninahitry ny vondrona B. Hotanterahina, anio, ny manasa-dalana ilany, raha rahampitso kosa ny manasa-dalana iray, izay samy hialohavan’ ny lalao fiadian-toerana avokoa. L’article BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Nosakanan’i Maraoka ny lalan’ ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus

Hotanterahina, amin’ny sabotsy 15 desambra ho avy izao, amin’ny 8 ora sy 15 minitra alina, any an-toerana (9 ora 15 minitra eto Madagasikara) ny lalao mandroso ho an’ny dingan’ny 1/16-n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, hifanandrinan’ny Kaizer Chiefs avy atsy Afrika Atsimo sy ny Elgeco Plus avy eto Madagasikara. Hanainga rahampitso alakamisy amin’ny 4 ora hariva, hihazo an’i Nairobi ny delegasiona malagasy misy mpilalao valo ambin’ny folo avy eo hamonjy an’i Durban, toerana hanaovana ny lalao amin’ny sabotsy ho avy izao. “Mpilalao iray ihany no mbola tsy afa-milalao amin’ireo delegasiona avy tany Guinée Equatoriale. Voadona nandritra ny lalao miverina i Ando, vodilaharana, ka tsy isan’ireo hiatrika ny lalao mandroso. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-pahasalamany amin’ny lalao miverina”, hoy i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra. Klioba vahiny iray avy any Afrika Atsimo, manana mpilalao malagasy iray, no hihaona amin’izy ireo any an-toerana. “Fanamby goavana ho anay ny hilalao amin’ny ekipan’ny Kaizer Chiefs, hilalaovan’i Arohasina na i Dax. Efa matetika nilalao taminay izy niaraka tamin’ ny Tana Formation na ihany koa tamin’ny Fosa Juniors Boeny. Mino aho fa any aminy ny tsindry rehefa hilalao etsy Mahamasina izy amin’ny lalao miverina”, hoy ihany i Bob. Raha tsiahivina dia fandresena tamin’ny isa 3 noho 1 no azon’ny ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara, tamin’ny lalao mandroso nihaonantsika tamin’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale, tetsy Mahamasina. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 2 noho 1, indray isika tany Malabo. Ny tambatr’isa 4 noho 3 no nampiakatra antsika ho eo amin’ny 1 /16-n-dalana. Tany amin’ny lalao mandroso, tany Afrika Atsimo, indray dia efa nomontsanin’ny Kaizer Chiefs, tamin’ny isa 4 noho 0, ny Zinamoto avy any Zanzibar. Fandresena aro voninahitra kosa no vitan’ity farany tamin’ny lalao miverina (2 – 1) ka nampihintsana azy ireo. L’article KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar

Tapitra hatreo ny lalan’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer. Mbola resin’i Maraoka indray ny Malagasy, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.  Lavon’ny Liona-n’i Atlas avy any Maraoka, tamin’ny isa 6 no ho 4, ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer, ho an’ny sokajy “A”. Fihaonana,  notanterahina omaly talata, tao amin’ny kianja Laguna Vista Stadium, Sharm El Sheikh.Sahirana ny Barea de Madagascar satria nofehezin’ny Maraokanina tanteraka ny lalao tao anatin’ireo fe-potoana 12 mn, intelo miditra. Vao nanomboka dia efa nitarika an’isa ny Maraokanina. Tao anatin’ny minitra 5 monja dia efa nitarika tamin’ny isa, 3 no ho 0 ry zareo.Tsy tafiditra mihitsy ny mpilalao malagasy fa toa niharitra ny fanafihana nataon’ny mpifanandrina.Nanao fahadisoana matetika ihany koa ry zalahy ka nanome vahana ny Maraokanina, tamin’ny “coup de pied arrêté”. Teo amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana faharoa, nitarika 5 no ho 0 ny Maraokanina. Anisan’ny nampiditra baolina tamin’izany, ry Abada sy i Iazal ary El Hadaoui. Taorian’io vao nifoha tamin’ny torimasony ry Romain sy i Enidiel ary ry Tinasoa. Niezaka nanafika sy nanao izay ho afany, saingy efa nahazo tombony lavitra ny Maraokanina, ka sarotra ny nanenjika azy ireo.Na nahatafiditra baolina aza mantsy ny Barea de Madagascar, mbola nanampy isa ho azy ihany koa ry zareo, ka tsy nisy fanafany intsony. Manohy ny lalany ary hiatrika ny manasa-dalana, ho an’ny sokajy “A”, izany, ny liona-n’i Atlas, miaraka amin’ny Faraonan’i Egypta.Hiady ny toerana fahadimy kosa ny Barea de Madagascar, amin’ity alarobia ity ka hifanandrina amin’i Tanzania, laharana fahefatra, tao amin’ny sokajy “B”.Efa tafakatra amin’ny ankatoky ny famaranana ihany koa ny liona Teranga avy any Sénégal sy ny voromaherin’i Nizeria. TompondakaL’article Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara

