News - Santé - COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

24/09/2020
Tohizo ny famakiana >>

News - News Mada
24/09/2020

Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika

Raikitra ny fitsofana kiririoka nataon’ireo mpiasa antselika sasany ao amin’ny kaominina Toamasina, omaly. Nitaky karama sivy volana tsy voaray izy ireo. Notanisain’ireto mpiasa ireto fa mandrahona handroaka azy ireo mpanofa trano. Eo koa ny fampidirana ny mpianatra sy ny olana samihafa. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina kosa fa tsy miankina amin’ny mpitantana ankehitriny ny antony mahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa antselika. “Miisa 2 346 ireo mpiasa tamin’ny fidirany teo nanomboka ny janoary 2020 ary andoavana karama hatramin’ny 500 tapitrisa Ar ka mavesatra amin’ny kaominina izany”, hoy izy. Nanteriny fa hany fidiram-bolan’ny kaominina mba matanjaka ny tamberim-bidy amin’ny seranantsambo. Kely kosa izany amin’ny eny anivon’ny tsena sy ny hetra sasany. Maro loatra ny mpiasa nefa koa eo ireo mpiasa matoatoa, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa mbola mandoa ny karama tsy voaloan’ny teo aloha ny mpitantana ankehitriny.Sajo sy Synèse R.L’article Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy

                “Miainga avy amin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombona antoka, ny antoko politika sy ny kandidà tamin’ny fifidianana, ny mpanara-maso ny fifidianana… Naravon’ny Ceni izany ary hatolotra amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampanjariana ny lalàna” , hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly. Namory ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) sy ny antoko politika ny eo anivon’ny Ceni ho fanatsarana ny fifidianana. Tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: hitarina ho herintaona mialoha ny volana hanatanterahana fifidianana ny fiomanana. Manomboka amin’izany ny fampielezan-kevitra. Malalaka ny fanomanana sy ny propagandy.Momba ny rotsa-bolan’ny kandidà amin’ny fanontana ny biletà kosa, tokony averina ny volan’ireo mahazo ny 5% amin’ny vato manan-kery  ary hamoraina ny famerenana azy. Hosokafana maharitra ny lisitry fifidianana: afa-misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany amin’ny fotoana rehetra ireo mahafeno fepetra fa tsy ferana.R.Nd.L’article Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra

Hanenjana hatramin’ny farany. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, koa, omaly, ireo eo anivon’ny “Groupe Panorama”, ahitana ireo antoko ivelan’ny fitondrana sy ny parlemantera. “Hamafisinay hatrany ny fanapahan-kevitra noraisina teny Andrainarivo fa tsy ankatoavinay ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy hanatrika ny fivoriana tarihin’izy ireo izahay fa hanatitra taratasy omena ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) maneho izany tsy fahamarinana izany”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier.Nohitsiny fa takin’izy ireo ny fahamarinan’ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana… “Tsy mankasitraka ny Ceni mbola hitantana fifidianana izahay. Takinay ny marina momba ny lisi-pifidianana “doublons””, hoy ihany izy ireo. Nandrangaranga sahady koa ny avy amin’ny antoko Tim fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona.Synèse R. L’article Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madagasikara amin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly teny Iavoloha, ny masoivoho vaovao an’i Ejypta, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo endrika fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ny firenena roa tonta. Anisany ny fananganana fotodrafitrasa sy ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nihaona manokana tamin’ny filoha koa ny masoivohon’i Korea Atsimo, i Lim Sang-Whoo, nanambara ny fifaranan’ny fotoam-pisany eto amintsika. Anisan’ireo firenena nanampy an’i Madagasikara tamin’ny ady amin’ny Covid-19 izy ireo tamin’ny alalan’ny laboratoara LA2M eny Androhibe. Resy lahatra amin’ny ho fisandratan’i Madagasikara amin’ny politika apetraky ny filoha ity masoivohon’i Korea Atsimo ity.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie

Mbola ny malala-tanana sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindonin-doza. Efa-taona amin’ity taona ity ny nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa “Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”, hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer. Tandindonin-doza…20 ny ankizy raisina kilasimandry ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany. “Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”, hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany. Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana momba ireo taranja roa ireo.Vonjy A.L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika

Natao, omaly tetsy Tsaralalana, trano fiasan’ny Madagascar Entreprise Développement (MED), ny fanolorana ny tohana ara-bola ho an’ireo mpandraharaha madinika 100 voafantina tamin’ny tetikasa “Atrika” nokarakarain’ny vondrona MED. 50 000 000 Ar izany tohana izany izay natao indrindra hanohanana ireo mpandraharaha madinika mpikambana ao amin’ny MED, noho ny fahavoazana vokatry ny valanaretina Covid-19. Efa nahazo fiofanana tao amin’ny MED izy ireo. 1 900 ireo nametraka antontan-taratasy tamin’ity tetikasa ity fa ireo 100 ireo no voafantina taorian’ny sivana natao ny 7 sy ny 8 septambra teo. Nisy ny masontsivana napetraka natao laharam-pahamehana tamin’ireo mpifaninana: vehivavy mpikambana ao amin’ny vondrona, olona manana fahasembanana ary mivelona amin’ny sehatrasa tena manakaiky vahoaka.Marihina fa ny IECD (Institut européen de coopération et de développement) no mpamatsy vola tamin’izao tetikasa “Atrika” izao. Miasa amina firenena 15 izy io ka anisany i Madagasikara izay sahanin’ny MED. Mpikambana efa anjatony, amin’izao fotoana izao, ny avondron’ny MED izay efa nanaraka fiofanana tao aminy amina sehatrasa fito, toy ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena, ny asa tanana, ny varotra, ny indostria, ny fizahantany…Andry F.L’article Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina izy io.Fomba entina hikarakarana haingana ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany. Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro ronono, miisa 250. Mahatratra hatrany amin’ny 3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany amin’ny 2.500.Kendrena ho vita haingana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.Tatiana AL’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa

 Ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana navoaka’ny CUA ao amin’ny toko fahatelo sokajy voalohany dia milaza fa tsy tokony hanelingelina ny mpamily fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra ireo rehetra manao ny asa fangatahana izay mandehandeha eny an’araben’Antananarivo. Izy ireo dia tsy tokony harahina biby masiaka mba tsy hampidi-doza ny hafa. Tsy tokony hampideradera fitaovana isan-karazany ihany koa ho fampitahorana na hambaboana ireo olona angatahiny.Voarara ny fanimbana ireo fananan’olona sy ny mihanika amin’ny lafin-drindrina  sy amin’ny andrin-jiro, tamboho sy ireo andrim-by isan-karazany. Tsy azo atao koa ny familiana ireo fantson-drano isan-karazany sy ny fikitikitihana ireo fitaovana fanoroana lalam-bahoaka nafanazavana ny toro-lalana ho famantarana.Ao amin’ny sokajy faharelo dia miresaka momba ny tabataba amin’ny alina sy atoandro sy ireo sazy mifandraika amin’izany.Voarara ny tabataba amin’ny alina, torak’izany amin’ny atoandro rehefa tsy misy misy antony voamarina ho ara-drariny. Voarara ho tabataba amin’ny atoandro ireo kipantson’ny fiarakodia tsy misy antony ara-drariny torak’izany ny antsoantson’ny mpanampy ny fiara miantsoantso ny mpandeha indrindra ho an’ireo fiantsonana makaiky fianarana sy hopitaly.Ny lanonana rehetra na andro atoandro na alina na misy fahazoan-dalana aza, toy ny famadihana sy ny fora zaza dia tsy maintsy mitandro ny fahasalamana sy ny fitonian-tsaim-bahoaka.Anjaran’ny tompon-draharaha ny mandray ny fepetra mba hampihena ny fanelingelenana mety hiteraka izany eo amin’ny manodidina.Tatiana AL’article Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy

“Noho ny faharefoan’ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny akany, nisintaka mihitsy tany ambanivohitra ny zaza sy ny mpikarakara nandritra ny fihibohana hisorohana ny fahazoan’izy ireo ny tsimokaretina”, hoy ny mpitantana ny akany fandraisana. Nikatona tanteraka ny akany eny Mahamasina. Antso amin’ny finday fizarana vaovao sy fandefasana vola amin’ny finday ny tantsoroka natao ireo ray aman-dreny rehetra tohanan’ny ONG.Nisy nanala fanadinana CEPE ny ankizy tohanana ary afaka soa aman-tsara avokoa fa roa kosa no niala an-daharana noho ny fahasahiranana tao anatin’ny fihibohana. “Zavatra mampalahelo izany nefa izahay koa, niala teto amin’ny akany ka sarotra ny faharaha-maso ny ankizy », hoy ny fanazavany ihany. Ankehitriny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainany ny akany sy ireo asa rehetra nataon’ny ONG ho tantsoroka amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny taona 1988 niorenan’ny akany, 180 mahery ny ankizy nobeazina sy noraisina an-tanana tao. Nivoatra tsikelikely ny toeram-pandraisana izay niandoha tamin’ny zaza roa voan’ny aretina raboka ka nalain’ny mpanorina notsaboina tao an-tokantranony. Avy amin’ny fianakaviana sahirana monina eny amin’ny faritra iva: Andavamamba, Anatihazo, Itaosy, Ambatomaro … ireo ankizy beazina ao. Betsaka ny antso azo nandritra ny fihibohana fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy afa-nanoatra ny mpitantana. Vonjy    L’article Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy

… Satria voizina mafy any ivelany ny fandikan-teny, roboka ihany koa ny Malagasy. Raisina ho zava-dehibe ny momba azy io hany ka maro ny petatoko ao anatiny. Mety hitarika any amin-javatra hafa mihitsy anefa izay…Efa tsy finiavana hampivelatra ny teny malagasy irery intsony kosa ny manosika ny mpikaroka sasany fa fahamaizana ny haka tahaka befahatany ny any ivelany. Lasa laharam-pahamehana ho an-dry zareo ireo ny hampitovy ny teny malagasy amin’ny teny vahiny. Anaran-javatra mipoitra avy any ivelany, hezakezahina fatratra ny handika azy amin’ny teny malagasy. Hany ka nogasigasina befahatany ny “radio” ka nanjary “vata fandraisam-peo”, “vata fandefasam-peo”, “fampielezam-peo”, sns. Teraka avy amin’izany ny “tantara filalao an’onjampeo”, sns.Rehefa avy manao fandikan-teny petatoko tahaka izao ireto ampahana mpikaroka ireto dia miteny fa “azo hnaporofoana fa velona sy miaina ny teny malagasy” io voambolana na anarana vaovao io. Azo lazaina ho velona sy miaina ve ny teny malagasy raha rakotra voambolana na anarana, sns, vaovao kanefa tsy mifanaraka amin’ilay tondroina akory ireny voka-pamoronana ireny?Mahavariana fa mitazam-potsiny ny hafaMateti-pitranga eo amin’ny fandikan-teny eto Madagasikara ihany koa ny fipoiran’ny voambolana vaovao avy any amin’ireo tsy mahafehy akory ilay sehatra. Ny mahavariana anefa, toa mitazam-potsiny fa tsy mba manao fanitsiana ireo izay tokony hanao izany. Misy aza moa, vao mainka indray miventy isak’izay mahatsiahy ireny teny na voambolana petatoko ireny. Hatramin’izao, mbola heno matetika any amin’ny radio, ohatra, ny :“Araka ny teny baiko”, “hanatanteraka varavarana misokatra”…Lany fotoana sady lany rondoha no lany vola aman-karena amin-javatra hamotika ny teny malagasy ireo mpikaroka sy ireo miravaka diplaoma sasany. Ny hafa indray, voan’ny fandraikiraikena ka tsy afaka na tsy sahy manitsy akory ireo voambolana na teny vaovao sadasada. Ahoana ny mety hiafaran’ity teny malagasy ity?… Ireo mpikaroka vahiny no nilaza fa “porofo hanamarinana fa velona sy miaina ny teny iray ny fananany teny (voambolana, anarana…) vaovao”… Raha tsy mitandrina, mety hitarika any amin’ny fahapotehan’ny teny malagasy tanteraka ny tranga tahaka ireo satria hanamaivana ny lanja aman-kasin’ny teny malagasy. Tsy zava-baovao io fa paikady napetraky ny vahiny hatry ny ela.HaRy RazafindrakotoL’article Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”

Sokitra, paibato, paikafo, hosodoko… Mbola tena vitsy dia vitsy ny mivelona amin’ny fantanterahana asa tanana tahaka ireny, raha eto Madagasikara. Antony iray mahatonga izany ny tsy fananan’ny Malagasy ilay kolontsaina manome lanja azy io. “Matetika izahay mahare hoe: “io ve dia vidiako amin’izany?”, hoy i Martin R. mpanao paibato, eny Andriambato Antananarivo Atsimondrano. Nambarany fa “ny fanabeazana mihitsy no niteraka io tranga io. Tadidiko tsara, tsy nahay kajy aho tany amin’ny kilasy faha-5. Hoy ilay mpampianatra anay: “alefa manao teknika ianao raha izao no mitohy” ”.Raha ny fanazavan’ity raim-pianakaviana ity hatrany: “toa midika avy hatrany fa ny olona tsy afaka loatra any amin’ny fianarana no alefa manao teknika. Tsy ilana fampiasana saina ve izany ny teknika”? Nanao randra-mitarika io toe-tsaina io ka raha vao asa tanana, tahaka ny zava-maivana eo anoloan’ny Malagasy, raha ny fanazavany.Vokatr’io poizina nalentiky ny vahiny ao an-tsain’ny Malagasy io, ilay maha zavakanto ilay vokatra mihitsy no takona ka tsy tazan’ny Malagasy, raha ny nambarany hatrany. “Tena sarotra ny mampitaha na mampifandanja ny aingam-panahy sy ny vola. Saingy, ny an’ny Malagasy, raha vao asa tanana, tsy tokony hosandaina be loatra”, hoy i Martin Paibato.Tolo-kevitra natolony ny hisian’ny fanabeazana ny fiarahamonina hanome lanja sy hasina ny asa tanana. “Aza hadinoina fa avy amin’Andriamanitra ny talenta. Izy io anefa no milina lehibe ahavitana ny asa tanana. Raha tsy omena ny hasina sahaza azy ny talenta, mitovy amin’ny tsy manome lanja Ilay namorona sy nanome azy izany”!Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0

Araka ny nampanantenain’i Mario, efa nivoaka niparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook » sy ny «youtube», ny alahady teo, ny hira vaovao an’i Romeo 3.0 «Jaolahy be», amin’ny gadona balvin & wizkid. Mbola tena vitsy mpanao eto Madagasikara kanefa manana ny hanitra ho azy izy io, araka ny nambarany. Anisan’ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobeat sy ny mozika tropikaly…Ankoatra izay, eo am-piketrehana rakitsary (album), ahitana rindrantsary (clip) folo eo ho eo, izy ka anisan’ny ho hita ao anatin’izany ny «Jaolahy be», araka ny nambarany hatrany. Raha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa. « Mivelatra be ny mozika… Ary amin’ny maha mpanakanto, mila mitady zava-baovao hatrany hiavahan’ny tena amin’ny hafa. Izay no tena maha artista », araka ny nambaran’i Romeo 3.0.NarilalaL’article Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC

Ho fiomanana amin’ny BAL (Basket afro league) sy ny “Afrobasket 2021”, nanapaka ny federasiona fa hatambatra ny fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena sy ny klioban’ny GNBC. Io ny isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona ny talata lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mbola hojerena ny fomba hanatanterahana izany satria efa niverina nanao fanazarantena ny ekipan’ny GNBC, hampifandrindrana miaraka amin’izany koa ny an’ny ekipam-pirenena. Raha ny fantatra, saika ny akamaroan’ireo mpilalaon’ny Zandarimaria no mandrafitra ny ekipam-pirenena ka moramora ny fampivondronana azy ireo, raha ny vaovao teo anivon’ny federasiona. Mahakasika ny fifaninanana eto an-toerana indray, miandry tanteraka ny fanampahan-kevitry ny fitondrana ny hanapahana ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB. Isan’izany ny fifaninanam-pirenena N1A, mbola tsy voafaritra, hatreto. Mety hiavaka ihany ny amin’ity andiany 2020 ity satria raha ho raikitra ihany izany, tsy maintsy lalao mandroso tokana ihany ary mazava ho azy fa eto Antananarivo ny hanaovana azy. Tombantombana avokoa anefa izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fandaharam-potoana rehetra.Marihina fa nanolotra baolina ho an’ny ekipan’i GNBC ny federasiona, nandritra ity fivoriana ity.Mi.Raz L’article Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah

Mitohy anio ny fifaninanana, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy, ho an’Andrianjafitrimo Tessah. Hiditra eo amin’ny fihodinana faharoa izy ka hidona amin’ily teratany sinoa, i Xinyu Wang, amin’izany. Ambony ny filaharan’ity mpifanandrina aminy ity satria faha-145 maneran-tany. Vao 18 taona monja ity Sinoa ity ary indroa nandray anjara tamin’ny “Crand chelem” dia ny “Australian open”, ny taona 2018, sy ny “Wimbledon”, ny taona 2019. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany avokoa izy tamin’izany, ary sambany tamin’ity vao tafita amin’ny fihodinana faharoa.Ho mafimafy, araka izany, ny miandry an’i Tessah satria mpilalao efa manana traikefa ny hikatroka aminy. Heverina kosa fa tsy maintsy hanohitra hatramin’ny farany ny tovovavy amin’izany. Tsiahivina fa ilay Espaniola, i Nuria Parrizas Dias, no resin’i Tessah teo amin’ny fihodinana voalohany raha nahalavo ilay Amerikanina, i Robin Anderson, kosa ny an’i Xinyu Wang.Ankoatra izay, nifarana teo amin’ny fihodinana voalohany ny dian’i Irina Ramialison. Niondrika teo anatrehan’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4; 6/4), izy. Hikatroka amin’ilay Japonezy, i Yuki Naito, izay nandresy ilay Frantsay, i Amandine Hesse, i Sharma, eo amin’ny dingana manaraka. Tsiahivina fa fifanintsanana hidirana ao anaty tabilao lehibe izy ity, izay hifarana rahampitso zoma. Ny alatsinainy 28 septambra kosa vao tena hanomboka ny lalao. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

«Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville

Hotanterahina amin’ity alakamisy 24 septambra ity, ao amin’ny kianja Puskas Arena, Budapest, ao Hongrie, ny fiadiana ny «Super coupe de l’UEFA», taranja baolina kitra. Hifandona amin’izany ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa, sy ny FC Seville, tompon’ny amboara. Heverin’ny rehetra fa hangotraka ny fihaonana na betsaka aza ireo mihevitra fa mety tsy hahatohitra an-dry Rainiboto ry zareo Espaniola.Raha tsiahivina, indroa ihany ireo ekipa roa ireo no nihaona: ny teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, ny taona 2018. Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny lalao mandroso tany Munich ary lavon’ny Bayern, tamin’ny isa 2 no ho 1, kosa ny Seville, teo amin’ny fihaonana miverina ka nahatafita ny Bayern de Munich.Hanala vela izany amin’ity ny Espaniola, izay heverina fa afaka hanohitra tsara ireto Rainiboto ireto, izay ao anatin’ny tanjany tanteraka ary tsy mbola resy mihitsy tamin’ireo lalao rehetra nataony, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. TompondakaL’article «Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Sombintsombim-baovao

Basikety-NBA: Hamaritra izay ho tafakatra amin’ny famaranana lehibe, ho an’ny kaonferansa ilany, ny lalao fahefatra hifanandrinan’ny Lakers sy ny Nuggets. Tsiahivina fa fandresena roa ny efa azon’ny Lakers tamin’ny fifandonan’ny roa tonta, raha toa ka azon’ny Nuggets kosa ny lalao fahatelo, omaly. Isa 116 ny nandavoan’ny ekipan’i Jamal Murray an-dry James Lebron, tamin’ity lalao omaly ity. Ho hita eo, araka izany, izay ho tafita amin’ireto ekipa samy manana ny lazany ireto.Volley-Ball: Nanatanteraka lalao firahalahiana tao amin’ny CRJS Toamasina ny ekipan’ny EVBA sy ny ekipan’ny Mami. Ireto ekipa roa ireto izay samy klioba ao Toamasina. Efa nanomboka tapa-bolana lasa izay ny fanazarantena ho an’ny klioba, taranja volley ball, manerana ny Nosy ary efa manomboka mamerina ny lentan’ny mpilalao tsirairay ireo mpanazatra isaky ny klioba. Miandry ny “coup d’envoi” ahafahana manao fifaninanana fotsiny sisa izy ireo. Nangonin’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono

Matetika ny faritra Vakinankaratra ihany no fantatry ny maro momba ny famokarana ronono eto Madagasikara. Manana ny anjara toerany lehibe amin’izany sehatra izany koa ny faritra Matsiatra Ambony.Mandrafitra ny atao hoe Telozoron’ny ronono i Matsiatra Ambony, na faritra manana toe-tany sy toetr’andro mety tsara amin’ny fiompiana ombivavy beronono. Tafiditra indrindra anatin’ireo laharam-pahamehan’ny faritra ny lalam-pihariana ronono. Ho fampandrosoana izany lalam-pihariana izany, miara-miasa hanatrarana ny tanjona iraisana ny Foibem-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ao Matsiatra Ambony sy ny Fandaharanasa Fanoitra:  ho fampitomboana ny vokatra ronono ao amin’ny faritra.Maro ireo dingana natao niarahan’ny roa tonta, toy ny fampiofanana ireo mpiompy mpandraharaha, miompana indrindra amin’ny teknikam-piompiana, ny fitantanana ara-pahasalamana, ny fambolena vilona, ny lafiny fananahana ary ny fandrafetana kaontim-pamokarana.Noho ny fahitana fa manomboka miharatsy ny karazan’omby mamokatra ronono any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, napetraka ho tanjona ny famerenana indray ny fampanarahana entin-tanana izay naato teo aloha. Nisy àry, noho izany, ny fampiofanana teknisianina dimy mahakasika ny fampanarahana entin-tanana.Isan’ireo mpiompy nahazo fiofanana sy tohana amin’ity tetikasa fanatsarana taranak’omby ity Ramandimbisoa Richard na i Sacha, mponina ao Ambatolahy Lovasoa, fokontany Talata Iboaka, kaominina Alakamisy Ambohimaha. 15 taona izy nanaovana ny fiompiana ombivavy beronono.Tamin’ny taona 2005, ombivavy norvezianina iray ny nanombohany. Efa mananika ny 50 ny taranak’io ombivavy io hatramin’izao. Ny taona 2016 ny nahazoany fiofanana momba ny fanatsarana taranaka omby sy ny fambolena ahitra tamin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa Fanoitra.Mbola tsy ampy ny tolotraRaha omby tsara razana, mahatratra hatramin’ny 16 na 20 litatra isan’andro ny ronono azo aminy. Amin’ny ankapobeny, mahatratra 15 litatra ny ronono azo isan’andro avy amin’ny omby iray ao anatin’ny telo volana voalohany nahaterahany. Aorian’izay, midina ho 10 litatra isan’andro.Mbola malalaka tsara ny tsenan’ny ronono ao Matsiatra Ambony. Ny Rofama na Ronono Faritra Matsiatra Ambony no mandray ny vokatra rehetra. Eo amin’ny fanangonam-bokatra, ao Iboaka ny fanateran’ireo mpivarotra ronono, fiaraha-miasa amin’ny Rofama, mpanangom-bokatra.Kaoperativa misehatra amin’ny fihariana ronono eo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony ny Rofama ary miara-miasa amin’ny mpiompy miisa 317 ao anatin’ny distrika efatra ao amin’ny faritra: i Vohibato, i Lalangina, Isandra ary i Fianarantsoa renivohitra.Nisokatra ny taona 2011 ny toeram-pivarotana voalohany. Amin’izao fotoana izao kosa, efatra ireo toeram-pivarotana tantanin’ny Rofama.500 litatra isan’andro ny ronono miditra ao aminy tamin’iny taona 2019 iny, izany hoe, mamelona mpiompy maro.R.Mathieu L’article Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
24/09/2020

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé
23/09/2020

Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka

Nohon’ny fahaiza-mitantan’ny fitondram-panjakana dia nahitana fihenana ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Noho izany dia nakatona tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Septambra 2020 ny ivon-toerana fandraisana ireo mararin’ny coronavirus (Centre de Traitement Covid-19) ao Mahamasina, izay ivon-toerana farany nandray ireo marary.  Ireo hopitaly lehibe arak’izany no mandray an-tànana ny fitsaboana ireo marary. Azo lazaina fa mifanaraka tsara amin’ny toe-java-misy eto Madagasikara izao fanakatonana ity ivon-toerana ity izao noho ny fahavitsian’ireo mbola mila fitsaboana.  Araka ny nambaran’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis dia ny fanakatonana ity ivon-toerana ity tsy midika akory hoe tapitra ny ady fa mbola mila manaraka ireo fepetra rehetra mba hitazomana izany vokatra tsara izany. Manomboka izao dia ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no handray an-tànana izay mahakasika ity valanaretina ity ary nanamafy ireo tomponandraikitra fa hanohy ny ady sy hametraka ny paikady mahomby rehetra amin’ny fifehezana ity valanaretina ity ary ahafahantsika mandresy ny coronavirus. L’article Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - Santé
23/09/2020

ADY AMIN’NY COVID-19 : Maska 100.000 isa avy amin’ny masoivoho KOREANA Atsimo

Tsy manao ambanin-javatra ny ady amin’ny « Covid-19 », ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Ministeran’ny Fahasalamamam-bahoaka ary ireo Mpiaramiombonantoka aminy. Porofon’izany, maska na arotava miisa 100.000 no natolotry ny Masoivoho Koreanina Tatsimo izay miasa sy monina eto amintsika ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka omaly 22 Septambra 2020 teny amin’ny « CCO Ivato ». Fanampiana andiany faha efatra izy ity hatramin’izay niatombohan’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus teto amintsika izay. Nambaran’ny Masoivoho koreana Tatsimo, SEM Lim Sang-Woo fa mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny Firenena roa tonta ary tsy adinony ny niarahaba an’i Madagasikara izy nahatohitra ny valanaretina « covid-19 ». Nampanantena izy fa eo hatrany ny Firenena Koreana, ary vonona ifanohana sy ifanome tanana amin’ny Vahoaka Malagasy. Andriamatoa Ministry ny fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, sy andriamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba, notronon’ andriamatoa Mpandrindra Nasiônalin’ny CCO, Jeneraly Elack ANDRIANKAJA no nisolotena ny Fitondram-panjakana malagasy no nandray tamin’ny fomba ôfisialy ireo fanomezana ireo. Nanambara andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny lahateny izay nataony fa natao indrindra hanamafisana ny fiatrehana ny ady amin’ny « Covid-19 » ireo fanomezana ireo. Ho zaraina amin’ ireo Tobimpahasalamana fototra eto Madagasikara, indrindra any amin’ireo faritra lavi-dalana. Nomarihany ihany koa fa na dia efa mihena aza ny tahan’ny fihanaky ny valanaretina dia tsy maintsy tohizana sy hamafisina hatrany ny fiarovana sy fahamailona ara-pahasalamana manoloana izany. Nisaotra sy nankasitraka ny Firenena Koreana Tatsimo ny tenany ary nanamafy hatrany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta. Fanadihadiana: SCM/MSANP L’article ADY AMIN’NY COVID-19 : Maska 100.000 isa avy amin’ny masoivoho KOREANA Atsimo a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - Santé
23/09/2020

Statistique du 23 Septembre 2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Statistique du 23 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis la première apparition de la pandémie de covid-19 à Madagascar six mois plutôt, 16167 contaminations ont été recensées dans tout le territoire, dont 14788 personnes ont déjà recouvré la santé. De ce fait, les patients en cours de traitement comptent actuellement 1151 parmi lesquels 20 développent une forme grave. La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta a annoncé ce mercredi 23 septembre 31 nouveaux cas positifs au coronavirus et 45 guérisons au cours des dernières 24 heures. Par ailleurs, aucun nouveau décès n’a été communiqué. Ainsi, le nombre total des personnes ayant succombé à cette maladie reste 226.  L’article Statistique du 23 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada
23/09/2020

Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo

Voasambotry ny zandary ny dahalo, ny faran’ny herinandro teo, ny iray tompon’antoka amin’ny fanafihana raim-pianakaviana iray mpivarotra lamba tonta niaraka amin’ireo zanany roa lahy. Voalazan’ny tatitra nampitain’ny zandary fa teny an-dalana hody ao amin’ny fokontany Ambiky Berevo, Bebaboka, niara-nivarotra amin’ireo zanany, izy no niharan’ny fanafihan-dahalo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Mangabe ny nitrangan’ny fanafihana, ny 17 septambra tolakandro. Voatifitr’ireo malaso teo amin’ny tratrany, ny tanany ary ny feny ilay raim-pianakaviana. Nandritra izany, afaka niantso fokonolona ao Saropitsaha ireo zanany roa lahy. Nentina haingana namonjy hopitaly ilay raim-pianakaviana, saingy namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nitohy ny fikarohana ireo dahalo nanafika ka tratran’ny zandary tao Bebaboka, ny asabotsy hariva teo, ny olona iray ahina ho nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Nahitana basy niaraka amin’ny bala 10 tany aminy nandritra ny fisavan’ny zandary.J.CL’article Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

« Opération coup de poing »: olona 13 tratra tsy nanaja « couvre feu »

Mitohy ny hetsika fampandrian-tany « Opération coup de poing » ao amin’ny faritra Bongolava nataon’ireo polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Tsiroanomandidy. Ny 15 sy ny 16 septambra 2020 teo, nisy ny vokatra azo nandritra izany hetsika izany. Olona dimy voasambotra tao Androtra sy tao Mangarivotra noho ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina, ny 15 septambra, raha olona roa kosa tratra tao Tsenankisoa, fokontany Tsaralalana, noho ny fisian’ireo roa lahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ihany koa niaraka amin’ny ramatoa mpamatsy izany. Olona 13 ny nofotoran’ny polisy noho ny tsy fanajana ny fahazoana mivezivezy amin’ny alina « couvre feu ». Olona 10 voasazy nanao asa miteraka tombontsoa iombonana noho tsy fanaovana arovava, moto miisa 32 nandalo fisavan’ny polisy noho ny tsy fanaovana aroloha. Posy miisa 43 voasava raha 10 amin’ireo kibota 60 nosavaina kosa no niharan’ny sazy avy hatrany. Teo koa ny fisian’ireo olona tratra nitondra fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny odigasy, raha nikasa hangalatra kisoa.J.C L’article « Opération coup de poing »: olona 13 tratra tsy nanaja « couvre feu » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19

Mbola mampanahy ary mety ho tonga amin’ny tampody fohin’ny Coronavirus. Nambaran’ny eo anivon’ny CCO, omaly, fa misy olona enina vao tonga avy amin’ny sidina avy any Eoropa, mitondra ny tsimokaretina Covid-19.“Misy olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny tsimokaretina… Tsy maintsy atao fitiliana ireo mpandeha iray fiaramanidina vao tonga. Miaraka atoka-monina avokoa izy ireo avy eo ary efa tafiditra anatin’ny paikadin’ny fanjakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana azy ireo, tahaka ny efa natao amin’ireo nitondra ny Coronavirus hatramin’izay ihany”, hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta, omaly. Midika izany fa tsy voahaja ny fepetra tany amin’ny firenena niaingana, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fitiliana 48 ora, mialoha ny hahatongavana eto Madagasikara.Miisa 25 ny tranga vaovao any DianaHampanahy koa ny hisokafan’ny sidina Nosy Be sy ny any ivelany, ny 1 oktobra izao, sy ny hanokafana ireo serana-piaramanidina vitsivitsy eto amintsika amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny 29 oktobra izao.Etsy andaniny, niakatra tampoka indray ny antontanisa navoakan’ny CCO, omaly. Miisa 63 ireo tranga vaovao amin’ny fitiliana natao miisa 598. Enina amin’izany ny avy eto Analamanga. Miisa 13 ny any Alaotra Mangoro raha telo ny any Vatovavy Fitovinany. Iray kosa ny any Boeny raha sivy ny any Diana ary miisa 25, anisan’ny maro indrindra, ireo nifindran’ny valanaretina any Sava.Mamahatra any avaratry ny Nosy ny Covid-19Mbola mamahatra any avaratry ny Nosy izany ny Coronavirus hatramin’izao. Niampy iray indray kosa ny maty ka tafakatra 226 izany izao ireo lavon’ny Covid-19 hatramin’izao. Tsy niova fa mbola miisa 20 ireo anaty fahasarotana amin’izao fotoana izao.Na izany aza anefa, miisa 61 ireo sitrana. Tafakatra 14 743 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 136 mitondra ny tsimikaretina Covid-19. Miisa 1 165 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany.Miisa 68 375 ireo fitiliana PCR vita raha miisa 7 221 ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Tsimokaretina hafa… mila iadiana     

     Mandry ve ny tanàna? Saika nitaintain-dava ny maro tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19… mandalo toy ny rivodoza. Mbola misy ny ramborambony any ho any: tsy hita maso, ilam-pitandremna. Sao, sanatria, mby amin’izay mahazo ny firenen-dehibe sasany amin’ny fiavy sy ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa amin’izao? Misy ny voatery miverina amin’ny fihibohana.Saingy, tsy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany amin’izao ny ilam-piambenana. Eo indrindra koa ny fandriampahalemana ifotony. Misy ny sisa navelan’ny aretina tamin’ny hala-boty na ny hala-botry afitsoky ny tontakely noho ny fahaverezana asa, ny tsy fisiana… Mbola misy tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana amin’ny endrika maro, mampikaikaika ny  any ifotony hatramin’izay.Anisan’izay toa efa zary mahazatra any amin’ny faritra sasany: ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary misy manao andiany, ohatra, ny fakana ankeriny. Ao ny tena mampiraviravy tanana ny mponina sy ny vohitra manontolo: faritra lavitra fanjakana? Na tsy hita na tsy afa-manoatra firy ny mpitandro filaminana… Na ny fampiakarana fitarainana amin’izany aza, manahirana na tsy mampiraika na tsy heno.Eo koa ny ady tany tsy mampilamina be ihany amin’ny faritra sasany; eny, na eo aza, ohatra,  ny taranaka nifandimby nanajary ny tany. Mbola tsy afaka ny tarazo ratsin’ny fanjanahana amin’ny fibodoana tany? Na resy any amin’ny fitsarana aza ny sasany, manao ny ataony ihany. Eo ny ezaky ny fitondrana amin’ny fandaminana ny fananan-tany, saingy misy izay tena manahirana eny ifotony.Misy ny tsimatimanota mampiraviravy tanana: mahitahita, lehibe tsy meloka… Kolikoly avo lenta ny antony? Raha ny ezaky ny fitondrana, tsy efa tokony hihena ve ny hoe mampitaraina ny maro indrindra ny kolikoly eny amin’ny fitsarana talohaloha teo? Na ny amin’ny tsy fandriampahalemana, na ny ady tany, na ny tsimatimanota… Tsimokaretina mikiky ny firenena tena mila iadiana hatrany. Mby aiza?Rafaly Nd.L’article Tsimokaretina hafa… mila iadiana      a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH

Efa maka bahana. Niofana momba ny fampahafatarana ny fihezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Nisokatra, omaly etsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, izany. Anisan’ny niatrika izany ny solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria avy amin’ireo boriborintany enina, ny eo anivon’ny Bianco sy ireo tale mpitantana ao amin’ny CUA.Fanentanana sy fisorohana ny kolikolyMiompana amin’ny fampahafantarana ny CMH sy ny fanentanana ary ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fampiharana ilay fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ny votoatin’ny fiofanana. Ahitana sokajy miisa 12 ireo mpiofana ka niditra an-tsehatra nanomboka, omaly, ny andiany voalohany, miisa 125, saingy nozarana roa izany noho ny hamehana ara-pahasalamana.Hitohy eny amin’ny BMH Isotry ny fampiofanana, ahitana mpandray anjara miisa 500 ka hozaraina andiany 50 isa avy. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo sefo fokontany rehetra, ny lehiben’ny tsena eo anivon’ny CUA, ny tompon’andraikitra ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra, ny mpiandraikitra eny anivon’ny CSB II. Manampy ireo ny “inspecteur d’hygiène” sy ny “inspecteur de voirie” miaraka amin’ireo polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena.Fakan-kevitra sy adihevitra eny ifotonyNa izany aza anefa, nitondra fanazavana ny mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna, Rasaony Pascal. “Mbola hisy fakan-kevitra ataon’ny CUA eny ifotony. Eo koa ny ady hevitra momba ny CMH eny anivon’ny birao ho an’ny boriboritany ka andraisan’ireo olom-pirenena anjara”, hoy izy.Tsiahivina fa efa nisy ny CMH ny taona 1960 ho an’ny kaominina manerana ny Nosy. Narafitra ho boky izany ny 27 aogositra 2013, ahitana andininy miisa 103. Nohatsaraina kosa ny andininy miisa 20 amin’ireo 103, ny volana mey 2020.Synèse R.L’article Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana

Misy mandrehitra afo ho tonga hatrany amin’ny fanonganam-panjakana. Voalazan’ny loharanom-baovao fa anisan’ny ao ambadik’ireny fandorana oniversite na tranon’ny mpianatra ireny ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoha teo aloha. Anisan’ny efa niseho izany tany Manakara, tany Toliara ary ny teto Antananarivo tato ho ato. Efa tafiditra ao anatin’ny paikady maloto ketrehin’izy ireo koa ny handorana ny oniversiten’i Toamasina.Mpanolotsaina efa nigadra tamin’ny taon-dasaHita taratra tamin’ny fanadihadiana savaranonando efa natao fa miainga avy amin’ny trano tsy misy olona ny afo. Tsy misy fifampikasohana herinaratra “court- circuit” sady tsy misy afo mirehitra.Efa mandray an-tanana ny raharaha amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ka voatonontonona ao ambadik’izany ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoham-pirenena iray teo aloha. Efa nigadra tamin’ny taona 2019 izy io nefa izao mbola manohy ny tetikady maloto izao ihany.Fampiasana akora hafa mihitsy…Tonga hatrany amin’ny fiketrehena sy ny fikononkononana fanonganam-panjakana ny raharaha, niainga tamin’ny fivorian’izy ireo.Manampy ireo ny fampiasan’ireo mpandoro fitaovana na akora “produits hautement inflammables » satria tsy vitan’ny miitatra ny afo miainga amin’ny toerana iray fa miara-mipoaka avokoa ny “bloc Amicale II” iray eny Ankatso.RandriaL’article Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana”

Midina ifotony ny eo anivon’ny  Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). Nahitan’izy ireo taratra ny vokatry ny fampihavanana izany noho ny fandalana ny soatoavina, miainga amin’ny ”Kianja”.“Nidina tany Arivonimamo izahay, nitondra ny soatoavina enti-mamokatra. Azo atao hery na fitaovana iray enti-mamokatra ny fihavanana. Mba hahazoana mifanentana sy mifanome tanana izany, ahazoana mifanabe sy mifanitsy mba hiasa” hoy ny filoha lefitry ny CFM, faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard, momba ny hetsika fampihavanana nataon’ny CFM tany amin’ny kaominina Arivonimamo, taorian’ny kaominina Andriambilany. Hahazoana koa mametraka filaminana ny fihavanana. Afa-miasa tsara rehefa ao anatin’ny fandriampahalemana.Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanaparitahana ny “kianja”. Atambatra ho “kianja” iray ny olona isam-bohitra afa-mifanentana, mifampiteny, mifampifehy, mifanaja, miara-miaina tsara. Lasa hery iray ho an’ny rafi-pitondrana ny fokontany. Nanome ohatra tsara ny any Arivonimamo nanao valintanana: namboly, niara-nanao lalana. Tonga nanome tanana ny hafa rehefa nahita: ny avy amin’ny governora, ny mpandraharaha…Miainga amin’ny tena ny fanorenana ny firenena“Tsy maintsy miainga amin’ny tenantsika ny fanorenana ny firenena”, hoy izy. Izay vao miakatra tsikelikely: miainga amin’ny fokontany, mankamin’ny kaominina, ny faritra… Famokarana ao anatin’ny fihavanana: ny fihavanana, mitondra famokarana ary ny famokarana, mitondra ny olona ho amin’ny fihavanana.Ezahina aparitaka tsikelikely ny fanomezana hasina ny fokonolona: ny zony, ny andraikiny, ny tombontsoany. Ao anatin’ny toe-tsaina sy ny soatoavina mandala fihavanana sy ny fahendrena malagasy ny anatanterahana izany.Fiaraha-mientana hisian’ny fifampifehezana ny fihavanana, fiaraha-miasa mba hiara-miaina ho amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana eo an-toerana ary miitatra ho an’ny firenena.R.Nd. L’article Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena

Tsy afaka ny hangina. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Harena, amin’ny alalan’ny filohany, Rabarison Lezava Fleury, omaly. “Ndao haverintsika ny toe-tsaina sy ny toe-po nananantsika nanohanana ny Barea, herintaona lasa izay. Samia manana fahavononana hifanatona sy hifampiresaka. Hikaon-doha sy hikaroka vahaolana mahomby sy maharitra handresentsika ny fahavalo iombonana”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny mbola tsy nandresena tanteraka ny Covid-19, ny adilahy politika arahin’ny fifanasana vangy. Eo koa ny fanarenana ny toekarena, tsy mbola hita taratra izany, araka ny fanambarana. Miantso ny mpikambana eo anivon’ny antokony sy ireo mpiara-dia aminy hanentana ny olom-pirenena hiaraka hamolavola isan-tsehatra ny fomba sy ny paikady hiatrehana ny Covid-19 sy ny fahantrana ary koa ny fanarenana ny fihariana. “Tsarovy ny adidy masina miandry antsika: ny hitia sy hanolokolo ary hanatsara ny lovasoa sarobidy nalevan’ireo razantsika. Ndao isika rehetra hiaraka hikatsaka, hanorina ary hiaina fiadanana sy filaminana ary fandrosoana eto Madagasikara,”, hoy ihany ny antoko Harena.Synèse R. L’article Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara
23/09/2020

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA

Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina

Araka ny toko faharoa miresaka momba ireo tabataba isan-karazany mety hanelingelina ny fiarahamonina ao amin’ilay “Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana”, mila fehezina ny feo mety hanakotaba ny hafa.Ao amin’ny sokajy fahefatra, andininy faha- 79 momba ny kotaba ataon’ny biby, tsy maintsy mandray fepetra manokana rehetra hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina ny tompon’ny biby. Mila mampiasa amin’ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina sy mafy, toy ny fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala ny toeram-ponenana ny tompony. Voakasik’izany indrindra ny alika.Ao amin’ny sokajy faharoa ny momba ny fampiasana fitaovan-jaridaina maneno mafy. Ireo asa fanamboarana na ny fanaovan-jaridaina ataon’ireo olona manokana amin’ny alalan’ny zavatra na ny fitaovana mety hiteraka fanelingelenana ny manodidina noho ny hamafin’ny feo, toy ny fanapahana ahitra misy motera, ny fanapahana, ny fandavahana, ny fikikisana na ny fanapahana mekanika dia tsy azo atao afa-tsy amin’ireo andro fiasàna, amin’ny 8 ora 30 hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 1 ora 30 hatramin’ny 7 ora 30 hariva. Eo kosa ny asabotsy amin’ny 9 ora hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora hariva.Milaza ny andininy faha-78 fa tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ireo mponina amin’ny toeram-ponenana na ireo miankina aminy mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny tranony ireo mpiara-monina manodidina, toy ny vata famoaham-peo, ny firaketam-peo, ny fitaovana fandrenesam-peo sy ny fahitalavitra, ny zavamaneno, ny fitaovana maneno, ny fitaovana an-tokantrano sy ireo feo ateraky ny fanaovana kiraro mafy faladia na fanatanterahana asa na kilalao tsy mifanaraka amin’ireo trano ireo.Tatiana AL’article Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy

Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao ny andiany roa ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Manoloana izany, nitoka-monina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo olona rehetra mpizaika sy mikarakara ny laza adina hatrehin’ny mpiadina amin’ny bakalorea 2020, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Assoumacou Léa Béatrice. 40 andro ny faharetan’ny fitokanana ary tsy hivoaka any izy ireo raha tsy vita tanteraka ny bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Tsy mahazo mifanerasera amin’ny aty ivelany ireo mpiasa mandritra izay fotoana izay ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana.Voahaja ny fe-potoana amin’ny fanomanana ny fanadinana sy ny fepetra ara-pahasalamana eo amin’ny olona sy ny fotodrafitrasa handraisana ny mpizaika. Efa norarahina fanafody ny toerana handrasaina azy ireo. « Vonona koa ny olona hikarakara ny fandriampahalemana mandra-pivoakan’ireo olona ao », hoy ny tomponandraikitra.Efa nifarana ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea manerana ny Nosy.Vonjy A.L’article Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Indray mijery

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika fanadinana BEPC .Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222. Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara mpivarotra hani-masaka amidy… L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta”

I Nagamy Jean Fabrice, dimy taona niseharana eo amin’ny tontolon’ny fakana sary na saripika. Vokatry ny fitiavana sy lovan-talenta ny nahatonga ny tovolahy nisehatra amin’izany satria mpaka sary ihany koa ny rainy. Teo ihany koa ny fifampikasohana tamina namana mpiara-nianatra teny Ankatso, manana traikefa amin’ny fakana sary, ka nampiroborobo ny talentany sy nahatongavany amin’izao dingana vitany izao.« Nanomboka teo aho dia lasa nanao fikarohana maro mahakasika ny sary sy ny momba ireo mpaka sary efa lasa lavitra na ny any ivelany na ny eto an-toerana. Tsapako fa maro ireo Malagasy manan-talenta ary tena tsy nampoiziko hahavita zavatra tena avo lenta sy kanto eo amin’ny tontolon’ny saripika”, hoy i Nagamy.Nohamafisiny fa, “… nanomboka teo ihany koa, tapa-kevitra fa hanangom-bola hividianana fitaovana. Nipoitra sy nitsidika ary nisokatra tsikelikely ny lalana sy ny hirika maromaro teo amin’ny sehatra ivelarana. Nazoto nizara ny zava-bita tamina tambajotran-tsosialy. Nihamaro ihany ireo matihanina nanorotoro sy nanitsy ahy rehefa misy zavatra tsy nety”. Tsy nandalo fianarana manokana ny tenany fa nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny « internet » ary mazoto maka sary hatrany, manao fampiharana matetika. « Rehefa tsy ao anatinao ny fitiavana, tsy voatery amina sehatra fakana sary ihany fa na inona na inona sehatra, tsy ho lasa lavitra mihitsy ianao. Miantomboka amin’ny fitiavana sy ny finiavana aloha izay vao mamboly talenta », hoy hatrany i Nagamy J. Fabrice. Mba handeha lavitra sy hitety izao tontolo izao, hanandratra avo ny anaran’i Madagasikara amin’ny alan’ny saripika ny tanjony. Ankoatra io, maniry ny hanangana sekoly fianarana manokana momba ny saripika, indray andro any!Narilala L’article Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta

