Cinéma

Cinéma - News - News Mada

Sarimihetsika: hanamafy ny mahamatihanina ny RFC faha-14

Andro vitsy sisa, higadona ilay fotoana efa nandrasan’ny mpankafy horonantsary malagasy. Tsy inona izany fa ny “Festival Rencontres du film court” (RFC) andiany faha-14, hotanterahina ny 19 hatramin’ny 21 avrily, eto Antananarivo. Hifantoka kokoa amin’ny fanamafisana ny mahamatihanina ireo sehatra asa rehetra mahakasika ny sarimihetsika ity andiany ity.Araka izany, hahazo vahana kokoa, amin’ity andiany faha-14 ity, ny fihaonan’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ary ny fifanakalozana traikefa. Nandritra izay 14 taona nanatanterahana ny RFC izay, nisy hatrany ary mbola hitohy ny atrikasa fiofanana, izay hiompana amin’ny lohahevitra samihafa.Araka ny voalazan’ny mpikarakara, manana matihanina isika eto Madagasikara, afaka hizara ny fahalalany sy ny fahaizany. Ho maro koa anefa ny manampahaizana avy any ivelany, hanampy tosika azy ireo ho fanatrarana io vina io. Toy ny isan-taona, mitondra zava-baovao hatrany ny RFC.Anisan’ireny, ohatra, ny “Koba mitam-pihavanana”, fotoana iray hanomezana sehatra hanehoan’ireo mpanatontosa sarimihetsika ny heviny. Hanana anjara amin’izany koa ireo  vahiny nasain’ny mpikarakara. Tsiahivina fa hetsika tokana eto Madagasikara sady iraisam-pirenena mahakasika ny horonantsary fohy ny RFC.Landy R. L’article Sarimihetsika: hanamafy ny mahamatihanina ny RFC faha-14 a été récupéré chez Newsmada.

Cinéma - People

Eva Longoria : fibatana fonjam-by, fanatanjahan-tena, sakafo … te hiverina amin’ny bikany taloha izy

Fito volana taorinanan'ny nahaterahan'i Santiago, Eva Longoria dia efa nihena taorinan'ny nitondrany vohoka. Fa ilay "ex-star" an'i "Desperate Housewives" dia tsy hijanona eo fa mbola hanohy ny fihenany mandrapahitany an'ilay bika manify talohan'ny nitondrany vohoka. Ilay mpilalao sary mihetsika, izay efa nanomboka niasa, dia nikotrana mafy. Tao amin'ny pejin'i US Weekly no nanaovan'i Eva Longoria fanambarana ny amin'ny fianany vaovao, niteny izy tao hoe, izy izay efa 43 taona dia efa reny. Io zaza io dia vokatry ny fanambadiany niaraka tamin'ilay mpandraharaha mexikana José Baston ary izay hanokanany ny ampahany lehibe amin'ny fotoanany. Hoy i Eva Longoria hoe "Izaho dia nanome fotoana maro ho an'ny vatako mba haka ny toerany rehefa avy teraka aho. Ankehitriny dia manao fanatanjahan-tena mafy aho ary manaramaso tsara ny zavatra ho haniko izaho. Vao manomboka izaho izao. Tsy maniry ny hikotrana mafy be loatra aho anefa mba hiverenan'ny bikako." Eva Longoria dia nitandrina foana ny bikany, ny mpankafy an'i Desperate Housewives dia mahatadidy tsara an'ilay vatana manifinify rehefa nilalao an'i Gabrielle izy. Ilay kintan'i Desperate Housewives dia manao yoga, ny "pilates" ary ny hazakazaka. Niteny ihany koa izy fa manao fibatana fonjam-by tena matotra izy. Raha maka milamina amin'ny fanariana kilao mihaotra aza i Eva Longoria dia mihezaka ny maka fotoana arak'izay azo atao anefa ity farany ho an'ny zanany Santiago. Ao amin'ny tambazotra Instagram, dia mandefa sary matetika izy miaraka amin'ny zanany lahy. Ny farany izay hita ao dia izy miara-matory amin'ny zananay. Fotoana iray ho an'ilay mpilalao sarimihetsika izay efa nanomboka ny asany ary andrasana ho "guest" ao amin'ilay série Grand Hotel (coproductrice exécutive izy amin'io série io) sy ao amin'ny "Dora l'exploratrice" izay horonantsary nalaina avy amin'ilay sarimiaina "Dora l'exploratrice". Cet article a été tiré de http://www.purepeople.com/article/eva-longoria-musculation-sport-nourriture-elle-veut-retrouver-la-ligne_a315650/1