Samy hiatrika ny lalao manasa-dalana avokoa ny ekipan’i Ejypta sy Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina amina tora-pasika na ny CAN Beach Soccer, tanterahina any Ejypta. Faharesena tamin’ny alalan’ny isa 4 noho 2 no nanjo ny Barean’i Madagasikara nanoloana ny Faraonan’i Ejypta, mpampiantrano, omaly, nandritra ny andro faharoan’ny lalaom-bondrona. Tamin’ny andro voa-lohany dia lavon’ny Barea tamin’ny alalan’ny isa 4 noho 3 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Samy tsy ho any amin’ny dingan’ny manasa-dalana kosa ity farany sy Maraoka. Lavon’i Maraoka, tamin’ny alalan’ny isa 5 noho 4, ny ekipan’i Côte d’Ivoire, omaly. Mitana ny laharana voalohany, taorian’ireo fandresena roa azony, ny Ejyptiana. Tamin’ny andro voalohany dia tamin’ny isa 6 noho 1 no nandresen’izy ireo an’i Maraoka. Laharana faharoa kosa i Madagasikara ary mbola manana lalao iray hoentina hanamafisana ny tapakilan’ny manasa-dalany izy ireo, anio. Hihaona amin’i Maraoka isika amin’izany. Ho an’ny vondrona B kosa indray dia efa tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana i Sénégal sy Nizeria, raha efa naman’ny mangoron’entana i Tanzania sy Lybia. Tamin’ny alalan’ny “tirs au but” (2 – 0) no nivoahan’i Sénégal ho mpandresy, nanoloana an’i Nizeria, tamin’ny andro voalohany, raha resin’i Lybia tamin’ny isa 5 noho 2 i Tanzania. Tamin’ny andro faharoa indray dia resin’i Sénégal tamin’ny isa 12 noho 2 i Tanzania, raha tafavoaka ho mpandresy nanoloana ny ekipan’i Lybia, tamin’ny alalan’ny isa 6 noho 3, kosa i Nizeria. Mbola nibata fandresena ihany koa ity farany, omaly, nanoloana an’i Tanzania (4 – 2). Hiatrika ny lalao farany ho azy i Sénégal, anio, manoloana an’i Tanzania. L’article BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - Sport

Ligue 1 – Andro faha 17

Ligue 1 Conforama - Saison 2018/2019 - Andro faha 17 Paris Saint-Germain - Montpellier Hérault SC (-) Angers SCO - Girondins de Bordeaux (-) EA Guingamp - Amiens SC (1-2) Nîmes Olympique - FC Nantes (-) Stade Rennais FC - Dijon FCO (2-0) Toulouse FC - Olympique Lyonnais (-) RC Strasbourg Alsace - SM Caen (2-2) LOSC - Stade de Reims (1-1) AS Monaco - OGC Nice (-) AS Saint-Etienne - Olympique de Marseille (-) Buteurs : Eddy GNAHORE (63' - Amiens SC) / Etienne DIDOT (70' - EA Guingamp) / Stiven MENDOZA (81' - Amiens SC) / Benjamin BOURIGEAUD (69' - Stade Rennais FC) / Hatem BEN ARFA (90' - Stade Rennais FC) / Pablo MARTINEZ (5' - RC Strasbourg Alsace) / Fayçal FAJR (22' - SM Caen) / Lebo MOTHIBA (23' - RC Strasbourg Alsace) / Saïf-Eddine KHAOUI (80' - SM Caen) / Rémi OUDIN (64' - Stade de Reims) / Nicolas PEPE (90' +6 pen - LOSC) Cartons rouges/exclusions : Marcus THURAM (EA Guingamp)

Foot - Sport

Ligue 1 – RC Strasbourg Alsace – SM Caen ( 2-2 )