Tsy very maina ny fihibohana ho an’ny tarika Gasta, ahitana an’i Jimmy, i Tantely, i David ary i Haja. Tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana no niketrehan’izy ireo ny vazo vaovao toy ny «Ialako nenina», ny «Tsofy rano», ny “Vavaka ho anao”. Raha tsiahivina, 20 taona ny efa nivoizan’ny Gasta ny gadona rap. Ampahany amin’ireo sanganasa tsy afaka am-bavan’ny maro ary nahafantarana ny tarika ny « Sipa avy aiza? » sy ny « Fo tetaka ».Nomarihan’i Jimmy fa omena vahana ny fanaingoana ny sanganasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara sy ny fampiarahana izany amin’ny mpikosoka kapila DJ. 20 taona aty aoriana, tsikaritra ho tafapetraka ilay fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Gasta rehefa milalao mozika. “Nitombo an-dalana toy izany ihany koa ny fahamatorana”, hoy hatrany i Jimmy.Am-periny amin’ny famoahana ny rindrantsarin’ilay sanganasa « Ialako nenina » ry Gasta. Mampanantena seho tokana sy hiavaka ihany koa ry zalahy zanak’i Talatamaty ireto amin’ny lanonana famaranana ny taona 2020. Havondrona ao anatin’io seho io avokoa ny traikefa azo tao anatin’izay fotoana naharitraritra izay.“Mbola vonona hatrany hanjohy ny lalan-tsarotry ny mozika ny tarika Gasta ary nampanantena hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva ao anatin’ny tontolon’ny rap”, hoy ny mpikambana rehetra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard

« Nifanafatra foana, nifanome fotoana, indrindra tato ho ato, nifanao andraso andraso”… Iray amin’ireo tononkira nampalaza ny tarika Kafa tany ho any amin’ny taona 1983. Nindaosin’ny fahafatesana, ny 21 septambra teo, Randrianarisoa Richard, fantatra teo amin’ny tontolon’ny hira tamin’ny anarana hoe Kafa, fanafohezana ny “Kalo no fahafinaretana”. Raha ny heno, efa amam-bolana tsy salama i Richard Kafa. 61 taona izy izao nodimandry tany Analavory izao. Iray amin’ireo tarika nanana ny naha izy azy tany ho any amin’ny taona 1985 ry Kafa. Tononkira tsotra, gadona tsy niala lavitra ny funk ny nampitan’i Richard sy ireo namany ny hafatra tao anatin’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny “Tanisan’ny manina” (Isan’ny amontana, roa ny aviavy …).Raha ny fandaharam-potoana, anio amin’ny 9 ora maraina no hiala ao an-tranony ao Miadanarivo ny nofomangatsiakany, aorian’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Handalo ao amin’ny PK 41 Mangatany Arivonimamo amin’ny 11 ora maraina ary hasitrika ao amin’ny fasan-drazany Ambohimandroso Arivonimamo avy eo.Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina

Nampihodina vola 1 246,367 Ariary, niakatra ho 22,46 % ny vola kirakirain’ny tambajotran-tserasera rehetra eto Madagasikara, ny taona 2019, raha oharina ny taona 2018, araka ny tarehimarika navoakan’ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication). Ny sersera amin’ny antso sy ny sms no mitana ny loharaharana amin’izany, manome 528,378 Ariary, na nitombo ho 4,94% raha ampitahana ny tamin’ny 2018.Ny sampana Data kosa, nitombo 23,74% ny tamin’ny 2019, araka ny fanazavan’ny Artec. Noho ny fitombon’ny fampiasana “fibre optique” tamin’ny 2019 ny nahatonga izany. Nampiditra 270 miliara Ariary ny Data tamin’io fotoana io.Miroborobo, araka izany, ny tambanjotra ny fifandraisan-davitra. Ny foibe fiantsoana Towerco, ohatra, nampiditra 214 miliara Ariary, niakatra ho 228 % nandritra iny taon-dasa iny. Azo lazaina fa sehatra tsy nianjadian’ny Covid-19 ny fifandraisana. R.MathieuL’article Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina

Hiakatra  kianja ary hifanadrina amin’ny teratany aostralianina i Irina, anio. Efa any amin’ny dingana faharoa kosa i Tessah, taorian’ny fandresena azony, omaly.Ramialison Irina, hifanandrina amin’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, eo amin’ny fihodinana voalohany, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana, hotanterahina amin’ity alarobia ity. Mpilalao efa manana filaharana ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity mpifanandrina aminy ity satria faha-132 maneran-tany.Efa imbetsaka niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ary manana traikefa betsaka raha mitaha amin’i Irina. Efa nandrombaka ny “Fed cup”, niaraka tamin’ny ekipam-pireneny, ny taona 2019. Azo lazaina fa maozatra amin’i Irina ity mpifanandrina aminy ity. Raha tsiahivina, “wild card” na fanasana manokana ny azon’i Irina amin’ny fandraisana anjara amin’ity “Grand chelem” ity satria tsy tafiditra tao anaty filaharana ny tovovavy. Faha-370 maneran-tany mantsy no misy an’i Irina, amin’izao fotoana izao.Miakatra amin’ny dingana faharoaEtsy andaniny, nazava ny fandresen’i Tessah Andrianjafitrimo, nifandona amin’ilay espaniola, i Nuria Parrizas Diaz, manana ny filaharana faha-225 maneran-tany, omaly. Miakatra amin’ny dingana faharoa ity Malagasy ity rehefa nandresy “set” 2 noho 1.  Laharana faha-262 i Tessah amin’izao fotoana izao ary eo amin’ny faha- 21 taony.Marihina fa hiadiana toerana hidirana ao anaty tabilao lehibe ny fifanintsanana nanomboka ny alatsinainy lasa teo, izay hifarana ny zoma 25 septambra ho avy izao. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hanomboka ny fifaninanana amin’ity “Grand chelem” ity. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski

Hotanterahina, ny alakamisy 1 oktobra ho avy izao, ny «UEFA Club Football Awards 2020», na ny fanolorana ny amboara ho an’ireo mpilalao mendrika, niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2020». Anisan’ny andrasan’ny rehetra izay ho lohalaharana handrombaka izany, amin’ity. Hiady ny ho lohany i Neymar sy i Mbappé, avy amin’ny Paris St Germain, ary i Lewandowski, ao amin’ny Bayern de Munich, tombanan’ny maro fa manana herijika hahazo izany noho izy nahazo ny ho tompondakan’i Eoropa. Somary nahagaga ny rehetra kosa ny tsy naha tao anaty lisitra an’i Gnabry, mpilalaon’ny Bayern Munchen. Ankoatra izay, hifaninana eo amin’ny mpiandry tsatoby tsara indrindra ihany koa i Manuel Neuer, Bayern de Munich, sy i Keylor Navas, PSG ary i Jan Oblak, Atletico de Madrid. Mbola hangotraka ihany koa ny an’ny vodilaharana satria adin’ny samy Bayern ny fifanandrinan’i David Alaba sy i Alphonso Davies ary i Joshua Kimmich. Hifampitana kosa eo amin’ny irakiraka i Thiago Alcántara, Bayern Munchen, sy i Kevin De Bruyne, Manchester City, ary i Thomas Muller, Bayern de Munich.Ho an’ireo niatrika ny “Ligue Europa” indray, hiady izay ho mendrika i Éver Banega, mpilalaon’ny FC Séville, saingy efa nifindra ao amin’ny Al-Shabab, ary i Bruno Fernandes, Manchester United, sy i Romelu Lukaku, Inter de Milan. Sambany kosa no hisy fisafidianana izay ho mpanazatra mendrika, amin’ity. Mahatratra 32 ireo mpanazatra hifidy ka tsy mahazo mandatsa-bato ho an’ny mpilalaony ireo mpanazatrany. Ankoatra izay, 55 ireo mpanao gazety haneho ny safidiny. Tompondaka L’article Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle

 Misondrotra avo hatrany ny voninahi-pirenena malagasy, amin’ny alalan’ny taranja lomano. Taorian’ny nahazoany ny laharana faha-7, teto Afrika, ho an’ny 100 m NL, vehivavy, mbola tafiditra “top 10” indray Rabarijaona Tiana Marielle, ho an’ny 400 m NL. Ny fifaninanana “56th Malaysia International Age Group Swimming Championships” ka nahavitany ny hazakazaka tamin’ny fe-potoana 04’35”45 ny nahafahana nametraka ho eo amin’ny laharana faha-10 eto Afrika. Filaharana navoakan’ny Cana (Confederation africaine de natation), omaly, ho an’ny taona 2020. Tsiahivina fa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehiny tamin’ny taona 2019, nahazoany “record national” maromaro. Isan’izany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, teo amin’ny 400 m NL, ny namontsanany ny zava-bita tsara indrindra nasionaly io. Nandray anjara tamin’ilay fifaninanana natao tany Gwangju, Corée, ihany koa i Murielle ka zava-bita tsara indrindra nasionaly roa ny montsany (50 m basse/200 m NL).Raha hiverenana ity filaharana nivoaka ity teo amin’ny 400 m NL, azon’i Dune Coetzee ny laharana voalohany (04’19’’19). Mi.Raz L’article Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada
23/09/2020