Cinéma - News - Ao Raha

Horonantsary vaovao

Eo am-pamaranana ny fanodinana sarimihetsika voalohany vokariny ny Métatron Production, eny Mahitsy. Tantara mitondra ny lohateny hoe “Tsio-drivotra”. Miala amin’ny mahazatra ny votoatiny satria hanasongadina ny olam-piarahamonina ateraky ny tsy fitovian’ny fanajana ny soatoavina malagasy any ambanivohitra sy an-drenivohitra ankehitriny, raha ny fanazavan’i Maminiaina Johnny, talen’ity trano famokarana ity. Mpilalao sarimihetsika avy amin’ny toerana ivelan’ Antananarivo ny ankamaroan’ireo dimy ambin’ny folo notsongaina hamelona ny horonantsary “Tsio-drivotra”, izay hivoaka tsy ho ela. Ho fampivelarana ny talenta vao misondrotra no antony, araka ny fantatra. Tazana ao anatin’ity tantara ity ihany koa ny mpanakanto Nhodas, izay misehatra amin’ny mozika mafana. L’article Horonantsary vaovao est apparu en premier sur AoRaha.

Cinéma - Déssins animés - Jeux - Jouet

Ny kilalao : Robot Trains

Ny Robot Train dia sarimiaina miendrika série vita avy any Korea Atsimo. I "4th Creative Party (AZworks) sy CJ E&M no namokatra azy. Ny Robot Train dia mipetraka any amin'ny "Le Monde des Trains". Ny mponina amin'io toerana io dia lamasinina avokoa. Ary ny sasany amin'ireo lamasinina ireo dia afaka miova ho robot. Ireo lamasinina ireo dia antsoina hoe "Robot Train". Ao amin'io sarimiaina io dia manaraka ny tantaran'ny lamasinina 5 izay manana hery manokana. I Kay, Alf, Duck, Selly ary Victor no anaran'ireo lamasinina ireo. I Kay dia manana hery hanokafana ny tonelina antsoina hoe "tunnel spatio-temporels" izay mampifandray ny kaontinantan'ny "Monde des Trains". I Kay dia lamasinina mangamanga ka manana endrika fiaramanidina. Afaka manao zavatra maro izy. Ny tanjon'i Kay dia ny hampifandray ny kaontinanta tsirairay izay misy ka fantatra. I Alf dia Robot Train menamena. Izy io dia miandraikitra ny ara-teknika rehetra ary no namana akaiky an'i Kay. I Alf ihany koa dia miandraikitra ny fiarovana ny kaontinantan'ny "Montagne des avalanches". Ny fitaovana voalohany hananany dia ny "lance grappins". I Duck dia Robot Train afaka mandeha amin'ny rano izay miloko mavomavo. Ny endrik'i Duck dia toy ny vavan'ny ganagana. Ny fitaovany ananany dia basy rano. Na dia ohatran'ny mikaviavia ary ity farany sy ny fatahorany dia indraindray izy dia tena ilaina raha sendra misy olana saro-bahana. I Selly dia Robot Train dia afaka manamboatra zavatra maro. Miloko mavokely izy ity. Izy no manamboatra an'ireo lamasinina raha sendra ka manana olana ireto farany na ihany koa maty. Izy ity dia miaraka amin'ny robot kely iray antsoina hoe Becky. Ankoatran'ny fahaizan'i Selly manamboatra dia afaka manamboatra baomba andriamby izay tena ilaina rehefa miady. I Victor dia Robot Train mavo sy mainty. Ny orony dia toy ny réacteur fiaramanidina izay miodina rehefa miresaka izy ary afaka mitsoka rivotra mahery. Lamasinina tena matanjaka i Victor ary efa ampy traikefa tsara. Izy no mpanofana lamasinina maro ary tena hajain'ireo mponina ao amin'ny "Le monde des trains". I Karl kosa dia Robot train mainty izay manana endrika lamasinina tena mandeha faran'izay haingana. Tena matanjaka izy ity ary manana fitaovana maro, ny sasany dia afaka ampiasaina rehefa miady fa ny tena fitaovany dia ny skate-bord izay antsoina hoe Delta Planche. Inona no nanosika an'i Karl hiady amin'i Kay, fialonana ve sa misy zavatra hafa ? Ny kilalao Robot Train Ankoatrany sarimiaina dia misy kilalao maro Robot Train toy ny : Parking Robot Train. Izy ity dia parking iray manana rihana maro. Ankoatr'izay dia misy lamasinina maro ao toy ny Duck, Selly ary i Alf ao anatiny ka afaka lalaovina eo amin'ilay parking ; Misy figurine an'i Kay, Alf, Duck, Selly, Viktor izay afaka ovaina ho lamasinina robot.