RC Strasbourg Alsace - SM Caen ( 2-2) vidéo. Ligue 1 Conforama - Saison 2018/2019 - Andro faha 17- Stade de la Meinau - Alahady 9 décembre 2018 Buteurs : Pablo MARTINEZ (5' - RC Strasbourg Alsace) / Fayçal FAJR (22' - SM Caen) / Lebo MOTHIBA (23' - RC Strasbourg Alsace) / Saïf-Eddine KHAOUI (80' - SM Caen) Composition RC Strasbourg Alsace : 1 - Matz SELS / 4 - Pablo MARTINEZ / 5 - Lamine KONE / 8 - Jonas MARTIN / 10 - Benjamin CORGNET / 12 - Lebo MOTHIBA / 13 - Stefan MITROVIC (c) / 18 - Ibrahima SISSOKO / 19 - Anthony CACI / 26 - Adrien THOMASSON / 27 - Kenny LALA Composition SM Caen : 2 - Paul BAYSSE / 3 - Yoël ARMOUGOM / 4 - Ismaël DIOMANDE / 6 - Prince ONIANGUE (c) / 10 - Fayçal FAJR / 12 - Claudio BEAUVUE / 14 - Jonathan GRADIT / 18 - Yacine BAMMOU / 19 - Malik TCHOKOUNTE / 21 - Frédéric GUILBERT / 30 - Brice SAMBA

Foot - Sport

Ligue 1 – EA Guingamp – Amiens SC ( 1-2 )

EA Guingamp - Amiens SC ( 1-2) vidéo. Ligue 1 Conforama - Saison 2018/2019 - Andro faha 17- Stade Municipal du Roudourou - Asabotsy8 décembre 2018 Buteurs : Eddy GNAHORE (63' - Amiens SC) / Etienne DIDOT (70' - EA Guingamp) / Stiven MENDOZA (81' - Amiens SC) Cartons rouges/exclusions : Marcus THURAM (90' +5) Composition EA Guingamp : 1 - Karl-Johan JOHNSSON / 2 - Jordan IKOKO / 5 - Pedro REBOCHO / 7 - Ludovic BLAS / 11 - Marcus THURAM / 12 - Yeni NGBAKOTO / 15 - Jérémy SORBON / 22 - Etienne DIDOT / 23 - Ronny RODELIN / 24 - Marcus COCO / 29 - Christophe KERBRAT (c) Composition Amiens SC : 1 - Régis GURTNER / 2 - Prince-Désir GOUANO (c) / 3 - Khaled ADENON / 4 - Emil KRAFTH / 5 - Eddy GNAHORE / 6 - Thomas MONCONDUIT / 7 - Saman GHODDOS / 10 - Stiven MENDOZA / 11 - Juan Ferney OTERO / 12 - Bakaye DIBASSY / 17 - Alexis BLIN

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: resin’ny Faraonan’i Egypta ny Barea

Niondrika teo anatrehan’ny Faraonan’i Egypta ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer. Tsy maintsy mandresy an’i Maraoka ny Malagasy, anio.Tsy nitohy ny fahombiazana, ho an’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), beach soccer. Fihaonana, tanterahina any amin’ny torapasika Charm el-Cheikh, any Egypta. Resin’ny Faraonan’i Egypta mantsy, omaly, ny Malagasy, teo amin’ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “A”. Lavon’ny Egyptianina, tamin’ny isa 4 no ho 2, isika.Niady ny fihaonana, araka ny tati-baovao ary tena niendrika famaranana kely ny lalaon’ny roa tonta. Nanohitra hatramin’ny farany ny Barea, nanantombo teo amin’ny isan’ny fanafihana. Porofon’izany, nahatratra 13 ny isan’ny dakan’ireo mpilalao malagasy notarihin’i Tiana (Tsiliva) sy i Angeluc ary i Giovanni, nanitsy ny tsatoby egyptianina, raha sivy monja ny an-dry zareo Faraona.Nitarika tamin’ny isa, 2 no ho 0, ny Egyptianina vao nanenjika ny Malagasy, teo amin’ny 10 mn faharoa. Nifamaliana ny fanafihana avy eo, saingy tsy nisy afa-tsy 2 ihany ny baolina tafiditry ny andaniny sy ny ankilany.Nomena “pénalty” roa Nitranga kosa ny tsy nampoizina, teo amin’ny tapa-potoana fahatelo farany. Nahazo “pénalty” indroa misesy ry zareo Faraona, samy maty avokoa, ka nahazoan’izy ireo fandresena. Voalazan’ny loharanom-baovao fa nitongilana tamin-dry zareo mpampiantrano ny mpitsara, tamin’ity fihaonana ity.Ho an’ity sokajy “A” ity ihany, lavon’i Maraoka, tamin’ny isa tery 5 no ho 4, ry zareo Ivorianina. Mila mandresy an’i Maraoka izany ny Barea de Madagascar, anio, eo amin’ny lalao farany, ho an’ny fifanintsanana raha mbola te hanohy ny fifaninanana. Lalao famaranana kely ny an’ny roa tonta satria hangoron-damba izay resy.Ny an’ny vondrona “B” indray, niondrika teo anatrehan’ny Voromaherin’i Nizeria, tamin’ny isa 4 no ho 2, koa i Tanzania, ho an’ny vondrona “B”. I Tanzania sy Côte d’Ivoire izay efa samy mihintsana avokoa amin’ity “Can 2018”, taranja beach soccer, ity. TompondakaL’article Beach soccer – «Can 2018»: resin’ny Faraonan’i Egypta ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Foot - Sport