Dihy fanatanjahantena: vita ny famindram-pahefana

Enim-bolana aty aoriana, tontosa ny famindram-pahefana teo amin’ny mpitantana teo aloha ny federasiona, ny dihy fanatanjahantena, i Leccia Jean Christian (Xian) sy ny filoha vaovao, i Rijamanitra. Ny alatsinainy lasa teo, teny Antanimena, ny nanatanterahana izany. Nandritra io fotoana io ny nanolorana ny mpitantana vaovao ny “statut”, ny fitsipika anatiny ary ny tatitra natao teny anivon’ny ligy. Nambaran’ny filoha am-perinasa fa maro ny tetikasa fa mbola haverina hampahafantarina izany amin’ny fanolorana ny birao vaovao, hatao tsy ho ela. Isan’izany ny fanakaikezana bebe kokoa ny ligy ahafahana miara-miasa ho fampandrosoana ity taranja ity. Eo ihany koa ny hamerenana indray ny fankafizan’ny olona izany dihy fanatanjahantena izany. Fanamby apetraka kosa ny hisian’ny fifaninanana matetika, ny hanantanterahana ny fifaninanana nasionaly goavana sy ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena. Tsiahivina fa ny volana marsa lasa teo no vita ny fifidianana ny mpitantana ny federasiona malagasy ny dihy fanatanjahantena, hitondra mandritra ny efa-taona manaraka. Mi.Raz L’article Dihy fanatanjahantena: vita ny famindram-pahefana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha
23/09/2020

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Nandavo olona enina tao anatin’ny 48 ora ny covid-19
21/09/2020

Misoko mangina ny isan’ireo maty na mihena aza ny tranga vaovao. Olona roa indray no nodimandry, ny asabotsy teo ka avy eto Analamanga sy Diana izy ireo. Niampy efatra ireo lavo, omaly alahady ka iray avy any Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony.Roa kosa ireo namoy ny ainy any Alaotra Mangoro, tao amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka ka vehivavy 60 taona sy lehilahy 78 taona izy ireo. Enina izany ireo matin’ny coronavirus tao anatin’ny roa andro. Tafakatra 223 ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika.Miisa 82 kosa ireo tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora ka ny asabotsy teo ny 49 amin’izany. Mitombo tahaka ny isan’ny maty koa ny isan’ireo mbola tsaboina sy arahi-maso. Niampy 13 izany, omaly alahady ka tafakatra 1 182 izany izao.Na izany aza, nihena 11 ireo anaty fahasarotana ka 26 ireo “forme grave”. Miisa 16 kosa ireo sitrana ka tafakatra14646 ireo efa nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana.Synèse R.L’article Nandavo olona enina tao anatin’ny 48 ora ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Valanaretina Covid-19
17/09/2020

Betsaka ireo mararin’ny Covid-19 efa sitrana no niverenany indray, araka ny nambaran’ireo mpitsabo. Misy tamin’izy ireo no narary nanana fahasarotana saingy rehefa niverenany dia tsy nananosarotra intsony ny aretina noho ny fananany hery fiarovana. Maivana kokoa ny soritr’ aretina fa maharitra vao sitrana indray, araka ny fanamafisan’ireo mpitsabo. L’article Valanaretina Covid-19 est apparu en premier sur AoRaha.

Adiny roa vao tafavoaka ireo razana: efa-dahy maty nianjera tao anaty… lavapiringa
17/09/2020

Nanao ny tratry ny heriny ihany ny fokonolona tamin’ny famonjena azy ireo, saingy tsy avotra ny an’izy efatra mirahalahy. Maty sempotra raha nilatsaka tao anaty lavapiringa nodioviny, somary lalindalina. Adiny roa taorian’ny nitrangan’ny loza vao tafakatra ireo razana.Tsy nampoizina ! Izany tokoa rehefa ho avy ny loza. Efa-dahy (mpiray tampo ny telo raha fianakaviana akaiky azy telo ny iray) indray maty tsy tra-drano nihotsahan’ny tany tao anaty lavapiringa, omaly, tao Ambatondrazaka. Nanadio lavapiringa « WC fosse septique » tao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ambohimiangaly Ambatondrazaka izy efa-dahy ireto. Efa tafakatra teny ambony izy ireo no nahatsikaritra ny iray fa nisy hadino tao anaty lavaka ny fitaovana nampiasain’izy ireo. Niverina naka izany tao anaty lavaka ny iray ka tamin’izany indrindra no nahalatsaka azy tampoka tao anaty lavaka. Nikoropaka ireo namany raha nahita ilay namany iray latsaka. Nanao ny ho afany ireo namany telo lahy nanavotra ilay tovolahy, saingy nisolifatra tampoka ihany koa rehefa niezaka nanavotra azy. Vokany, samy niara-latsaka tao anaty lavaka avokoa izy efa-dahy.Nanahirana ny fisokirana ny razana…Niezaka nifanome tanana tamin’ny fampiakarana ny razana ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona tao an-tanànan, saingy nananosarotra anefa izany noho ny halalin’ny lavaka. Teo koa ny tsy fahampian’ny fitaovana teo am-pelatanana nentina nampiakarana ny razana. Tohatra no nampiasaina nentin’ireo mpanavotra nampiakatra ny razana avy ao anaty lavaka. Naharitra teo amin’ny adiny roa teo izany. Taorian’izay, efa natolotra ny fianakaviana ny razana.  Mandeha kosa ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity. Matetika misedra olana hatrany ny mpanadio ireny lavapiringa sy mpanamboatra sy/na mpanadio lava-drano ireny. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza. Araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana, raha vao mihoatra ny 10 metatra ny halalin’ny lavaka dia misy gazy manempotra sy mahafaty tampoka any ambanin’ny tany.J.CL’article Adiny roa vao tafavoaka ireo razana: efa-dahy maty nianjera tao anaty… lavapiringa a été récupéré chez Newsmada.

Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika
19/09/2020

477 ny isan’ny mpanao gazety vehivavy eto Analamanga sy amin’ny faritra telo hafa mandrafitra ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara. Miezaka ny ho matihanina izy ireo ary misokatra amin’ny fikirakirana karazam-baovao toy ny vaovao siantifika.Manomboka mahasarika ny mpanao gazety, indrindra ny vehivavy, ny fanaovan-gazety siantifika izay mbola vaovao ihany satria hatramin’izay, misahana ny lohahevitra rehetra amin’ny ankapobeny ny mpanao gazety malagasy. “Ho fanampiana ny vehivavy mpanao gazety hirona kokoa amin’izay fanaovan-gazety siantifika izay, nisy fanofanana nomena azy ireo avy amin’ny tetikasa “Adidin­tsika” nokarakarain’ny Fikam­banan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara nandritra ny roa andro teny Antanimena”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Andrianaivo­nirina Anny. Amin’izao fotoana mbola iadiana amin’ny valanaretina Coronavirus izao, nizara traikefa momba ny fikirakirana vaovao siantifika ma­nodidina ny valanaretina ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Voa­resaka ny fomba fitrandrahana loharanom-baovao sy ny fandanjalanjana ny azo zairaina amin’ny mpamaky sy ny mpijery ka hampitony ny olona ny fizarana hahalalany ny tokony hatao manoloana ny Covid-19.Hatrany ivelany …“Mila fitiavana sy faharetana ny famokarana lahatsoratra na fandaharana mivoy vaovao siantifika ary tsy maintsy omanina andro maromaro”, hoy Razafiarison Rivonala, mpanao gazety siantifika efa an-taony maro. Mbola vitsy ny mpanao gazety malagasy nisafidy ny hitrandraka izany nefa manokatra fivelarana amin’ny asa maha mpanao gazety hatrany ivelany. Mpanelanelana eo amin’ny mpikaroka siantifika sy ny vahoaka ny mpanao gazety hitondra ny vaovao misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro. Sarotra ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fotoan’ny hamehana tahaka izao nefa adidiny ny mitondra vaovao marina. 22 ny mpanao gazety vehivavy nanaraka ny fiofanana ary nizarana ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fizarana izy ireo, omaly. Nanotrona ny lanonana fizarana ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nanohana ny tetikasa nahafahana nanofana ny Agence française de coopération médias (CFI) sy ny Agence française d’expertise technique ary ny AFD.Vonjy A.L’article Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika a été récupéré chez Newsmada.

Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao…
17/09/2020

 Mitohy hatrany fanandratana ny hasin’ny kolontsaina malagasy tanterahin’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ny alahady 20 septambra izao, amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (ora eto Madagasikara) no hiditra amin’ny andiany faharoa ny lohahevitra “ Ireo fombafomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana sy ny tandindona fonosiny”. Anisan’ny hampiavaka ity Takalo dinika amorom-patana ity, ny handraisan’ireo faritany Fimpima ivelan’Antananarivo anjara. Hanan-karena ny dinika satria samy manana ny mampiavaka azy izy ireo raha eo amin’ny fomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana. Hisoron’afo amin’izany i Romule Thomas, mpikajy ny fomban-drazana faritany Fimpima Antsiranana, i Totoroy François, talen’ny serasera sampana Fimpima Mbarakaly faritany Toamasina, i Vincent Merland, mpandalina ny fomban-drazana faritany Fimpima Toliara ary Rtoa Rakotondriaka Avotra, filohan-tsampana Fimpima Soavinandriana faritany Antananarivo.Ankoatra ny tambajotran-tserasera “Zoom” sy “facebook”, hampiasaina ihany koa ny “You Tube” amin’ny fanatanterahina ny Takalo dinika amorom-patana. Na izany aza, mila misoratra anarana mialoha ireo izay handray anjara mba hahafahana mandamina sy mandrindra ny takalo, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.HaRy RazafindrakotoL’article Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao… a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.

Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao
17/09/2020

Niakatra tampoka indray. Miisa 68 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina, tamin’ny fitiliana miisa 453. Avy eto Analamanga ny 26 amin’izany raha avy any Vatovavy Fitovinany ny 13 ary 15 avy any Diana. Efatra avy ny any Vakinankaratra sy Sava raha telo ny any Atsimo Andrefana. Iray avy kosa ny any Itasy sy Alaotra Mangoro ary any Matsiatra Ambony.Niampy iray indray ny lavo ary avy eto Analamanga. Tafakatra 215 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Misoko mangina hatrany, iray isan’andro ireo nodimandry izany.Etsy an-daniny, nihena dimy ireo marary anaty fahasarotana ka 25 izany izao ireo “forme grave”. Na izany aza, miisa 30 ireo sitrana ka avy any Sava ny 10 amin’izany. Tafakatra14 482 ny isan’ny marary sitrana tamin’ireo 15 871 mitondra ny covid-19. Miisa 1 172 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R. L’article Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Taom-pianarana 2020-2021: hatramin’ny 9 oktobra ny fisoratana anarana
18/09/2020

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahina, ny alarobia teo, ny lamina momba ny fidiran’ny mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2020-2021.Mikasika ny fisondrotana kilasy, voalaza fa ireo salanisa azon’ny mpianatra nandritra ny telo volana voalohany sy faharoa no kajina sy hanombanana ny vokatra hahafahan’ireo ankizy misondrotra kilasy.Malalaka ny safidin’ireo ankizy rehetra afa-panadinana amin’ny sekoly izay tiany hidirana. Afaka mamerina kilasy kosa anefa ireo tsy afa-panadinana. Tsy tokony ho sakana amin’ny fidirana an-tsekoly ny vokatra azon’ny mpianatra tsirairay na ratsy na tsara, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra hatrany.Tokony efa hanao ny fisoratana anarana eny anivon’ny sekoly, araka izany, ireo mpianatra manomboka izao hatramin’ny 9 oktobra izao. Tsy mbola voakasik’izany kosa ny kilasy fahasivy sy ny famaranana mbola hiatrika fanadinana.Tsy maintsy hapetraka ihany koa ny lamina hampidirana ireo an-dakilasy. Alefa tsikelikely ny fandraisana azy ireo any an-tsekoly. Tsy maintsy manaraka ny lamina ara-pahasalamana efa napetraka avokoa ny sekoly rehetra.Hisy ny fanomezana odin-kankana ireo mpianatra miisa 2,2 tapitrisa ary hisy ihany koa ny fitsirihana ara-pahasalamana iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.Tatiana AL’article Taom-pianarana 2020-2021: hatramin’ny 9 oktobra ny fisoratana anarana a été récupéré chez Newsmada.

Sambava: tratra ireo jiolahy nanapoizina tanàna
18/09/2020

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Sambava tao Belaloana Ambodiampana, Sambava, ireo tambajotran-jiolahy nanapoizina tanàna amin’ny fanafody valium. Nambaran’ny zandary fa mody mitety tanàna ry zalahy ary mitondra karazana entana toy ny ranomanitra hamidy ary miaraka maromaro. Ny fomba fiasany, ny sasany mandresy lahatra ireo olona mitangorona, ny hafa kosa manararaotra mihodina any an-trano mandraraka fanafody mahery vaika ao anaty sakafo ahandroina na rano fisotro. Lasa ry zalahy ary miverina rehefa hariva satria amin’izay efa torana tsy mahatsiaro tena ny iray trano ka manararaotra mandroba ny vola sy ny lavanila ary ny firavaka sarobidy ao an-trano. Tokantranona raim-pianakaviana iray no tratra, saingy tsy mbola nisakafo na nisotro rano izy ka afaka nampandre ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Nandeha ny fikarohan’ny zandary ka tratra ny jiolahy ka nanondro ny namany roa. Hita tao an-tranon’izy ireo ny basy vita gasy sy ireo fitaovana hafa ary ny fanafody fampatoriana olona.J.CL’article Sambava: tratra ireo jiolahy nanapoizina tanàna a été récupéré chez Newsmada.

SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina
19/09/2020

Vokatry ny fanafihan-dahalo matetika. Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny Fondation Axian sy ny ONG Blue Ventures dia vita soamantsara ny fanamboarana ny EPP tao amin’ny tanànan’ny Mokotra, faritra Menabe. Notontosaina ny 17 septambra 2020 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ity Sekoly Telma faha-78 ity.Tao anatin’ny fanajana ny fenitra  tanteraka no nanamboarana ny sekoly ka efitrano fianarana telo, efa misy fitaovana toy ny latabatra, dabilio, trano fivoahana sy fidiovana ary lavan-drano no hita ao anatin’izany. Ankoatra ny tohana ara-bola sy ara-pitaovana avy amin’ny fandaharan’asa Sekoly Telma dia nandray anjara tamin’ny asa fanamboarana  ny EPP Mokotra ny ONG Blue Ventures sy ny mponina tao an-toerana. “Afaka mandray mpianatra 150 isa ny sekoly manomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy eo, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Fondation Axian”, Rajemison Dina. Nambarany ihany koa fa nanaiky ireo manam-pahefana any an-toerana toy ny Governoran’ny faritra, ny faripiadidiam-pampianarana fa handray an-tanana ny fandefasana mpampianatra telo sy fanomezana latabatra sy dabilio miisa 75. Fandaharan’asan’ny Fondation Axian ny Sekoly Telma ho fampitomboana ny tahan’ny zaza miditra an-tsekoly sy fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Miara-miasa amin’ireo fikambanana eto an-toerana sy any ivelany izy. Teo anelanelan’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019 dia sekoly Telma miisa 77 no namboarina manerana an’i Madagasikara ary ankizy tokony hianatra miisa 15.000 no nisitraka mivantana izany. Raha ny ONG Blue Ventures kosa no resahana dia fikambanana miasa amin’ny sehatry ny tontolo iainana manohana ny velontenan’ireo mponina any amorontsiraka ho fiarovana ny harena an-dranomasina ho lovainjafy. Ny taona 2005 izy no tonga teto Madagasikara ka any Ambanja (DIANA), Besakoa (Boeny), Maintirano (Melaky), Belo sur  Mer (Menabe)  ary Andavadoaka (Atsimo Andrefana), no toerana iasany.  Araka ny fanisam-bahoaka nataon’ny fikambanana tamin’ny taona 2018 dia fantatra fa ankizy 146, eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 14 taona no tsy mankany an-tsekoly ao amin’ny tanàna telo ao amin’ny faritra Menabe: Belalanda, Marovitiky sy Mokotra.  Ny rejistran’ny DREN (Direction Régionale de l’Éducation Nationale) Menabe ihany koa dia milaza fa nisy EPP tao Belalanda ary vita tamin’ny vondro saingy potika izany ny taona 2013 ary tsy nasiam-panamboarana mihitsy. Tsy nety nampianatra ireo mpampianatra nalefa tany noho tsy fisian’ny foto-drafitr’asa. Voatery mandeha mamonjy sekoly andehanan-tongotra mandritra ny 45 minitra ireo ankizy. Noho ny fanafihan-dahalo matetika anefa dia tsy mahafohy mandefa ny zanany  an-tsekoly ireo ray aman-dreny. Nirina R. Cet article SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina a été récupéré chez Délire Madagascar.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

« Raharaha Leva »: manaitra ny fanjakana sy ny masoivoho ny AVG
18/09/2020

Araka ny efa fantatra, voasambotry ny zandary, ny alarobia teo, teny Analakely, Raveloson Ludovic, antsoina hoe Leva, depiote teo aloha an’i Mahabo, faritra Menabe. Nandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny nisamborana azy. Nitsoaka, tsy hita popoka izy, nanomboka ny volana febroary teo, namoahana didy fampisamborana ary izao tratra izao indray.Manoloana izany, naneho hevitra ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny Alliance voahary gasy (AVG), fa tokony handray andraikitra ny fanjakana amin’ny fampiharana ny lalàna. Efa nanaitra rafi-panjakana sy ny masoivoho vahiny maromaro ity fikambanana fiarahamonim-pirenena ity. Maromaro ny raharaha maha voarohirohy azy any amin’ny fitsarana, toy ny  fivarotana hazo sarobidy avy any anaty faritra arovana Menabe Antimena, ny raharaha vonoan’olona, sns. Anisan’ny mitory an-dRaveloson Ludovic ny AVG.Nambaran’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa aorian’ny famotorana savaranonando ataon’izy ireo dia halefa hohadihadian’ny zandarimaria any Morondava ity depiote teo aloha voasambotra teny Analakely ity.Njaka A.L’article « Raharaha Leva »: manaitra ny fanjakana sy ny masoivoho ny AVG a été récupéré chez Newsmada.