Cinéma

Oscar Isaac dia nilaza fa « nahatsiravina » ny fakana sarin’ny X-Men : Apocalypse

Ilay mpilalao sarimihetsika dia nitazona fahatsiarovana ratsy mikasika ny costume nanaovany. 2 taona sy tapany taorian’ny nvoahan’ilay horonan-tsary, Oscar Isaac (saga Star Wars, Inside Llewyn Davis, A Most Violent Year) dia mbola tsy mahazo aina foana tamin’ny nanaovana ny tournagen’ny X-Men : Apocalypse. Niverina tamin’izany zavatra nitranga nandreraka azy izany izy tamin’ny fifampiresahana video nomeny an’i gaety boky GQ. « Tena nahatsiravina, hoy izy. Tsy fantatro mihitsy tamin’izaho nanaiky ny hanao an’ilay film hoe ho ohatr’izany ny zavatra hitranga. Hoe ho ao anaty costume latex miraikitra be, efa ho 18 kilao, ka tsy maintsy ho voatery hitondra système fampangatsiahina aho. » Tamin’ny voalohany dia tena navitribitrika tamin’ilay zavatra ho atao izy, fa tamin’ny farany dia tena saika kivy mihitsy i Oscar Isaac : « Niheritreritr aho hoe ‘ handeha hiara hiasa amin’ny mpilalao sarimihetsika tena tiako indrindra’ kanefa tsy afaka ny ho hitako akory izy ireo satria ty afaka ny nanetsika ny lohako aho. Mla mipetraka eo ambony seza manokana aho satria izay irery no mba zavatra azoko hipetrahana, ary batana makany anaty trano lay misy fampangatsiahina rehefa eo anelanelan’ny fakana sary. » Tena nahasosotra hatramin’ny farany ilay izy. « Isaky ny mihetsika aho, hoy izy, dia ohatry ny misy feona caoutchouc na plastique. Ka ny vokatr’izay dia izay rehetra teneniko dia voatery naverina nalaina feo taty aoriana. Fa ny fotoana rfaran’izay ratsy indrindra dia rehefa hanala an’ilay costume, mila kikisana mandritra ny or amaro ilay izy. Hisy oronan-tsary roa hivoaka mikasika an’ireo X-Men amin’y taona 2019 : Dark Phoenix (5 jona 2019) sy Les Nouveaux Mutants(7 aogositra 2019). I Oscar Isaac dia tsy milalao amin’izy roa ireo, soa ihany ho an’azy. Kanefa hiverina izy amin’ny herintaona amin’ilay film At Eternity's Gate sy Star Wars épisode IX