Ligue 1 – LOSC – Stade de Reims ( 1-1)

LOSC - Stade de Reims ( 1-1) vidéo. Ligue 1 Conforama - Saison 2018/2019 - Andro faha 17 - Stade Pierre Mauroy - Alahady 9 décembre 2018 Buteurs : Rémi OUDIN (64' - Stade de Reims) / Nicolas PEPE (90' +6 pen - LOSC) Composition LOSC : 6 - José FONTE (c) / 7 - Rafael LEAO / 8 - XEKA / 11 - Luiz ARAUJO / 12 - Jonathan IKONE / 16 - Mike MAIGNAN / 17 - Zeki CELIK / 19 - Nicolas PEPE / 22 - Yves DABILA / 23 - Thiago MENDES / 25 - Fodé BALLO-TOURE Composition Stade de Reims : 2 - Björn ENGELS / 3 - Ghislain KONAN / 4 - Alaixys ROMAO (c) / 5 - Yunis ABDELHAMID / 7 - Xavier CHAVALERIN / 10 - Hyunjun SUK / 12 - Pablo CHAVARRIA / 16 - Edouard MENDY / 17 - Aly NDOM / 25 - Moussa DOUMBIA / 32 - Thomas FOKET

Foot - Sport

Ligue 1 – Stade Rennais FC – Dijon FCO ( 2-0 )

Stade Rennais FC - Dijon FCO ( 2-0) vidéo. Ligue 1 Conforama - Saison 2018/2019 - Andro faha 17 - ROAZHON PARK - Asabotsy 8 décembre 2018 Buteurs : Benjamin BOURIGEAUD (69' - Stade Rennais FC) / Hatem BEN ARFA (90' - Stade Rennais FC) Composition Stade Rennais FC : 2 - Mehdi ZEFFANE / 3 - Damien DA SILVA / 7 - Ismaila SARR / 8 - Clément GRENIER / 11 - Mbaye NIANG / 12 - James LEA SILIKI / 16 - Abdoulaye DIALLO / 18 - Hatem BEN ARFA / 21 - Benjamin ANDRE (c) / 26 - Jérémy GELIN / 27 - Hamari TRAORE Composition Dijon FCO : 5 - Oussama HADDADI / 6 - Laurent CIMAN / 8 - Mehdi ABEID / 9 - Wesley SAID / 15 - Florent BALMONT / 16 - Bobby ALLAIN / 18 - Cédric YAMBERE / 19 - Valentin ROSIER / 20 - Romain AMALFITANO (c) / 26 - Fouad CHAFIK / 29 - Benjamin JEANNOT

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: resin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

Tsara fanombohana ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2018”, beach soccer. Fandresena avy hatrany mantsy ny azon-dry zalahy nanoloana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nisantatra fandresena ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2018”, baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika “beach soccer”. Fifaninanana, tanterahina ao amin’ny Charm el-Cheikh, ao Egypta.Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa tery 4 no ho 3, teo amin’ny lalao voalohany, ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, teo amin’ny andro voalohany notanterahina, omaly alahady. Niady hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta. Nifandimbiasana ny nitarika ny isa tao anatin’ireo 12 mn intelo miditra. Nanahirana ny Ivoarianina ny traikefa sy ny hakingana eo amin-dry Tiana (Tsiliva) sy ry Juliot ary i Angeluc.Hifandona amin’ny Faraonan’i Egyta ny Barea, anio, eo amin’ny andro faharoa. Ry zareo Egyptianina izay nandavo an’i Maraoka, tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 1, ho an’ity sokajy “A” ity.Nivoaka sempotra kosa ny Lionan’i Teranga avy any Sénégal, tompondakan’i Afrika farany,  vao nivoaka nandresy nanoloana ny Voromaherin’i Nizeria, ho an’ny vondrona “B”. Efa tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 2 no ho 1, mantsy vao tafavoaka izy ireo. Nisaraka tamin’ny isa 4 no ho 4 ny roa tonta, tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana.Ho an’ny lalao ilany, ho an’ity sokajy ity ihany, lavon’i Lybia, tamin’ny isa mazava 5 no ho 2, i Tanzania. TorcelinL’article Beach soccer – «Can 2018»: resin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA AMINA TORA-PASIKA :: Hanainga, anio ho any Ejypta, ny Barea Beach Soccer