Cinéma - News - People - séries

Grey’s Anatomy : mpilalao iray nanambady

Raha ireo olona lalaovina ao amin'ilay sérieo Grey's Anatomy io no sahirana amin'ny fitadiavana ny fitiavana, dia tsy izany no zava-mitranga ho an'ireo mpilalao azy. Mpilalao sarimihetsika iray ao amin'io série izao no nanao "eny" amin'ilay silaky ny ainy. Nisy tokoa ny fifankatiavana teo amin'ny série Grey's Anatomy, satria ny mpilalao iray ao amin'ny sarimihetsika izay noforonon'i Shonda Rhimes dia nanambady ny andefomandriny. I Chris Carmack izany alias Atticus Lincoln. 37 taona izy io ary efa hita teo amin'ny série maro hafa toy ny "Desperate Housewives" ka nilalao an'i Tim izy tao. Nilalao tao amin'i série "Les Experts : Miami" tamin'ny 2007 ihany koa izy. Roa taona taty aoriana dia nilalao tao amin'ny "Drop Dead Diva" izy. Raha teo amin'ny asany dia betsaka ny tetikasan'i Chris Carmack. Io mpilalao sarimihetsika io dia sambatra eo amin'ny fitiavana. Ny 20 oktobra teo, dia nizara sary anankiroa ny mariaziny sy i Erin Slaver ny olona niaraka aminy taona maro. Nahazo zazavavy izy ireo tamin'ny 30 Aogositra 2016. Surnommé « Le Dieu de l’ortho », le personnage de Link est devenu incontournable dans la quinzième saison inédite de Grey’s Anatomy. En tant que chirurgien orthopédique, il est aussi indispensable pour le bon fonctionnement du Grey Sloan Memorial Hospital. Un nouveau personnage qui bouleverse aussi le quotidien de l’héroïne Meredith Grey jouée par Ellen Pompeo. Retenez donc bien le nom de Chris Carmack. Il devrait surprendre les téléspectateurs ! Nantsoina hoe "Le Dieu de l'ortho", Link ilay olona nolalaoviny dia tena tsy azo nihodivirana tao amin'ilay saison 15 an'i Grey's Anatomy. Ankoatran'ny maha "chirurgien orthopédique" azy dia nilaina tokoa izy ny amin'ny fandehanan'i Grey Sloan Memorial Hospital. I Link dia nampisavoaravoara ny andrompianan'i Meredith Grey izay lalaovin'i Ellen Pompeo. Tadidio tsara ary ny anaran'i Chris Carmack.

Cinéma - Déssins animés - Jeux - Jouet

Ny tantara tena marina tao anatin’ny sarimiaina Moana, Blanche Neige…

Nosintonina avy amin’ireo tantara tena nisy ny ankamaroan’ireo sarimiaina. Namboarina izy ireo, mba hampanonofy sy hahafinaritra ny mijery azy, ho an’ny ankizy. Inona no tena zava-nisy marina tao amin’ireo sarimiaina ireo. Nosoratan’i Madame Gabrielle-Suzanne de Villeneuve ny tantaran’i “La belle et la bête » tany amin’ny taona 1740 tany. Mpifankatia tena nisy no nangalany ilay tantara, izay an’i Pedro sy Catherine Gonsalvus. Aretina nahatonga azy ho voloina be no nahazo an’i Pedro. Niteraka fito izy ireo taty aoriana na dia tsy nivadika printsy tsara tarehy aza i Pedro ao anatin’ilay tantara tena izy. Nalaina avy tao amin’ilay angano nosoratan’i Hans Christian ilay mpanjakavavy ao anatin’ny “La reine des neiges”. Nipetraka tao amina lapa vita amin’ny lagilasy izy ary naka an-keriny zazakely iray no sady nanisy ody ratsy azy. Gerda, izay naman’io zaza io no nanavotra azy, taona vitsy taty aoriana. Ao anatin’ilay angano miresaka mahakasika ny “frères Grimm” no mirakitra ny mariazin’i Blanche-Neige sy ny printsy. Rehefa tonga tao ilay rafozam-bavy ratsy toetra dia nasaina nanao kiraro nisy vy mahamay sy mankarary tongotra ka noterena handihy mandra-pahafatiny izy. Tsy tena nisy i Vaiana (Moana), raha ny tantara no jerena. Rehefa hamorona ity sarimiaina ity ireo mpamokatra dia nankany Polynésie mihitsy. Taorian’io dian’izy ireo dia nanaitra azy ireo kokoa ny fahitana ireo vehivavy sady tsara tarehy no matanjaka. Maro be ireo zavatra hitan’izy ireo ka namoronana an’i Vaiana. Raha araka ny tantara kosa, izay mifanohitra tanteraka amin’ilay sary miaina tena misy, dia lehilahy mahia kely i Maui ary manao fehiloha. Rinahsoa Lahatsoratra nalaina avy amin'i :

Cinéma - News - News Mada

« International documentary film festival »: efa any Amsterdam i Tsikivy sy Razanamalala

Manana solontena tanora roa: Razanamalala Christella, 16 taona, sy i Maka Tsikivy, 23 taona, i Madagasikara amin’ny hetsika « One minute junior awards ». Famokarana horonantsary fohy tontosain’ny ankizy na tanora mirakitra ny zavatra iainany andavanandro na koa ny nofinofiny ny “One minute junior awards” ahafahany mitondra ny feony. 15 ny isan’ny hiatrika ny famaranana any Amsterdam, nanomboka ny 14 novambra lasa teo ary hifarana rahampitso.  Efa any an-toerana izy mianadahy ary miandry ny vokatry famaranana. Manohana ny fanatanterahana ny fifaninanana sy manao tantsoroka ho an’ny ankizy vonona handray anjara ny Unicef. Nampivoitra ny fiainan’ny ankizy any amin’ny faritra atsimo ny votoatin’ny horonantsary novokarin’izy mianadahy. Nahasarika ny mpitsara manokana ny sanganasan’i Tsikivy, nomeny ny lohateny « Raha izaho no filoham-pirenena ». Alefa ao anatin’ny hetsika “International documentary film festival IDFA” ireo horonantsary 15 hiatrika ny famaranana ary hisongadina izay mendrika ka ho voasokajy ho voalohany. Telo ny sokajin’ny loka hozaraina amin’izany. Olona efa matihanina amin’ny tontolon’ny sarimihetsika Gover Meitn Larissa Koekkoek… no hitsara ireo sanganasa rehetra. Vonjy A.

Cinéma

Toy Story 4 : teaser faharoa ahitana an’i Jordan Peele miresaka ny … teaser voalohany

Iray andro tao aorian’ny nandefasana ny teaser voalohany ho an’ny Tyy Story 4, izay nahitantsika an’i Forky, dia nisy teaser faharoa navoaka indray androany. Hita ao ireo mpandray anjara vaovao roa, Ducky sy i Bunny, peluches amin’ireny fête foraine ireny. Ny feon’ireo dia ho ataon’i Jordan Peele (mpanantontosa an’ny Get Out) sy i Keegan Michael-Key, fantatra any Etazonia amin’ny sehatry ny hatsikana amin’ny anarana Key & Peele. Ilay vireo dia mampiseho an’izy roalahy miresaka momba ny … Toy Story 4. Ducky (Keegan Michael-Key) sy i Bunny (Jordan Peele), peluches roa amin’ireny fête foraine ireny, dia miresaka mikasika ny fanambara ny hivoahan’ny Toy Story. Mihezaka ny mitadidy ilay fitenin’i Buzz l’Eclair malaza iny - "Vers l’infini et l’au-delà" amin’ny dikany amin’ny teny frantsay – nefa tena tsy vitan’izy ireo. "To infinity and beyond" dia lasa "To infinity and your mom", "To insanity and a blonde" ary "To immunity and respond". Mandrapahatongan’i Woody sy i Buzz mba hanampy anazy ireo. Toy Story 4 dia hivoaka amin’ny 29 jona 2019.