Lasa ihany. Raha mbola nanjavozavo, iray volana lasa izay, ny mety ho fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja baolina kitra lalaovina amina tora-pasika na “Can Beach Soccer” dia hanainga anio ihany izy ireo. Hotanterahina any Ejypta amin’ny 8 – 13 desambra ho avy izao ity fifaninanana kaontinantaly efa nahazoan’i Mada- gasikara ny anaram-boninahitra, tamin’ny andiany voalohany ity. Andiany fahatelo izao hotanterahina any amin’ny firenen’i Faraona izao. Mpilalao roa ambin’ ny folo no mandrafitra ny delegasiona tarihin’i Benony Jacques, mpikambana ao amin’ny komity vaovaon’ny Federasiona. Saika ireo mpilalao efa nisalotra ny anaram-boninahitra tamin’ny taona 2015 ny ankamaroan’izy ireo. Isan’ireny ry Jhorialy sy Tsiliva ary Ymelda. Misy ihany koa ireo efa tao anatin’ny ekipam-pirenena foana toa an-dry Angéluc, Enidiel sy ireo maro hafa. Hiray vondrona amin’i Ejypta (mpampiantrano), Maraoka ary Côte d’Ivoire, ny Barean’i Madagasikara, amin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Hifanintsana eo amin’ny vondrona B kosa i Sénégal, Nizeria, Lybia ary Tanzania. I Côte d’Ivoire no hihaona voalohany amintsika, amin’ny alahady 9 desambra izao. I Ejypta sy Maraoka kosa no hanohy izany, amin’ny alatsinainy 10 sy talata 11 desambra. Aorian’io dia hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana ireo ekipa valo mandray anjara, mialoha ny hanohizana amin’ny dingan’ny manasa-dalana sy famaranana. L’article KITRA AMINA TORA-PASIKA :: Hanainga, anio ho any Ejypta, ny Barea Beach Soccer est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

CAN Beach Soccer: hanainga anio ny Malagasy

Notsofina rano teny amin’ny foiben’ny federasiona malagasy ny baolina kitra, Isoraka, ireo mpilalao miisa 12 hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, baolina kitra eny amin’ny tora-pasika. Lalao izay hatao any Egipta manomboka rahampitso 8 desambra, hatramin’ny 11 desambra ho avy izao. Vonona ny hitondra avo ny voninahi-pirenena ny ekipa malagasy Barea mandritra ity lalao hotanterahina any Ejypta ity. Nivoatra ny traikefan’ireo mpilalao tamin’ity taona ity, raha ny voka-dalao no jerena. Tsara mantsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, raha hiverenana ny lalao farany tamin’ny fifanintsanana, nifanandrinan’ny Barea tamin’ny ekipan’ny Mozambika. Nomontsanin’ny Malagasy tamin’ny isa 5 no ho 4 ry zareo Mozambikanina, nandritra ny lalao mandroso notanterahina tany Mozambika. Sahala 5 no ho 5 kosa ny fifanandrinana tamin’ny lalao miverina notontosaina tany Mahajanga. Isa 10 no ho 9, araka izany, no nisarahan’ny roa tonta rehefa natao ny tambatr’isa ka nahazo ny tapakila hiatrehana izao dingana famaranana amin’ny CAN 2018 izao ny ekipa malagasy. Fantatra fa hisantatra ny lalao, ny alatsinainy ho avy izao, ny ekipa malagasy, manoloana ny ekipan’ny Egipta, raha ny fandaharam-potoana. Nanome toky ireo mpilalao fa hanao izay fara hery handresena ity ekipa mpampiantrano ity ary hitondra medaly hiverina eto an-tanindrazana. Anio amin’ny 2 ora sy sasany no hanainga ireo mpilalao miisa 12 tarihin’ny filohan’ny delegasiona, Benony Jacques. Mi.Raz Ny lisitry ny mpilalao, hanainga anio 1- RAFALIMANANA Jhorialy 2- ANDRIMIFEHY Chrétien 3- LAIAGNARA Jean Jacques 4- ETIENNE Giovanni Oscar 5- RICHARD Marcel 6- RATSIAMARINALA Jasmin Juliot 7- RAMANANTSOANY Hollas 8- RABEASIMBOLA Tianasoa 9- RAZAFIMNDIMBY Ymelda 10- ENIDIEL Régis 11- FITANA Romain 12- RAZAFINILAINA AngelucL’article CAN Beach Soccer: hanainga anio ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.