Cinéma - News

Spike Lee nampifamadihana tamin’i Stan Lee

Nampifamadihan’ny olona tamin’i Stan Lee, nandà ny fahafatesany i Spike Lee "Velona soa aman-tsara aho!", hoy ilay mpanantontosa tamin’ny Instagram. Lasa nalaza tampoka omaly ny teo amin’ny gazety néo-zélandais Gisborne Herald, satria afaka vakiana hoe « Maty tamin’ny 95 taona i Spike Lee ». y sary dia ny an’i Stan Lee tokoa, ilay mpamorona super héros marvel maro izay maty tamin’ny alatsinainy, fa efa navoaka ilay izy. Voatery ilay mpanantontosa 61 taona ny handà ny fahafatesany. Teo amin’ny compte Instagram, nozarainy ilay sarin’ilay gazety ary nilaza izy fa « velona soa aman-tsara ». « Andriamanitra anie hitahy ny fanahin’i Stan Lee, fa ny anahy aloho, mbola aoka aloha .», hoy ilay mpanantontosa ny Do The Right Thing et Blackkklansman. Jeremy Muir, ilay mpanoratra ao amin’ny Gisborne Herald, dia niala tsiny ho an’izany fahadisoana izany, ka nilaza fa tena « mahamenatra izany » ho an’ny endrika asehon’ity gazety ity, izay nisy hatramin’ny 1874. « nampihomehy ny olona izany, dia tsy maninona, fa tena mahamenatra. Fahadisoan’olom-belona izany. »

Cinéma

Trailer – The Hate U Give

Film mandona mikasika ny herisetran’ireo polisy miaraka amin’i Amandla Stenberg Jereo ny trailer-n’ny The hate U Give, film amerikana mandona mikasika ny herisetran’ireo polisy izay manozongozona an’i Etazonia nandritra ny taona vitsivitsy izay. Tao aorian’ny nahafatesan’i Oscar Grant tany Fruitvale Station tamin’ny 2009 no nanoratan’i Angie Thomas (izay mbola mpianatra tamin’izay) tantara kely mikasika ny herisetran’ireo Polisy amin’ireo mainty hoditra any Amerika. Taona vitsy taty aoriana, raha nandalo toe-javatra maro mitovy an’izany ny amerikana izay nahatonga ny fiforonan’ny fanoherana Black Lives Matter, dia nanapa-kevitra ity tovovavy ity ny hamadika ilay tantara kely ho Boky mba hamoahany ny fahatezerany rehetra. Nivoaka tamin’ny 2017 izany boky izany « The hate you give us » ary dia tena nalaza tokoa. Nalain’i Hollywood haingana ny zo ahafahana mamokatra azy ho horonan-tsary. Izany oronan-tsary notontosain’i George Tillman JR izany no hitantsika amin’ity trailer voalohany ity, raha adika tsotsotra ny lohateniny fdia hoe : « ny fankahalana homenareo ». Ilay film dia mitantara ny tantaran’i Starr, mpianatra iray izao nahita maso ny namonoan’ny polisy ny namany hatramin’ny mbola kely. Ao anatin’ny faneren’ireo manodidina azy i Starr ka voatery mila mitady ny lalany ka hiady ho an’izay marina. Ny sary vitsivitsy aseho eto dia ahitana fa ho tena tsara ity film ity.

Cinéma - séries

Stranger Things : tapitra ny tournagen’ny saison 3!

Andrasana amin’ny herin-taona, vita ny tournagen’ny ny saison fahatelon’ny "Stranger Things" araky ny nambaran’ny Netflix amin’ny fomba ôfisialy tamin’ny compte twitter, sy nambaran’ny mpilalao David Harbour tamin’ny Instagram. Vita aloha izany ny fakàna sarin’ny saison 3 ho an’ny Stranger Things, raha araky ny nambaran’i Netflix mpamokatra ilay serie. Andrasana amin’ny 2019 ary mbola tsy misy daty ôfisialy, ity andiana fahatelo ity dia hitranga amin’ny taona 1985, tamin’ny nivoahan’ny Retours vers le Futur ary raha ny filazan’ireo mpandray anjara dia ity no saison faran’izay mahatsiravina indrindra. Tamin’ny instagram, ilay mpilalao David Harbour ( milalao ny Sherif Jim Hopper) dia efa nampilaza an’ireo mpankafy fa vita ny tournage, nanoratra zavatra hafahafa ko aizy tamin’izay : « Vita, aoka ny rehetra hanao veloma an’i Volom-bava. Raha mila vaovao momba an’i Hawkins ianareo rehefa tsy eo aho dia antsoy i Gary. Tsy mahay manakombona ny vavany iny. »

Cinéma - séries

Efa misy daty ny Game of Thrones saison 8

Nandefa Trailer voalohany i HBO ho an’ny saion farany an’i Game of Thrones tamin’ny talata teo, ka tao ry zareo no nilaza fa ny aprily 2019 no hanombohany. Ny chaine HBO dia nanambara amin’izay ny daty hiverenan’ny serie be mpiandry indrindra Game of Thrones. Ilay seria namboarina avy amin’ny boky nosoratan’i George R.R. Martin dia ho atomboka ny volana aprily ho avy izao. Volana vitsy izany siasa no iandrasana. Daty sy Trailer iray, fanomezana alohan’ny noely Mba hanaarahana izany fanambarana izany dia nandefa trailer iray tokony ho 30 secondra teo i HBO, izany dia efa nisy nijery mpijery antampitrisany. Teo amin’ny Twitter, ilay post nanambarana izany dia efa nahazoana « j’aime » 2 hetsy sy retweets 2 alina sy 1 hetsy tao anatin’ny 18 ora monja. Ilay Trailer dia tsy manambara n’inon’inona ny amin’y zavatra mety hitranga, ankoatry ny hoe efa tonga amin’ny fara-tampony ny ady ho an’ny Seza Fiandrianana. Mamerina mampiseho ny fotoana nanamarika ny saison 7 taloha ihany koa izany trailer izany. Mba hamaranana tsara ity tantara ity dia hita tao i Ned Stark, ilay mpanampaka tao Winterfell.

Cinéma

Top Gun 2 : ny antony nanemorana ilay film

Tamin’ity 2018 ity dia rentsika ny hivoahan’ny Top Gun 2, efa noheritreretina hivoaka ny lohataona 2019 izany, kanefa dia nahemotra erin-taona ; nefa tsy dia fantatra loatra ny antony. Ny gazety anglisy The Sun dia manome fanazavana bebe kokoa : i Tom dia maniry, alohan’ny hanombohan’ny tournage, ny hianatra hitondra avion de combat ! Izy amin’izay no ho mpilalao sarimihetsika voalohany teo amin’ny tantaran’ny cinéma ny tena hitondra Jet rehefa manao film. « Efa fantatra i Tom fa izy foana no manao ny cascadeny, ary ho torak’izany koa amin’ny Top Gun » hoy ny olona iray akaiky azy niresaka tamin’ny gazety, ary nanampy izy hoe : « ho reharehany manokana ny hanatanteraka ny action manakaiky ny tena izy. Tsy hanao an’izy rehetra anefa izy satria tena misy mampidi-doza tokoa ny cascade sasany ao amin’ilay film, fa hanao maromaro amin’izany izy. » Efa azontsika ho hita miha fotsy sahady ny volon’ireo olona ao amin’ny assurance … Mandrapaha aloha dia ity ny Trailer Top Gun 1